Seminera
Fizarana 29: Andro 1, Môrmôna 8:12–41


Fizarana 29: Andro 1

Môrmôna 8:12–41

Fampidirana

Naminany ny amin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna sy nampitandrina ireo izay hanameloka izany i Môrônia taorian’ny nanoratany mikasika ny faharinganan’ny vahoakany sy ny fahafatesan’ny rainy. Hitan’i Môrônia fa ilay rakitsoratry ny Nefita dia hivoaka amin’ny andro iray andron’ny faharatsiana lehibe, rehefa ho tia ny harena araka izao tontolo izao noho Andriamanitra ny maro. Nijoro ho vavolombelona izy fa ny Bokin’i Môrmôna dia “hisy vidiny lehibe” (Môrmôna 8:14) mandritra ireo toe-javatra iainana ara-panahy mampidi-doza amin’ny andro farany.

Môrmôna 8:12–32

Naminany ny amin’ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia

Soraty ireo zavatra heverinao fa fanomezana lehibe indrindra nomena anao:

Makà fotoana kely hieritreretana mikasika ny antony maha-fitahiana ho anao an’ireo fanomezana ireo.

Vakio ity teny izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson manaraka ity: “Te hiresaka mikasika ny iray amin’ireo fanomezana manan-danja indrindra nomena izao tontolo izao amin’ny fotoana maoderina aho. Ilay fanomezana eritreretiko eto dia manan-danja kokoa noho ireo famoronana izay nateraky ny fandrosoana teo amin’ny lafin’ny indostria sy ny teknôlôjia. Izany dia fanomezana manana lanja lehibe kokoa ho an’ny zanak’olombelona, eny, mihoatra noho ireo fandrosoana mahafinaritra hitantsika eo amin’ny fomba fitsaboana maoderina mihitsy aza. Izany dia sarobidy kokoa ho an’ny zanak’olombelona mihoatra noho ireo fivoarana eo amin’ny fiaramanidina na ny fandehanana eny ambony tsy taka-maso eny. Izaho dia miresaka ilay fanomezana dia .”

Inona araka ny eritreritrao no mety ho ilay fanomezana resahan’ny Filoha Benson?

Nampianatra mikasika ity fanomezana ity i Môrônia ao amin’ny Môrmôna 8. Vakio ny Môrmôna 8:12–14 ahafantarana hoe inona ilay fanomezana. Milaza ny Bokin’i Môrmôna ilay andian-teny hoe “ity rakitsoratra ity.” Ny Bokin’i Môrmôna no ilay fanomezana noresahin’ny Filoha Benson (jereo ny “The Book of Mormon—Keystone of our Religion,” Ensign, nôv. 1986, 4). Soraty hoe ny Bokin’i Môrmôna eo amin’ilay banga eo amin’ny faran’ny tenin’ny Filoha Benson.

Sary
takelaka volamena

Avereno jerena ny Môrmôna 8:12–14 ahafantarana ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna. Inona no nampianariny mikasika ny vidin’ireo takelaka? Nanazava i Môrônia fa raha toa ka tsy navelan’ny Tompo ampiasaina amin’ny tombontsoa ara-bola ireo takelaka dia manan-danja kosa anefa ny soratra eo ambonin’izany.

Afaka manampy antsika ahatakatra ny maha-zava-dehibe ity boky ity ny fomba nivoahan’ny Bokin’i Môrmôna. Vakio ny Môrmôna 8:15–16, ary fantaro ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fomba hivoahan’ny Bokin’i Môrmôna.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe tsy havoaka ny Bokin’i Môrmôna raha tsy amin’ny alalan’ny olona iray izay manana “maso tsy mibanjina afa-tsy ny voninahitr’[Andriamanitra]”? Môrmôna 8:15).

    2. Midika inona aminao ny hoe ny Bokin’i Môrmôna dia havoaka “[amin’ny alalan’ny] herin’Andriamanitra”? (Môrmôna 8:16). Inona no tsapanao mikasika ny Bokin’i Môrmôna rehefa mamaky ny tenin’i Môrônia ao amin’ny Môrmôna 8:16 ianao?

Nampitandrina ireo izay hanameloka na hanohitra ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia. Tadiavo ireo fampitandremany eo am-pamakianao ny Môrmôna 8:17–22. Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahafantatra fa “hizotra hatrany ny fikasana mandrakizain’ ny Tompo, mandra-pahatanteraky ny fampanantenany rehetra”? Môrmôna 8:22).

Nanazava i Môrônia fa nanao fanekempihavanana tamin’ireo “olomasina … izay efa lasana talohako” ny Tompo (Môrmôna 8:23)—anisan’izany ireo mpaminany toa an’i Nefia, Jakôba, Enôsa, ary i Almà. Nanao fanekempihavanana ny Tompo fa hamoaka ny tenin’ireo mpaminany ireo Izy amin’ny andro farany. Eo am-pandalinanao ny Môrmôna 8:23–25 dia fantaro hoe nivavaka ho an’iza ireo mpaminany ireo.

Nivavaka ho an’ “ny rahalahiny” ireo mpaminany ireo (Môrmôna 8:24), ny Lamanita sy ny taranak’izy ireo no tiana holazaina. Nivavaka ho an’ilay olona izay “hamoaka ireto zavatra ireto” amin’ny andro farany ihany koa izy ireo (Môrmôna 8:25; jereo koa ny Môrmôna 8:16), ny Mpaminany Joseph Smith no tiana holazaina, izay voafidy hamoaka ny Bokin’i Môrmôna ho eo amin’izao tontolo izao amin’izao andro farany izao (jereo ny F&F 3:5–10). Maro tamin’ireo mpaminany taloha no nahafantatra ny amin’i Joseph Smith sy nivavaka ho an’ny fahombiazany mba handika sy hamoaka ny Bokin’i Môrmôna, ka manatanteraka ireo tanjon’Andriamanitra (jereo ny Môrmôna 8:22, 24–25; F&F 10:46).

Niresaka ny amin’ny anjara asa izay notanan’i Joseph Smith tamin’ny famoahana ny Bokin’i Môrmôna ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Ny filazana fa namokatra ny [Bokin’i Môrmôna] tsy nisy fanampiana sy tsy nisy fitaomam-panahy i [Joseph Smith] dia mampihomehy.

“Ny marina dia tsotra, fa izy dia mpaminanin’Andriamanitra—tsy anampiana ary tsy analana!

“Tsy dia avy amin’i Joseph Smith loatra no nahatongavan’ny soratra masina fa tamin’ny alalany. Fitaovana iray izy izay tamin’ny alalan’izany no nanomezana ireo fanambarana. Ankoatra izany dia olon-tsotra izy, tahaka ireo mpaminany tamin’ny andro fahiny sy tahaka ireo mpaminany amin’izao androntsika izao. …

“Zazalahy tantsaha tsy nahita fianarana ny Mpaminany Joseph Smith. Ny famakiana ireo taratasiny voalohany dia mampiseho fa izy dia tsy manam-pahaizana amin’ny tsipelina sy ny fitsipika ary ny fitenenana.

“Tena fahagagana ny hoe tonga tamin’ny alalany tamin’ny endri-tsoratra tena tsara ireo fanambarana (“We Believe All That God Has Revealed,” Ensign, mey 1974, 94).

Alaivo sary an-tsaina hoe i Môrônia ianao, izay niaina tokony ho 1600 taona lasa izay ary navela hahita izao androntsika izao tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra. Vakio ny Môrmôna 8:35, ary saintsaino izay mety ho toe-javatra iainana ara-panahy amin’izao androntsika izao araka ny eritreritrao. Dia vakio ny Môrmôna 8:26–32, izay mirakitra ny famaritana ara-paminaniana nataon’i Môrônia mikasika ny fotoana izay hivoahan’ny Bokin’i Môrmôna—amin’ny androntsika.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famaritana miisa roa na mihoatra nataon’i Môrônia momba ny androntsika. Soraty ihany koa ny antony ahitanao fa mahaliana sy azo ampiharina tsara amin’ny androntsika ireto famaritana miavaka ireto.

Mikasika ny Bokin’i Môrmôna dia nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tsy maintsy ataontsika ivo iompanan’ny fandalinantsika ny Bokin’i Môrmôna [satria] nosoratana ho an’ny androntsika izany. Tsy nanana izany boky izany na oviana na oviana ny Nefita, na koa ireo Lamanita tamin’ ny fahiny. Natao ho antsika izany. …

“Ireo mpanoratra lehibe tsirairain’ny Bokin’i Môrmôna dia nijoro ho vavolombelona fa nanoratra ho an’ny taranaka ho avy izy ireo. …

“Raha toa ka nahita ny androntsika izy ireo ary nisafidy ireo zavatra izay hanan-danja kokoa ho antsika, moa ve tsy izany no antony tokony handalinantsika ny Bokin’i Môrmôna? Tokony hanontany tena tsy tapaka isika hoe: “Inona no antony nitaoman’ny Tompo ny fanahin’i Môrmôna (na Môrônia na Almà) hampiditra izany ao amin’ny rakitsorany? Inona no lesona azoko ianarana avy amin’izany izay hanampy ahy eo amin’ny fiainako amin’izao andro izao sy amin’izao vanimpotoana izao?’” (“Ny Bokin’i Môrmôna— Vato ifaharan’ny Fivavahantsika,” 6).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto mba hisaintsainana ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna ho anao manokana:

    1. Eritrereto hoe hatraiza ny maha-marina ireo faminanian’i Môrônia mikasika ireo toe-javatra iainana amin’ny androntsika (jereo ny Môrmôna 8:26–32). Inona no ampianarin’ireo faminaniana ireo anao mikasika ny lanjan’ny Bokin’i Môrmôna amin’izao androntsika izao?

    2. Nahoana araka ny eritreritrao no maha-“iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra nomena an’izao tontolo izao amin’ny andro maoderina” ny Bokin’i Môrmôna, araka ny nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson? (“Ny Bokin’i Môrmôna— Vato ifaharan’ny Fivavahantsika,” 4).

    3. Raha toa ka misy namanao iray manontany anao ny antony maha-zava-dehibe ny Bokin’i Môrmôna aminao dia inona no havalinao?

Môrmôna 8:33–41

Mahita ny andro farany i Môrônia ary manameloka ny faharatsiana ara-panahy amin’izao androntsika izao

Mieritrereta fotoana iray izay nahitanao olona iray nila fanampiana —olona nila fanampiana ara-batana, ara-pihetsempo, ara-tsôsialy, na ara-panahy. Eritrereto ny zavatra nataonao sy azonao natao hanampiana izany olona izany. Saintsaino ny antony nisafidiananao hanampiana na tsia izany olona izany. Nahoana araka ny eritreritrao no tsy manampy ireo izay mila fanampiana ny olona indraindray?

Vakio ny Môrmôna 8:36–41, ary tadiavo ireo antony nomen’i Môrônia fa tsy hanampian’ny olona sasany amin’ny andro farany ireo izay mila fanampiana. Asio marika ao anatin’ny soratra masinao ireo antony ireo. Mety hanampy ny fahatakarana fa ny teny hoe fandravahana dia midika hoe “manao izay hahatsara tarehy” na “mampihaingo.”

Inona avy ireo ohatra amin’ny fomba izay mety hitiavan’ny tanora ankehitriny ireo zavatra azon’ny vola vidiana sy mety hanarahany ireo fironana araka izao tontolo izao mihoatra noho ny ho mpanaradia marina an’i Jesoa Kristy? Halalino ny Môrmôna 8:38, 41, ary fantaro ireo vokatra ho azon’ny olona noho ny avonavon’izy ireo, ny faharatsiany, ary ny tsy firaharahiany ny mahantra sy ny ory.

  1. Manorata fitsipika iray ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamintina ny zavatra nianaranao tao amin’ny Môrmôna 8:36–41.

Ohatra iray amin’ny fitsipika ampianarina ao anatin’ireo andininy ireo ny hoe: Hitana antsika ho tompon’andraikitra amin’ny fomba fitondrantsika ireo mahantra sy ireo izay mila fanampiana Andriamanitra.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo zavatra ilaina tena iraisana—ara-batana, ara-pihetsehampo, ara-tsôsialy ary ara-panahy—eo anivon’ny tanora any am-pianaranao na ao amin’ny fiaraha-monina misy anao? Avy eo dia mieritrereta zavatra iray izay azonao atao amin’ny herinandro ambony mba hanampiana olona iray mila fanampiana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina io tanjona io.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrmôna 8:12–41 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: