Seminera
Fizarana 28: Andro 4, Môrmôna 7:1–8:11


Fizarana 28: Andro 4

Môrmôna 7:1–8:11

Fampidirana

Taorian’ny ady farany teo amin’ny Nefita sy ny Lamanita, i Môrmôna dia nanoratra tamin’ireo taranaka ho avin’ny vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mikasika ny maha-zava-dehibe ny fahalalana ny hoe iza izy ireo sy ny zavatra tsy maintsy ataon’izy ireo mba hovonjena. Tamim-pitiavana lehibe ho an’ny taranaka ho avin’ireo fahavalony no nampianaran’i Môrmôna ny maha-zava-dehibe ny fanarahana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, mba “ho mandry ny aminareo amin’ny andron’ny fitsarana”(Môrmôna 7:10). Tavela irery mba hanoratra mikasika ny faharavan’ny vahoakany i Môrônia taorian’ny nahafatesan’i Môrmôna.

Môrmôna 7

Namporisika ny sisa tavela tamin’ireo Lamanita mba hino an’i Jesoa Kristy sy hanaraka ny filazantsarany i Môrmôna ao anatin’ny fijoroana ho vavolombelona farany nataony

Sary
Manao fara-veloma ny Firenena Iray izay Lehibe tokoa Fahiny i Môrmôna

Nianatra ianao tao amin’ny Môrmôna 6 fa nisy famoizana Nefita 230.000 tamin’ny ady farany tamin’ny Lamanita. Alaivo sary an-tsaina hoe tsy maty tao anatin’ny ady lehibe tahaka ity ianao, kanefa maty ireo namanao sy ny fianakavianao. Inona no mety ho tsapanao mikasika ireo taranaky ny vahoaka izay namono ireo olon-tianao sy nandresy ny firenenao? Vakio ny Môrmôna 7:1–4, ary tadiavo izay zavatra nosoratan’i Môrmôna ho an’ireo taranaky ny Lamanita.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no tian’i Môrmôna ho fantatry ny Lamanita sy ireo taranak’izy ireo?

    2. Inona no mampitovy na tsy mampitovy izany amin’ny zavatra neritreretinao fa mety ho tsapanao mikasika ireo taranaky ny vahoaka izay namono ireo namanao sy fianakavianao tao anatin’ilay toe-javatra nalaina sary an-tsaina?

    3. Inona no toetry ny Mpamonjy izay hitanao ao anatin’ny valintenin’i Môrmôna ho an’ireo fahavalony?

Nanohy nanoratra ho an’ireo taranaky ny Lamanita i Môrmôna. Vakio ny Môrmôna 7:5–7, ary asio marika farafahakeliny ny fahamarinana telo izay namporisihan’i Môrmôna an’ireo taranaky ny Lamanita mba hinoany mikasika ny Mpamonjy Jesoa Kristy.

  1. Misafidiana iray amin’ireo fahamarinana mikasika an’i Jesoa Kristy izay hitanao, ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fiantraikan’ny finoana izany fotopampianarana izany teo amin’ny fiainanao.

Mety ho nahatsapa nanana ny rariny tamin’ny fanoratana teny fanamelohana ho an’ny Lamanita izay namono olona maro tamin’ny vahoakany i Môrmôna, kanefa noho ny fahafantarany ny fahamarinana dia nanoratra izy mba hampianatra azy ireo ny zavatra tsy maintsy hataony (sy hataontsika) mba ho tonga tsy manan-tsiny eo anatrehan’Andriamanitra eo amin’ny toeram-pitsarana. Vakio ny Môrmôna 7:8–10, ary fantaro ny zavatra nijoroan’i Môrmôna ho vavolombelona fa tsy maintsy ataon’ny olona iray. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

Nampianatra ireo andininy ireo fa manolotra famonjena ho an’ny rehetra sy hanavotra ireo izay manaiky ireo fitsipika sy ireo ôrdônansin’ny filazantsarany ny Tompo. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ity fitsipika ity. Jereo fa nampianatra i Môrmôna fa amin’ny alalan’ny fandalinantsika soratra masina no fomba hahafantarantsika ny fomba hiainana ity fitsipika ity (jereo ny Môrmôna 7:8). Mety hanampy ny fahatakarana fa milaza ny Bokin’i Môrmôna ilay andian-teny hoe “ity rakitsoratra ity”, ary milaza ny Baiboly ny hoe “ny rakitsoratra … izay ho tonga any amin’ny Jentilisa avy any amin’ny Jiosy.” Mitovy amin’izany koa, ny hoe “ity” ao amin’ny Môrmôna 7:9 dia milaza ny Bokin’i Môrmôna, ary milaza ny Baiboly ny hoe “izany.” Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ireo fahasamihafana ireo.

Eo am-pamarananao ny Môrmôna 7 dia makà fotoana kely hisaintsainana ny ohatry ny fiantrana sy ny fangorahana tahaka ny an’i Kristy nasehon’i Môrmôna tamin’ny fanoratana hafatra feno fanantenana sy fandrisihana toa izany ho an’ireo taranak’ireo izay tena fahavalony indrindra.

  1. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo eritreritrao mikasika ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no ahafahako manaraka ny ohatr’i Môrmôna ka hitondra ny hafa, anisan’izany ireo izay mety nanao ratsy tamiko, amin’ny fomba iray izay maneho ny hasarobidy mandrakizain’izy ireo?

Môrmôna 8:1–11

Nanoratra ny amin’ny fahafatesan’ny rainy, ny faharinganan’ny vahoakany, ary ny fijanonany ho irery i Môrônia

Mieritrereta fotoana iray izay naha-irery anao. Inona no tsapanao mikasika ny fanirery? Alaivo sary an-tsaina hoe irery mandritra ny taona maro ianao.

Jereo ireo daty ao anatin’ny famintinana ny toko na eo ambanin’ireo pejy ao amin’ny Môrmôna 7 sy 8. Taona firy no lasa teo anelanelan’ny fotoana nanoratan’i Môrmôna ireo teniny farany tao amin’ny toko 7 sy ny fotoana nanombohan’i Môrônia nanoratra teo amin’ireo takelaka ao amin’ny toko 8?

Sary
I Môrônia malahelo mafy an’i Môrmôna

Vakio ny Môrmôna 8:1–2, ary tadiavo izay zava-nitranga taorian’ilay ady lehibe tao Komôrà. Dia vakio avy eo ny Môrmôna 8:3–9 ary asio marika ireo andian-teny izay mamaritra ireo toe-javatra niainan’i Môrônia taorian’ny faharinganan’ny vahoakany. Saintsaino ny zavatra mety ho tsapanao raha toa ka ao anatin’ny toe-java-miseho toa izany ianao.

Mieritrereta fotoana iray izay nahatsapanao ho irery amin’ny zavatra inoanao na ireo fitsipika arahanao. Nitombo ve, sa tsy niova, sa nihena ny finiavanao hanaraka ny Mpamonjy sy hitandrina ny didiny nandritra izany fotoana izany? Nahoana?

Jereo indray ny Môrmôna 8:1, 3 mba hahitana ny zavatra izay nananan’i Môrônia fahavononana mba hataony na toa izany aza ny toe-javatra niainany. Ny ohatra nasehon’i Môrônia dia nampiseho fa afaka misafidy ny hijanona ho mahatoky ianao na dia irery aza. Azonao soratana ao anatin’ny soratra masinao io fahamarinana io.

Misy olona hafa, tahaka an’i Môrônia, ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna izay nijanona ho mahatoky na dia tamin’ny fotoana naha-irery azy aza. Nijoro tamin’ny heviny sy nijoro ho vavolombelona irery teo anoloan’ny Mpanjaka Noà sy ny mpisorony i Abinadia (jereo ny Môsià 12–17). I Almà no hany mpisorona nino ny tenin’i Abinadia ary niezaka niaro azy izy (jereo ny Môsià 17:1–4).

Ny Loholona Richard G. Scott dia nizara izao tantara manaraka izao mikasika ny zatovolahy iray izay nisafidy ny ho mahatoky na dia nijoro irery aza:

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Saintsaino ny ohatra nasehon’[ity] zatovolahy iray. Nandinika nandritra ny taona maro ny fomba nampianaran’ireo ray aman-dreniny azy hatramin’ny fahazazana aho mba tsy ho voahozongozona amin’ny fiainana ny didin’Andriamanitra. Tamin’ny alalan’ny ohatra sy fitsipika no nikolokoloan’izy ireo azy tao anatin’ny fahamarinana, niaraka tamin’ireo zanak’izy ireo hafa. Namporisika ny fikolokoloana ny fifehezan-tena sy ny fahafoizan-tena izy ireo mba hahazoana ireo tanjona mendrika. Nisafidy ny lomano ity zatovolahy ity mba hampiorenam-paka ireo hatsarana ireo tao amin’ny toetrany. Nitaky fifehezan-tena sy fahafoizan-tena ny fanazaran-tena vao maraina be. Nanjary nitombo fahaizana fatratra tamin’ity fanatanjahan-tena ity izy taty aoriana.

“Dia tonga avy eo ireo zava-tsarotra—ohatra hoe, fifaninanana milomano izay natao ny Alahady. Handray anjara ve izy? Hitady fialan-tsiny ho an’ny fandikana noho ny antony manokana ny fitsipika arahany amin’ny tsy fandehanana milomano amin’ny andro Alahady ve izy mba hanampiana ny ekipany handresy amin’ny fifaninanana? Tsia, tsy nilavo lefona izy, na dia nisy aza ny tsindry mahery vaika avy amin’ny namana. Nompaina izy, eny novonoina koa. Tsy nilavo lefona anefa izy. Nitondra fotoan’alahelo sy tomany ny fanilihan’ireo namana, ny fanirery ary ny fanerena. Tsy nilavo lefona anefa izy. Nianatra ho an’ny tenany manokana ny zavatra tokony ho fantatsika tsirairay izy dia ny fahamarinan’ny torohevitr’i Paoly ho an’i Timoty manao hoe ‘Izay rehetra te-ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, izay ao amin’i Kristy Jesosy, dia henjehina’(2 Tim. 3:12). Taona maro taty aoriana, ity fitsipiky ny fiainana araka ny fahamarinana ity izay tsy miovaova ity—izay nokolokoloina avy amin’ny fanapahan-kevitra marina an-jatony, ary ny sasany dia teo anatrehan’ny olana lehibe—dia nikolokolo toetry ny fahatanjahana sy fahaiza-manao. Ankehitriny, amin’ny maha-misiônera azy, dia ankamamian’ireo mitovy taona aminy amin’ny fahafahany miasa izy, amin’ny fahalalany ny fahamarinana, amin’ny fanoloran-tenany tsy voahozongozona, ary amin’ny fahavononany hizara ny filazantsara. Ilay nolavin’ireo nitovy taona taminy taloha dia nanjary mpitarika hajain’ireo mitovy taona aminy ankehitriny” “Things First,” Ensign, mey 2001, 8).

Vakio ny Môrmôna 8:10–11, ary tadiavo ny fomba iray nanohanan’ny Tompo an’i Môrônia sy i Môrmôna (talohan’ny nahafatesany) nandritra ireo toe-javatra sarotra izay natrehan’izy ireo. Afaka manampy anao amin’ny fanapahan-kevitrao ny hijanona ho mahatoky na dia rehefa irery aza ianao ity fampaherezana manaraka nataon’ny Filoha Thomas S. Monson ity:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Eo am-piatrehantsika ny fiainantsika andavanandro dia saika tsy azo hialana ny fisedrana ny finoantsika. Misy fotoana mety voahodidinin’ ireo hafa isika, kanefa mahatsiaro ho vitsivitsy an’ isa na mety ho irery mihitsy aza, raha ny mahakasika izay zavatra azo ekena sy izay tsy azo ekena. Moa ve isika manana herimpo ara-pitondrantena ampy mba hijoroana mafy amin’ny finoantsika, na dia voatery hijoro irery aza isika noho ny fanaovana izany? …

“… Enga anie isika hanana herimpo sy ho vonona hatrany hijoro amin’ ny zavatra izay inoantsika, ary raha ilaina ny mijoro irery dia enga anie isika hanao izany amin-kerimpo tokoa, ary feno hery noho ny fahafantarana fa raha ny marina dia tsy irery mihitsy isika rehefa mijoro miaraka amin’ ny Raintsika any an-danitra” (“Sahia Mijoro Irery,” Ensign sy Liahona, nôv. 2011, 60, 67).

  1. Manorata valinteny ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina:

    1. Iza ihany koa no fantatrao fa ohatra amin’ny fijoroana ho mahatoky na dia nijoro irery aza?

    2. Ahoana no hanampian’ny tenin’ny Filoha Monson anao mba hanapa-kevitra ny hitoetra ho mahatoky na dia rehefa irery aza ianao?

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrmôna 7:1–8:11 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: