Seminera
Fizarana 30: Andro 4, Etera 12


Fizarana 30: Andro 4

Etera 12

Fampidirana

Taorian’ny nitantaran’i Môrônia ny tantaran’ny Jaredita nandritra ny taona maro dia nanolotra ny asa fanompoana nataon’ny mpaminany Etera izy. Dia niato kely tamin’ny fitantarany tantara i Môrônia ary nandrakitra ny sasany amin’ireo fitahiana izay tonga amin’ireo izay mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy. Nanambara ahiahy iray ihany koa izy. Natahotra izy fa ireo izay hamaky ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany dia tsy hanaiky izany noho ny fahalemeny sy ny fahalemen’ireo mpanoratra hafa amin’ny fanoratana. Nampanantena an’i Môrônia ny Tompo fa mampatanjaka ny fahalemen’ireo rehetra manetry ny tenany eo anoloany sy manana finoana Izy.

Etera 12:1–4

Nitory fibebahana tamin’ny Jaredita i Etera

Sary
sambo miantsona eo amoron-dranomasina

Nahoana no zava-dehibe ho an’ny sambo ny manana vatofantsika? Inona avy ireo loza na fahasarotana mety hahazo ny sambo iray raha toa ka tsy manana vatofantsika izany? Omeo anarana ilay sambo eo amin’ny sary hoe Ny fiainako. Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Raha toa ka maneho ny fiainanao ilay sambo, inona no azo ampitahaina amin’ireo onjan-dranomasina?

  • Raha toa ka ampitahaintsika amin’ny fahasarotana sy faharatsiana ireo onjan-dranomasina, mety ho tahaka ny inona ny fiainan’ny olona iray raha toa ka tsy manana vatofantsika izy? (jereo ny Môrmôna 5:18.)

  • Inona no nomen’ny Tompo anao mba hanampiana anao hitoetra tsara tsy hihetsika toy ny vatofantsika?

Eo am-pandalinanao ny Etera 12 dia tadiavo izay tsy maintsy ataonao mba ho tahaka ilay sambo misy vatofantsika ianao—tsy mihozongozona sy voaro na dia eo aza ireo onjan-dranomasina sy faneriterena hatrehanao. Ny Etera 12 dia manomboka amin’ny fanoloran’i Môrônia ny mpaminany Etera, izay niaina tamin’ny fotoana izay nandavan’ny vahoaka ny mpaminany sy niainan’izy ireo tao anaty faharatsiana. Vakio ny Etera 12:1–3 ary mitadiava zavatra izay manaitra anao momba ny fihetsik’i Etera nandritra ireny toe-javatra sarotra ireny.

Rehefa nandeha namporisika ny vahoaka mba hibebaka i Etera dia nampianatra izay azon’ny olona iray izay mino an’Andriamanitra antenaina izy na dia voahodidin’ny fahasarotana sy ny faharatsiana aza. Vakio ny Etera 12:4 ary asio marika ny atao hoe fanantenana. (Eo am-pamakianao izany dia mety hanampy ny mahafantatra fa ny “toerana iray eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra” dia midika hoe hiverina eo anatrehan’Andriamanitra sy hahazo fiainana mandrakizay.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no maha-samihafa ny fananana fanantenana “amim-pahatokiana” amin’ny maniry zavatra iray fotsiny ihany?

    2. Ahoana no fomba hanomezan’ny finoana an’i Jesoa Kristy fahafahana ho antsika mba hanantena “amim-pahatokiana” toerana iray eo an-tanan’ankavanan’Andriamanitra?

    3. Andian-teny inona ao amin’ny Etera 12:4 no mamaritra ireo fihetsiky ny olona iray izay manana fanantenana sy finoana an’i Jesoa Kristy?

Eo amin’ilay sarina sambo tany am-piandohan’ity lesona ity dia asio ireto soratra ireto ilay vatofantsika, finoana sy fanantenana.

Ny Etera 12:4 dia mampianatra fitsipika fa rehefa manana fanantenana sy finoana an’i Jesoa Kristy isika dia handray tanjaka mba hifototra sy hahefa be amin’ny asa tsara.

Saintsaino ireo fotoana izay mety sarotra ho anao ny hifototra (tsy mihozongozona) sy ny hahefa be amin’ny asa tsara ao anatin’izany. Mba hanampiana anao amin’ireo toe-javatra ireo sy mandritra ny fiainanao manontolo dia mitadiava fomba izay ahafahanao mampitombo ny finoanao ny Tompo Jesoa Kristy eo am-panohizanao ny fandalinana ny Etera 12.

Etera 12:5–22

Mitantara ireo fahagagana sy asa goavana izay tonga amin’ny alalan’ny finoana i Môrônia

  1. Ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina, farano amin’izay fahamarinana ara-pilazantsara izay hikatsahanao fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ity fehezanteny manaraka ity: Izaho dia te hahazo fijoroana ho vavolombelona ara-panahy ny amin’ny …

Ny olona sasany dia mahatsapa fa tsy maintsy mahita porofo ny amin’ny fahamarinana iray sy mahita izany porofoina aminy izy ireo mialohan’ny hiainan’izy ireo izany. Niresaka ny amin’izany fihetsika izany i Môrônia ao amin’ny Etera 12:5–6. Vakio ireo andininy ireo ary asio marika ireo ampahany amin’ny toroheviny izay manaitra anao. (Ny Etera 12:6 dia soratra masina fehezina.)

Araka ny Etera 12:6, inona no tsy maintsy ananantsika mialohan’ny hahazoantsika fijoroana ho vavolombelona avy amin’ny Tompo? Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra momba ny “fizahan-toetra ny finoana[o]” iray ianao?

Sary
Loholona Richard G. Scott

Ny olona sasany dia mandika diso ny “fizahan-toetra ny finoanareo” ho milaza fahasarotana hatrany. Nanome ity hevitra ity mikasika ny dikan’ny hoe “fizahan-toetra ny finoanareo” ny Loholona Richard G. Scott avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Afaka mianatra mampiasa tsaratsara kokoa ny finoanareo amin’ny alalan’ny fampiharana ity fitsipika nampianarin’i Môrônia ity ianareo: ‘‘… tsy mandray fijoroana ho vavolombelona ianareo raha tsy aorian’ny fizahan-toetra ny finoanareo’ [Etera 12:6; nampiana fanamafisana]. Noho izany, isaky ny mizaha toetra ny finoanareo ianareo, izany dia mampihatra amim-pahamendrehana izay fahatsapana anananareo, dia hahazo porofo fanamafisan’ny Fanahy ianareo. Hampatanjaka ny finoanareo ireny fahatsapana ireny. Rehefa mamerimberina izany toromarika izany ianareo dia hanjary hatanjaka kokoa ny finoanareo” (“The Sustaining Power of Faith in Times of Uncertainty and Testing,” Ensign na Liahona, mey 2003, 76).

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary tadiavo ireo fitahiana izay tonga aorian’ny hampiasan’ny olona finoana:

Mety hanampy ny mandinika ny fampiasana ny teny hoe aoriana ao amin’ny Etera 12:7, 12, 17, 18, ary 31.

  1. Araka izay nianaranao tao amin’ny Etera 12, soraty amin’ny teninao manokana ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izay tsapanao fa nampianarin’i Môrônia mikasika ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy avy amin’ny Tompo.

Anisan’ireo fitsipika nampianarin’i Môrônia ny hoe: Rehefa maniry ny hanana fijoroana ho vavolombelona isika dia mila mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy aloha.

  1. Vakio ireto toe-javatra manaraka ireto ary soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina avy eo ny fomba ahafahan’ny olona iray mampiseho finoana ny Tompo ao anatin’ny toe-javatra roa na maromaro amin’ireo:

    1. Te hahazo fijoroana ho vavolombelona momba ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny zatovovavy iray.

    2. Manana faniriana mafy ny hanampy ireo olon-tiany mba hanaiky ny filazantsara ny zatovolahy iray.

    3. Mikatsaka ny Tompo mba hitahy ny rainy izay marary ny zatovovavy iray.

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny momba ny fotoana iray izay nandraisanao na nandraisan’ny olona fantatrao iray fijoroana ho vavolombelona na fahagagana taorian’ny fampisehoana finoana.

Eritrereto indray ilay fitsipika na fotopampianarana izay tianao hahazoana fijoroana ho vavolombelona ara-panahy (jereo ny asa ampanaovina 2 ato amin’ity lesona ity). Inona no azonao atao mba hampisehoana finoana mialohan’ny handraisana ilay fijoroana ho vavolombelona?

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra masina fehezina—Etera12:6

  1. Mba hanampiana anao hitadidy tsianjery ny Etera 12:6 dia vakio imbetsaka izany, avy eo dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny faran’izay betsaka indrindra tadidinao amin’ilay andininy. Avy eo dia ampitahao amin’ilay tena andininy izay nosoratanao. Halalino indray ilay andininy ary soraty fanindroany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina indray izany.

Etera 12:23–41

Naneho ahiahy mikasika ny fomba handraisan’ny Jentilisa ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia

Araka ny voarakitra ao amin’ny Etera 12:23–41 dia naneho ny ahiahiny i Môrônia fa ireo izay handray ny Bokin’i Môrmôna amin’ny andro farany dia tsy hanaiky izany noho ny fahalemeny sy ny fahalemen’ireo mpanoratra hafa amin’ny fanoratana. Eo am-pamakianao ny valintenin’ny Tompo ny amin’ny ahiahin’i Môrônia ao amin’ny Etera 12:26–27dia tadiavo ny fomba nilazan’ny Tompo fa hahatonga ny zavatra malemy ho matanjaka. (Ny Etera 12:27 dia soratra masina fehezina.)

Matetika ny soratra masina dia maneho fitsipiky ny filazantsara iray amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny hoe raha sy dia. Ny teny hoe raha dia mamaritra izay tsy maintsy ataontsika, ary ny hoe dia dia manazava izay zavatra hitranga ho vokatry ny asa nataontsika. Vakio ny Etera 12:27 ary mitadiava fitsipika misy raha–dia iray, dia soraty etsy ambany etsy izany.

Raha … isika, dia … ny Tompo.

Hifampiresahanao sy ny mpampianatra anao lalindalina kokoa ireo andininy ireo ao anatin’ny lesona amin’ity herinandro ity. Handalina sy hianatra bebe kokoa momba ny resak’i Môrônia mikasika ny finoana, fanantenana, ary fiantrana izay hita ao amin’ny Etera 12:28–41 ihany koa ianao.

Sary
sary famantarana ny soratra masina fehezina
Soratra masina fehezina—Etera 12:27

Mba hanampiana anao hitadidy ireo hevitra ao amin’ny Etera 12:27 dia hadikao amin’ny taratasy iray izao manaraka izao: Raha manatona … asehoko … fahalemeny. Omeko … fahalemena … mietry; … fahasoavako … an’ny olon-drehetra … manetry tena … raha manetry tena … malemy … matanjaka … .

Avereno vakiana ny Etera 12:27 ary diniho ireo teny ireo. Avereno lazaina araka izay betsaka indrindra azonao atao ilay andininy eo am-pijerena ireo teny ao amin’ilay taratasy fotsiny ihany. Apetraho any amin’ny toerana izay hahitanao azy aoriana kely ao na androany na rahampitso ilay taratasy (ohatra hoe ao anaty paosinao na ao anatin’ny soratra masinao). Avereno jerena ny Etera 12:27 isaky ny mahita ilay taratasy ianao ambara-pahaizanao tsianjery ilay andinin-tsoratra masina.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 12 sy nahavita io lesona io tamin’ny  (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: