Seminera
Fizarana 12: Day 2, Môsià 9–10


Fizarana 12: Day 2

Môsià 9–10

Fampidirana

Nandritra ny fitondran’ny Mpanjaka Benjamina dia nitarika andiana Nefita iray avy tany Zarahemlà mba hanorim-ponenana teo anivon’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Nefia i Zenifa. Koa satria nanao drafitra ny hitondra ny vahoakan’i Zenifa ho amin’ny fanandevozana ny mpanjakan’ny Lamanita dia navelany hijanona izy ireo. Nitarika tamin’ny ady taty aoriana ny fomban-drazana diso sy ny fankahalan’ny Lamanita ny Nefita. Rehefa nikatsaka ny hitondra azy ireo ho amin’ny fanandevozana ny Lamanita dia nitodika tamin’ny Tompo, izay nampahery sy nanampy azy ireo handroaka ny Lamanita tamin’ny tanin’izy ireo, ny vahoakan’i Zenifa.

Môsià 9:1–13

Nitarika andiana Nefita hiverina tany amin’ny tanin’i Nefia i Zenifa

Efa naniry zavatra iray mafy dia mafy ve ianao? Androany ianao dia hianatra momba ny lehilahy iray izay naniry zavatra iray mafy dia mafy sy ny vokatry ny fanatanterahany ny faniriany.

Jereo ilay sarintanin’ny dia avy amin’ny lesona farany. Tadidinao ve ny dian’i Amôna rehefa nahita an’i Limia sy ny vahoakany izy? Sokafy ao amin’ny Môsià 7–8 ny soratra masinao ary jereo ny daty nitrangan’ireo zava-niseho ao amin’ireo toko ireo (izany dia hita eo ambanin’ny pejy na eo amin’ny sasintenin’ny toko). Ampitahao amin’ny daty miaraka amin’ny Môsià 9:1 izany. Firy taona no hiverenantsika eo anelanelan’ny Môsià 8 sy ny Môsià 9?

Vakio ny fampidirana nataon’i Môrmôna ho an’ny rakitsoratr’i Zenifa mialoha ny Môsià 9

Nitarika andiana Nefita iray hiverina tany amin’ny tanin’i Nefia i Zenifa, raiben’i Limia. Tena naniry mafy zavatra iray izy hany ka mety tsy nolanjalanjainy hoe hitondra azy ho aiza ny faniriany. Vakio ao amin’ny Môsià 9:1–4 ny momba ny zavatra nataon’i Zenifa hahazoana izay niriany. (Ny hoe “maniry mafy” dia midika hoe tsindrindaona mafy na tena liana mafy amin’ny zavatra iray.)

Ny faniriana mafy nananan’i Zenifa dia nitarika azy ho voafitaky ny mpanjaka Lamanita. Vakio ny Môsià 9:5–7, 10 mba hahitana ny vokatry ny faniriana mafy nananan’i Zenifa.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tsy tsikaritr’i Zenifa noho ny faniriany mafy hahazo ny tanin’i Nefia?

    2. Inona avy ireo ohatra amin’ny andro maoderina amin’ny zavatra mety irian’ny zatovo mafy mba hotratrarina?

    3. Inona araka ny eritreritrao ireo loza avy amin’ny fitaredrehana amin’ny fahatsiarovana ny Tompo rehefa manao safidy eo amin’ny fiainanao ianao?

Nanjary niroborobo fatratra ny vahoakan’i Zenifa 12 taona taty aoriana. Nanjary nihasosotra ny mpanjaka Lamanita fa tsy ho afaka ny hitondra azy ireo ho amin’ny fanandevozana araka ny drafitra nataony tany am-boalohany izy, ka noho izany dia nanomana ny vahoakany handeha hiady tamin’izy ireo ny mpanjaka (jereo ny Môsià 9:11–13).

Môsià 9:14–10:22

Nanandrana nitondra ny vahoakan’i Zenifa ho amin’ny fanandevozana ny Lamanita

Asio faribolana ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao izay tianao hahazoana fanampiana bebe kokoa na tanjaka bebe kokoa: fianarana any an-tsekoly, fanoherana fakam-panahy, fifandraisana amin’ny namana, fitantanana, asa, fifandraisana amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana, fampitomboana talenta sy fahaiza-manao.

Rehefa mandalina ny Môsià 9–10 ianao dia mitadiava fitsipika iray izay hanampy anao hahatakatra ny zavatra tokony hatao mba hahazoana tanjaka bebe kokoa amin’ireo lafin-javatra eo amin’ny fiainanao ireo. Mirakitra rakitsoratra mahakasika fotoana roa samy hafa ny Môsià 9–10, izay fotoana nahatongavan’ny Lamanita mba hiady tamin’i Zenifa sy ny vahoakany.

  1. Adikao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao manaraka ity ka mamelà toerana malalaka tsara eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay mba hanoratana valinteny iray. Halalino ireo andininy voalaza ary tadiavo ny zavatra nataon’ny vahoakan’i Zenifa sy ny Lamanita mba hahazoana tanjaka. Fenoy amin’ny fampahalalana hitanao ilay tabilao.

Inona no nataon’ny vahoaka mba hiomanana?

Inona no nataon’izy ireo mba hametrahany ny fitokisany tamin’ny Tompo?

Inona no vokatr’izany?

Zenifa sy ny vahoakany

Môsià 9:14–16

Môsià 9:17

Môsià 9:18

Ny Lamanita

Môsià 10:6–8

Môsià 10:11

Môsià 10:19–20

  • Inona ireo fitoviana hitanao eo amin’ny fomba nanomoran’ny vahoakan’i Zenifa sy ny Lamanita ilay ady?

  • Inona ireo fahasamihafana hitanao eo amin’ny fomba nanomoran’ny vahoakan’i Zenifa sy ny Lamanita ilay ady?

Lesona iray ianarantsika avy amin’ny Môsià 9:17–18 ny hoe: Hampatanjaka antsika ny Tompo rehefa manao ny zavatra rehetra azontsika atao isika ary mametraka ny fitokisantsika Aminy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Amin’ny lafin-javatra inona eo amin’ny fiainako no ahafahako mahatoky ny Tompo bebe kokoa sy mangataka Azy hampatanjaka ahy?

  2. Asio marika ireo andalana telo voalohany ao amin’ny Môsià 9:18. Dia asaivo mizara traikefa iray aminao momba ny fotoana nangatahany fanampiana tamin’ny Tompo sy nahatsapany ho nampatanjahany ny olon-dehibe azo itokisana iray (ray na reny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana na mpampianatra iray). Henoy ny zavatra nataon’izany olona izany hahazoana ny herin’ny Tompo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao.

Efa tezitra tamin’ny olona iray ve ianao ka nitana lolom-po—nahatsapa fa tsy afaka hamela na hanadino ny zavatra nataon’izany olona izany? Efa nahalala olona izay toa nankahala anao ve ianao? Talohan’ny nandehanan’i Zenifa sy ny vahoakany hiady fanindroany dia nampianarin’i Zenifa ny vahoakany ny antony nahafeno fankahalana ny Lamanita tamin’ny Nefita. Rehefa mandalina ny tenin’i Zenifa ao amin’ny Môsià 10:11–18 ianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny dikan’ny hoe nampiaretana ny tsy rariny dia mahatsapa ny tohina na nentina tamin’ny tsy rariny ary ny dikan’ny hoe misafoaka dia hoe tezitra mafy. Halalino ny Môsià 10:11–18 ary tadiavo ny antony nanohizan’ny taranak’i Lamàna sy i Lemoela nankahala ny taranak’i Nefia. Asio marika ireo teny hoe nampiaretana … ny tsy rariny sy ny hoe nisafoaka rehefa mamaky ianao.

Saintsaino ireo fanontaniana manaraka ireto:

  • Nahoana no nankahala fatratra ny Nefita ny Lamanita?

  • Iza no ratrainao rehefa tezitra na mandà ny hamela heloka ianao?

  • Ahoana no hisian’ny fahatezerana sy ny fitanana lolom-po fiantraikany eo amin’ny fianakavianao na amin’ny zanakao izay ho avy?

Vakio ireto traikefa manaraka avy amin’ny Loholona Donald L. Hallstrom ao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy ireto, ary tadiavo ny zavatra asainy ataontsika rehefa mahatsapa ho tohina na tezitra amin’ny olona iray isika:

Sary
Loholona Donald L. Hallstrom

“Taona maro lasa izay dia nahita zavatra nahavaky fo aho—izay lasa nivadika zava-doza. Efa ho tonga ny fotoana hahaterahan’ny zanaka voalohan’ny mpivady mbola tanora iray izay. Feno fanantenana sy fientanentanana ny amin’izany zavatra lehibe hitranga izany ny fiainan’izy ireo. Nisy ny fahasarotana teo am-piterahana ka maty ilay zaza. Nivadika alahelo ilay zavatra nahavaky fo, nivadika hatezerana ilay alahelo, nivadika fanomezan-tsiny ilay hatezerana ary ilay fanomezan-tsiny dia nivadika famaliana ho faty an’ilay dokotera izay nampangaina ho tompon’andraikitra tanteraka. Lasa tafiditra lalina tao anatin’izany ny ray aman-dreny sy ireo olona hafa tao amin’ny fianakaviana ary niaraka nikatsaka ny hanimba ny lazan’izany dokotera izany sy ny asany izy ireo. Rehefa feno lolompo nandritra ny herinandro maro ary avy eo nandritra ny volana maromaro ilay fianakaviana dia niitatra tany amin’ny Tompo izany lolompo izany. ‘Nahoana no navelany hiseho izao zavatra mahatsiravina izao?’ Nolavin’izy ireo ny ezaka niverimberina nataon’ireo mpitarika sy mpikambana tao amin’ny Fiangonana mba hankahery azy ireo ara-panahy sy ara-pihetsehampo ary avy eo dia nandao ny Fiangonana izy ireo. Taranak’ilay fianakaviana efatra nifandimby ankehitriny no nitaty ny vokatr’izany zavatra izany. Raha toa ka finoana sy fanoloran-tena ho an’ny Tompo no nisy taloha dia tsy misy asa ara-panahy ataon’ireo olona ao amin’ny fianakaviana intsony tao anatin’ny folo taona mahery izay. …

“Nanan-janaka roa ny ray aman-drenibeko avy amin’ny raiko, lahy iray (ny raiko) ary vavy iray. … [Ny zanak’izy ireo vavy dia] nanambady tamin’ny 1946 … ary bevohoka efa-taona taorian’izany. … Tsy nisy nahafantatra hoe kambana no tao an-kibony. Indrisy fa samy maty izy sy ireo zaza kambana tamin’ny niterahany.

“Tena vaky ny fon’ireo ray aman-drenibeko. Ny alahelon’izy ireo anefa dia tonga dia nampitodika azy tany amin’ny Tompo sy ny sorompanavotany. Izy ireo dia tsy nijanona tao anatin’ny fametraham-panontaniana hoe, nahoana no nitranga izao, na iza no omena tsiny, fa nifantoka kosa tamin’ny fananana fiainana marina izy ireo. …

“Ny fahatokian’[ireo ray aman-drenibe ireo], indrindra rehefa niatrika fahasarotana dia nisy fiantraikany teo amin’ny taranaka efatra nifandimby taty aoriana izao. Nisy fiantraikany nivantana sy lalina tamin’ny zanany lahy (ny raiko) sy ny reniko ny fahafatesan’ilay zanany vavy izay zanany farany, vokatry ny fahasarotana niseho teo am-piterahana. … Noho ilay ohatra efa hitany tany amin’ireo taranaka teo aloha dia —tsy nihambahamba —ny ray aman-dreniko nitodika tany amin’ny Tompo mba hahazo fankaherezana. …

Raha toa ka mahatsapa ianao fa nanaovan’ny olona ratsy—nataon’ny olona iray (olona iray ao amin’ny fianakaviana, na namana, na mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana na mpiara-miasa), na avy tamin’ny alalan’ny zavatra iray (fahafatesan’ny olon-tiana iray na olana ara-pahasalamana, na olana ara-bola na fampijaliana na fiankinan-doha amin’ny fandraisan-javatra iray)—dia tonga dia atreho izany miaraka amin’ny hery rehetra anananao. … Ary mitodiha any amin’ny Tompo tsy misy hatak’andro. Ampiharo ny finoanao Azy rehetra. Hifampizarao Aminy ny filanjana ny enta-mavesatrao. Avelao ny fahasoavany hanamaivana ny enta-mavesatrao. … Aza avela hampandringa anao ara-panahy velively ny zava-miseho ara-nofo” (“Mitodiha any amin’ny Tompo,” Ensign na Liahona, mey 2010, 78–80).

Jereo fa nisy fiantraikany tamin’ny taranaka maro ny fahatezerana sy ny fahatafintohinana ao amin’ireo ohatra momba ny Lamanita sy ny fianakavian’ireo mpivady vao izay namoy ny zanak’izy ireo voalohany.

  1. Mieritrereta fotoana iray izay nanananao fahatsapana fa nampiaretana ny tsy rariny na hatezerana tamin’ny olona iray? Manana ireo fahatsapana ireo ve ianao amin’izao fotoana izao? Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafahako mahazo fanampiana amin’ireo ezaka ataoko mba hamela heloka?

    2. Ahoana no hanarahako ny ohatra nasehon’ny raibe sy reniben’ny Loholona Hallstrom ary mampihatra ilay toroheviny izay hita ao amin’ilay andalan-tsoratra farany ao amin’ny teny nataony eo amin’ny fiainako androany?

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 9–10 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: