Seminera
Etera


Fampahafantarana ny Etera

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Rehefa mandalina ny bokin’i Etera ianao dia hianatra mikasika ireo Jarèdita—andiam-bahoaka iray izay nandeha tany amin’ny ilam-bolantany andrefana sy niaina teo nandritra ny taon-jato maro talohan’ny fahatongavan’ny vahoakan’i Lehia. Hanampy anao hianatra ireo fitsipika manan-danja mikasika ny vavaka, ny fanambarana, ary ny fifandraisana misy eo amin’ny fampiharana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fandraisana fahalalana ara-panahy ity boky ity. Hanampy anao hahatakatra ny anjara asan’ireo mpaminany amin’ny fandresena lahatra ny vahoaka mba hibebaka sy ireo vokatra tonga amin’ireo izay mandà an’i Jesoa Kristy sy ireo mpaminaniny ihany koa izany.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Namintina ity boky ity avy tamin’ireo takelaka volamena 24 nantsoina hoe ireo takelak’i Etera i Môrônia. Nampitondraina ny anaran’ny mpaminany Etera izany izay mpaminanin’ny Jarèdita farany sy nanamboatra rakitsoratra momba ny tantaran’izy ireo (jereo ny Etera 15:33–34). Tamin’ny andron’ny Mpanjaka Môsià dia hitan’ny sasany tamin’ireo vahoakan’i Limia ireo takelak’i Etera raha nitady ny tanin’i Zarahemlà izy ireo (jereo ny Môsià 8:7–11; Etera 1:2). Nifampita ireo takelak’i Etera ireo mpaminany Nefita sy ireo mpihazona rakitsoratra ambara-pahatongan’izany teo am-pelatanan’i Môrônia. Nilaza i Môrônia fa tsy nanoratra ny “am-pahazatony” tamin’ilay rakitsoratra tao anatin’ny famintinany izy(Etera 15:33).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ireo loharano tany am-boalohany izay nampiasaina hamoronana ny Bokin’i Etera dia nosoratana taon-jato maro talohan’ny nanaovan’i Môrônia ny famintinany. Ny rakitsoratra Jarèdita voalohany dia noforonina rehefa nanoratra ilay fahitana hitany talohan’ny niampitan’ny vahoakany ireo ranomasina ny rahalahin’i Jarèda (jereo ny Etera 4:1). Tsy misy mpitana rakitsoratra hafa teo anivon’ny Jarèdita izay voalaza hatreo amin’i Etera (jereo ny Etera 13:3; 15:33). I Môrônia no namintina ny bokin’i Etera (jereo ny Môrmôna 8:3–6; Môrônia 10:1). Tsy nambaran’i Môrônia ny toerana nisy azy rehefa nanao ny famintinana izy, fa na izany aza dia nanoratra izy fa nofongorana tao amin’ny “lafin’ity tany avaratra ity” ny Jarèdita(Etera 1:1), izay milaza fa mety ho tao amin’ny tany izay namongorana azy ireo izy.