Seminera
Fizarana 26: Andro 1, 3 Nefia 17


Fizarana 26: Andro 1

3 Nefia 17

Fampidirana

Rehefa nifarana ny andro voalohany niarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny Nefita dia hitany fa vahoaka maro no tsy nahatakatra tanteraka ny zavatra nampianariny azy ireo. Noho izany dia nampianariny azy ireo ny fomba ahazoana fahatakarana bebe kokoa. Nitomany ny vahoaka rehefa nilaza Izy fa handeha. Feno fangorahana ny Mpamonjy ka dia nijanona elaela kokoa niaraka tamin’izy ireo. Nanasitrana ny mararin’izy ireo Izy, nitsodrano ireo zanany ary nivavaka ho azy ireo. Nahatsapa fifaliana sy fitiavana lehibe ho an’ny Mpamonjy ny valalabemandry rehefa nifandray taminy.

3 Nefia 17:1–3

Nandidy ny vahoaka i Jesoa mba hisaintsaina ny teniny sy hivavaka mba hahatakatra izany

Inona no ataonao rehefa sendra fampianarana ao anatin’ny soratra masina na avy amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ka tsy takatrao? Asio faribolana izay rehetra mety hataonao:

  • Tsy raharahiako fotsiny ilay fampianarana.

  • Mangataka olona iray hafa aho hanampy ahy hahatakatra.

  • Dinihiko tsara ilay fampianarana.

  • Mangataka ny Ray any an-danitra aho hanampy ahy hahatakatra.

Ireo zava-nitranga voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 17 dia niseho rehefa akaiky hifarana ny andro voalohany niarahan’i Jesoa Kristy tamin’ny valalabemandry Nefita. Vakio ny 3 Nefia 17:1–3, ary asio marika ny zavatra nasain’ny Mpamonjy hataon’ny Nefita mba hahatakarana bebe kokoa ny zavatra nampianariny azy ireo. Eritrereto ny fomba ahafahan’ny fandehanana mody mba hisaintsaina sy hivavaka manampy anao hahatakatra tsaratsara kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Nanazava ny dikan’ny hoe misaintsaina ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany. Vakio ity fanambarana manaraka ity ary lokoy miavaka ireo teny na andian-teny izay mamaritra ny hevitry ny hoe misaintsaina: “Tsy mitovy ny mamaky, sy ny mandalina ary ny misaintsaina. Mamaky ireo teny isika dia mety hahita hevitra. Mandalina sy mahita ireo lamina sy fifandraisana eo amin’ny soratra masina isika. Fa rehefa misaintsaina kosa isika, dia manasa ny fanambarana avy amin’ny Fanahy. Amiko ny misaintsaina dia ny fieritreretana sy ny vavaka ataoko aorian’ny famakiako sy ny fandalinako amim-pitandremana ny soratra masina” (“Manompo Miaraka amin’ny Fanahy,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 60).

Jereo amim-pitandremana ny 3 Nefia 17:3 ary jereo fa nanome toromarika ny vahoaka ny Mpamonjy mba hanomana ny sain’izy ireo amin’ny zavatra hiainan’izy ireo manaraka miaraka Aminy. Alohan’ny hanohizanao ny fandalinanao dia saintsaino ny fomba amalinao ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no azonao atao mba hanomanana ny sainao alohan’ny hankanesana any am-piangonana? Alohan’ny hanatrehana seminera? Alohan’ny hihainoana ny fihaonamben’ny Fiangonana? Alohan’ny handalinana soratra masina? Inona no heverinao fa mety ho fiovana entin’ny fanomananao ny sainao amin’ny zavatra azonao avy amin’ireo fahafahana hianatra ireo?

Iray amin’ireo fitsipika ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe: Ny fisaintsainana sy ny fivavahana amin’ny Ray dia ahafahantsika mahazo fahatakarana bebe kokoa. (Azonao atao ny manoratra izany ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 17:1–3.)

  1. Mba hanampiana anao hampihatra io fitsipika io dia misafidiana iray amin’ireo zavatra atao etsy ambany na izy roa, ary ampiharo eo amin’ny fiainanao mandritra ny herinandro manaraka ilay asa atao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nataonao. Manorata ihany koa mikasika ny fomba nampitomboan’io asa io ny zavatra nianaranao tao am-piangonana, tamin’ny seminera, na ny fihaonamben’ny Fiangonana, na avy tao amin’ny soratra masina. Miomàna hizara ity asa natao tao anaty diary ity amin’ny mpampianatra anao. Manaova ihany koa drafitra ahafahana mivoatra hatrany amin’ny iray amin’ireo sehatra ireo mandritra ireo herinandro manaraka.

    1. Hanomana ny saiko aho alohan’ny handehanako any am-piangonana na any amin’ny seminera.

    2. Hisaintsaina sy hivavaka mikasika ny zavatra henoko tany am-piangonana na tany amin’ny seminera aho.

3 Nefia 17:4–25

Nanasitrana ireo marary teo anivon’ny Nefita ny Mpamonjy ary nitsodrano ireo zanany

Sary
Kristy Mitsodrano ireo Ankizy Nefita

Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao fa nahazo hery ara-panahy sy feno hafaliana tokoa ianao ka tsy tianao hifarana ilay zavatra niainanao. Vakio ny 3 Nefia 17:4–5 mba hamantarana ny fihetsika nasehon’ireo Nefita rehefa nilaza ny Mpamonjy fa handeha hiverina any amin’ny Rainy Izy.

Novalian’ny Mpamonjy tamin’ny fangorahana lehibe ny faniriana tsara nananan’ny Nefita. Ity asa atao manaraka ity dia afaka manampy anao hahatakatra feno kokoa ny fitivan’i Jesoa Kristy antsika rehetra. Afaka manampy anao ihany koa izany hamantatra ireo fahamarinana ao amin’ny soratra masina mikasika ny toetran’i Jesoa Kristy.

  1. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto. Mamelà faritra malalaka eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina tsirairay ho an’ny fampahalalana fanampiny: 3 Nefia 17:6–10; 3 Nefia 17:11–18; 3 Nefia 17:19–25. Halalino tsirairay ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hitadiavana ireo fahamarinana momba ny toetran’ny Mpamonjy—hoe ohatra an’ny ahoana Izy. Mitadiava fahamarinana telo farafahakeliny, fahamarinana iray isaky ny andinin-tsoratra iray, ary soraty eo ambanin’ny andinin-tsoratra masina nakana azy izy ireo.

Iray amin’ireo zava-nitranga mamy sy nampihetsi-po indrindra voalaza ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ny nitsofan’i Jesoa Kristy rano ireo ankizy madinika izay nanatrika io fotoana io. Ity zava-nitranga ity dia manampy antsika hahatakatra ny toetran’i Jesoa Kristy. Hoy ny Filoha Boyd K. Packer talohan’ny namerenany nilazana ilay tantaran’ny Mpamonjy sy ireo ankizy ao amin’ny 3 Nefia 17:11–12, 21–25 hoe: “Ao anatin’ny tantaran’ny asa fanompoana nataon’ny Mpamonjy teo anivon’ny Nefita, dia afaka mahita lalindalina kokoa ny ati-fanahiny isika, ary angamba mihoatra kokoa noho ny tany amin’ny toerana hafa” (“Teach the Children,” Ensign, feb. 2000, 16–17).

Mariho fa nitondra ireo izay narary sy nijaly teo amin’ny Mpamonjy ny valalabemandry, anisan’izany ireo izay “nijaly na manao ahoana na manao ahoana izany” (3 Nefia 17:9). Ireo fijaliana ireo dia mety ho ara-batana, na ara-pihetseham-po, na ara-tsaina. Saintsaino ireo fomba izay mety hoe hijalianao. Fomba ahoana no mety hanampian’ny Mpamonjy anao amin’ny fijalianao raha toa ka teo Izy hitsodrano anao manokana?

  1. Avereno jerena ilay fitsipika mikasika ny fisaintsainana izay nianaranao tany am-piandohan’ity lesona ity. Fomba iray hisaintsainana ny maka sary an-tsaina ny tenanao ao anatin’ny toe-javatra mitovy amin’izay voalaza ao amin’ny tantara ao amin’ny soratra masina. Makà fotoana ary alaivo sary an-tsaina hoe mety ho nanao ahoana raha toa ianao ka nandray anjara tao amin’ireo zava-nitranga ao amin’ny 3 Nefia 17. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra izay heverinao fa mety ho renao, sy hitanao, ary tsapanao tamin’io fotoana io, ary inona no mety ho nianaranao avy tamin’ny Mpamonjy. Azonao atao ihany koa ny mamaritra ny tsodrano izay mety ho nokatsahinao avy tamin’ny Mpamonjy.

Mieritrereta fehezanteny iray izay mamaritra fahamarinana iray nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 17:6–25. Soraty eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ilay fehezanteny, na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Iray amin’ireo fahamarinana avy amin’ireo soratra masina ireo ny hoe: Mahatsapa fangorahana lehibe ho antsika ny Mpamonjy. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra ireo fahamarinana mikasika ny toetran’ny Mpamonjy izay nianaranao tao amin’ireo andininy ireo?

Vakio ity teny nambara momba ny finoana ity: “Mba hahafahan’ny finoanao hitondra anao any amin’ny famonjena dia tokony hifantoka amin’i Jesoa Kristy Tompo izany. … Afaka mampihatra ny finoanao an’i Kristy ianao rehefa manana fitokiana fa misy Izy, sy rehefa manana fihevitra marina mikasika ny toetrany, ary rehefa manana fahalalana fa miezaka miaina araka ny Sitrapony ianao” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra Mikasika ny Filazantsara).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba ahafahan’ny fahatakarana ny toetran’ny Mpamonjy feno fangorahana hanampy anao hampihatra finoana Aminy?

  2. Zarao amin’ny olona hafa iray ny zavatra iray nianaranao mikasika ny Mpamonjy tao amin’ny 3 Nefia 17. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny anaran’io olona io sy ny famintinana ny zavatra nolazainao taminy.

Na dia tsy niaina ny zavatra niainan’ireo Nefita niaraka tamin’i Jesoa Kristy aza isika dia ho avy ny andro izay ahitantsika sy handrenesantsika tsirairay Azy. Saintsaino ity lesona ity mandritra ny iray na roa andro manaraka. Eritrereto ny fangorahan’ny Mpamonjy rehefa mivavaka mikasika ireo fanirianao, sy fahalemenao, sy ratram-ponao, ary fizahan-toetra anao ianao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 17 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: