Seminera
Fizarana 21: Andro 2, Almà 50–52, 54–55


Fizarana 21: Andro 2

Almà 50–52; 54–55

Fampidirana

Nanohy nanampy ny vahoakany hiaro ny tenan’izy ireo tamin’ny alalan’ny fampatanjahana ireo tanànany ny Kapiteny Môrônia. Nahomby hatrany ny Nefita teo anatrehan’ny Lamanita mandra-panombohan’ny fikomiana sy ny faharatsiana mampalemy azy ireo. Na dia teo aza ny ezaka nataon’i Môrônia hampiraisana sy hiarovana ny vahoaka dia very ny maro tamin’ny tanàna Nefita noho ny fifandirana teo amin’izy samy izy. Naka indray ny tanànan’i Mioleka i Môrônia sy i Teankoma ary i Lehia taty aoriana ary naharesy ny iray tamin’ireo tafika Lamanita lehibe indrindra izy ireo. Niezaka ny hifampiraharaha tamin’ny fifanakalozana sambobelona i Amôrôna, izay mpitarika ratsy fanahin’ny Lamanita, kanefa nanafaka ireo sambobelona Nefita tsy nisy fandatsahan-drà i Môrônia. Nijoro tsy nihozongozona i Môrônia ary tsy nifanaraka tamin’i Amôrôna sy ny mpanara-dia azy.

Almà 50–51

Natanjahana sy nampiroboroboana ny Nefita rehefa nankatò ny Tompo sy niray hina teo anivon’izy samy izy

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay niadianao mafy handresy zava-tsarotra iray, toy ny fakam-panahy, olana ara-pahasalamana, olona tany an-tsekoly, na olona teo amin’ny fifandraisana tamin’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviana. Naniry ny hanana tanjaka ara-panahy bebe kokoa ve ianao tamin’izany fotoana izany?

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Hoy ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe: “Rehefa mihamatanjaka ireo hery ratsin’ny [fahotana] manodidina antsika dia na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny tanjaka ara-panahy ampy teo aloha dia tsy ho ampy izany. Ary na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny fitomboana ara-panahy noeritreretintsika fa azontsika nananana teo aloha dia hisy fitomboana lehibe kokoa natao ho antsika. Samy hitombo amin’ny hafainganam-pandeha izay tsy homentsika lanja ka hizakantsika ny vokany ny filàna tanjaka ara-panahy sy ny fahafahana mahazo izany” (“Always,” Ensign, ôkt. 1999, 9).

Afaka manampy antsika hianatra ity fahamarinana ity ireo fanomanana nataon’ny Nefita ho an’ny adin’izy ireo: Afaka mandresy ireo olana eo amin’ny fiainana isika rehefa manomana ara-panahy ny tenantsika.

Avereno jerena ny Almà 50:1–6. Inona no nataon’ireo Nefita hananganana fiarovana matanjaka manodidina ny tanànan’izy ireo? Vakio ny Almà 50:7. Inona ihany koa no nataon’ny Nefita hiomanana ho amin’ny ady?

Nanangana fiarovana matanjaka izay nanome tanjaka azy ireo tamin’ny fotoan’ny fahasarotana lehibe ny Nefita. Afaka manaraka ny ohatr’izy ireo isika amin’ny fanorenana tanjaka ara-panahy amin’izao fotoana izao mba hananantsika ny hery ilaintsika amin’ny fotoan-tsarotra. Voaorina amim-pahombiazana tokoa amin’ny alalan’ny ezaka mitohy isan’andro ny hery ara-panahy. Manjary matanjaka ara-panahy isika amin’ny alalan’ireo zavatra toy ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka isan’andro, fanatrehana ireo fivorian’ny Fiangonana, fanatontosana ny antsontsika, fanehoana ny fankasitrahantsika an’Andriamanitra, fanompoana ny hafa, ary fihainoana sy fanatanterahana ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

  1. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanambarana manaraka ity:

    1. Afaka manorina tanjaka ara-panahy lehibe kokoa aho amin’ny alalan’ny (ataovy lisitra ireo zavatra azonao atao).

    2. Hataoko mitohy kokoa isan’andro ny (misafidiana iray amin’ireo zavatra ao anatin’ny lisitra vao nataonao teo) ny hanorina tanjaka ara-panahy.

Vakio ny Almà 50:19–23, ary tadiavo ny fomba nitahian’ny Tompo ireo Nefita izay nahatoky taminy na dia teo aza ireo toe-java-nisy sarotra tamin’ny andron’izy ireo. Azonao atao ny manoratra eo akaikin’ireto andininy ireto ity fitsipika ity: Mitondra fitahiana na dia eo anivon’ny hotakotaka aza ny fahatokiana amin’Andriamanitra. Jereo ny Almà 50:21 ahitana ny zavatra nolazain’i Môrmôna fa nahatonga ny fahaverezan’izany fitahiana izany teo amin’ny Nefita.

Lasa lehiben’ny mpitsaran’ny Nefita i Pahôrana nandritra ny fotoana nitarihan’ny Kapiteny Môrônia ny Nefita tamin’ireo adiny tamin’ny Lamanita. Lehilahy marina izy, ary niasa mba hampitoetra ny fandriampahalemana teo amin’ny tany izy. Naniry ny hanova ireo lalàn’ny Nefita anefa ny andiana Nefita iray mba hotantanan’ny mpanjaka izy ireo fa tsy hampiasa rafitry ny mpitsara. Nanaovana fifidianana ilay olana, ary nifidy ny hitazona ny rafitry ny mpitsara ny vahoaka. Tsy nety nanohana ny feon’ny vahoaka anefa ireo “mpomba ny mpanjaka” ary nandà ny hiady niaraka tamin’ny Nefita hafa rehefa nanafika ny Lamanita. Tsy maintsy nitarika ny miaramilany nanohitra ireo mpomba ny mpanjaka i Môrônia hanerena azy ireo hikambana tamin’ny Nefita. Nampihena be tokoa ny herin’ny Nefita tamin’ireo adiny tamin’ny Lamanita izany (jereo ny Almà 51:1–21).

Vakio ny Almà 51:22–27, ary tadiavo ny porofo fa afaka nahazo fahefana teo amin’ny Nefita ny Lamanita noho ny fifandirana tamin’ireo mpomba ny mpanjaka. Eritrereto ity fitsipika ity: Manimba ny fandriampahalemana ny fisarahana sy ny fifandirana.

  1. Vakio ny Almà 50:39–40 sy ny Almà 51:22, ary jereo hoe hatraiza ny fahazotoan’i Pahôrana sy ny Kapiteny Môrônia tamin’ny fikatsahana tamin-kitsimpo ny hampisy fandriampahalemana teo anivon’ny vahoaka. Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nahitanao fifandirana, na teo anivon’ny namana izany, fianakaviana, mpiara-mianatra, na hafa. Mieritrereta ihany koa momba ireo toetran’ny olona iray izay miezaka mafy mampisy fandriampahalemana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo toetra mety hananan’ny mpampihavana iray.

Almà 52

Miara-miasa i Môrônia sy i Teankoma mba handresena ny Lamanita

Sary
Ny Kapiteny Môrônia sy ny Fanevan’ny Fahafahana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 51:33–34 dia novonoin’i Teankoma, izay iray amin’ireo mpitarika miaramila lehibe indrindra, i Amalikià. Taorian’ny nahafatesan’i Amalikià dia nandray ny fitondrana ny miaramila Lamanita i Amôrôna, rahalahiny. Nanome torolalana an’i Teankoma i Môrônia mba hanohy hampatanjaka sy hiaro ny ampahany avaratra amin’ny tanin’i Soafeno sy haka indray, raha azo atao, ireo tanàna Nefita izay nitoeran’ny Lamanita tamin’izany (Almà 52:1–10). Vakio ny Almà 52:15–17, ary tadiavo ny antony nanapahan’i Teankoma hevitra ny tsy hanafika ny tanànan’i Mioleka.

Fantatr’i Teankoma fa rehefa ao anatin’ny toeram-pamaharany ny fahavalo dia ho sarotra ny handresy azy ireo. Afaka mianatra izao fitsipika izao isika avy amin’io traikefa io: Rehefa misintaka ny toeram-pamaharan’ny fahavalo isika dia manana fahafahana ny hiala sy hanohitra ny fakam-panahy bebe kokoa.

  1. Inona avy ireo toerana azo lazaina fa toeram-pamaharan’ny fahavalo? (Mety ho toerana na toe-javatra izay mitaona anao hanota raha mandeha ao izany—ohatra hoe, fety iray izay hisotroan’ny olona zava-pisotro misy alikaola na hijerena horonan-tsary tsy mendrika.) Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny vitsivitsy amin’ny toerana toy izany. Soraty ihany koa ny antony tsy tokony handehananao amin’ireny toerana ireny.

Fotoan-tsarotra ho an’ny Nefita izany satria lasan’ny Lamanita ny maro tamin’ny tanàna Nefita raha mbola niady tamin’ireo mpomba ny mpanjaka ny Nefita. Nampiasan’ny Lamanita ho toeram-pamaharana ireny tanàna ireny ka noho izany dia sarotra ho an’ny Nefita ny haka azy ireny indray. Namolavola drafitra hanalana ny Lamanita tao amin’ny tanànan’i Mioleka i Môrônia mba hahazoan’ny Nefita indray ny tanàna. Vakio ny Almà 52:21–26 ahitana ny zavatra nataon’i Môrônia sy i Teankoma.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nataon’i Môrônia sy i Teankoma hakana ny tanànan’i Mioleka indray (jereo ny Almà 52:21–26). Soraty ihany koa ny eritreritrao momba an’i Môrônia amin’ny maha jeneraly azy. Tamin’ny fomba ahoana no naha jeneraly tsara azy ho an’ny Nefita?

Almà 54–55

Mandà ny hifanakalo sambobelona amin’i Amôrôna i Môrônia ary naka indray ny tanànan’i Gida izy

Samy nahazo sambobelona maro ny tamin’ny andaniny sy ny ankilany nandritra ireo ady teo amin’ny Lamanita sy ny Nefita. Nandefa taratasy tany amin’i Môrônia, izay nanome sosokevitra ny hifanakalozan’ny andaniny roa sambobelona, i Amôrôna, ilay mpitarika Lamanita. Faly ny hikanakalo sambobelona i Môrônia mba hahafahan’ireo Nefita voasambotra miverina sy mba tsy haha-voatery ny miaramilany hamahana sy hikarakara ireo sambobelona Lamanita intsony. (Jereo ny Almà 54:1–2.)

Kanefa raha mbola nifanoratra izy sy i Amôrôna dia nanoratra taratasy i Amôrôna mba hangatahana ny Nefita hitolo-batana ka hanaiky ny Lamanita hitondra azy ireo. Nilaza izy fa mpamono olona ny Nefita ary nanana ny rariny ny Lamanita raha niady tamin’izy ireo. Nanambara ihany koa izy fa tsy misy Andriamanitra. (Jereo ny Almà 54:16–24.)

Fantatr’i Môrônia fa nandainga i Amôrôna rehefa naharay ity taratasy ity izy. Fantatr’i Amôrôna fa tsy nanana antony marina tamin’ny ady nataony tamin’ny Nefita ny Lamanita. Nilaza i Môrônia fa tsy hifanakalo sambobelona izy ka hanome tanjaka bebe kokoa ny Lamanita. Hitady fomba iray ahafahana manavotra ireo sambobelona Nefita tsy hifampiraharaha momba an’izy ireo izy. (Jereo ny Almà 55:1–2.)

Vakio ny Almà 55:3–24 ahafantarana ny zavatra nataon’i Môrônia mba hanavotana ireo sambobelona Nefita.

Rehefa nandà ny hanaiky ny fangatahan’i Amôrôna i Môrônia ary nahita fomba iray hanavotana ireo sambobelona Nefita dia nataony izay tsy hahazoan’ny Lamanita tombony lehibe amin’ny Nefita ary nanao izay ahazoan’ny Nefita tombony bebe kokoa. Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia ny hoe: Hanohana antsika amin’ireo adintsika ny Tompo rehefa mahatoky sy mankatò tanteraka azy isika.

Tantara tena mahavelombolo tokoa mikasika ny fanavotana ny tantara hita ao amin’ny Almà 55:3–24. Mieritrereta olona iray ao amin’ny fianakavianao na namana iray izay mety hankafy ny hihaino ity tantara ity, ary mitadiava fotoana hitantarana ilay tantara amin’izany olona izany. Azonao atao koa ny mizara amin’izany olona izany ilay fitsipika miavaka nantitranterina ao amin’ny andinin-tsoratra etsy ambony ary manazava ny maha-ohatra an’i Môrônia amin’ity fitsipika ity.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 50–52; 54–55 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: