Seminera
Fizarana 3: Andro 1, 1 Nefia 7


Fizarana 3: Andro 1

1 Nefia 7

Fampidirana

Ny fanokanan-tena tanteraka nataon’i Nefia tamin’ny Tompo dia aseho ao amin’ny 1 Nefia 7. Nankatoavin’izy sy ireo rahalahiny ny didin’ny Tompo hoe hiverina any Jerosalema sy haka an’i Ismaela sy ny fianakaviany miaraka amin’izy ireo ho any an-tany foana. Teny an-dalana hiverina ho any an-tany foana, dia nikomy tamin’i Nefia i Lamana sy i Lemoela ary ny sasany tamin’ny fianakavian’i Ismaela, ary naniry hiverina ho any Jerosalema. Rehefa namatotra sy nikasa hamono an’i Nefia izy ireo dia, dia nivavaka tamim-pinoana i Nefia, ary nahafahan’ny Tompo, ary namela tamin-kitsimpo ny helok’ireo izay nampijaly azy. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia diniho ny fomba hiatrehanao am-pinoana ireo didy sy ireo fijaliana tahaka an’i Nefia.

1 Nefia 7:1–5

Nodidian’ny Tompo ny zanakalahin’i Lehia hiverina any Jerosalema ho an’i Ismaela sy ny fianakaviany

Eritrereto ny fianakavianao, dia diniho hoe nahoana no manan-danja eo amin’ny drafitr’Andriamanitra ny fianakaviana.

Vakio ny 1 Nefia 7:1–2, ary tadiavo hoe inona no nandidian’ny Tompo an’i Lehia ho ataon’ireo zanany lahy, sy ny hoe nahoana no tiany hanao izany izy ireo. (Mety hanampy ny mahafantatra fa ny teny hoe taranaka ao amin’ny 1 Nefia 7:1 dia milaza momba ny zanaka sy ny taranaka.)

Iray amin’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy ao amin’ireo andininy ireo ny hoe ny Tompo dia mandidy antsika hanambady sy hitaiza zanaka mba ho Azy. Rehefa manohy ny fandalinana ny 1 Nefia 7 ianao dia manontania tena hoe nahoana no zava-dehibe ny fanambadiana sy ny fianakaviana ka nahatonga ny Tompo handidy an’i Nefia sy ny rahalahiny hiharitra ireo andro maromaro nanaovana dia sarotra namakivakiana ny tany foana niverenana nankany Jerosalema.

Vakio ity fanambarana ity izay nosintonina tao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo izao,” ary jereo hoe inona no nambaran’ireo mpaminany amin’izao vaninandro izao mikasika ny maha zava-dehibe ny fanambadiana: “Izahay Fiadidiana Voalohany sy ny Filankevitry ny Apôstôly Roambinifolo ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, dia manambara amim-boninahitra fa ny fanambadiana eo amin’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray dia tendrin’Andriamanitra ary ny fianakaviana dia fototry ny drafitry ny Mpahary ho an’ny anjara mandrakizain’ny zanany.” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

Azonao atao anaty faribolana ireo teny hoe “ho an’ny Tompo” ao amin’ny 1 Nefia 7:1. Eritrereto hoe inona no dikan’io teny io amin’izao androntsika izao.

Mitadiava hevi-baovao fanampiny mikasika ny fitaizana zanaka ho an’ny Tompo rehefa mamaky ity fampianarana avy ao amin’ny “Ny Fianakaviana: Fnambarana ho an’Izao Tontolo Izao” ity ianao:

“Ambaranay fa ny didin’Andriamanitra ho an’ny zanany mba hitombo ka hameno ny tany dia mbola manankery. …

“… Manana andraikitra masina ny ray aman-dreny ny hitaiza ireo zanany amim-pitiavana sy amim-pahamarinana, ny hanome izay filàna ara-batana sy ara-panahin’izy ireo, ary ny hampianatra azy mba hifankatia sy hifanompo, sy hitandrina ny didin’Andriamanitra ary ho olom-pirenena vanona na aiza na aiza hitoerany. Ny mpivady—ireo reny sy ireo ray—dia raisina ho tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra amin’ny fanatanterahana izany adidy izany.” (Ensign na Liahona, nôv. 2010, 129).

Sary
Ny fianakavian’i Ismaela

Ny resaka nataon’i Nefia sy ny rahalahiny tamin’ny fianakavian’i Ismaela

Vakio ny 1 Nefia 7:3–5 mba hahitana ny fomba nanampian’ny Tompo ny zanakalahin’i Lehia hanatanteraka ny Didiny. Ahoana no fomba nanampian’ny Tompo an’i Ismaela sy ny fianakaviany hanaiky ny fanasana azy ireo hanaraka ny fianakavian’i Lehia ho any an-tany foana?

  1. Iangavio ny ray aman-dreninao, na ny mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana, na ny mpampianatra iray mba hanolotra fomba telo ahafahan’ny tanora ankehitriny hiomana amin’ny fanambadiana sy fitaizana zanaka “ho an’ny Tompo.” Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny torohevitr’izy ireo.

1 Nefia 7:6–15

Nanandrana nandresy lahatra an’ireo rahalahiny i Nefia mba hanohy ny dian’izy ireo ho any an-tany foana

Vakio ny 1 Nefia 7:6–7, ary tadiavo ny antony nahatonga an’i Lamana sy i Lemoela ary ny sasany tamin’ireo fianakavian’i Ismaela hikomy nandritra ny dian’izy ireo tany an-tany foana. Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany hoe tahaka an’i Nefia amin’ity toe-javatra ity. Eritrereto izay mety ho nolazainao tamin’i Lamana sy i Lemoela ary ny fianakavian’i Ismaela mba hiezahana handresen-dahatra azy ireo hanohy ny diany ho any amin’ny tany nampanantenaina.

Vakio ny 1 Nefia 7:8–12, ary tadiavo ireo fanontaniana izay napetrak’i Nefia tamin’ireo rahalahiny mba hiezahana handresy lahatra azy ireo tsy hiverina any Jerosalema. Inona no fahamarinana telo nolazain’i Nefia fa adinon’ireo rahalahiny?

Valio ao antin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity:

  1. Ahoana no fomba nanampian’ny fahatsiarovana ireo fahamarinana telo ireo an’i Lamana sy i Lemoela mba ho lasa mahatoky ny Tompo?

  2. Mitanisà fitahiana 4–5 izay noraisinao avy tamin’ny Tompo. Ahoana no ahafahan’ ny fitadidiana ny zavatra izay nataon’ny Tompo taminao hanampy anao ho mahatoky amin’ny fisafidianana ny hanaraka Azy?

Vakio ny 1 Nefia 7:13–15, ary jereo hoe inona no nolazain’i Nefia fa hitranga amin’i Lamana sy i Lemoela ary ireo izay nikomy tao amin’ny fianakavian’i Ismaela raha toa izy ireo ka miverina any Jerosalema.

  1. Manorata andinin-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny antony maha zava-dehibe ny fahatsiarovana ny zavatra nataon’ny Tompo ho anao sy ny fanarahana ny fitarihany.

1 Nefia 7:16–22

Nafahan’ny Tompo i Nefia

Tohizo hatrany ny fakana sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany mipetraka eo amin’ny toeran’i Nefia izany rehefa mamaky ny 1 Nefia 7:16 ianao. Inona no ho ataonao?

Nivavaka i Nefia. Vakio ny vavaka nataony ao amin’ny 1 Nefia 7:17–18, ary jereo hoe inona no nangatahan’i Nefia tamim-bavaka.

Mariho fa i Nefia dia nangataka mba ho ahafahana “araka ny finoa[ny].” Iray amin’ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo dia ny hoe mamaly ny vavaka ataontsika Andriamanitra araka ny finoantsika. Ny dikan’ny hoe mivavaka amim-pinoana dia hoe mivavaka omban’ny fahatokiana ny Tompo, ary mivonona mandrakariva hanao asa.

Alalalino ity teny ity, izay nataon’ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo mikasika ilay vavaka nataon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 7:17 sy ny hery ahafahan’ny Sorompanavotana manova ny fontsika. Tsipiho ireo teny rehetra izay manampy anao hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fahavononana hanao zavatra rehefa mivavaka isika.

Sary
Loholona David A. Bednar

“Moa ve fantatrao hoe inona no mety ho nangatahako tao anatin’ny vavaka raha toa ka nofatoran’ireo rahalahiko aho? Ny tonom-bavaka ho nataoko dia mety ho nisy fangatahana zavatra ratsy mba hitranga amin’ireo rahalahiko, ary nifarana tamin’ny teny hoe ‘afaho eo an-tanan’ireo rahalahiko aho’ na koa amin’ny teny hafa hoe: ‘Miangavy aho mba hafaho amin’ity zava-doza ity, izao ankehitriny izao!’ Tena mahaliana ahy manokana fa i Nefia dia tsy nanao vavaka tahaka izay mety ho nataoko dia ny mba hanovana ny toe-javatra nisy azy. Nivavaka kosa izy mba hahazo hery hanovana ilay toe-javatra nisy azy. Ary mamelà ahy handroso hoe nivavaka tamin’io fomba io izy dia satria fantany sy takany ary efa niainany ilay hery manafaka ao amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. …

“Ry rahalahy sy anabavy isany, tena mivantana ny fampiharana an’io tantara io ho antsika tsirairay. Rehefa mahatakatra sy mampiasa ilay hery manafakin’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika manokana izaho sy ianao dia hivavaka sy hikatsaka hery hanovana ireo toe-javatra misy antsika toy izay hivavaka mba hiovan’ny toe-javatra misy antsika. Ho tonga olona izay ‘mihetsika’ isika fa tsy ho toy ny zavatra izay ‘hetsehina’ (2 Nefia 2:14)” (“‘In the Strength of the Lord’ (Ny Tenin’i Môrmôna 1:14; Môsià 9:17; Môsià 10:10; Almà 20:4),” ao amin’ny Brigham Young University 2001–2002 Speeches [2002], 124).

  1. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Oviana teo amin’ny fiainanao ianao no nivavaka tamim-pinoana ka nahafantatra ny valim-bavaky ny Tompo?

    2. Ahoana no fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Nefia, mba hivavahana sy hikatsahana ny hery hanovana ny toe-javatra misy anao fa tsy hoe mivavaka mba hiova ny toe-javatra misy anao?

Taorian’ny nanafahana an’i Nefia tamin’ny fatotra, dia mbola nitady hamely azy ihany ireo rahalahiny. Vakio ny 1 Nefia 7:19–21, ary jereo hoe inona no manaitra anao mikasika ny fihetsik’i Nefia. Mieritrereta toe-javatra iray eo amin’ny fianakavianao manokana izay nilana famelan-keloka. Diniho hoe nahoana no zava-dehibe tokoa ho an’ny fianakaviana ny fahavononana hifamela heloka.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 1 Nefia 7 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: