Seminera
Fizarana 15: Andro 3, Almà 6–7


Fizarana 15: Andro 3

Almà 6–7

Fampidirana

Taorian’ny nampianarany ny vahoaka tao Zarahemlà sy ny nandaminany ny Fiangonana, dia nandeha tany amin’ny tanànan’i Gideôna i Almà. Hitany ho mahatoky kokoa noho ireo tao Zarahemlà ny mponina tao. Noho izany dia namporisika ny vahoakan’i Gideôna i Almà hanohy hiantehitra amin’ny Tompo sy hikatsaka ny hampihatra ny Sorompanavotany eo amin’ny fiainan’izy ireo. Afaka hanampy anao hahatakatra bebe kokoa ny halehibeazan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny fijoroana ho vavolombelon’i Almà, ary hampianatra anao ny fomba handraisana isan’andro ireo fitahian’ny Sorompanavotana rehefa manohy amin’ny lalana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao.

Almà 6

Nanamafy ny Fiangonana tao Zarahemlà i Almà ary nandeha nitory tany Gideôna

Fenoy ity fehezanteny manaraka ity: Mandeha any am-piangonana aho satria .

Eo am-pandalinanao ny Almà 6, dia eritrereto ny fomba hahatongavan’ireo fivoriam-piangonana hanan-danja bebe kokoa aminao amin’ny alalan’ny fahatakarana ireo tanjon’ireo fivoriana ireo.

Nanamafy ny Fiangonana tao Zarahemlà i Almà talohan’ny nialany tao. Vakio ny Almà 6:1–4, ary fantaro ireo andianteny roa ny telo izay mamaritra ny andraikitr’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ato amin’ny Fiangonana.

Inty no fitsipika lehibe hianarantsika avy amin’ny traikefan’i Almà: Amin’izao androntsika izao, tahaka ny tamin’ny andron’ny Bokin’i Môrmôna dia, naorina ho fiadanan’ny olon-drehetra ny Fiangonana. Vakio ny Almà 6:5–6, ary mariho ireto fehezanteny roa manaraka ireto: “hihaino ny tenin’Andriamanitra” sy “hiombona amin’ny fifadian-kanina sy faherezana mivavaka ho fiadanan’ny fanahin’ireo tsy nahalala an’Andriamanitra.” Manambara ireo fomba hanoloran’ny Fiangonana fahafahana hitombo sy hanampy ny hafa ho an’ny olona rehetra ireto fehezanteny ireto. Eritrereto ny fomba mety namenoan’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Zarahemlà ilay fehezanteny nofenoinao tetsy ambony.

  1. Manorata hevitra vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fomba mety hanovan’ny fandehananao any am-piangonana ny traikefanao any am-piangonana noho ireo antony hita ao amin’ny Almà 6:5–6 ianao.

Natao ho an’ny zanak’Andriamanitra rehetra ireo fitahian’ny maha mpikamban’ny Fiangonana. Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mivavaka ho an’ny misiônerany rehetra. Enga anie ho toy izany hatrany izany. Amin’izany toe-tsaina izany ihany, dia tokony hivavaka ho an’ireo izay (na ireo mila) mihaona ny misiônera ihany koa isika. Nodidiana ny mpikambana tao Zarahemlà mba ‘hiombona amin’ny fifadian-kanina sy faherezana mivavaka’ [Almà 6:6] ho an’ireo tsy mbola niditra ho mpikamban’ny Fiangonan’Andriamanitra. Afaka manao toy izany koa isika.

“Afaka mivavaka isan’andro ho an’ny traikefa misiônera manokana antsika ihany koa isika. Mivavaha, eo ambany fitarihana masina toy izany, mba ho efa voaomana ao am-pon’ny olona izay maniry sy mitady ny zavatra anananao ilay fahafahana hanao asa fitoriana tadiavinao. ‘Fa mbola misy maro eto an-tany … tsy [m]ahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarana izay ahitana izany fotsiny’ [F&F 123:12]. Mivavaha mba hahitan’izy ireo anao! Ary avy eo dia mahatsiarova tena, satria misy valalavemandry ao amin’ny tontolonareo izay mahatsapa hanoanana eo amin’ny fiainan’izy ireo, tsy fanirian-kanina anefa, na hetahetan-drano, fa faniriana handre ny tenin’i Jehovah [jereo ny Amôsa 8:11]” (“Witnesses unto Me,” Ensign, Mey 2001, 15).

Mba hanarahana ny torohevitry ny Loholona Holland, dia mivavaha amin’ny Ray any an-danitra hanampiana anao hahafantatra sy hanao ireo asa fitoriana izay nomanina ho anao. Mikatsaha fahafahana hanasa ny hafa mba hizarana ireo fitahiana hankamamianao amin’ny maha mpikamban’ny Fiangonana anao.

Almà 7:1–13

Mampianatra ny vahoakan’i Gideôna momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy i Almà

Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka momba ny fibebahana miaraka amin’ny namana izay mpikambana mazoton’ny Fiangonana ianao. Mieritreritra ireo namanao fa tsy nahavita ota lehibe ary manontany tena hoe ahoana no hahafahan’izy ireo tena hiaina ny herin’ny Sorompanavotana. Eritrereto ny zavatra azonao zaraina amin’ireo namana ireo. Tadidio ireo hevitra ireo rehefa mandalina ny Almà 7:1–13 ianao.

Niresaka tamin’ny vahoaka tao amin’ny tanànan’i Gideôna i Almà taorian’ny nialàny tany Zarahemlà. Vakio ny Almà 7:3–6 mba hijerena ny toetoetra ara-panahy nantenain’i Almà ho hita teo anivon’ny vahoakan’i Gideôna. Vakio avy eo ny Almà 7:17–19 mba ahitana raha toa ka voamarina ireo fanantenan’i Almà. Farito eo amin’ireo tsipika manaraka ny toetoetra ara-panahin’ny vahoakan’i Gideôna:

Vakio ny Almà 7:7–10, ary tadiavo ny trangan-javatra tsapan’i Almà fa lehibe indrindra tokony ho fantatry ny vahoaka sy ny zavatra tokony ataon’ny vahoaka hiomanana amin’izany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no nitenenan’i Almà tamin’ireo olona izay efa nanana finoana matanjaka (jereo ny Almà 7:17) fa mila nibebaka izy ireo mba hiomanana amin’ny fahatongavan’ny Mpamonjy? (Jereo ny Rômana 3:23.)

Nampianatra ity fitsipika manan-danja ity an’ny vahoakan’i Gideôna i Almà: Nijaly mba hamonjena antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana i Jesoa Kristy ary hanampy antsika handalo ireo zava-tsarotra eo amin’ny fiainana an-tany. Vakio ny Almà 7:11–13, ary mariho ao amin’ny soratra masinao ireo fepetra nahavonona ny Mpamonjy mba“[hoentiny] eo Aminy” ho tombontsoantsika.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny rofy dia fahalemena, tsy fahafahana, na aretina—mahafaoka karazan’olana maro ilay teny. Midika hoe manampy amin’ny fotoana ilàna izany sy amin’ny fotoan-tsarotra ny teny hoe [m]anampy. Ny fototra Latina an’izany teny izany dia midika hoe mihazakazaka hanampy olona iray, izay milaza ny faniriana lehiben’Andriamanitra hanampy antsika.

Eo akaikin’ny Almà 7:11–13 ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, dia afaka manoratra izao teny manaraka izao ianao, izay nataon’ny Loholona Bruce C. Hafen, izay nanompo tao amin’ny Fitopololahy manao hoe: “Tsy natao ho an’ny mpanota irery ihany ny Sorompanavotana” (“Beauty for Ashes: The Atonement of Jesus Christ,” Ensign, Apr. 1990, 7). (Soratra masina fehezina nyAlmà 7:11–13. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.)

  1. Mirakitra ireo teny avy ao amin’ny Almà 7:11–13 , izay mamaritra ny fepetra nalain’ny Mpamonjy teo Aminy ity tabilao manaraka ity. Ataovy sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny ilay tabilao, ary avy eo dia misafidiana maromaro amin’ireto teny ireto, ary manorata ohatra nahafantaranao na ny olona fantatrao fa efa niaina izany fepetra izany. Eritrereto ny dikan’ny hoe manana an’i Jesoa Kristy maka ireto zavatra ireto eo amin’ny tenany.

Fanaintainana

Fahoriana

Fakam-panahy

Aretina

Fahafatesana

Rofy

Fahotana

Nizara izao fijoroana ho vavolombelona manaraka izao ny Loholona Jeffrey R. Holland fa afaka manaisotra ny enta-mavesatra amintsika ny Sorompanavotana:

“Miady amin’ny demonin’ny fiankinan-doha iray ve ianao—paraky na zava-mahadomelina na filokana, na ny areti-mifindra maoderin’ny pôrnôgrafia izay manimba? Mikorontana ve ny fanambadinao sa misy loza manambana ny zanakao? Mikorontan-tsaina ve ianao mikasika ny maha lahy na maha vavy sa mitady hasin’ny tena? Miatrika aretina ve ianao—na ny olon-tianao—na koa fahakiviana na fahafatesana? Mankanesaaloha any amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy na inona dingana mety horaisinao hamahana ireny olana ireny. Matokia ireo fampanantenan’ny lanitra. Mahakasika izay, dia ny ny fijoroan’i Almà ho vavolombelona no fijoroako ho vavolombelona: ‘Fantatro,’ ho izy, ‘fa na zovy na zovy no hametraka ny fitokiany amin’Andriamanitra dia hotohanana amin’ny fizahan-toetra azy sy ny fahasahiranany ary ny fahoriany’ [Almà 36:3].

“Ity fianteherana amin’ny toetra be famindrampon’Andriamanitra ity no tena ivon’ny filazantsara nampianarin’i Kristy. Mijoro ho vavolombelona aho fa tsy manaisotra fotsiny ihany ny enta-mavesatry ny fahotantsika ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy, fa ny enta-mavesatry ny fahadisoam-panantenantsika sy ny alahelontsika, ary ny aretim-pontsika na ny fahakiviantsika koa [jereo ny Almà 7:11–12]. Hatrany am-piandohana, ny fahatokiana ny fanampiana toy izany dia natao hanome antsika antony iray sy hanome antsika lalana iray hivoarana, zavatra mamporisika antsika hanaisotra ny enta-mavesatsika ka hiasa ho amin’ny fanavotana antsika” (“Broken Things to Mend,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 70–71).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahatsapanao ho an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra nataony ho anao tamin’ny alalan’ny Sorompanavotana. Avy eo dia valio ny iray amin’ireo andiam-panontaniana ireto, na izy roa:

    1. Oviana no nanampian’ny Sorompanavotana anao tamin’ny iray amin’ireo fomba nofaritan’i Almà ao amin’ny Almà 7:11–13? Ahoana no nanampian’ny Sorompanavotana anao nandritra izany fotoana izany?

    2. Ahoana no hahafahan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy manampy anao amin’ny fisedrana atrehanao ankehitriny? Inona no ho ataonao hianteheranao amin’ny Sorompanavotana raha miatrika izany zava-tsarotra izany ianao?

Sary
Sary famantarana ny andinin-tsoratra masina fehezina
Soratra masina Fehezina—Almà 7:11–13

Na dia Soratra masina Fehezina lava aza nyAlmà 7:11–13, dia mirakitra teny miavaka izay afaka manampy anao hahatsiaro ny halehibe sy ny herin’ny Sorompanavotana mandritra ny fiainanao manontolo izany. Mba hanampiana anao hitadidy ireo teny manan-danja ireo, dia avereno soratana amin’ny taratasy iray hafa nyAlmà 7:11–13, aza soratana ireo teny hita ao anatin’ilay tabilao teo aloha ato amin’ity ity lesona ity. Vakio hatrany ny soratra masina voasoratrao, tsy an-kijery ny soratra masinao, mandra-pamenonao ireo teny tsy ampy ao. Afaka mamerimberina ireo andininy ireo ianao mandritra ny andro vitsivitsy manaraka mba hanampiana anao hitadidy ny zavatra azon’ny Mpamonjy atao ho anao sy ny hafa mandritra ny fiainanao manontolo. Tsapao ny fahaizanao ny soratra masina fehezina Almà 7:11–13 amin’ny fanaovana tsianjery izany mafy amin’ny tenanao na amin’ny olona ao amin’ny fianakavianao na namana na amin’ny fanoratana izany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Sary
Ny Lehibe indrindra amin’ny Rehetra

Almà 7:14–27

Mamporisika ny vahoaka hanohy amin’ny lalana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra i Almà

Vakio ny Almà 7:19 hahatsiarovana ny fomba namaritan’i Almà ny toetoetra ara-panahin’ny vahoakan’i Gideôna. Nampianatra ity fitsipika manan-danja ity i Almà: Manaraka ny lalana mankany amin’ny fanjakan’Andriamanitra isika rehefa miaina ireo fitsipiky ny filazantsara. (Ny fanjakan’Andriamanitra dia ny fanjakana selestialy.) Fakafakao nyAlmà 7:14–16, ary tsipiho ireo teny na andian-teny izay maneho ny tokony hataontsika hanarahana ny lalana izay mitarika antsika ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Fakafakao avy eo ny Almà 7:22–25, ary tsipiho ireo teny na andian-teny maneho ny tokony hahatongavantsika mba hanarahana ity lalana ity.

  1. Manaova sarina lalana avy amin’ny sisiny ambany havian’ny pejy iray mankany amin’ny sisiny ambony havanana ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Manorata hoe Fiainana an-tany ery amin’ny farany ambany amin’ ilay lalana, ary soraty ny Fanjakan’Andriamanitra ery amin’ny farany ambony amin’ilay lalana. Soraty manerana ilay lalana ny tokony hatao[nao] sy ny tokony hahatongava[nao] izay hitondra anao any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

  2. Misafidiana asa iray avy amin’ilay lalana, ary manorata mikasika ny fomba nahitanao olona iraynanaoizany. Avy eo dia misafidiana toetra iray avy amin’ilay lalana, ary manorata mikasika ny fahitanao olona iraytahakaizany. Mametraha tanjona izay hanampy anao hivoatra amin’ireo sehatra roa ireo mba hahafahanao hiditra ny fanjakan’Andriamanitra indray andro any.

Vakio ny Almà 7:27, ary tadiavo ireo fitahiana fantatr’i Almà fa horaisin’ireo vahoaka raha toa ka manohy am-pinoana sy amin’ny asa tsara izy ireo. Tsarovy fa afaka mandray izany fitahiana izany koa ianao raha manaraka amim-pahatokiana ilay lalana izay mitondra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 6–7 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: