Seminera
Fizarana 3: Andro 2, 1 Nefia 8


Fizarana 3: Andro 2

1 Nefia 8

Fampidirana

Ao amin’ny 1 Nefia 8 no hamakiantsika mikasika ny fahitan’i Lehia momba ny hazon’aina. Nahatsapa fifaliana be izy rehefa nihinana tamin’ny voan’ilay hazo, izay tandindon’ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana. Ary avy eo izy dia nahita karazana andian’olona maro izay nanana fihetsika samihafa nanoloana ny hazo sy ny voany. Mba hanampiana anao hiomana ho an’ity lesona ity dia azonao atao ny mihira na mamaky ny tonon’ny “The Iron Rod” (Hymns, no. 274). Rehefa mandalina ity toko ity ianao dia diniho hoe ahoana no fomba nitondran’ny Sorompanavotana fifaliana lehibe ho anao, ary inona no tsy maintsy ataonao amin’izao fotoana izao sy amin’ny ho avy mba hahazoana ireo fitahiana rehetra entiny. Diniho hoe inona ireo sakana izay tokony hihoaranao mba hahazoana ireo fitahiana ireo.

1 Nefia 8:1–18

Nihinana tamin’ny voan’ny hazon’aina i Lehia ary nanasa ny fianakaviany mba hanao toy izany koa

Mieritrereta fotoana iray teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao ny fitiavan’ny Tompo anao manokana. Eritrereto ny fomba fiantraikan’ny safidy ataonao eo amin’ny fanakaikezanao ny Tompo sy ny fahafahanao mahatsapa ny Fitiavany. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 8 ianao dia tadiavo hoe inona no asain’izany ataonao, ary inona no tokony hialanao, mba hahafahanao manakaiky kokoa ny Tompo sy mahatsapa ny Fitiavany amin’ny fomba mahery kokoa eo amin’ny fiainanao.

Vakio ny 1 Nefia 8:2, ary tadiavo hoe inona no niainan’i Lehia tamin’izy tany an-tany foana. Vakio ny 1 Nefia 8:5–12, ka tadiavo hoe inona no toa ivon-tsary na zavatra ifantohan’ny nofin’i Lehia.

Sary
Ny nofin’i Lehia momba ny Hazon’aina

Rehefa hitanao ilay ivon-tsary, dia tanisao ny sasany amin’ireo teny sy andian-teny izay nampiasain’i Lehia hamaritana ilay voankazo ao amin’ny 1 Nefia 8:10–11.

Matetika ny Tompo no mampiasa zavatra izay efa mahazatra antsika mba ho toy ny tandindona izay manampy antsika hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay. Mba hanampiana anao hahita hoe inona no tiana hambara amin’ilay hazo sy ilay voankazo tao amin’ny nofin’i Lehia, dia vakio ity teny nolazain’ny Loholona Neal A. Maxwell tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity manao hoe: “Ny hazon’aina … dia ny fitiavan’Andriamanitra (jereo ny 1 Ne. 11:25). Ny fitiavan’Andriamanitra an’ireo zanany dia miseho amin’ny fomba lalina indrindra tamin’ny fanomezany an’i Jesoa ho Mpanavotra antsika: ‘Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao, nomeny ny Zanany Lahitokana’ (Jaona 3:16). Ny hoe fandraisana amin’ny fitiavan’Andriamanitra dia ny fandraisana ny Sorompanavotan’i Jesoa sy ny fanafahana [fahafahana amin’ny gejan’ny ota] sy ireo fifaliana izay entin’izany” (“Lessons from Laman and Lemuel,” Ensign, nôv. 1999, 8).

Mba hanampiana anao hahita fitsipiky ny filazantsara voalaza ao amin’ny 1 Nefia 8:10–12, dia tsipiho ao anatin’ny soratra masinao izay nanaovan’i Lehia an’ilay voankazo ao amin’ny 1 Nefia 8:11, ary tsipiho ihany koa ny vokatr’izany ao amin’ny 1 Nefia 8:12. Eritrereto ireo fomba ahafahanao “mandray” amin’ny Sorompanavotana, tahaka ny “[nihinanan’]” i Lehia tamin’ilay voankazo.

Io zavatra niainan’i Lehia io dia maneho fa ny fanatonana an’i Jesoa Kristy sy ny fandraisana amin’ny Sorompanavotany dia mitondra fahasambarana sy fifaliana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana no nitondra hasambarana sy fifaliana teo amin’ny fiainanao ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy?

Diniho hoe nahoana isika no tokony haniry tahaka an’i Lehia, ny hanandraman’ireo fianakaviantsika sy namantsika ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotana rehefa avy nanandrana azy ireny isika. Vakio ny 1 Nefia 8:3–4, 13–18 ary jereo hoe ahoana no fihetsiky ny fianakavian’i Lehia teo anatrehan’ny fanasan’i Lehia azy ireo hihinana amin’ny voan’ny hazon’aina.

Tsy afaka manapa-kevitra isika raha toa hisafidy ny handray amin’ny fitiavan’Andriamanitra ireo olon-kafa. Kanefa, tahaka an’i Lehia, dia afaka manasa sy mankahery azy ireo isika. Eritrereto ny fomba ahafahanao manasa sy manentana olona iray izay fantatrao mba hanatona an’i Kristy sy handray ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotany.

1 Nefia 8:19–35

Hitan’i Lehia ny fahombiazan’ny sasany sy ny tsy fahombiazan’ny hafa rehefa nandroso nankany amin’ilay hazo izy ireo ka nihinana tamin’ny voany

Ao aoriana kely ao amin’ny 1 Nefia ianao dia hamaky mikasika ny fomba nanehoana ny fahitana ny hazon’aina tamin’i Nefia ihany koa. Noraketiny hoe inona no hevitr’ireo karazana tandindona sy sary tao amin’ilay fahitana. Ampiasao ity tabilao ity mba hahitanao ireo tandindona sy ny hevitr’izany. Karohy ao amin’ny soratra masinao mba hamitana ity fampiasana manaraka ity. Efa nianaranao sy fantatrao ny hevitr’ireo tandindona roa voalohany.

Ireo tandindona tao amin’ny Nofin’i Lehia

Ireo hevitry ny Tandindona izay Nomena an’i Nefia

Ny hazo (jereo ny 1 Nefia 8:10; izany dia antsoina hoe ny hazon’aina ao amin’ny 1 Nefia 15:22)

Ny fitiavan’Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 11:25)

Ny voan’ilay hazo (jereo ny 1 Nefia 8:10–12)

Ny lehibe indrindra amin’ny fanomezan’Andriamanitra—ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Nefia 15:36)

Ilay renirano (maloto) (jereo ny 1 Nefia 8:13)

(jereo ny 1 Nefia 12:16; 15:27)

Ilay anja-by (jereo ny 1 Nefia 8:19)

(jereo ny 1 Nefia 11:25; 15:23–24)

Ilay zavon’ny haizina (jereo ny 1 Nefia 8:23)

(Jereo ny 1 Nefia 12:17)

Ilay trano mijoalajoala sy malalaka (jereo ny 1 Nefia 8:26)

(jereo ny 1 Nefia 11:36; 12:18)

Mety hanampy ny manisy marika ny soratra masinao amin’ny alalan’ny fanoratana ny hevitr’ireo tandindona tsirairay (ireo valiny eo amin’ny tsanganana faharoa eo amin’ilay tabilao etsy ambony) eo akaikin’ilay na ireo andininy izay ahitana ilay tandindona (ireo andininy eo amin’ny tsanganana voalohany amin’ilay tabilao).

Rehefa mamaky ity teny nambaran’ny Filoha Boyd K. Packer avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Rombinifolo ity ianao dia tsipiho izay nolazainy mikasika ny antony maha zava-dehibe ho antsika ny fandalinana ny nofin’i Lehia:

“Mety hieritreritra ianao hoe tsy tena misy dikany manokana aminao ny nofy na ny fahitan’i Lehia, kanefa tena misy dikany izany. Tena ao anatin’izany ianao, ao anatin’izany isika rehetra. …

“Ny nofy na fahitan’i Lehia mikasika ilay anja-by dia ahitana ny zavatra rehetra ilain’ny Olomasin’ny Andro Farany iray mba hahatakarana ny sedran’ny fiainana” (“Finding Ourselves in Lehi’s Dream,” Ensign, aog. 2010, 22).

Rehefa mandalina ny ambiny sisa amin’ny 1 Nefia 8 ianao dia eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zavatra ianaranao manampy anao “hahatakatra ny sedran’ny fiainana.” Vakio ny 1 Nefia 8:21–33 ary jereo hoe ahoana no fomba nanakanan’ilay renirano, sy ilay zavon’ny haizina ary ilay trano mijoalajoala sy malalaka ireo olona tao amin’ny nofin’i Lehia tsy hihinana na hifaly amin’ny voan’ny hazon’aina. Azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao ireo teny manan-danja izay mifandray amin’ireo sakana ireo sy ny fiantraikan’izany teo amin’ny olona.

Mety ho inona ireo sakana izay hitan’i Lehia ireo eo amin’ny fiainantsika ankehitriny? Tsipiho izay sakana rehetra hitanao amin’ireto manaraka ireto izay manakana ny olona iray tsy hanatona ny Mpamonjy sy tsy hahatsapa fifaliana: pôrnôgrafia, fikatsahana ny fanekena sy ny dera avy amin’ny hafa, ireo zava-mampiankin-doha, ny fitiavan-tena, ny hatendana, ny faniriana hila ady amin’ny hafa, ny tsy fivavahana sy tsy fandalinana ny soratra masina, ny fampiasana diso tafahoatra ny fialam-boly elektrônika, ny fandraisana anjara be loatra amin’izay mety ho atrikasa na fanatanjahan-tena, ny tsy fahamarinan-toetra, ary ny fanarahana ny fanaon’ny hafa rehetra. Mieritrereta sasany amin’ireo karazana sakana hafa ireo amin’izao vaninandro ankehitriny izao.

Ity fitsipiky ny filazantsara manaraka ity dia fomba iray hamintinana ny zavatra izay azonao hianarana avy amin’ny fandalinana ireo sakana ao amin’ny 1 Nefia 8:21–33: ny avonavona, ny rendrarendran’izao tontolo izao, ary ny fironana mankamin’ny fakam-panahy dia afaka manakana anao tsy ahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana.

  1. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny famintinana etsy ambony sy ny fahatsapanao mikasika ny fahamarinan’izany sy ireo fomba azonao hampiharana izany eo amin’ny fiainanao.

Diniho hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fakam-panahin’i Satana sy ny avonavon’izao tontolo izao manakana na manemotra ny fandrosoanao ara-panahy.

Diniho indray ny 1 Nefia 8:21–33. Amin’ity indray mitoraka ity dia hevero ny hamaliana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Hatraiza no maha zava-dehibe ilay anja-by (ny tenin’Andriamanitra—izay ahitana ny soratra masina, ny teny entanim-panahin’ireo mpaminany sy ireo mpitarika hafa ato amin’ny Fiangonana, ary ny fanambarana ho an’ny tena manokana) teo amin’ireo olona izay nihinana tamim-pahombiazana tamin’ny voankazo?

  • Inona no andian-teny ao amin’ny 1 Nefia 8:30 izay mamaritra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hahafahan’ny tenin’Andriamanitra hitarika antsika amim-pahatokiana mankany amin’ny hazon’aina?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba ahafahan’ny tenin’Andriamanitra hitarika antsika sy hiaro antsika tsy ho azon’ny fakam-panahy.

Ireo andininy ireo dia mampianatra antsika ireto fitsipiky ny filazantsara manaraka ireto: Raha toa isika ka mihazona mafy ny tenin’Andriamanitra, dia hanampy antsika izany hanohitra ny fakam-panahy sy ny fitarihan’izao tontolo izao. Ny fihazonana mafy ny tenin’Andriamanitra dia hanampy antsika hanakaiky kokoa an’Andriamanitra sy handray ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotana.

  1. Mba hanampiana anao hahita ny mampitombona ireo fitsipika ireo eo amin’ny fiainanao, dia valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Oviana ny tenin’Andriamanitra no nitarika sy niaro anao tsy ho azon’ny fakam-panahy sy ny avonavona ary ny rendrarendran’izao tontolo izao?

    2. Oviana ny tenin’Andriamanitra no nanampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

I Lehia dia namporisika ny fianakaviany “araka ny fihetsem-pon’ny ray be fiantra, mba hihainoany ny teniny” (1 Nefia 8:37). Tiany izy ireo mba hanandrana ny fifaliana sy ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tahaka izay efa niainany.

  1. Manorata tanjona iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, tanjona izay hanatsaranao ny fandalinanao ny tenin’Andriamanitra.

Rehefa manaraka sy mihazona tsara ny tenin’Andriamanitra ianao dia ho afaka hanohitra ireo sakana izay hanakana anao tsy handray amin’ny Sorompanavotana sy tsy handray fifaliana marina.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 1 Nefia 8 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: