Seminera
Fizarana 25: Andro 1, 3 Nefia 11:18–3 Nefia 12


Fizarana 25: Andro 1

3 Nefia 11:18–12:48

Fampidirana

Rehefa avy nitsapa tsirairay tamin’ny tanany ireo holatra teo amin’ny lanivoan’i Jesoa Kristy sy ny tanana ary ny tongony ireo vahoaka teo amin’ny tempoly tao an-tanin’i Soafeno dia nomen’ny Mpamonjy an’i Nefia sy ny olona maro hafa ny fahefana hanao batisa. Nampitandrina ny vahoaka ny Mpamonjy mba tsy hisian’ny fifanjihirana ary nampanantena fa handova ny fanjakan’Andriamanitra ireo izay miaina ny filazantsara. Nampianariny azy ireo koa ny fomba andraisana ireo fitahian’ny Filazantsarany ary nampianariny izy ireo hitaona ny hafa ho amin’ny tsara. Nambaran’ny Mpamonjy fa nahatontosa ny lalàn’i Mosesy Izy, ary nomeny lalàna ambonimbony kokoa ny vahoaka mba hanomanana azy ireo ho tonga tahaka Azy sy ny Raintsika any an-danitra.

3 Nefia 11:18–30

Nanome fahefana an’i Nefia sy ny hafa i Jesoa Kristy hanao batisa ary nanameloka ny fifanjihirana

Tsaroanao ve ny eritreritrao sy ny fahatsapana nanananao tamin’ianao niomana ho amin’ny batisanao, na efa nandinika namana na olona ao amin’ny fianakaviana niomana mba hatao batisa ve ianao? Olona maro no manana fanontaniana toy ny hoe “Iza no afaka manao batisa ahy?” ary “Ahoana no fomba fanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa?” Eritrereto ny fomba amalianao ireo fanontaniana ireo.

Teo am-pandalinanao ny 3 Nefia 11:1–17 dia nianaranao ny mikasika ny nisehoan’i Jesoa Kristy tamin’ny “vahoakan’ i Nefia, niara-tafavory nanodidina ny tempoly izay tao an-tanin’ i Soafeno” (3 Nefia 11:1). Nahatsapa tamin’ny tanany ireo holatra teo Aminy ireo vahoaka ireo ary lasa vavolombelona manokana ny amin’ny Fitsanganany tamin’ny maty sy ny maha-Andriamanitra Azy. Taorian’ny niainan’izy ireo io traikefa io, dia nampianatra azy ireo avy hatrany ny Mpamonjy mikasika ny batisa, anisan’izany ny hoe iza no afaka manao batisa ary ahoana no fomba tokony hanatanterahana ny batisa.

Vakio ny 3 Nefia 11:18–22, 24–25, ary soraty ny valin’ny fanontaniana hoe “Iza no afaka manao batisa ahy?”

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11, dia nianatra avy amin’ny zavatra nolazain’ny Mpamonjy sy ny zavatra nataony isika fa: Tsy maintsy olona mihazona ny fahefana mety amin’izany no manatanteraka ny batisa. Manazava ny fanambarana maoderina fa ny batisa dia tsy azo atao raha tsy olona mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna ihany no manao azy (jereo ny F&F 20:46) na izay manana ny fisoronana Melkizedeka (jereo ny F&F 20:38–39; 107:10–11). Ankoatra izany izy dia tsy maintsy manao izany eo ambanin’ny fitarihan’ny mpitarika iray ao amin’ny fisoronana, izay mihazona ireo fanalahidin’ny fisoronana ilaina mba hanomezana lalana ny hanatanterahana ilay ôrdônansy (toy ny eveka, na filohan’ny sampana, na filohan’ny misiona, na Manampahefana Ambony).

Vakio ny 3 Nefia 11:23–27, ary soraty ny valin’ny fanontaniana hoe “Ahoana no fomba fanatanterahana ny ôrdônansin’ny batisa?”

Sary
Batisa
  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hiheveranao fa tsy maintsy hatao amin’ny fomba napetraky ny Tompo ny batisa. Inona no mitranga rehefa tsy voatonona araka ny tokony ho izy ireo teny tononona amin’ny ôrdônansin’ny batisa na raha toa ka tsy voalentika tsara ao anaty rano ilay olona atao batisa?

  2. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray na ny mihoatra izany amin’ireto vondrom-panontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tsaroanao mikasika ny antony nanaovana batisa anao sy mikasika ilay fotoam-batisa? Iza no nanao batisa anao? Firy taona ianao tamin’izany? Inona no fahatsapana nanananao tamin’ianao natao batisa? Midika inona aminao izany hoe olona iray mihazona ny fahefana mety amin’izany no nanao batisa anao ary tamin’ny fomba napetraky ny Tompo?

    2. Nahita ny fanaovana batisa olona iray ve ianao tato ho ato? Inona no fahatsapana nanananao?

    3. Raha mihazona ny anjara fanompoan’ny mpisorona ao amin’ny Fisoronana Aharôna ianao dia inona no tsapanao noho ny fahafantaranao fa manana ny fahefana hanao batisa ianao? Raha efa nanana fahafahana nanao batisa olona iray ianao dia inona no tsapanao sy nianaranao nandritra izany traikefa izany?

Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11:28–30 dia nananatra ny vahoaka ny Tompo mba tsy hifanditra na hiady hevitra eo amin’izy samy izy mikasika ny batisa na ireo lafiny hafa amin’ny fotopampianarana. Nampianatra Izy fa avy amin’ny devoly ny fifanjihirana ka tokony hialana.

3 Nefia 11:31–41

Nanambara ny Fotopampianarany i Jesoa Kristy

Mieritrereta zavatra iray (asa) nataonao androany izay nahazoana vokany tsara. Soraty eo amin’ireo faritra tokony hisy izany eo amin’ity fanehoana an-tsary manaraka ity ilay asa sy ny vokany. Aorian’izay dia mieritrereta zavatra iray nataonao androany izay nahazoana vokany ratsy.

Sary
zana-tsipika

Ny zavatra mampifandray ny asa amin’ny vokany dia antsoina indraindray hoe ny lalàn’ny fijinjana. Ny fanambarana maoderina dia mamaritra izany tahaka izao: “Izay afafinareo no hojinjainareo; koa noho izany, raha mamafy soa ianareo dia hijinja ihany koa ny soa ho valiny” (F&F 6:33).

Vakio ny 3 Nefia 11:31, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Jesoa Kristy fa handeha hambarany amin’ny vahoaka.

  1. Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 11:32–39, i Jesoa Kristy dia nanambara ny fotopampianarany “izay efa nomen’ny Ray [Azy]” (3 Nefia 11:32). Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity. Vakio ny andinin-tsoratra masina tsirairay ary tadiavo ireo asa sy vokany izay nampianarin’i Jesoa Kristy fa hoe mifandray amin’ny fotopampianarany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hitanao tao amin’ilay tabilao.

    Asa

    Vokany

    3 Nefia 11:32–34

    3 Nefia 11:35–36

    3 Nefia 11:37–38

    3 Nefia 11:39–40

Araka ny voalaza ao amin’ny tabilaonao, inona avy ireo asa fototra izay nampianarin’i Jesoa Kristy fa tsy maintsy ataon’ireo zanaky ny Ray any an-danitra rehetra mba hidirana ao amin’ny fanjakan’ny lanitra?

Mety tsikaritrao fa ny 3 Nefia 11:32 dia milaza hoe mijoro ho vavolombelon’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina. Saintsaino ny fotoana farany indrindra nijoroan’ny Fanahy Masina ho vavolombelona taminao fa misy marina ny fitiavan’ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy.

3 Nefia 12:1–16

Nampianatra ny valalabemandry i Jesoa Kristy mikasika ireo fitahiana azontsika rehefa miaina ny filazantsarany

Sary
Nampianatra tany amin’ny Ilam-bolatany Andrefana i Jesoa

Fenoy ity ankamantatra mila valiny eny na tsia ity amin’ny alalan’ny fametrahana ireo valiny etsy ambany ao anaty fari-bolana:

  • Tian’ny Ray any an-danitra ho tanteraka isika.

  • Mila tanteraka isika eto amin’ity fiainana ity vao afaka hiditra ao amin’ny fanjakana selestialy.

  • Afaka ny ho tonga tanteraka isika.

Mba hanampiana anao hanamarinana ny valinteninao dia vakio aloha ny 3 Nefia 12:48. (Andinin-tsoratra masina fehezina ity. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba ho mora aminao ny hahita ny misy izany amin’ny hoavy.)

Sary
Loholona Russell M. Nelson

Fomba ahoana no ahafahana ho tonga tanteraka? Nilaza izao manaraka izao ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ilay didy dia ny tokony hahatanteraka antsika: “Tsy tokony ho kivy isika raha toa ka toy ny sarotra sy tsy manam-pahataperana ny ezaka amim-pahamatorana ataontsika hahatongavana any amin’ny fahatanterahana. Mbola miandry fotoana ny fahatanterahana. Tsy afaka ny ho tonga amin’ny fahafenoany izany raha tsy ao aorian’ny Fitsanganana amin’ny maty sy amin’ny alalan’ny Tompo ihany. Miandry ireo rehetra izay tia Azy sy mitandrina ny didiny izany” (“Perfection Pending,” Ensign, nôv. 1995, 88).

Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “amin’ny alalan’ny Tompo ihany” no ahafahan’ny fahatanterahana ho tonga?

Avereno jerena ilay ankamantatra mila valiny eny na tsia izay vao avy nataonao ary ovao ny valinteninao avy amin’ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 12:48 sy ny teny nolazain’ny Loholona Nelson.

Ireo fampianaran’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia 12–14 indraindray dia antsoina hoe ilay “toriteny tao amin’ny tempoly” satria izy ireo dia mitovy amin’ ilay Toriteny teo an-tendrombohitra fanta-daza nataon’ny Mpamonjy ary matetika izany no mampitombo ny fahatakarantsika an’io toriteny io (jereo ny Matio 5–7). Ny Filoha Harold B. Lee dia nampianatra hoe “Ilay Mpampianatra dia somary nanome antsika, nandritra ny Toriteniny teo an-tendrombohitra, fanambarana ny amin’ny toetrany manokana, izay tanteraka, na izay mety ho azo lazaina hoe ‘tantaram-piainanan’ny tena manokana, ka ny vanin-teny tsirairay amin’izany dia nosoratany tamin’ny alalan’ny asa nataony,’ ary ny fanaovany izany dia nanome antsika lamina arahana ho an’ny fiainantsika manokana” (Decisions for Successful Living [1973], 56). Eo am-pandalinanao ny 3 Nefia 12–14, dia mitadiava fomba tian’ny Mpamonjy hiezahanao mba hahazoana fahatanterahana.

Tahaka ilay tamin’ny Toriteny teo an-tendrombohitra, dia nanomboka ny toriteniny tamin’ny Nefita ny Mpamonjy tamin’ny zavatra maro izay antoky ny fahasambarana—fanambarana mikasika ny toetra voatahy sy feno fahasambarana an’ireo izay mahatoky (jereo ny 3 Nefia 12:1–12). Eo am-pamakianao azy ireo dia tadiavo ireo toetra tsara izay amporisihan’ny Mpamonjy antsika ny hampitomboana azy sy ireo fitahiana nampanantenainy ho vokatry ny fanaovantsika izany. Rehefa mamaky ianao dia azonao atao ny manisy marika ireo toetra tsara sy fitahiana nampanantenaina. Mety hanampy ny mahafantatra fa ny ory am-panahy (3 Nefia 12:3) dia midika hoe manetry tena sy miantehitra amin’ny Tompo, ny hoe mitoloko (3 Nefia 12:4) dia entina ilazana ny fahatsapana alahelo noho ny fahotantsika, izay mitondra ho amin’ny fibebahana, ary ny malemy fanahy (3 Nefia 12:5) dia mety midika hoe manetry tena sy tsara fanahy, manaiky ny sitrapon’Andriamanitra, na maharitra amin’ny fiaretana izay tsy mety atao amin’ny tena kanefa tsy mankahala.

  1. Mitadiava toetra iray izay vao hitanao tao amin’ny soratra masina ka efa ezahanao na vao hoezahanao ananana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fitahiana raisinao na antenainao horaisina rehefa lasa manana io toetra io.

Avy amin’ireo fahamarinana maro ao amin’ny 3 Nefia 12:1–12 no ianarantsika fa raha miaina araka ny fampianaran’i Jesoa Kristy isika dia hotahiana sy ho vonona hiditra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra. Rehefa manao izany isika dia ho lasa fitaratra ihany koa, na fahazavana ho an’izao tontolo izao (jereo ny 3 Nefia 12:14–16).

3 Nefia 12:17–48

Nampianarin’i Jesoa Kristy ireo valalabemandry ny lalàna ambony izay hanampy azy ireo ho tonga tahaka Azy sy ny Ray any an-danitra

Nampianarin’i Jesoa Kristy an’ireo Nefita ny fomba ankanesana any Aminy amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny fankatoavana ny didiny (jereo ny 3 Nefia 12:19–20). Ao amin’ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 12 dia niresaka mikasika ny ampahany sasany amin’ny lalàn’i Mosesy Izy ary avy eo dia nampianatra lalàna ambonimbony kokoa. Nampahafantatra ampahany maromaro tamin’ny lalàn’i Mosesy Izy tamin’ny alalan’ny andian-teny toy ny hoe “efa voalazan’ ireo tamin’ ny fahagolan-tany” na “efa voasoratra.” Avy eo Izy dia nampahafantatra ilay lalàna vaovao sy ambony kokoa, izay tiany iainantsika amin’izao fotoana izao, tamin’ny andian-teny hoe “Lazaiko aminareo …”

  1. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fitondrantena izay lazain’ny Mpamonjy fa hitondra ho amin’ny fahatanterahana:

    1. 3 Nefia 12:21–22. Mety hanampy ny mahatakatra fa ny teny hoe olom-poana dia fomba fiteny hanalam-baraka izay entina manambara tsy fitiavana tsotra izao na fankahalana.

    2. 3 Nefia 12:23–24. Ampiasao ny fanovozan-kevitra 24a eny ambanin’ny pejy mba hanampiana hahalala ny hevitry ny hoe mihavana amin’ny olona iray.

    3. 3 Nefia 12:25. Mety hanampy ny mahatakatra fa ny hoe “[mihavana] faingana amin’ ny fahavalonao” dia entina hilazana ny famahana haingana ireo fifandirana amin’ny hafa ary mamela azy ireny hiharatsy ka ho lasa olana lehibe kokoa. Nampianatra ny Loholona David E. Sorensen nandritra ny naha-mpikambana azy tao amin’ny Fitopololahy hoe “Tsy misy toerana ampiharana bebe kokoa io fitsipika io mihoatra ny ao amin’ny fianakaviantsika” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 11).

    4. 3 Nefia 12:27–30. Mety hanampy ny mahatakatra fa ny hoe mitsiriritra dia entina ilazana faniriana tsy mendrika sy ratsy ary feno fitiavan-tena.

    5. 3 Nefia 12:38–42.

    6. 3 Nefia 12:43–45.

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ao amin’ny 3 Nefia 12 ireo ny hoe: Rehefa manatona an’i Kristy isika ka mitandrina ny didiny dia afaka ny ho tonga tahaka Azy sy ny Raintsika any an-danitra bebe kokoa, izay tanteraka.

Sary
Filoha James E. Faust

Na dia tsy hahatratra ny fahatanterahana aza isika eto amin’ity fiainana ity, dia nanazava ny Filoha James E. Faust tao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa tsy maintsy milofo mba handroso mankany amin’ny fahatanterahana amin’izao fotoana izao mba hahafahana mahatratra izany any amin’ny fiainana ho avy: “Tanjona mandrakizay ny fahatanterahana. Na dia tsy afaka ny ho tanteraka aza isika eto amin’ny fiainana an-tany dia didy ny fiezahana ho tonga amin’izany, izay ho azontsika tandremana any am-parany any amin’ny alalan’ny Sorompanavotana” (“This Is Our Day,” Ensign, mey 1999, 19).

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—3 Nefia 12:48

  1. Jereo raha toa ka vitanao tsianjery tsy misy diso ny 3 Nefia 12:48. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay andinin-tsoratra masina raha toa ka heverinao fa efa laninao tsianjery izany.

Tadidio fa tsy mitaky ny hahatanteraka antsika amin’ny zavatra rehetra ny Tompo mandritra ny fiainantsika eto an-tany, kanefa rehefa miezaka amim-pahazotoana isika hanaraka Azy ka mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotana, dia afaka ny ho tonga tanteraka any am-parany any.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 11:18–12:48 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: