Seminera
Almà


Fampahafantarana ny Almà

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Amin’ny alalan’ny fianarana ity bokin’i Almà ity, dia hianatra momba an’i Jesoa Kristy sy ny ilàna ny Sorompanavotany sy ny Fitsanganany tamin’ny maty ao anatin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any an-danitra ianao. Ianao koa dia hianatra momba ny herin’ny tenin’Andriamanitra mba handresena ny komiberaky ny mpisorona, ny fotopampianarana diso, ny fahotana, ny fankahalana, ary ny apôstazia eo am-pitarihana ny hafa hahazo fiovam-po mahery vaika ary ateraka indray. Hahazo hery ianao rehefa mamaky momba ny asa fitorian’ny zanakalahin’i Mosià sy ny fiovam-po ary ny fahatokian’ny vahoakan’i Amôna, na ireo Antia-Nefia-Lehia. Ankoatra izany, rehefa mamaky toko mitantara amin’ny antsipiriany ny ady teo anivon’ny Nefita sy ny Lamanita ianao, dia afaka hianatra fitsipika izay hitarika anao anatin’ny fotoan-tsarotra izay hiainanao, ary hanampy anao handresy amin’ireo adinao manokana amin’ny fahavalo.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nanangona sy namintina rakitsoratra avy tamin’ireo takelaka lehiben’i Nefia i Môrmôna handrafetana ny bokin’i Almà. Ilay boky dia mitondra ny anaran’i Almà; izay zanakalahin’i Almà, ary antsoina matetika hoeAlmà Zanany. Tamin’ny fotoana nametrahan’ny Mpanjaka Mosià ny fitondran’ny mpitsara teo anivon’ny Nefita, dia lasa lohan’ny mpitsara voalohany i Almà, sady nandimby ny rainy ihany koa tamin’ny naha mpisorona avo azy teo anatrehan’ny Fiangonana (jereo ny Mosià 29:42). Niala tamin’ny naha lohan’ny mpitsara azy izy taty aoriana mba hanokanany ny tenany “manontolo ho an’ny fisoronana avo” sy “hitory ny tenin’Andriamanitra tamin’ny vahoaka” manerana ny tanin’ny Nefita manontolo (Almà 4:20; 5:1). Nampiasa ny rakitsoratry ny asa fanompoan’i Almà i Môrmôna (Almà 1–44) sy ireo soratry ny zanany Helamàna (Almà 45–62) sy Siblôna (Almà 63) mba handrafetana ny bokin’i Almà.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ny rakitsoratra voalohany nampiasaina ho loharanon’ny bokin’i Almà dia mety ho nosoratana teo anelanelan’ny 91 talohan’i J.K. sy 52  talohan’i J.K. Namintina ireo rakitsoratra ireo i Môrmôna tokony ho teo anelanelan’ny 45 taorian’i J.K. sy 385 taorian’i J.K. Tsy nosoratan’i Môrmôna ny toerana nisy azy tamin’ny fotoana nanaovany ny famintinany.