Seminera
Fizarana 5: Andro 2, 2 Nefia 1


Fizarana 5: Andro 2

2 Nefia 1

Fampidirana

Rehefa mandalina ny 2 Nefia 1 ianao dia jereo fa ahitana teny avy amin’ny ray aman-dreny be fitiavana iray sady mpitarika ao amin’ny fisoronana izay efa akaiky ho faty izany. Nitalaho tamin’ny fianakaviany i Lehia mba hankatò ny didin’Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 1:16). Naminany izy fa raha mankatò ny didin’Andriamanitra izy ireo dia hiroborobo eo amin’ilay tany nampanantenaina. Nanentana ny zanany sy ireo izay niaraka tamin’izy ireo avy any Jerosalema koa izy mba hanaraka ny fitarihana ara-paminaniana nomena an’i Nefia. Rehefa mandalina io toko io ianao dia tombantombano ny fankatoavanao manokana ny didin’ny Tompo. Hatraiza ny fanarahanao antsakany sy andavany ny torohevitr’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana?

2 Nefia 1:1–23

Nanentana ny olony i Lehia mba hiaina amim-pahamarinana

Alaivo sary an-tsaina hoe mila mandao tampoka ny fianakavianao ianao ary tsy hahita azy ireo intsony. Manana fahafahana farany iray monja mba hiresahana amin’izy ireo ianao. Inona no mety holazainao azy ireo ao anatin’izany toe-javatra izany?

Ao amin’ny 2 Nefia 1–4 no niraketan’i Nefia ny torohevitra farany nomen’ny rainy ho an’ny fianakaviany. Rehefa mandalina ireo toko ireo ianao dia eritrereto hoe ahoana no fomba fiantefan’ny fampianaran’i Lehia noraketina farany eo aminao.

Vakio ny 2 Nefia 1:1–4, ary tadiavo ny “[zavatra lehibe] efa nataon’ny Tompo” ho an’ny fianakavian’i Lehia.

  1. Manorata valiny fohy ho an’ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

    1. Ahoana no fomba nanehoan’ny Tompo famindram-po tamin’ny fianakavian’i Lehia?

    2. Inona avy ireo “zavatra lehibe” efa nataon’ny Tompo ho anao sy ny fianakavianao? Inona no zavatra tsapanao momba ny Tompo rehefa mieritreritra ny fanehoany famindram-po lehibe ho anao sy ny fianakavianao ianao?

Nampianarin’i Lehia ny fianakaviany fa ny fisafidianana ny hitandrina ny didin’Andriamanitra dia hamaritra ny hitohizan’ny fandraisan’izy ireo “zavatra lehibe” sy ny “famindram-pon’Andriamanitra” na tsia eo amin’ny fiainany.

  1. Mba hanampiana anao hahita fa ny Tompo dia mitahy antsika rehefa mitandrina ny didiny isika ary mihazona ireo fitahiana rehefa tsy mitandrina ny didiny isika, dia manaova tabilao toy io eo ambany io ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Vakio ny 2 Nefia 1:7–11, ary tadiavo ireo zavatra tokony hatao (“raha toa ka”) izay nolazain’i Lehia fa hitondra vokany miavaka (“dia”). Soraty eo ambanin’ilay faritra iray mifanaraka amin’izany ao anatin’ilay tabilao ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra hitanao.

Raha toa ka (zavatra tokony hatao)

Dia (vokany)

Sary
Fampianaran’i Lehia

Niahiahy manokana momba ny toe-panahin’i Lamàna sy i Lemoela i Lehia ary nahatsapa fa nila nibebaka izy ireo. Rehefa nananatra azy ireo izy dia nampiasa tandindona maro mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny fahotana sy ny fibebahana. Karohy ao anatin’ny 2 Nefia 1:13–14 ireo tandindona nampiasain’i Lehia mba hamporisihana ireo zanakalahiny hibebaka ary soraty eo amin’ireto faritra banga eto ambany ireto ny valinteny omenao:

amin’ny … lalina

manifika ny …

avy eo amin’ny …

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no mahatonga ny fibebahana hitovy amin’ireo andian-teny tsirairay hita etsy amin’ilay fampiasana etsy ambony ireo?

Vakio ny 2 Nefia 1:15, ary asio marika ao anatin’ny soratra masinao ireo andian-teny telo izay nampiasain’i Lehia mba hamaritana ireo fitahiana azony noho ny fankatoavany ny didin’Andriamanitra. Ampitahao amin’ireo voka-dratsy ao anatin’ny 2 Nefia 1:17–18, 22 izay nolazain’i Lehia fa hianjady amin’ireo izay tsy mitandrina ny didin’Andriamanitra ireo fitahiana ireo.

Asio marika ny torohevitra nomen’i Lehia ao anatin’ny 2 Nefia 1:23, ary diniho ny zavatra tokony hataonao eo amin’ny fiainanao mba “hifohazana” na “hanakifihana” na “hivoahana” mba hahafahanao mahazo ireo fitahiana izay nolazain’i Lehia ao amin’io toko io.

2 Nefia 1:24–32

Nananatra ireo zanakalahiny i Lehia mba hanaraka ny fitarihana mifono faminaniana ananan’i Nefia

Nampahatsiahivin’i Lehia ny fianakaviany sy ny hafa avy eo ilay loharano iray hafa mitondra fitarihana sy fitaomam-panahy izay nomena azy ireo mba hanampiana azy ireo handray fanapahan-kevitra tsara eo amin’ny fiainan’izy ireo. Vakio ny 2 Nefia 1:24, ary tadiavo izany loharano izany.

Rehefa mamaky ny 2 Nefia 1:24–27 ianao dia tadiavo ny fomba namporisihan’i Lehia ny vahoakany mba hanaraka an’i Nefia. Eritrereto izay valinteny homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona avy ireo toetra nantitranterin’i Lehia fa hanampy anao hahatoky an’i Nefia amin’ny maha-mpitarika azy?

  • Nahoana no hahatoky mpitarika iray izay manana ireo toetra ireo ianao?

  • Ahoana no fomba hitanao fa nanehoan’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana amin’izao fotoana izao ireo toetra ireo?

Vakio ny 2 Nefia 1:28–32, ary asio marika ao anatin’ny soratra masinao ireo fampanantenana nomen’i Lehia an’ireo izay hanaraka ny fitarihan’i Nefia. Ireo fampanantenana ireo dia mampiseho fa rehefa manaraka ireo nantsoin’Andriamanitra mba hitarika antsika isika dia mahazo firoboroboana sy fiarovana ara-panahy. Saintsaino ny zavatra nampianarin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana vao haingana mikasika ny fomba ahafahan’ny fankatoavana torohevitra iray azo avy amin’ny fanentanam-panahy mitondra any amin’ny fahazoanao firoboroboana sy fiarovana ara-panahy.

Sary
Filoha Wilford Woodruff

Vakio ity fanambarana manaraka nolazain’ny Filoha Wilford Woodruff ity ary tsipiho ireo fampanantenana nataony raha toa ka manaraka ny torohevitr’ireo mpanompon’ny Tompo isika: “Manantena aho fa ho afaka ny hanaraka ny lalana napetrak’ireo mpanompon’ny Tompo ho antsika isika, satria raha manao izany isika dia fantatro fa ho voaro eto amin’ity izao tontolo izao ity ary hahazo fifaliana azo antoka sy fisandratana any amin’ilay tontolo ho avy. … Raha toa ka mahatoky isika dia hitarika antsika eo amin’ny lalan’ny fiainana izy ireo ary raha mbola manam-pinoana hino ny torolalany sy ny fampianaran’ny Fanahy Masina avy amin’ny alalan’izy ireo isika, dia ho eo amin’ny lalana azo antoka foana ary afaka mahatoky fa hahazo ny valisoantsika” (Teachings of Presidents of the Church: Wilford Woodruff [2004], 199).

  1. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha zava-dehibe ny fankatoavana ny didin’ny Tompo sy ny torohevitr’ireo mpanompony mandritra ny fiainanao.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 1 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: