Seminera
Fizarana 31: Andro 1, Etera 13–15


Fizarana 31: Andro 1

Etera 13–15

Fampidirana

Naminany ny amin’i Jerosalema Vaovao ny mpaminany Etera. Nampitandrina an’i Kôriantomira, mpanjaka Jaredita iray izy, fa haringana ny vahoakany noho ny faharatsiana, ary nananatra an’i Kôriantomira sy ny ankohonany mba hibebaka izy. Rehefa nandà ny hibebaka i Kôriantomira dia nirongatra nandritra ny taona maro ny ady sy ny faharatsiana ambara-paharingana ny firenena Jaredita manontolo. I Etera sy Kôriantomira no hany sisa velona ho vavolombelon’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Etera.

Sary
adin’ny Jaredita

Etera13:1–12

Noraketin’i Môrônia ireo faminanian’i Etera ny amin’i Jerosalema Vaovao sy Jerosalema Fahiny

Mieritrereta tanàna vitsivitsy amin’izao fotoana izao izay manana anarana hafa maneho toe-javatra mampiavaka an’ilay tanàna. Ohatra, i Parisy, Frantsa dia fantatra ihany koa amin’ny hoe ilay Tanànan’ny Hazavana. Hanombohana izany dia andeha hojerena raha toa ka afaka mampifandray ireo tanàna eto ambany amin’ny anarany marina hafa ianao (ny valinteny dia omena any amin’ny faran’ny lesona).

Le Caire, Egypta

Ilay Tanàna Mandrivotra

Manille, Filipina

Ilay Tanànan’ny Tilikambon’ny Mosquée anarivony

Chicago, Etazonia

Ilay Tanàna Mandrakizay

Mexico City, Meksika

Ilay Voahangin’ny Atsinanana

Rome, Italia

Ilay Tanànan’ny Rova

Misarika ny saina amin’ny tanàna roa lehibe amin’ny andro farany ny lesona anio: (1) Jerosalema sy (2) ilay Jerosalema Vaovao. Amin’ny andro farany dia hanjary ho fantatra noho ny fahamarinany ireo tanàna roa ireo. Nampianatra ny Jaredita i Etera fa ilay tany izay nipetrahan’izy ireo no toerana ho an’ny tanàna ho avy iray izay antsoina hoe Jerosalema Vaovao.

Vakio ny Etera 13:2–8. Nambaran’ny Tompo tamin’ny Mpaminany Joseph Smith fa ilay Jerosalema vaovao hita ao amin’ny Etera 13:6 dia haorina ao Jackson County, Missouri, Etazonia (jereo ny F&F 57:1–4; 84:1–4). Inona no nolazain’i Etera momba ireo tanàna ireo ao amin’ny Etera 13:3, 5? Saintsaino hoe mety hanao ahoana izany raha toa ka hipetraka ao amin’izany tanàna ianao. Halalino ny Etera 13:10–11 mba hianarana izay tsy maintsy hiainan’ny olona iray mba hahazoany mipetraka ao amin’ireo tanàna masin’i Jerosalema Vaovao sy Jerosalema Fahiny (izay hanjary ho masina rehefa averina aorina indray ho an’ny Tompo; jereo ny Etera 13:5).

Anarana iray hafa ho an’i Jerosalema Vaovao ny hoe Ziona (jereo ny Mosesy 7:62; Fanekem-pinoana 1:10). Na dia tsy mipetraka ao Jerosalema na ao amin’ilay Jerosalema Vaovao aza isika dia afaka mikatsaka ny hanorina an’i Ziona avokoa ny mpikamban’ny Fiangonana rehetra. Afaka miomana ny hitoetra ao amin’ny toerana masina isika, anisan’izany ny fanjakana selestialin’Andriamanitra, rehefa tonga madio amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Etera 13:13–15:34

Nanda an’i Etera ny Jaredita ary nanohy niaina tao anatin’ny faharatsiana sy ady mandra-paharingana azy ireo

Vakio ny Etera 13:13–19 ary tadiavo ireo toetoetry ny fiaraha-monina Jaredita tamin’ny andron’i Etera. Halalino ny Etera 13:20–22 mba hahitana ny hafatr’i Etera ho an’i Kôriantomira sy ny fihetsika nasehon’i Kôriantomira sy ny vahoakany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana avy no nahitanao olona amin’izao androntsika izao manamafy ny fon’izy ireo sy manda ny mpanompon’ny Tompo?

    2. Inona no hataonao mba hitazonana ny tenanao ho mafy orina ao amin’ny finoana sy hihaino ny tenin’ireo mpaminany?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 13:23–14:20 dia nifanandrina tamin’ny lehilahy maro izay niezaka ny haka ny fanjakana taminy i Kôriantomira, anisan’izany i Sarèda sy Gileada ary Liba. Taty aoriana dia tafaroboka tao anatin’ny ady ny firenena Jaredita iray manontolo. Lehilahy iray nantsoina hoe Siza no fahavalo farany nananan’i Kôriantomira. Ny haben’ny faharavana teo anivon’ny Jaredita noho ireo ady ireo dia hita amin’ny antsipiriany ao amin’ny Etera 14:21–25 sy Etera 15:1–2.

Vakio ny Etera 15:3–6 mba hahitana izay nezahin’i Kôriantomira natao mba hiarovana ny sisa tavela tamin’ny vahoaka tamin’ny faharavana. Eritrereto ny antony nandavan’i Siza ny fangatahin’i Kôriantomira sy ny antony tsy naneken’ny vahoaka avy tamin’ny tafika roa tonta ny hilavo lefona ho resy (jereo ihany koa ny Etera 14:24).

Vakio ny Etera 15:12–17 ary tadiavo ireo antsipiriany mikasika ny toe-javatra nisy teo amin’ny Jaredita. Inona no hitanao fa zava-doza sy mampalahelo momba ny toe-javatra niainan’izy ireo? Tadidio fa nandany taona maro nampitandremana ny vahoaka mba hibebaka i Etera (jereo ny Etera 12:2–3; 13:20). Vakio ny Etera 15:18–19 ary fantaro ireo vokan’ny fandavana ny fampitandreman’ny Tompo mba hibebaka. Fenoy araka izay zavatra novakianao ity fanambarana ity: Rehefa mandà ireo fampitandreman’ny Tompo mba hibebaka isika dia .

Eo amin’ilay toerana malalaka etsy ambony dia mety ho nanoratra fitsipika iray toy izao manaraka izao ianao: Rehefa mandà ireo fampitandreman’ny Tompo mba hibebaka isika dia miala amintsika ny Fanahy ary mahazo vahana eo amin’ny fontsika i Satana.

  1. Raha mampiasa ny Etera 15:19 sy ilay fitsipika izay ianarantsika avy amin’izany dia hazavao hoe nahoana no diso ny iray na maromaro amin’ireto fomba fihevitra manaraka ireto izay mety omen’ny olona iray momba ny fandavana ny hibebaka:

    1. Fantatro fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipiky ny Fiangonana ireo sarimihetsika jereko, kanefa toa tsy misy fiantraikany eo amiko izy ireny.

    2. Tsy dia ratsy loatra ny fisotroana toaka miaraka amin’ny namako. Manala azy fotsiny izahay.

    3. Pôrnôgrafia kely fotsiny izany. Tsy hoe mivoaboaka aho dia manao fitondran-tena ratsy. Ankoatra izany dia afaka mijanona amin’ny fotoana rehetra hitiavako izany aho.

    4. Tsy voatery mibebaka izao ankehitriny izao aho. Afaka miandry mandra-pandehanako manao asa fitoriana izany na rehefa hanambady any amin’ny tempoly aho.

Ny Etera 15:20–32 dia milaza ny nifanandrinan’ny tafika roan’ny Jaredita mandra-pahafatinizy rehetra afa-tsy ireo mpitarika azy ireo dia i Kôriantomira sy i Siza. Dia novonoin’i Kôriantomira i Siza avy eo.

Ny tantaran’ny Jaredita dia mitondra ohatra velona ny amin’ny zavatra mitranga amin’ny vahoaka iray rehefa miara-manda ny ezaka miverimberina ataon’Andriamanitra mba handresena lahatra azy ireo hibebaka. Na dia tsy miatrika faharavana ara-batana eo no eo amin’ny fandavana ny hibebaka aza isika dia hiaina fahatsapana fahamelohana raha toa ka mandà ny fampitandreman’ny Tompo mba hibebaka.

Sary
lehilahy maty eo amin’ny sahan’ny ady
Sary
Loholona Neil L. Andersen

Saintsaino lalina ity fanambarana avy amin’ny Loholona Neil L. Andersen avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manaraka ity: “Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Mpamonjy dia afaka sy maniry ny hamela ny fahotantsika. Ankoatra ireo olom-bitsy izay misafidy ny fahaverezana rehefa avy nahafantatra ny fahafenoana dia tsy misy fahotana tsy azo avela izany. Tena tombontsoa lehibe ho antsika tsirairay ny miala amin’ny fahotantsika ary dia manatona an’i Kristy. Ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra no anisan’ireo voka-tsoa mamy indrindra avy amin’ny filazantsara izay manala ny fahatsapana ho meloka sy manolo izany ho fifaliana sy fiadanan-tsaina” (“Mibebaha … Mba Hanasitranako Anareo,” Ensign na Liahona, nôv. 2009, 40–41).

Fakafakao izay zavatra ataonao ka mety hanelingelina ny fitaoman’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainanao. Saintsaino ny fomba ampiasanao ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanaovana ireo fanovana ilaina izay hanampy anao hahazo ny Fanahy sy handresy ny herin’i Satana.

Mianatra isika avy ao amin’ny Etera 13–15 fa ny hatezerana sy ny valifaty dia mitarika antsika mba hanao safidy izay hanimba ny tenantsika sy ny hafa. Vakio na avereno vakiana ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto, ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampianatra ity fahamarinana ity: Etera 13:27; 14:24; 15:6, 22, 28.

Saintsaino hoe inona avy ireo vokatra ateraky ny hatezerana tsy voafehy eo amin’ny fianakaviana iray na eo amin’ireo fifandraisana hafa. Mieritrereta toe-javatra iray eo amin’ny fiainanao izay mety tsy tokony hanomezana toerana ireo fahatsapana hatezerana na valifaty.

Eo am-pamakianao ity fanambarana manaraka nataon’ny Loholona Davidi E. Sorensen, mpikambana teo aloha tao amin’ny Fitopololahy ity dia tadiavo ny fomba ahafahanao mandresy ireo fahatsapana hatezerana na ny faniriana hikatsaka valifaty: “Rehefa misy olona nandratra antsika na ireo izay tiantsika dia mila tsy ho zaka izany fanaintainana izany. Mety ho tsapa toa ilay fanaintainana na ilay tsy fahamarinana no zava-dehibe indrindra eto amin’izao tontolo izao ary tsy manana safidy hafa afa-tsy ny fikatsahana valifaty isika. Kanefa mampianatra antsika fomba tsara kokoa i Kristy, ilay Mpanjakan’ny Fiadanana. Mety ho sarotra tokoa ny mamela heloka ny olona iray noho ny ratra nataony tamintsika, kanefa rehefa manao izany isika dia manokatra ny tenantsika ho amin’ny hoavy tsaratsara kokoa. Tsy manakantsakana ny lalantsika intsony ny zavatra ratsy ataon’ny olona iray. Rehefa mamela ny hafa isika dia manafaka antsika mba hisafidy ny fomba hiainantsika ny fiainantsika manokana izany. Ny famelan-keloka dia midika fa ireo olan’ny lasa dia tsy mamaritra ny hoavintsika intsony, ary afaka mifantoka amin’ny hoavy miaraka amin’ny fitiavan’Andriamanitra ao am-pontsika isika.” (“Forgiveness Will Change Bitterness to Love,” Ensign na Liahona, mey 2003, 12).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Oviana no niainanao na niainan’ny olona fantatrao iray fanasitranana sy fanafahana taorian’ny fisafidianana ny hamela heloka?

Afaka mandresy izay mety ho fahatsapana hatezerana na faniriana hanao valifaty ianao rehefa mitodika amin’i Jesoa Kristy sy mandray ny herin’ny famelan-keloka ary filaminana amin’ny alalan’ny Sorompanavotany. Tsarovy ny mitodika any amin’ny Tompo mba hangataka izay fanampiana mety ilainao amin’ireo toe-javatra ireo.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 13–15 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy:

  • Valin’ny asa fampifandraisana tany amin’ny fiandohan’ny lesona: Le Caire, Egypta (Ilay Tanànan’ny Tilikambon’ny Mosquée anarivony); Manille, Filipina (Ilay Voahangin’ny Atsinanana); Chicago, Etazonia (Ilay Tanàna Mandrivotra be); Mexico City, Meksika (Ilay Tanànan’ny Lapa); Rome, Italia (Ilay Tanàna Mandrakizay).