Seminera
Fizarana 27: Andro 2, 3 Nefia 24–26


Fizarana 27: Andro 2

3 Nefia 24–26

Fampidirana

Ao amin’ny 3 Nefia 24–25 dia notanterahan’i Jesoa Kristy ny didin’ny Ray any an-danitra hoe hizara amin’ny vahoaka ny sasany tamin’ireo faminanian’i Malakia. Nambaran’i Malakia fa mila mibebaka ny mpianakavin’i Isiraely ary miverina amin’ny Tompo ho fiomanana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy. Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 26:3, dia novelabelarin’i Jesoa Kristy tamin’ny vahoaka “ny zavatra rehetra, hatrany am-piandohana ka hatramin’ ny fotoana izay hahatongavany ao amin’ ny voninahiny.” Avy teo dia nampianatra i Môrmôna fa ireo izay mino ny Bokin’i Môrmôna dia mbola hanehoana zavatra lehibe kokoa (jereo ny 3 Nefia 26:9).

3 Nefia 24:1–6

Naverin’i Jesoa Kristy nambara ireo teny nomena an’i Malakia mikasika ny Fiaviana Fanindroany

Sary
Ny Fiaviana Fanindroany

Rehefa namerina nilaza tamin’ny Nefita ny sasany tamin’ireo faminanian’i Malakia i Jesoa Kristy dia nampiasa ny sarin’ny afo sy ny savony. Alaivo sary antsaina ny afo miredareda sy ny savony iray. Eritrereto ny zavatra iraisan’ireo zavatra roa ireo amin’ny maha-fitaovana fanadiovana azy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 24:2–3. Ao amin’ny 3 Nefia 24:2 dia ampitahaina amin’ny afon’ny mpandrendrika sy ny savonin’ny mpanasa lamba i Jesoa Kristy noho ny zavatra ho ataony amin’ny Fiaviany Fanindroany. Ao amin’ny 3 Nefia 24:3 dia ampitahaina amin’ny mpandrendrika volafotsy Izy, izay manadio volafotsy. Mba hahatakarana ireo andininy ireo dia manampy ny fahafantarana fa ireo dingana arahina amin’ny fanadiovana volafotsy dia mitaky ny hihazonan’ilay mpandrendrika sombim-bolafotsy iray eo amin’ny ampahany mahamay indrindra amin’ny afo mba handorana ireo loto. Tsy maintsy mijery tsara ilay volafotsy ilay mpandrendrika, satria raha tavela ela loatra eo amin’ny afo na dia kely fotsiny aza ilay volafotsy dia ho simba. Ny mpanasa lamba dia olona izay manadio fitafiana na mamotsy izany amin’ny fampiasana savony. Ireo “zanakalahin’i Levy” no ireo izay nihazona ny fisoronana tamin’ny andron’i Isiraely fahiny; azo ampiasaina amin’ny vahoakan’ny Tompo rehetra amin’izao fotoana izao io fiantsoana io.

Saintsaino ny zavatra hitranga amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy fanindroany araka izay ambaran’io sarin-teny io. Azonao atao ny manoratra ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 24:2–3 ny hoe: Hanadio ny Vahoakany i Jesoa Kristy amin’ny Fiaviany Fanindroany.

Vakio ny 3 Nefia 24:5–6, ary fantaro hoe iza no ho levona ary iza no tsy ho levona na ho ringana amin’ny fiavian’ny Mpamonjy. (Marihina fa ny hoe “zanak’i Jakôba” ao amin’io andininy io dia ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely.) Ireo andininy ireo dia mampianatra ny fitsipika hoe: Hitsara ny ratsy fanahy i Jesoa Kristy amin’ny fiaviany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity lohateny manaraka ity: Ny zavatra tsy maintsy ataoko mba hiomanana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany. Rehefa manohy mandalina ny 3 Nefia 24–26 ianao dia ataovy lisitra eo ambanin’io lohateny io izay zavatra nianaranao ka manampy anao hiomana amin’ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

3 Nefia 24:7–18

Nampianarin’i Malakia ny mpianakavin’i Isiraely ny fomba iverenana any amin’ny Tompo

Alaivo sary an-tsaina hoe misy namanao akaiky iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana toa tsy miraharaha izay mety ho fiantraikan’ny zavatra ataon’ny olona iray amin’ny tenany amin’ny Fitsarana, na ny Fiaviana Fanindroany, na any amin’ny mandrakizay. Eritrereto ny zavatra mety holazainao mba hiezahana sy hanampiana io olona io. Vakio ny 3 Nefia 24:7 ary tadiavo ny zavatra nolazain’ny Tompo tamin’ireo zanakalahin’i Jakôba izay efa nanomboka niala taminy. Araka ny hevitrao, inona no dikan’ny hoe “nihataka” tamin’ny ôrdônansin’ny Tompo ny vahoaka?

Ao amin’ny Fiangonana, ny ôrdônansy dia fombafomba masina sy manara-pitsipika izay tanterahina amin’ny alalan’ny fahefan’ny fisoronana. Misy ôrdônansy sasany izay tena ilaina ho an’ny fisandratantsika. Antsoina hoe ôrdônasin’ny famonjena ireo ôrdônansy ireo.” Ao anatin’izany ny batisa, ny fandraisana ho mpikambana, ny fanendrena amin’ny Fisoronana Melkizedeka (ho an’ny lehilahy), ny fanafiana masina any amin’ny tempoly, ary ny famehezana ny fanambadiana. Manao fanekempihavanana lehibe amin’ny Tompo isika amin’ny fanatanterahana ireo ôrdônansy tsirairay ireo. Azonao atao ny mitanisa ireo ôrdônansin’ny famonjena eo ambanin’ilay lohateny ao amin’ny asa nampanaovina 1 ao anatin’ny diary. Eritrereto ny fomba anampian’ireo ôrdônansy ireo antsika hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany.

Na dia nihataka tamin’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny filazantsara aza ny vahoakan’ny Tompo dia jereo ilay fampanantenana ao amin’ny 3 Nefia 24:7, izay nomen’ny Tompo azy ireo raha toa izy ireo ka manaiky hiverina Aminy. Azonao atao ny manisy marika io fampanantenana io ao amin’ny soratra masinao mba hanampiana anao hahatsiaro fa raha miverina amin’ny Tompo isika dia hiverina amintsika Izy.

Vakio ny 3 Nefia 24:8–10, ary mitadiava fomba iray izay nolazain’ny Tompo fa ahafahan’ireo zanak’i Jakôba miverina any Aminy ka ahafahan’izy ireo amin’izany mba hiomana amin’ny Fiaviana Fanindroany. Azonao atao ny mampiditra ny fandoavana fahafolonkarena sy fanatitra ao amin’ny lisitra eo ambanin’ilay lohatenin’ny asa nampanaovina 1 ao anatin’ny diary.

Vakio ity torohevitra manaraka ity izay nomen’ny Filoha Gordon B. Hinckley mikasika ny fandoavana fahafolonkarena: “Afaka mandoa ny fahafolonkarenantsika isika. Tsy dia resaka vola loatra izany fa resaka finoana” (“Let Us Move This Work Forward,” Ensign, nôv. 1985, 85).

Saintsaino ao anatin’ny fotoana fohy ny maha fanehoana ny finoanao ny Tompo ny fahavononanao hanome fahafolonkarena sy fanatitra ho Azy. Vakio ny 3 Nefia 24:10–12, ary mifantoha amin’ireo fitahiana ho an’ireo izay mandoa fahafolonkarena feno sy marina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo fitahiana noraisinao avy amin’ny fankatoavana ny lalàn’ny fahafolonkarena?

    2. Tamin’ny fomba ahoana, araka ny eritreritrao, no nahafahan’ny fitandremanao ny didy handoa ny fahafolonkarenanao sy ny fanatitrao nanampy anao hiomana ara-panahy ho amin’ny Fiaviana Fanindroany?

Nimonomonona ny vahoaka sasany tao Isiraely fahiny fa hoe tsy nitondra soa na inona na inona ho azy ireo ny fitandremana ny didin’ny Tompo. Nahatsapa izy ireo fa zava-poana na tsy nisy nilàna azy ny ezaka nataon’izy ireo (jereo ny 3 Nefia 24:14). Tetsy ankilan’izay anefa dia nilaza izy ireo fa “sambatra” sy “voaorina” ary “afaka” ireo mpirehareha sy ratsy fanahy (3 Nefia 24:15). Izany hoe nitaraina ireo vahoaka ireo fa netinety kokoa noho ny fiainan’ny olo-marina ny an’ireo ratsy fanahy. Namaly ireo fitarainana ireo ny Tompo tamin’ny fitenenana fa ireo izay matahotra ny Tompo sy mihevitra ny Anarany, ary miara-mivory matetika mba hifampiresaka, dia hahita ny anarany voasoratra ao amin’ny “bokin’ny fahatsiarovana” (3 Nefia 24:16). Izy ireo no ho ireo izay vonona ho amin’ny fiavian’ny Tompo ary hotsimbinina toy ny “vatosoa[ny]” sarobidy (jereo ny 3 Nefia 24:16–17). Nomen’ny Tompo fanamby ireo izay nitaraina mba hiandry ary hijery ny vokatra farany rehefa afaka “hiverina ary hanavaka ny olo-marina amin’ ny olon-dratsy” izy ireo amin’izany (3 Nefia 24:18). Ho hitan’izy ireo fa tsara lavitra kokoa ny fiainan’ny olo-marina any am-parany any.

3 Nefia 25

Naverin’i Jesoa Kristy nolazaina ilay faminanian’i Malakia hoe hiverina i Elia alohan’ny Fiaviana Fanindroany

Sary
I Elia mamerina amin’ny Laoniny ireo Fanalahidin’ny Fahefana Famehezana an’ny Fisoronana

Vakio ny 3 Nefia 25:1–3, ary tadiavo hoe nahoana ny Fiaviana Fanindroany no ho fitahiana ho an’ireo izay mahatoky amin’i Jesoa Kristy. Ny teny hoe faka ao amin’ny andininy 1 dia manondro ireo razambe, ary ny sampana dia manondro ny taranaka. Noho izany dia tsy hahazo ireo fitahiana hoe ho voafehy na amin’ny razambeny na amin’ireo taranany ireo ratsy fanahy any amin’ny fiainana ho avy. Ireo zanak’omby izay “hitombo … ao am-pahitra” dia tandindon’ireo ankizy izay voaro, sy voakarakara, ary manana izay rehetra ilainy rehefa mihalehibe.

Nozarain’ny Mpamonjy tamin’ny Nefita ny zavatra nosoratan’i Malakia mikasika ny zavatra iray izay hitranga alohan’ny Fiaviana Fanindroany, izay handraisan’i Elia, ilay mpaminany ao amin’ny Testamenta Taloha, anjara. Vakio ny 3 Nefia 25:5–6, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Malakia fa hataon’i Elia mba hanampiana amin’ny fanomanana izao tontolo izao ho amin’ny fiavian’ny Tompo.

Ny fiverenan’i Elia teto an-tany dia ampahany tena nilaina tamin’ny Famerenana ny filazantsara tamin’ny laoniny. Tamin’ny 3 aprily 1836 dia niseho tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery i Elia, tao amin’ny Tempolin’i Kirtland izay vao avy notokanana, (jereo ny F&F 110). Natolony azy ireo ilay fahefana mamehy izay an’ny fisoronana ka ahafahan’ireo fianakaviana ho voafehy amin’ireo taranaka mifandimby rehetra. Araka ny hevitrao dia inona no dikan’ilay fanambarana fa “Izy hampitodika ny fon’ ny ray amin’ ny zanaka, ary ny fon’ ny zanaka amin’ ny ray”?(3 Nefia 25:6)

Ireo andininy ireo dia mampianatra fa rehefa mitodika amin’ireo raintsika ny fontsika dia manampy amin’ny fanomanana ny tany ho amin’ny Fiverenan’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra iray niainanao na niainan’ireo olona ao amin’ny fianakavianao, ka nanampy anao hampitodika ny fonao tamin’ny razambenao. Mety tafiditra ao anatin’izany ny naha voafehy tany amin’ny tempoly masina, ny fikarohana ny tantaran’ny fianakavianao, na ny fandraisana anjara tamin’ny batisa ho an’ny maty. Raha tsy misy zavatra niainana tonga ao an-tsainao dia manorata andininy fohy iray mikasika ny fanirianao handray anjara amin’io asa io. (Azonao atao ny manoratra ny toy izao eo ambanin’ny asa nampanaovina 1 ao anatin’ny diary: fandraisana ireo ôrdônansin’ny tempoly ho an’ny tenanao sy ny fianakavianao, mankany amin’ny tempoly, ary manangona fampahalalana momba ny tantaram-pianakavianao.)

3 Nefia 26

Ny zavatra tsy maintsy atao mba hahazoana ireo zavatra lehibe kokoa izay nambaran’i Jesoa Kristy

Ianarantsika avy amin’ny 3 Nefia 26:3 fa ny Mpamonjy dia nampianatra ny Nefita “ny zavatra rehetra izay ho tonga eto ambonin’ ny tany.” Vakio ny 3 Nefia 26:6–8, mba hitadiavana hoe ny ampahafirin’ny lahateny nataon’ny Mpamonjy no voarakitra tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Halalino ny 3 Nefia 26:9–11 mba hamantarana ny antony tsy nanoratan’i Môrmôna ny zavatra rehetra.

Nandidy an’i Môrmôna ny Tompo mba tsy hanoratra afa-tsy ny ampahany kely ihany tamin’ireo fampianarana ireo mba hizahana toetra ny finoantsika. Avy amin’ny 3 Nefia 26:1–21 no ianarantsika fa rehefa mino ny zavatra nambaran’Andriamanitra isika dia miomana handray fanambarana lehibe kokoa. Nahoana, araka ny hevitrao, no ilaina alohan’ny handraisantsika fahamarinana fanampiny ny finoana ireo fahamarinana efa voaraintsika? (Jereo ny Almà 12:9–11.) Ahoana no hanehoantsika fa mino ny zavatra efa nambaran’ny Tompo isika?

  1. Mba hampiharana ilay fitsipika nosoratana tamin’ny endriny miavaka etsy ambony dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no ataonao eo amin’ny fiainanao mba hanehoana ny finoanao ny Bokin’i Môrmôna?

Araka ny voasoratra ao amin’ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 26, dia namintina ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny Nefita i Môrmôna. Vakio ny 3 Nefia 26:13–21, ary asio marika ny fomba nampiharan’ny vahoaka ny tenin’i Jesoa Kristy.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 24–26 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: