Seminera
Fizarana 15: Andro 1, Almà 5:1–36


Fizarana 15: Andro1

Almà 5:1–36

Fampidirana

Rehefa notandindomin-doza noho ny faharatsiana sy ny fifandirana ny Fiangonana (jereo ny Almà 4:9–11), dia fantatr’i Almà fa ny fanavaozana marina dia tsy tonga raha tsy amin’ny fiovam-po mahery vaika an’ireo mpikamban’ny Fiangonana. Nanomboka ny iraka nampanaovina azy tamin’ny fitoriana tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà i Almà, amin’ny maha mpisorona avo azy, tamin’ny alalan’ny fijoroana ho vavolombelona ny amin’i Jesoa Kristy sy ny fiantsoana ny olona hibebaka. Namporisika azy ireo izy ny hiomana amin’ny fitsaran’ny Tompo amin’ny alalan’ny fananana finoana ny tenin’Andriamanitra sy ny famakafakana ny toetra ara-panahin’ny fon’izy ireo. Eo am-pandalinanao ny tapany voalohany amin’ny Almà 5, dia eritrereto ny fomba hampiharanao ny zavatra nianaranao mba hiainanao na hanohizanao miaina ilay fiovam-po mahery vaika izay resahina ao amin’ilay toko.

Almà 5:1–13

Mitantara ny fiovam-pon’ny rainy sy ny an’ireo nanara-dia azy i Almà

Hatraiza ny fiovana nisy teo aminao hatramin’ny faha 8 taonanao? Hatraiza ny fiovana nisy teo aminao hatramin’ny faha 12 taonanao? Eritrereto ireo fomba samihafa mety hampiova ny olona, toy ny eo amin’ny endriny ivelany, ny fitondrantenany na ny fihetsiny. Diniho ny zavatra mety hitarika na hitondra ireo fiovana ireo eo amin’ny olona. Avy eo dia vakio ny Almà 5:12, ary tadiavo ny zavatra niova teo amin’i Almà Rainy. Rehefa mandalina ny Almà 5:1–13 ianao, dia eritrereto ny fomba mety hampiova ny fon’ny olona iray.

Ny Loholona Gerald N. Lund, izay nanompo tamin’ny naha mpikambana azy tao amin’ny Fitopololahy taty aoriana, dia nampianatra fa rehefa ampiasaina ao anatin’ny soratra masina ny teny hoe fo, dia matetika izany no manambara ny “ilay olona tena izy ao anatintsika” (“Understanding Scriptural Symbols,” Ensign, Ôkt. 1986, 25). Eritrereto mandritra ny fotoana fohy ny maha samihafa ny “ fiovam-po mahery vaika” amin’ny fomba hafa mety hampiova ny olona—tafiditra ao anatin’ izany ny eritreritrao raha nanomboka ity lesona ity.

Tsarovy fa ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina dia niaina “fiovam-po mahery vaika” tao am-pon’izy ireo, izay nahatonga azy ireo” tsy [h]anana fironana hanao ratsy intsony, fa hanao soa lalandava kosa” (Môsià 5:2). Azonao soratana ilay fanazavana avy amin’ny Loholona Lund sy ny andinin-tsoratra masina ho an’nyMôsià 5:2 eo amin’ny faritra malalaka amin’ny sisin’ny pejin’ny soratra masinao, eo akaikin’ny Almà 5:11–13.

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

Nanazava ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe: “Mety hanontany ianao hoe, fa nahoana ity fiovam-po mahery vaika ity no tsy mitranga haingana amiko? Tokony hotsaroanao fa ny ohatra niavaka an’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, an’i Almà, sy ny hafa ao amin’ny soratra masina dia izay fotsiny— miavaka fa tsy zava-misy mahazatra. Mandeha tsikelikely kokoa sy miandalana ny fiovana ho an’ny ankamaroantsika. Ny ateraka indray, izay tsy mitovy amin’ny fahaterahantsika ara-batana, dia dingana kokoa fa tsy zava-mitranga amin’ny fotoana iray. Ary ivon’ny tanjon’ny fiainana an-tany ny firotsahana ao amin’izany dingana izany” (“Ateraka Indray,” Ensign na Liahona, Mey 2008, 78).

Vakio ny Almà 5:3–7, ary tadiavo ny zavatra nambaran’i Almà tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà mba hanampiana tamin’ny fanomanana ny fon’izy ireo hiova.

Valio ity fanontaniana manaraka ato anatin’ny boky torolalana ity: Nanambara tamin’ny vahoakan’i Zarahemlà momba ny fiovam-pon’ny rainy sy ny hafa i Almà, ary koa ny fanafahana azy ireo tamin’ny fanandevozana. Araka ny eritreritrao, ahoana ny nanampian’izany traikefa izany ny vahoaka mba hiomanany hiaina fiovam-po?

Vakio ny Almà 5:10, ary ataovy anaty faribolana ireo baraingo any amin’ny faran’ireo fanontaniana telo izay napetrak’i Almà tamin’ny vahoaka. Aorian’izay dia halalino ny Almà 5:11–13, izay ahitana ny nanombohan’i Almà namaly ireo fanontaniana ireo, mba hanohanana ity fehezanteny ity: Afaka miaina fiovam-po isika rehefa mino ny tenin’Andriamanitra sy mino an’i Jesoa Kristy.

Mitarika any amin’ny fiovam-po mahery vaika ny finoana ny tenin’Andriamanitra satria ny tenin’Andriamanitra dia mampianatra antsika momba ny Mpamonjy. Nino ny tenin’Andriamanitra izay nomena azy ireo tamin’ny alalan’ny mpaminany masina ny vahoakan’i Almà. Nianatra momba ny hery manavotra an’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izy ireo, ary niova ny fony rehefa nampitombo ny finoana ny Mpamonjy izy ireo.

  1. Hazavao amin’ny teninao manokana ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hitarihan’ny finoana ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho amin’ny fiovam-po mahery vaika.

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fomba niovan’ny fonao. Afaka faritanao ny zavatra niainanao ho ampahany amin’ny valinteninao raha nahatsikaritra fiovam-po ianao rehefa nandalina ny Bokin’i Môrmôna tamin’ny seminera tamin’ity taona ity.

Almà 5:14–36

Nampianatra i Almà fa takiana ny fiovam-po mahery vaika hahafahana miditra ny fanjakan’ny lanitra.

Nanasa ny olona hamakafaka fanontaniana marobe i Almà rehefa avy nampianatra fa manampy antsika hanomboka ny dingan’ny fahazoana fiovam-po mahery vaika ny finoana ny tenin’Andriamanitra. Afaka manampy antsika hanombantombana ny toetoetry ny fo ara-panahintsika—ny faniriana ary ny fahatsapana ananan’ilay olona ao anatintsika ireny fanontaniana ireny.

Vakio ny Almà 5:14, ary mariho ireo fanontaniana telo napetrak’i Almà tamin’ny vahoaka mba handinihany ny momban’ny tenan’izy ireo. Mamaritra ny fiovana hiainantsika rehefa mampihatra finoana amin’ny fanavotana natolotra tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy ireo fanontaniana telo ireo. Tadidio avy amin’ny lesona teo aloha (jereo nyMôsià 5 sy Môsià 27) fa ny “ateraka indray” dia manambara ny fiovana hiainan’ny olona iray rehefa manaiky an’i Jesoa Kristy izy ary manomboka fiainam-baovao, tsy amin’ny maha mpianany fotsiny ihany, fa amin’ny maha zanany lahy na zanany vavy ara-panahy koa (jereo ny Môsià 27:25).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny mety ahitana taratra ny fiovam-pon’ny olona iray eny amin’ny endriny. Ato anatin’ity votoatin-kevitra ity, ny teny hoe endrika dia midika hoe ny endriky ny tarehin’ny olona iray, izay maneho ny fihetsik’izany olona izany, ny toe-tsaina, na ny toe-panahiny. Fariparito ny olona iray izay fantatrao izay nandray ny endriky ny Mpamonjy teo amin’ny endriny.

Eo amin’ny asa momba ny fitsaboana, ny cardiogramme dia tabilao ampiasain’ny mpitsabo hanombatombanana ny fahasalaman’ny fo. Manampy hahafantatarana ireo toe-javatra ilana fitsaboana izany. Halalino ireo andininy ao amin’ny Almà 5 izay voatanisa eo amin’ny farany ambanin’ny cardiogramme ara-panahy hita eto ambany. Rehefa mandalina ny andininy tsirairay ianao, dia mariho ny efa-joro ao amin’ny tabilao izay mamaritra tsara indrindra ny fomba mety hamalinao ilay fanontaniana na ireo fanontaniana ao amin’ny andininy tsirairay. (Afaka adikanao amin’ny taratasy hafa na ao anatin’ny diarinao manokana ity tabilao ity ary fenoy izany avy eo, raha tianao hotazonina ho tsiambaratelo kokoa valinteninao.)

Almà 5 Cardiogramme (fitaovana fandrenesana ny fitempon’ny fo) ara-panahy

Mandrakariva

Saika ho mandrakariva

Matetika

Indraindray

Mahalana, raha misy

Andininy avy ao amin’ny Almà 5

15

16

19

26

27

28

29

30–31

Rehefa fenonao ny cardiogramme ara-panahinao dia vakio ny Almà 5:21–25. Karohy ny zavatra nampianarin’i Almà mikasika ity fahamarinana ity: Manomana ny tenantsika hahazo toerana iray any amin’ny fanjakan’ny lanitra isika (ny fanjakana selestialy) rehefa miaina fiovam-po.

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    1. Manaova lisitra iray misy ireo teny sy fehezanteny izay nampiasain’i Almà ao amin’ny Almà 5:21−25 hamaritana ny toetoetra tianao hisy anao ankehitriny.

    2. Hazavao araka ny eritreritrao ny fomba hanomanan’ny fiovam-po antsika hahazo toerana iray ao amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Vakio ny Almà 5:33–36, ary diniho ny fahatsapanao momba ny hafatr’i Almà. Mitadiava teny na fehezanteny izay manampy anao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no hanasan’ny Tompo ahy hataoko?

  • Inona avy ireo valisoa azo avy amin’ny fanekena izany fanasana izany?

  • Inona no ampianarin’ireto andininy ireto ahy momba ny Mpamonjy?

Vakio ity fanambarana manaraka nataon’i Filoha Ezra Taft Benson ity, izay maneho ny fiainana tian’ireo izay niova fo hananana:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“ Misafidy ny hovaina ianao rehefa misafidy ny hanaraka an’i Kristy. …

“ Miasa avy ao anaty mankaty ivelany ny Tompo. Miasa avy aty ivelany mankao anaty izao tontolo izao. Manaisotra ny olona avy ao amin’ny toerana mahantra izao tontolo izao. Manaisotra ny toerana mahantra avy ao anatin’ny olona i Kristy ary avy eo dia manaisotra ny tenan’izy ireo avy ao amin’ny toerana mahantra izy ireo. Mamolavola ny olona amin’ny alalan’ny fanovana ny tontolo hiainany izao tontolo izao. Manova ny olona i Kristy, ary ireo olona ireo dia manova ny tontolo hiainany avy eo. Mamolavola ny fitondrantenan’ny olombelona izao tontolo izao, fa afaka manova ny fitondrantenan’ny olombelona kosa i Kristy. …

“Tarihin’i Kristy ny lehilahy [sy ny vehivavy] niova ho Azy. Hanontany tahaka an’i Paoly izy ireo hoe: ‘Tompo ô, inona no tianao hataoko?’ (Asan’ ny Apôstôly 9:6.) …

“Tsy hitady ny sitrapony izy ireo fa ny sitrapon’izay naniraka azy. (Jereo ny Jaona 5:30.)

“Ataon’izy ireo hatrany ireo zavatra mahafaly ny Tompo. (Jereo ny Jaona 8:29.)

“Tsy te ho faty ho an’ny Tompo fotsiny izy ireo, fa manan-danja kokoa noho izay, dia te ho velona ho Azy izy ireo.

“Midira ao an-tokantranon’izy ireo dia hanambara ny maha Kristiana azy ny sary eny amin’ny rindriny, ny boky eny amin’ny fitoeram-bokiny, ny hira mandeha, ny tenin’izy ireo ary ny asa ataony.

“Mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra, amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra izy ireo. (Jereo ny Môsià 18:9.)

“Manana an’i Kristy ao an-tsainy izy ireo rehefa mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. (Jereo ny F&F 6:36.)

“Manana an’i Kristy ao am-pony izy ireo rehefa apetrany amin’ny Tompo mandrakizay ny fitiavany rehetra. (Jereo ny Almà 37:36.)

“Saika ho isan-kerinandro izy ireo no mandray ny fanasan’ny Tompo ary mijoro ho vavolombelona indray amin’ny Rainy Mandrakizay fa vonona ny hitondra ny anaran’ny Zanany, hahatsiaro Azy mandrakariva, ary hitandrina ny didiny. (Jereo ny Môrô. 4:3.)” (“Born of God,” Ensign, Nôv. 1985, 5–7).

Ho famaranana ity lesona ity dia singano ny hevitra iray avy amin’ny fanambaran’ny Filoha Benson, izay manampy anao hieritreritra momba ny fiainana tianao hananana araka ny maha olona miaina fiovam-po anao. Mametraha tanjona izay hanampy anao hampihatra ny zavatra tsapanao rehefa nanadalina ny fampianaran’i Almà mikasika ny fiainana fiovam-po ianao (azonao atao ny manoratra izany ao anatin’ny diarinao manokana na amin’ny taratasy iray hafa). Ho vonona ny hiditra ny fanjakan’Andriamanitra ianao raha mikatsaka hatrany ny ho aterak’Andriamanitra sy hiaina fiovam-po.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa atao anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Almà 5:1–36 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevitra fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: