Seminera
Fizarana 15: Andro 4, Almà 8–10


Fizarana 15: Andro 4

Almà 8–10

Fampidirana

Rehefa avy nampianatra tao Zarahemla, Gideôna, ary Meleka i Almà, ary olona marobe no nanaiky ny hafany, dia nandà ny hafany ny vahoakan’i Amônihà ary nandroaka azy ivelan’ny tanànany. Niverina tany Amônihà anefa i Almà noho ny fankatoavany ny didin’ny Tompo. Nanomana an’i Amioleka handray an’i Almà tao Amônihà ny Tompo ary niombona taminy tamin’ny fijoroana ho vavolombelona tamin’ny vahoaka. Nampitandrina ny vahoakan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka fa raha tsy mibebaka izy ireo dia hofongorana. Nankatò tamim-pahatokiana an’Andriamanitra i Amioleka ary nampiasa ny lazany, sy ny anarany ary ny hery fitaomana nananany hanohanana ny mpaminanaAlmà sy hijoroana ho vavolombelona ny amin’i Kristy.

Almà–8

Niverina tamim-pankatoavana tany Amônihà, izay toerana nanomanany an’i Amioleka hitory teny, i Almà

Nandeha tany Meleka i Almà taorian’ny nampianarany ny filazantsara tao Zarahemlà sy tao Gideôna (jereo ny Almà 5–7). Vakio ny Almà 8:4–5, ary fantaro ny fomba nandraisan’ny vahoakan’i Meleka ny fampianaran’i Almà. (Ny andian-teny hoe “lamina masin’Andriamanitra” ao amin’ny Almà 8:4 dia milaza ny fisoronana, araka izay ho hitanao ao amin’ny Almà 13.)

Nandeha tany Amônihà hitory teny i Almà rehefa avy nampianatra tany Meleka. Nanana traikefa miavaka izy tamin’ny vahoaka niara-nonina taminy tao. Halalino ireto sary sy andinin-tsoratra masina manaraka ireto, ary manorata maribolana manazava ho an’ny tsirairay amin’izy ireo avy eo, izay mamintina ny zava-nitranga tamin’i Almà fony izy tao Amônihà:

Sary
i Almà mipetraka amin’ny tany

Almà 8:8–13.

Sary
i Almà sy anjely

Almà 8:14–16.

Sary
i Almà sy i Amioleka

Almà 8:18–26.

Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto (tsy mila manoratra ny valinteninao ianao):

  • Ilay anjely niseho tamin’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià tany aloha ihany no niseho taminy. Mety hatraiza no nampiononan’ny tenin’ilay anjely an’i Almà (jereo nyAlmà 8:15)?

  • Nahoana no mety ho sarotra tamin’i Almà ny hiverina ho any Amônihà (jereo ny Almà 8:16)?

“Niverina faingana tokoa tany an-tanin’i Amônihà” i Almà na dia teo aza ny fahasarotan’ilay didy (Almà 8:18). Nampianatra ny Filoha Howard W. Hunter fa tian’ny Tompo ny fankatoavana toy izany: “Tena tian’ny Tompo, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny fahavonona tsy voahozongozona mba hankatò ny toroheviny” (“Commitment to God,” Ensign, Nôv. 1982, 58).

  1. Misafidiana iray na maromaro amin’ireto toe-javatra manaraka ireto. Avy eo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hahafahan’ny tsirairay ho voatahy raha nankatò izy:

    1. Raha ho any am-pianarana ny zatovovavy iray, dia nasain’ny reniny hanao ambonin’ankanjo maotina kokoa izy.

    2. Nanao fanamby tamin’ny mpisorona vaovao ny evekany na ny filohan’ny sampany mba ho mendrika ny lokany amin’ny Devoir envers Dieu izy.

    3. Nahatsapa fitaomam-panahy ny misiônera roa hamangy fianakaviana mangatsiaka iray, ary tsy mbola mpikamban’ny Fiangonana ilay reny ao amin’izany fianakaviana izany.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 8:18–20: Hanampy antsika hanatanteraka ny didiny ny Tompo raha mamaly faingana ny teniny isika.

  1. Manorata ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fotoana iray izay nahatsapanao fa nanampy anao ho marina sy mpankatò ny Tompo, na dia teo aza ny trangan-javatra sarotra.

Vakio ny Almà 8:27–32, mba hitadiavana fomba maro kokoa izay nanampian’ny Tompo an’i Almà hanao izay nandidiana azy.

Almà 9

Nampitandrina ny vahoakan’i Amônihà hibebaka sy hiomana amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy i Almà

Mirakitra ny ezaka nataon’i Almà hampianatra ny vahoakan’i Amônihà momba ny tokony hibebahany sy ny hanavotana azy ireo amin’ny alalan’ny Mpamonjy, Jesoa Kristy nyAlma 9. Niantso ireto vahoaka ratsy fanahy ireto hahatsiaro ny nataon’Andriamantira ho azy ireo sy ny rainy i Almà mba hiezahana hanampiana azy ireo hahafantatra ny tokony hibebahany.

Tadiavo ao amin’ny Almà 9:8–10, 13 ny fiverimberenan’ireo teny hoetsarovy synanadino. Tamin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no mety naha hafa ny vahoakan’i Amônihà raha toa ka nahatsiaro ny zavatra nolazain’i Almà izy ireo?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no zava-dehibe ny fahatsiarovana ireo traikefa ara-panahy nanananao taloha? Manorata momba ny traikefa ara-panahy iray izay tsy tianao hohadinoina avy eo.

Nampianatra ny vahoakan’i Amônihà i Almà, taorian’ny nitaomany azy ireo hibebaka, fa mila miomana amin’ny fotoana hahatongavan’ny Mpamonjy eto an-tany izy ireo. Vakio ny Almà 9:26–27, ary mariho ireo teny sy fehezanteny izay manampy anao hahatakatra bebe kokoa ireo toetry ny Mpamonjy. (Ny teny hoe hitsiny dia midika hoe rariny sy marina.) Inona no ampianarin’ireo teny na fehezanteny ireo anao momba ny Mpamonjy? Makà fotoana hieritreretana azy ireny mandritra ity herinandro ity.

Almà 10

Mamariparitra ny traikefany niaraka tamin’ny anjely iray i Almà ary mamporisika ny vahoaka hibebaka.

Ataovy anaty faribolana ny fehezanteny izay mamaritra tsara indrindra ny fomba nifohazanao tamin’ny maraina:

  • Izaho ihany no nampifoha ny tenako, tsy nampiasa famoha-mandry na nantsoin’olona.

  • Nifoha aho tamin’ny fotoana voalohany nitsaharan’ny famoha-mandriko naneno na ny fotoana voalohany niantsoana ahy.

  • Nitsahatra naneno im-betsaka ny famoha-mandriko, na nila nantsoina im-betsaka aho talohan’ny nifohazako.

Vakio ny Almà 10:6, ary tadiavo ny isan’ny “antso famohazana” voarain’i Amioleka rehefa nanohy nikomy tamin’Andriamanitra izy. Soraty eo amin’ireo tsipika navela hanaovana izany ny valinteninao amin’ity fanontaniana ity: Inona araka ny eritreritrao no tian’ny fehezanteny hoe “tsy te hihaino” sy “tsy te hahalala” holazaina momba ny toetoetra ara-panahin’i Amioleka talohan’ny nahatongavan’ilay anjely teo taminy?

Mamaritra ny fiainany talohan’ny namangian’ny anjely iray azy sy ny fiovam-pony tamin’ny filazantsara i Amioleka araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 10:2–11. Halalino ny Almà 10:1–6 mba hitadiavana ireo antsipiriany izay manampy anao hahafantatra bebe kokoa ny momba an’i Amioleka.

Sary
Ny fampianaran’i Amioleka

Nitantara ny fananaran’ny anjely iray azy hampian-tranoAlmà sy hikarakara azy i Amioleka. Vakio ny Almà 10:7–11, ary tadiavo ny fomba nitahiana an’i Amioleka sy ny hafa satria nankatò ilay anjely i Amioleka.

Soraty eo akaikin’ny Almà 10:11–12ity fitsipika ity: Tonga amintsika sy amin’ny hafa ny fitahiana rehefa mihaino sy mankatò ny antson’ny Tompo isika. Betsaka ireo fomba afaka “hiantsoan[’ny]” Tompo antsika—amin’ny alalan’ny bitsiky ny Fanahy; amin’ny alalan’ny fahatsapana; amin’ny alalan’ny nofy iray; amin’ny alalan’ireo tenin’ny mpitarika ny Fiangonana, mpampianatra, na ray aman-dreny, amin’ny alalan’ny fiantsoana amin’ny antso na andraikitra ato am-piangonana; amin’ny alalan’ny zava-tsarotra, na amin’ny alalan’ny fomba hafa.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nahatsapa fa voatahy satria nankatò “antso” iray avy amin’ny Tompo?

Betsaka tamin’ireo vahoaka tao Amônihà no tsy nety nihaino ny tenin’i Amioleka araka ny voalaza ao amin’ny Almà 10. Nampitandrina azy ireo i Amioleka fa raha tsy mibebaka izy ireo dia ho avy ny andro izay hamongorana azy ireo. Vakio ny Almà 10:22–23, ary fantaro ny antony namonjena ny vahoaka tamin’ny famongorana. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika ny maha zava-dehibe ny hoe marina na dia tsy marina aza ireo manodidina anao?

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 8–10 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: