Seminera
Fizarana 20: Andro 3, Almà 42


Fizarana 20: Andro 3

Almà 42

Fampidirana

Namarana ny toroheviny tamin’i Kôriantôna zanany izay sahiran-tsaina i Almà tamin’ny alalan’ny fanazavana fa nanome lalana iray ho an’ireo izay nanota mba hahazo famindrampo ny Ray any An-danitra. Nampianatra ny zanany lahy momba ireo sazy izay takian’ny lalàn’ny fahamarinana amin’ny fahotana izy. Nijoro ho vavolombelona izy avy eo fa “hanefa ny fitakian’ny fahamarinana” i Jesoa Kristy (Almà 42:15) amin’ny alalan’ny fijaliana ho an’ireo rehetra izay nanota ka vonona ny hibebaka. Manome famindrampo ho an’izay mibebaka ny Tompo.

Almà 42:1–14

Mampianatra an’i Kôriantôna momba ny lalàn’ny fahamarinana i Almà

Akimpio mandritra ny fotoana fohy ny masonao ary saintsaino ny zavatra mety hitranga rehefa tonga ny Fotoam-pitsarana Farany ho anao. Rehefa manao jery todika ny fiainanao ianao, tianao ho ara-drariny ve ny Fitsarana Farany? Nahoana no mety ho tianao ho ara-drariny ny fitsarana anao?

Saintsaino ary izao ny dikan’ny teny hoe: ara-drariny. Ny famaritana iray ny teny hoe: ara-drariny dia ahitana ny hoe fahazoana izay mendrika ho anao; ny hevitry ny hoe fanaovana ny rariny dia mifandray amin’ny teny ao amin’ny soratra masina hoe fahamarinana.

Sary
fandanjana
  1. Manaova sarin’ny fandanjana tsotra iray mitovy amin’ity aseho eto ity ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Dia soraty eo ambanin’ny sary nataonao avy eo ny teny hoe Fahamarinana. Mamelà toerana ao amin’ny diarinao hametrahana anarana hafa eo amin’ny sary nataonao rehefa manohy ny lesona ianao.

Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny hevitry ny hoe fahamarinana dia vakio izao fanazavana avy amin’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifo manaraka izao:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Manana heviny maro ny hoe Fahamarinana. Fandanjana ny iray. Tandindon’ny fahamarinana fanta-daza ny fandanjana. …

“… Ny hevitry ny fahamarinana amin’ny hoe ny zavatra mendrika ny olona iray no hevitra fototry ny soratra masina rehetra izay milaza fa tsaraina arakaraka ny asany ny olona” (“Sins, Crimes, and Atonement” [Lahateny natao tamin’ny mpampianatra ny filazantsara ao amin’ny DFF, 7 Feb 1992], 1).

Niahiahy momba ny fahamarinan’ny Fitsarana Farany i Kôriantôna zanakalahin’i Almà. Vakio ny Almà 42:1, ary asio marika ny zavatra noeritreretin’i Kôriantôna fa tsy ho rariny na tsy marina momba ny Fitsarana Farany.

Tadidio fa nahavita heloka isan-karazany i Kôriantôna ary goavana ny sasany tamin’izany (jereo ny Almà 39:2–3); noho izany dia mety naniry na nanantena i Kôriantôna fa tsy rariny ho an’ireo izay nanota ny ho voasazy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony heverinao fa hiahian’ireo izay tsy nibebaka tamin’ny fahotany momba ny fahazoana “izay mendrika ny olona iray” amin’ny fitsarana.

Miresaka momba ny ahiahin’i Kôriantôna i Almà ao amin’ny Almà 42:2–11 tamin’ny alalan’ny fanazavana fa nitondra ny fahafatesana ara-batana (fisarahan’ny vatana sy ny fanahy amin’ny andro hahafatesan’ny vatana) sy ny fahafatesana ara-panahy (fisarahana amin’Andriamanitra noho ny fahotana) ny Fahalavoan’i Adama. Nilaina noho izany ny nanorina drafitra hanavotana ny olombelona eo amin’ny toetry ny fahalavoany. Raha tsy izany dia nijanona tamin’ny toetra feno fahotana sy fadiranovana mandrakizay ny olombelona rehetra araka ny fitakian’ny fahamarinana.

Vakio ny Almà 42:12, ary fantaro izay nahatonga ny olombelona hiditra tamin’izany toetry ny fahalavoany izany. Vakio izao ny Almà 42:14, ary asongadino ny vokatry ny tsy fankatoavana izay takian’ny fahamarinana. Soraty eo amin’ilay sarin’ny fandanjana nataonao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hoe: Fandikana—tsy fankatoavana na fahotana eo ambanin’ny fandanjana havia ary Sazy—alàna eo anatrehan’Andriamanitra eo ambanin’ny fandanjana havanana.

  1. Vakio ny Almà 42:18. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe “fanenenan’ny fieritreretana” (Almà 42:18)?

    2. Inona no mety hitarihan’ny fanenenan’ny fieritreretana antsika mba hataontsika?

Avy amin’ny zavatra nampianarin’i Almà, inona no takian’ny lalàn’ny fahamarinana rehefa tsy mankatò ny olona iray? (Mitaky ny fahatsapantsika fanenenana sy ny fialàna eo anatrehan’Andriamanitra ny lalàn’ny fahamarinana noho ny tsy fankatoavantsika.) Saintsaino vetivety ny fotoana iray izay nahatsapanao fanenenana na alahelo na fialàn’ny Fanahy Masina noho ny zavatra ratsy vitanao. Alaivo sary an-tsaina izany fahatsapana izany hoe nitombo tamin’ny alalan’ny zavatra ratsy rehetra nataonao, dia alaivo sary an-tsaina avy eo izany fahatsapana izany hoe miaraka aminao mandrakizay.

Raha araka ny zavatra nampianarin’i Almà, moa tianao hifototra amin’ny fahamarinana fotsiny ihany ve ny Fitsarana Farany? Tianao hahazo izay “mendrika” ho anao amin’ireo zavatra ratsy nataonao ve ianao?

Almà 42:15–31

Mampianatra an’i Kôriantôna mikasika ny drafitry ny famindrampo i Almà

Anisan’ny toetra masin’Andriamanitra ny hoe marina Izy. Manameloka ny tsirairay amin’ny zanaky ny Ray any An-danitra ireo fitakian’ny fahamarinana ary tsy hamela antsika hitoetra miaraka Aminy ao amin’ny toetrantsika feno fahotana. Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao: Misy fomba hamafana na hanadinoana ireny fitakian’ny fahamarinana ireny ve?

Betsaka ireo olona mety hamaly izany fahotana izany amin’ny filazana fa raha mibebaka isika dia tsy voatery hijaly amin’ireo vokatry ny fahotantsika. Na dia marina tanteraka aza ity valinteny ity dia zava-dehibe ny mahatakatra fa tsy rariny ny mamafa na mamela ireny vokatra ireny satria tsy voaefa ny fitakian’ny fahamarinana. Nampianatra i Almà fa tsy mety velively ny fanaisorana ny sazy kanefa tsy manefa ireo fitakian’ny fahamarinana. Vakio ny Almà 42:25, ary tadiavo izay mety hiseho raha toa ka manaisotra tsotra izao ireo vokatry ny fahotana ary mamela ny fahamarinana ho tsy voaefa Andriamanitra.

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao alohan’ny hamakianao ny Almà 42:15 mba hahitana ny valiny: Raha toa ka tsy azo esorina ny fanasaziana noho ny fahotantsika, ahoana no hananantsika fiadanan’ny fieritreretana sy haverina amin’ny laoniny eo anatrehan’Andriamanitra?

Mety hanampy ny mahatakatra fa midika hoe manefa na manonitra ireo fanasaziana takian’ny fahamarinana ny fehezanteny hoe “manefa ny fitakian’ny fahamarinana.”

Mianatra isika ao amin’ny Almà 42:15 fa: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia nanefa ny fitakian’ny fahamarinana mba hahafahana manolotra famindrampo amin’izay mibebaka. Fenoy ilay sarin’ny fandanjana nataonao tao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny alalan’ny fanoratana hoe Voaefa tamin’ny alalan’ny famindrampo—ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristyeo ambanin’ilay andianteny hoe “Sazy …”

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana ianao, izay miady mafy eo ambanin’ny zioga vokatry ny fahotany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanazavanao amin’ny namanao ny fomba anomezan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy famindrampo ho an’ny tsirairay amintsika.

Saintsaino hoe midika inona aminao ny fahalalana fa niaritra an-tsitrapo ireo sazy takian’ny fahamarinana teo amin’ny toeranao ny Mpamonjy mba hahafahanao mahazo famindrampo?

Vakio ny Almà 42:22–24, ary asio marika izay takian’i Jesoa Kristy mba hanomezana antsika famindrampo. Midika hoe tena mibebaka ilay andianteny hoe “mivalo marina” ao amin’ny andininy 24. Fenoy avy amin’ny zavatra novakianao ity fitsipika manaraka ity: Raha mibebaka isika dia handray amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ i Jesoa Kristy.

Niantso an’i Jesoa Kristy hoe mpanalalana ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Olona iray izay mijoro eo anelanelan’ny andaniny roa hanampiana azy ireo hamaha disadisa ny mpanalalana. Eo am-pamakianao ny teniny dia tadiavo ny halehiben’ny ilana ny Mpamonjy ahazoana famindrampo atolotra ny mpanota:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Noho ny lalàna mandrakizay dia tsy azo omena ny famindrampo raha tsy hoe misy olona iray izay sady vonona no afaka ny hanonitra ny trosantsika sy handoa ny sarany ary handamina ireo fepetra takiana ho an’ny fanavotana antsika.

“Raha tsy misy ny mpanalalana, raha tsy misy ny namana iray, dia hihatra tanteraka amintsika tsy misy fanamaivanana ny fepetra takian’ny fahamarinana. Ny fanonerana feno ireo fandikan-dalantsika rehetra, na kely izany na be, dia ho tò amintsika tanteraka.

“Kanefa fantaro izao: Ny fahamarinana, ny fahamarinana be voninahitra dia manambara fa misy ny Mpanalalana. …

“Amin’ny alalany dia azo omena antsika tsirairay tanteraka ny famindrampony kanefa tsy mandika ny lalàna mandrakizain’ny fahamarinana izany. …

“Tsy mandeha ho azy anefa ny fanomezana ny famindrampo. Amin’ny alalan’ny fanekempihavanana atao Aminy no hahatanteraka izany. Hatao amin’ny alalan’ny fepetra takiany izany, ireo fepetra takiany feno falalahan-tanana” (“The Mediator,” Ensign, mey 1977, 55–56).

Sary
Ô ry Raiko!

Rehefa namarana ny firesahany niaraka tamin’i Kôriantôna i Alma dia namintina ny zavatra rehetra noezahiny nampianarina ny zanany lahy. Vakio ny Almà 42:26–31, ary asio marika ny zavatra nirian’i Almà ho an’i Kôriantôna rehefa nahatakatra ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianariny azy tao anatin’ity toko izy. Jereo ny fanirian’i Almà ho an’ny Kôriantôna tsy hanadio tena amin’ny fahotany, fa hamela kosa ireo fotopampianarana sy fitsipika mifandray amin’ny fahamarinana, ny famindrampo, ary ny Sorompanavotana “hahazo vahana ao am-po[ny] (Almà 42:30). Ahoana no ahafahanao mamela ireo fotopampianarana sy fitsipika ireo hahazo vahana ao am-ponao?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao mikasika ity fanontaniana manaraka ity: Raha toa ka azonao atao ny maneho fankasitrahana mivantana amin’ny Mpamonjy noho ny fahafoizan-tenany ho anao, inona no holazainao Aminy?

Zava-dehibe ny mahafantatra fa nibebaka ary nanana fiantraikany lehibe teo amin’ny fitomboan’ny Fiangonana i Kôriantôna (jereo ny Almà 49:30).

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 42 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: