Seminera
Fizarana 21: Andro 3, Almà 53, 56–58


Fizarana 21: Andro 3

Almà 53; 56–58

Fampidirana

Niady tamin’ny Lamanita tamin’ny toerana samy hafa teo amin’ny tany i Helamàna sy ny Kapiteny Môrônia. Nandefa taratasy tamin’i Môrônia i Helamàna, izay namariparitra ireo adin’ny miaramilany tamin’ny Lamanita sy nanambara ny fahatokisany sy ny fahafaham-pony tamin’ny finoana lehiben’ireo zatovolahy mpiady 2.060. Nanampy ireo mpiady Nefita ireo handresy tamin’ny ady sy nitahy azy ireo tamin’ny fahatokian-tena sy ny fanantenana nandritra ireo fotoam-pahoriany ny Tompo noho ny finoany sy ny herim-pony.

Almà 53; 56

Mandresy ny tafika matanjaka indrindran’ny Lamanita ireo miaramilan’i Antipo sy Helamàna

Nitondra ny miaramilany tany amin’ny faritra iray hafa tao amin’ny tany i Helamàna raha toa ka niady tamin’ny Lamanita tamin’ny faritra iray hafa ny Kapiteny Môrônia. Anisan’ireo miaramilany ireo zanakalahy tanoran’ny vahoakan’i Amôna miisa 2.000. Nanao fanekempihavanana tsy handray fitaovam-piadiana hanohitra ireo fahavalony intsony ny ray aman-drenin’ireto zatovolahy ireto, saingy tsy nanao izany fanekempihavanana izany ny zanak’izy ireo, ka afaka nanampy ny miaramila Nefita izy ireo (jereo ny Almà 53:10–18).

  1. Ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanehoana an-tsary manaraka ity. Vakio ny Almà 53:18–21, ary tadiavo ireo andianteny izay mamaritra ny toetra nokolokoloin’ireto zatololahy 2.000 ireto talohan’ny fanompoana ara-miaramila nataon’izy ireo. Ataovy lisitra eo ambanin’ny lohateny hoe “Toetra nokolokoloina talohan’ny ady” ireo andianteny hitanao. Azonao asiana marika ao amin’ny soratra masinao ireo andianteny ireo.

Sary
Stick Figure

Maro an’isa ny fahavalo Lamanita teo anatrehan’i Antipo, izay mpitarika miaramila Nefita iray, rehefa niaro ny ampahany tamin’ny tany izy sy ny miaramilany. Nifaly i Antipo rehefa nitondra ireo zatovolahy 2.000 mba hanampy azy i Helamàna (jereo ny Almà 56:9–10).

Nitarika lavitra ny tafika Lamanita matanjaka indrindra ireo zatovolahy 2.000 nandritra ny adin’izy ireo voalohany tamin’ny fahavalo, ary nandidy ny miaramilany hanenjika ny tafika Lamanita avy aty aoriana i Antipo, ilay mpanapaka Nefita. Tratran’ny miaramilan’i Antipo ny miaramila Lamanita, izay nijanona mba hiady tamin’izy ireo. Nahatsikaritra ireo zatovolahy roa arivo izay nanohy nandroso fa nijanona tsy nanenjika azy ireo intsony ny Lamanita. Tsy fantatr’izy ireo raha toa ka nijanona mba hamandrika azy ireo raha toa ka miverina ny Lamanita mba hamongorana azy ireo na nijanona ireo Lamanita satria tratran’ny miaramilan’i Antipo avy tao aoriana. Tsy fantatr’i Helamàna noho izany raha toa ka tokony hiverin-dalana sy hanafika ny Lamanita izy ireo. (Jereo ny Almà 56:29–43.)

Vakio ny Almà 56:43–48, ary mitadiava andianteny izay mamaritra ny toetra nasehon’ireto zatovolahy ireto tamin’ny fotoan-tsarotra indrindra nandritra ny ady. Ataovy lisitra eo ambanin’ny lohateny hoe “Toetra naseho nandritra ny ady” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra hitanao. Azonao atao koa ny misafidy ny hanisy marika ireo andianteny ireo ao amin’ny soratra masinao.

Halalino ny Almà 56:49, 54–56 ahitana ny zava-nitranga rehefa niverina niady tamin’ny Lamanita ireo zavotolahy 2.000. Mitadiava andianteny izay maneho ity fahamarinana ity: Afaka mahazo tanjaka avy amin’Andriamanitra isika rehefa miasa amim-pinoana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fikolokoloana ny toetran’ireo zatovolahy mpiady manampy anao hiasa amim-pinoana rehefa miatrika toe-javatra sarotra?

    2. Miresaha fotoana iray izay niasanao (na olona iray fantatrao) tamim-pinoana sy nandraisanao tanjaka avy amin’Andriamanitra tamin’ny fifehezana tamim-pahombiazana ny toe-javatra sarotra iray.

Almà 57

Naka ny tanànan’i Antiparà sy Komenia indray ny tafik’i Helamàna

Sary
Zatovo Mpiady Roa Arivo

Afaka naka ny tanànan’i Antiparà sy Komenia avy tamin’ny Lamanita i Helamàna sy ny miaramilany. Nahazo miaramila fanampiny i Helamàna nandritra izany fotoana izany. Mpiady an’arivony avy tany amin’ny tanin’i Zarahemlà no nirotsaka ho miaramila, tahaka ny nataon’ireo zanakalahin’ny vahoakan’i Amôna miisa 60 hafa (jereo ny Almà 57:1–12).

Tsy ela akory taorian’ny nahazoan’ny miaramilan’i Helamàna ny tanànan’i Komenia dia nanafika azy ireo indray ny Lamanita. Niatrika ady lehibe ny miaramilan’i Helamàna ary tanjaka lehibe ho an’ny tafika iray manontolo ireo zatovo 2.060 nandritra izany. Vakio ny Almà 57:19–21 ahitana ny sasany amin’ireo toetran’ireo zatovo mpiady izay naroso tamin’ity ady ity. Azonao atao ny manampy ireo toetra ireo ao amin’ny lisitr’ireo “Toetra naseho nandritra ny ady” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina sy manisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masinao.

  1. Iray amin’ireo toetra nahafantarana ireo zatovo mpiady ny hoe nankatò “tamin’ny antsipiriany” izy ireo (Almà 57:21). Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny eritreritrao, inona no dikan’ny hoe fankatoavana “amin’ny antsipiriany” ny didy iray?

    2. Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no nanampian’ny fankatoavan’ ireo zatovo mpiady ny tenin’ny mpanapaka azy ireo handresy tamin’ny adin’izy ireo?

    3. Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fankatoavanao amin’ny antsipiriany ireo didin’ny Tompo amin’ireo ady ara-panahy atrehinao eo amin’ny fiainanao?

Soraty ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Hampatanjaka antsika amin’ireo ady ananantsika eo amin’ny fiainana ny Tompo rehefa mankatò Azy amin’ny antsipiriany isika. Vakio ity fanambarana nataon’ny Loholona Russell M. Nelson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity, izay nanazava ny antony maha zava-dehibe ny fankatoavana “amin’ny antsipiriany” ireo didin’Andriamanitra:

“Hifanena amin’ny olona izay mifidy ireo didy hotandremany ary tsy hiraharaha ireo hafa izay safidiany hodikaina [ianao]. Antsoiko hoe fandraisana ny fankatoavana ho toy ny sakafo isan-karazany izany. Tsy handaitra ity fomba fanao mifidifidy ity. Hitondra amin’ny fahoriana izany. Mitandrina ny didin’Andriamanitra rehetra ny olona iray hiomanany hihaona amin’Andriamanitra. Mitaky finoana ny fankatoavana azy ireny, ary hampatanjaka izany finoana izany ny fankatoavana ny didiny.

“Ny fankatoavana dia mamela ny fitahian’Andriamanitra hirotsaka tsy misy sakantsakana. Hitahy ireo zanany mpankatò mba ho afaka amin’ny fangejana sy ny fahoriana Izy. Ary hitahy azy ireo Izy amin’ny hazavana misimisy kokoa.

“… Ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra dia hanome fiarovana ara-nofo sy ara-panahy” (“Hatreo Am-pinoana ny Ho Avy,” Ensign na Liahona, mey 2011, 34–35).

Vakio ny Almà 57:25–27, itadiavana ny antony vitsy nanoloran’ny Tompo ny heriny hiarovana ireo zatovo mpiady. Inona no tena manaitra anao indrindra momba ireo zatovo mpiady ao amin’ireo andininy ireo?

Tsy hiaro antsika hatrany amin’ny zava-tsarotra Andriamanitra na dia marina aza isika. Na dia notsimbinina tamin’ny fahafatesana aza ireo zatovo mpiady dia naratra avokoa izy rehetra (jereo ny Almà 57:25), ary Nefita marina maro hafa no maty (jereo ny Almà 57:26). Hampatanjaka antsika hatrany mandritra ireo fotoan-tsarotra anefa Andriamanitra ary hanome antsika amin’ireo zavatra ilaintsika. Hanome fitahiana mandrakizay ho an’ireo rehetra izay mankatò ny didiny izy any aoriana any.

Almà 58

Miandry tahirin-tsakafo ireo miaramila Nefita ary naka indray ny tanànan’i Mantia avy eo

Sary
Nametraka ny Fitokiana tamin’Andriamanitra izy ireo

Niatrika karazana fisedrana hafa ny tafik’i Helamàna ankoatra ireo ady niadian’izy ireo tamin’ny Lamanita. Lavidavitra kely an’i Zarahemlà, izay foiben’ny fitondrana Nefita, no nanaovan’izy ireo ny adiny. Nandresy tamin’ny ady tena sarotra sasany ny tafik’i Helamàna, kanefa tsy naharay ny sakafo, ny vatsy, ary ny miaramila fanampiny izay nilaina avy tamin’ny governemanta izy ireo. Tsy fantatr’izy ireo ny antony tsy nanohanan’ny governemanta azy ireo. (Jereo ny Almà 58:7–9.)

  1. Vakio ny Almà 58:10–12, ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no nataon’ny Nefita rehefa niatrika ity toe-javatra sarotra ity izy ireo?

    2. Ahoana no namalian’ny Tompo ireo fitalahoana sy vavaka tamin-kitsimpo nataon’izy ireo?

    3. Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 58:12, tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanomezan-tokin’ny Tompo an’i Helamàna sy ny miaramilany?

Soraty ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika manaraka ity: Afaka mahazo antoka avy any an-danitra izay mampatanjaka ny finoantsika sy manome fanantenana antsika isika rehefa mitodika any amin’Andriamanitra ao anatin’ireo fotoan-tsarotra.

Afaka nahazo ny tanànan’i Mantia i Helamàna sy ireo vatan-dehilahiny na dia teo aza ny fahalemen’ny miaramilany (jereo ny Almà 58:13–41). Nambaran’i Helamàna fa avy amin’ny fanampian’ny Tompo avokoa ireo fahombiazan’ny tafiny rehetra (jereo ny Almà 58:37).

Nanohy nitolagaga tamin’ny fahombiazan’ireo zatovo mpiady i Helamàna. Halalino ny Almà 58:39–40, ary mitadiava teny na andianteny izay maneho ireo fomba naha mahery fo an’ireo zatovo mpiady nandritra ireo toe-java-tsarotra nisy. Mariho ao amin’ny soratra masinao ireny teny na andianteny ireny.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nangatahanao fanampiana tamin’Andriamanitra nandritra ny fotoan-tsarotra iray ka nahatsapanao ny fanampiany.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 53; 56–58 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: