Seminera
Fizarana 32: Andro 2, Môrônia 8–9


Fizarana 32: Andro 2

Môrônia 8–9

Fampidirana

Ny Môrônia 8 dia epistily (taratasy) nosoratan’i Môrmôna ho an’i Môrônia zanany lahy momba ny antony tsy ilana ny hanaovana batisa ny ankizy madinika. Ao anatin’ilay epistily dia mampianatra momba ny fomba ahafahantsika miomana ny hitoetra miaraka amin’Andriamanitra ihany koa i Môrmôna. Izany dia nofaranany tamin’ny alalan’ny fanehoana ahiahy ny amin’ny faharatsiana sy faharavana manambana ny Nefita izy. Mirakitra ny epistily farany nosoratan’i Môrmôna ho an’ny zanany lahy ny Môrônia 9 Naneho alahelo ny amin’ny toetra ratsin’ny Nefita izy ary namporisika an’i Môrônia mba hiasa amim-pahazotoana mba hanampiana ny Nefita mba hibebaka. Na dia teo aza ny fahasimban’ny toe-tsain’ny vahoakany dia namporisika ny zanany lahy mba ho mahatoky ao amin’i Kristy izy sy hihazona ao an-tsainy mandrakariva ilay fampanantenana ny fiainana mandrakizay.

Môrônia 8:1–24

Nanoratra ho an’i Môrônia zanany lahy momba ireo izay mila hatao batisa i Môrmôna

Efa nanontany tena ve ianao hoe nahoana ny ankizy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany no tsy atao batisa raha tsy feno valo taona izy ireo? Tao anatin’ny taratasy nosoratany ho an’i Môrônia zanany lahy dia nampianatra fahamarinana manan-danja maro momba ny famonjena ny ankizy madinika sy ny batisa i Môrmôna, tafiditra ao anatin’izany ny antony tsy hanaovana batisa ny ankizy raha tsy feno valo taona izy ireo. Nanomboka ny taratasiny ho an’i Môrônia tamin’ny alalan’ny firesahana momba ny fifandirana (tsy fitovian-kevitra) teo amin’ny Nefita i Môrmôna. Vakio ny Moroni 8:4–6 ary tadiavo ilay fotopampianarana izay nifanjihiran’ny Nefita. (Eo am-pamakianao dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny hoe bontolo ato anatin’ity teo-javatra ity dia midika ho tena ratsy tokoa.)

Vakio ny Môrônia 8:7 ary fantaro izay nataon’i Môrmôna rehefa naheno ity olana ity izy. Namaly ny vavak’i Môrmôna ny Tompo tamin’ny alalan’ny fanazavana ny antony tsy ilan’ny ankizy batisa mialohan’ny taona maha-tompon’andraikitra. Vakio ny Moroni 8:8–9 ary tadiavo izay nolaizain’ny Mpamonjy momba ny antony tsy hanaovana batisa ny zaza sy ny ankizy madinika.

Ao amin’ny Môrônia 8:8 dia entina ilazana ny fanesorana an’i Adama tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra vokatry ny Fahalavoana ny hoe “ozon’i Adama”. Mazava ho azy fa tsy nahatakatra ny fotopampianaran’ny batisa ny Nefita sasany. Noho izany dia nino tamim-pahadisoana izy ireo fa tsy mendrika ny ho eo anatrehan’Andriamanitra ny ankizy madinika raha tsy mandray ny ôrdônansin’ny batisa, ka dia tian’izy ireo ny hanaovana batisa ny ankizy rehefa mbola tena kely tokoa izy ireo. Eo am-panakarana ity andininy ity dia mety hanampy ihany koa ny mahatsiaro fa ny fahotana dia “fandikana ankitsirano ny didin’Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahotana,” scriptures.lds.org). Mba hahatakarana bebe kokoa ny fotopampianarana ato amin’ity andininy ity dia mety ho tianao ny hampifandray ny Môrônia 8:8 amin’ny fanekem-pinoana faharoa.

Vakio ny Môrônia 8:10}ary mitadiava teny izay mameno izao fahamarinana manaraka izao:Ny fibebahana sy ny batisa dia ilain’ireo rehetra izay.

Satria ny batisa dia ilain’ireo izay tompon’andraikitra sy afaka manao fahotana ihany dia nampianatra i Môrmôna fa diso ny manao batisa ankizy madinika mialohan’ny taona maha-tompon’andraikitra azy ireo. Vakio ny Môrônia 8:11–13, 18–22 ary tadiavo ny fanazavan’i Môrmôna mikasika ny antony maha-diso ny batisa ho an’ny ankizy madinika. Ireto andininy ireto dia mampianatra ity fotopampianarana ity: Ny ankizy madinika dia voavonjy amin’ny alalan’ny Sorompavavotan’i Jesoa Kristy.

Nametraka ny taona iantombohan’ny maha-tompon’andraikitra ny Tompo—valo taona (jereo ny F&F 68:25–27; Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:11 [ao amin’ny Bible appendix]). Mialohan’ny fahavalo taonan’ny ankizy dia tsy manota izy ireo satria tsy nomena hery hakana fanahy azy ireo i Satana (jereo ny F&F 29:46–47). Tsy raisina ho fahotana ny fahadisoana ataon’ny ankizy mialohan’ny fahavalo taona.

Sary
zazavavy iray atao Batisa
Sary
Loholona Dallin H. Oaks

Nanazava ny antony tsy hahavitan’ny ankizy madinika manota ny Loholona Dallin H. Oaks avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Takatsika avy amin’ny fotopampianarana ananantsika fa mialohan’ny taona maha-tompon’andraikitra dia tsy ‘mahavita manota’ ny ankizy iray (Môrô. 8:8). Mandritra izany fotoana izany dia afaka manao fahadisoana ny ankizy, ary mety tena ratsy sy manimba zavatra mihitsy aza ka mila ahitsy, saingy tsy isaina ho fahotana ny zavatra nataon’izy ireo” (“Sins and Mistakes,” Ensign, Ôkt. 1996, 65).

Ao anatin’ny epistiliny dia nijoro ho vavolombelona ihany koa i Môrmôna fa “velona ao amin’i Kristy” ny ankizy madinika ary raha maty alohan’ny fahavalo taonany izy ireo dia ho voavotra amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môrônia 8:12–15, 22).

Rehefa nanazava ny antony tsy ilan’ny zaza sy ny ankizy madinika batisa i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona ny amin’ity fitsipika ity izy: Mahitsy tanteraka Andriamanitra amin’ny fisahanany ny zanany. Midika izany fa ataon’Andriamanitra izay hananan’ny rehetra fahafahana hahazo famonjena ara-drariny.

  1. Afaka manampy anao hianatra hanazava ireo fotopampianarana nampianarina ao amin’ny ampahany voalohany ao amin’nyMôrônia 8ity asa atao manaraka ity. Fidio ny iray amin’ireto toe-javatra miseho eto ambany ireto (na fidio izy roa), ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny andininy iray na roa avy ao amin’ny Môrônia 8:8–24 izay manampy amin’ny famakiana ny ahiahin’ilay olona ao amin’ilay toe-javatra miseho. Dia manorata andinin-tsoratra iray na roa hamaliana ilay toe-javatra miseho. Ampiasao ao anatin’ny valinteninao ireo andinin-tsoratra masina.

    1. Amin’ny maha-misiônera anao dia nifankahita tamin’ny lehilahy iray izay tena mikatsaka ny fahamarinana tokoa ianao. Manazava izy fa ny nampianarina azy nandritra ny fiainany iray manontolo dia ny hoe mpanota ny ankizy madinika rehefa teraka noho ny fandikan-dalàn’i Adama. Azony antoka fa rehefa maty tsy vita batisa ny zaza dia mpanota izy ireo ary tsy azo vonjena.

    2. Manaiky ny mpikambana vaovao iray fa hevitra tsara ny batisa ho an’ny ankizy valo taona kanefa nanontany izy hoe, “Tsy dia mampaninona loatra raha atao batisa rehefa valo volana na valo taona ny olona iray, sa tsy izany?”

Môrônia 8:25–30

Nampianatra izay tsy maintsy ataontsika mba hitoerana miaraka amin’Andriamanitra i Môrmôna

Taorian’ny nampianarany ny antony tsy ilan’ny ankizy madinika batisa dia nampianatra i Môrmôna fa tsy maintsy atao batisa ny olona izay nahatratra ny taona maha-tompon’andraikitra. Nanazava izay ny zavatra tsy maintsy hataontsika aorian’ny batisa ihany koa izy mba hahafahana mitoetra miaraka amin’Andriamanitra.

Vakio ny Môrônia 8:25–26 ary tadiavo izay zavatra tsy maintsy hataontsika sy ireo toetra tsy maintsy hananantsika mba hahafahana mitoetra miaraka amin’Andriamanitra. Mety ho tianao hasiana marika ireo zavatra ireo ao anatin’ny soratra masinao. Mety hanampy ny mahatakatra fa ny “fahalemem-panahy” dia midika hoe mankato ny sitrapon’Andriamanitra, ary ny “fietren’ny fo” dia midika hoe manetry tena marina.

Mety ho tianao ny hanoratra izao fitsipika manaraka izao ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môrônia 8:25–26: Afaka mahazo ny Fanahy Masina, izay manomana antsika mba hitoetra miaraka amin’Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny fankatoavana ireo didy.

  1. Hanampy anao mba hahatakatra bebe kokoa ny Môrônia 8:25–26ireto fanontaniana manaraka ireto. Saintsaino avokoa ireo fanontaniana ireo, ary misafidiana roa na maromaro amin’izy ireo avy eo mba hovalina ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no afaka mitarika any amin’ny fahalemem-panahy sy fietren’ny fo ny fahazoana ny famelana ny helokao?

    2. Nahoana no manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao ny fananana fahalemem-panahy sy ny fietren’ny fo?

    3. Ahoana no hanampian’ny fananana ny Fanahy Masina anao mba hiomana hiaina miaraka amin’Andriamanitra?

    4. Nampianatra i Môrmôna fa raha tiantsika ny hofenoina fitiavana izay maharitra dia tsy maintsy mivavaka amim-pahazotoana isika. Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina ny fanaovana vavaka amim-pahazotoana raha tiantsika ny hofenoina fitiavana?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrônia 8:27dia manameloka fahotana iray dia ny fiavonavonana, izay teo anivon’ny Nefita i Môrmôna. Vakio ny Môrônia 8:27 ary tadiavo ny vokatry ny fiavonavonan’ny Nefita. Dia ampitahao amin’ny vokatry ny fahalemem-panahy sy fietren’ny fo hita ao amin’ny Môrônia 8:26 izany.

Namporisika an’i Môrônia mba hivavaka ho an’ny Nefita i Môrmôna amin’izay mantsy dia mety mba hibebaka sy hahazo ireo fitahiana nofaritany tao anatin’ny taratasiny izy ireo (jereo ny Môrônia 8:28–30). Eo am-pampiasana ny torohevitr’i Môrmôna ho an’ny zanany lahy, dia mieritrereta mba hivavaka ho an’ireo olona manokana izay fantatrao fa mila mandray ireo fitahian’ny filazantsara, ary mikatsaha fomba hanampiana ireo olona ireo.

Môrônia 9:1–20

Nitantara ny faharatsian’ny Nefita sy ny Lamanita i Môrmôna

Mieritrereta fotoana iray izay niezahanao nanampy olona iray saingy nolavin’izany olona izany ny ezaka nataonao izany. Ahoana no mety ho fihetsiky ny olona sasany rehefa lavin’ireo izay ezahany hampiana hatrany ny fikasana tsara ananany? Eo am-pandalinanao ny epistily faharoan’i Môrmôna ho an’i Môrônia zanany izay hita ao amin’ny Môrônia 9 dia tadiavo izay nolazain’i Môrmôna mba hamporisihana ny zanany lahy mba tsy hilavo lefona amin’ny Nefita.

Vakio ny Môrônia 9:1, ary tadiavo ilay teny nampiasain’i Môrmôna mba hamaritana ny toe-javatra izay horesahiny ao anatin’ny taratasiny. Mariho fa ny mampalahelo eto amin’ity zava-mitranga ity dia midika ho tena manahiran-tsaina tokoa. Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrônia 9:2–19, i Môrmôna dia nanambara ny sasany tamin’ireo zavatra nanahiran-tsaina izay niseho teo anivon’ny vahoaka, izay nampiseho ny halehiben’ny haratsiam-panahin’ny vahoaka. Tahaka an’i Etera, izay mpaminany iray teo anivon’ny Jaredita, dia vavolombelon’ny hatezerana sy faharatsiana izay nandrendrika ny vahoakany i Môrmôna. Nanahy izy fandrao efa nitsahatra ny fitaoman’ny Fanahin’ny Tompo azy (jereo ny Môrônia 9:4).

Saintsaino ny antony nanohizan’i Môrmôna niasa teo anivon’ny Nefita na dia nanamafy ny fony tamin’ny tenin’Andriamanitra sy nandà ireo ezaka nataon’ireo mpaminany mba hanampiana azy aza izy ireo.

Namone torohevitra mahery vaika vitsivitsy ho an’i Môrônia i Môrmôna momba ny fomba hitoriana amin’ny olona izay tsy nanokatra ny fony. Vakio ny Môrônia 9:3–6, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fitsipika ity: Isika dia natao hiasa amim-pahazotoana rehefa manompo an’Andriamanitra na dia tsy maneho fihetsika tsara eo anatrehan’izany aza ireo izay tompointsika. Ny andininy faha- 6 dia tena manampy amin’ny fampianarana ity fitsipika ity.

Môrônia 9:21–26

Namporisika an’i Môrônia mba ho mahatoky i Môrmôna

Mieritrereta zava-nitranga vao haingana teo amin’ny fiaraha-monina misy anao, na teo amin’ny firenenao na teo amin’izao tontolo izao izay mety nahakivy ny olona. Vakio ny Môrônia 9:25–26 mba hahitana ny torohevitra nomen’i Môrmôna ho an’i Môrônia momba ny zavatra tokony hatao ao anatin’ny toe-javatra mahakivy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no nolazain’i Môrmôna tamin’i Môrônia fa tokony “hitoetra mandrakizay ao an-tsainao”? (Môrônia 9: 25). Ahoana no hanampian’ny fahatsiarovana ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany anao rehefa ao anatin’ny fahasarotana na voahodidin’ny faharatsiana ianao?

Afaka mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ny torohevitra nomen’i Môrmôna an’i Môrônia: Rehefa mahatoky ao amin’i Jesoa Kristy isika dia afaka manazava ny saina amam-panahintsika Izy na dia voahodidin’ny zava-tsarotra sy ny faharatsiana aza isika. Afaka midika hoe miezaka amin’ny fotoana rehetra mba hanao asa tahaka ny mpianatra marin’ny Mpamonjy, sy mahatsiaro ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotana, ary manaja amim-pahatokiana ny didiny ny hoe “mahatoky ao amin’i Kristy.”

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny mikasika ny zava-niseho iray teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny olona iray akaiky anao izay mampiseho fa marina ilay fitsipika teo aloha io.

Mieritrereta fomba iray izay hahafahanao ho mahatoky bebe kokoa ao amin’i Kristy rehefa voahodidin’ny faharatsiana sy ny toe-javatra sarotra ianao.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 8–9 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: