Seminera
Fizarana 6: Andro 3, 2 Nefia 9


Fizarana 6: Andro 3

2 Nefia 9

Fampidirana

Ny fandalinanao ny toritenin’i Jakôba izay nanomboka tao amin’ny 2 Nefia 6–8, dia mitohy ao amin’ny 2 Nefia 9. Tao amin’ny 2 Nefia 6–8 ianao dia nandalina ireo fampianaran’i Jakôba mikasika ny famindram-pon’ny Mpamonjy sy ny heriny hanavotana ny mpianakavin’i Isiraely ao anatin’ny fahaverezana sy ny fiparitahana. Ao amin’ny toko 9 ianao dia handalina ny fijoroan’i Jakôba ho vavolombelona mikasika ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hanavotana antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana, ka tafiditra ao anatin’izany ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesan’ny fanahy ary koa ny vokatry ny fahotantsika. Nampianatra ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny 2 Nefia 9 dia “iray amin’ireo lahateny tena mitondra fahalalana lehibe mikasika ny sorompanavotana nozaraina hatramin’izay. … Tokony hamaky tsara izany ny olona tsirairay izay mikatsaka famonjena” (Answers to Gospel Questions, natambatr’i Joseph Fielding Smith Jr., boky miisa 5 [1957–66], 4:57).

2 Nefia 9:1–9

Nampianatra i Jakôba fa nitondra fahafatesan’ny vatana sy fahafatesan’ny fanahy teo amin’ny olombelona rehetra ny Fahalavoana.

Inona no tonga ao an-tsaina rehefa mieritreritra ny teny hoe biby mahatsiravina isika?

Ny teny hoe biby mahatsiravina mazàna dia ilazana zavatra iray izay mampatahotra sy afaka mandratra izaitsizy. Na dia eritreretin’ny olona maro ho biby alaina sary ao an-tsaina fotsiny aza ny hoe biby mahatsiravina, dia eritrereto raha toa ka misy zavatra tena afaka mandratra tanteraka anao tokoa ka tena mampatahotra noho izany. Nampiasa ny hoe biby mahatsiravina i Jakôba mba hanehoana ny toe-javatra mampatahotra atrehantsika eto amin’ny fiainana an-tany. Vakio ny 2 Nefia 9:10, ary tadiavo ireo zavatra roa ao anatin’ilay biby mahatsiravina izay nofaritan’i Jakôba. Dia fenoy ny banga etsy amin’ilay tabilao etsy ambany.

Biby mahatsiravina

F

H

“f v

“f f

Zava-dehibe ny mahatakatra fa rehefa nampianatra momba ny “fahafatesan’ny fanahy” i Jakôba dia tsy hoe, ho faty ara-bakiteny akory ny fanahintsika no tiany holazaina, fa tafasaraka ara-panahy amin’Andriamanitra kosa isika na esorina tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 9:6). Izany fisarahana izany matetika dia antsoina hoe fahafatesan’ny fanahy ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny manoratra ilay andian-teny hoe esorina eo anatrehan’Andriamanitra eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ny “fahafatesan’ny fanahy” ao amin’ny 2 Nefia 9:10.

Vakio ny 2 Nefia 9:6, ary mariho fa nanomboka niresaka momba ny fahafatesan’ny vatana i Jakôba ary namarana tamin’ny firesahana momba ny fanesorana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra. Fakafakao tsara io andininy io. Inona no zava-nitranga ka nitondra ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesan’ny fanahy teo amin’ny olombelona?

Vakio ny 2 Nefia 9:7–9, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jakôba fa ho nitranga tamin’ny vatantsika sy ny fanahintsika raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana ary nitoetra mandrakizay ilay fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesan’ny fanahy. Alohan’ ny hamakinao dia hanampy anao ny hahafantatra ny dikan’ireto teny manaraka izay nampiasain’i Jakôba tao amin’ny andininy 7 ireto: Ilay andian-teny hoe “ny famaizana voalohany izay nihatra tamin’ny olona” (2 Nefia 9:7) dia ilazana ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Ny teny hoe fahalovana dia ilazana ny vatana mety maty satria tsy tonga lafatra izany ary ho faty amin’ny farany. Ny teny hoe tsy fahalovana dia ilazana ilay vatana nitsangana tamin’ny maty izay hiaina mandrakizay.

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo andian-teny vitsivitsy izay hitanao tao amin’ny 2 Nefia 9:7– izay mamaritra ny zavatra nitranga tamin’ny vatantsika sy ny fanahintsika raha toa ka tsy nisy ny Sorompanavotana.

Sary
Jesoa Nivavaka tao Getsemane

Vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity mba hanazavana hoe mety ho inona no hiafarantsika raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: “Raha toa ka maharitra mandrakizay ny fisarahantsika amin’Andriamanitra sy ny fahafatesan’ny vatantsika dia tsy hisy dikany ny fahafahana misafidy ny tsara sy ny ratsy. Eny tokoa, afaka manao safidy isika nefa ho atao inona izany? Hitovy foana ny vokany amin’ny farany na inona na inona zavatra ataontsika: fahafatesana tsy misy fanantenana ny hitsangana amin’ny maty na hiverina any an-danitra. Na hisafidy ny tsara isika na hisafidy ny ratsy dia ho lasa ‘anjelin’ny devoly’ ihany isika rehetra amin’ny farany” (“Moral Agency,” Ensign, jona 2009, 50).

  1. Manorata fehezanteny iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava amin’ny alalan’ny teninao manokana ny zavatra eritreretinao fa nolazain’ny Loholona Christofferson mikasika ny toetry ny fahalavoana mianjady amintsika. Ampio fanazavana fohy mikasika ny antony nampitahan’i Jakôba ny fahafatesan’ny vatana sy ny fisarahana amin’Andriamanitra amin’ ny “biby mahatsiravina” izany.

2 Nefia 9:10–27

Nampianarin’i Jakôba ny fomba hanavotan’ny fijalian’ny Mpamonjy antsika amin’ny fiantraikan’ny fahalavoana sy ny vokatry ny fahotana

Tsy navelan’Andriamanitra hizaka irery ny fiantraikany feno nentin’ilay “biby mahatsiravina [isika] dia ny fahafatesana sy ny helo [izany].” Vakio ny 2 Nefia 9:10, ary asio marika ny zavatra nomanin’Andriamanitra ho antsika.

Vakio ity fifanahafana manaraka avy amin’ny Filoha Joseph Fielding Smith ity izay mampiseho ny filantsika Mpamonjy iray:

“Raha nandeha an-tongotra teny an-dalana ny tovolahy iray dia nianjera tao anaty lavaka iray izay tena lalina sy maizina ka tsy afaka nihanika mba ho tafavoaka ety ivelany sy hahazo ny fahafahany indray izy. Ahoana no ahafahany mamonjy ny tenany ao anatin’izany toe-javatra nahazo azy izany? Tsy ho amin’ny alalan’ny ezaka ataony mihitsy satria tsy misy fomba hahatafavoahana ao amin’ilay lavaka. Niantso vonjy izy ary nisy olona nanana fahavononana, izay naheno ny hiakiakany mba hovonjena, nihazakazaka nanampy azy, ka tamin’ny alalan’ny fampidinany tohatra tany no nanomezany azy fomba hahafahany miakatra indray ho tafavoaka ety ivelany.

“Tao anatin’izany toe-javatra izany mihitsy koa no nametrahan’i Adama ny tenany ary ny taranany, rehefa nihinana tamin’ilay voankazo voarara izy. Samy tao anaty lavaka izy ireo ary tsy nisy afaka nivoaka tety ivelany sy namonjy ny hafa. Ilay lavaka dia maneho ilay fandroahana tsy ho eo anatrehan’ny Tompo sy ny fahafatesan’ny vatana izay ny fahalevonan’ny vatana. Ary satria tsy maintsy mandalo fahafatesana daholo ny olona rehetra dia tsy nisy afaka nanolotra fomba mba hahatafavoahana amin’izany.

“Ary noho ilay famindram-po tsy manam-petra ananany, dia ren’ny Ray ny hiakiakan’ny zanany ary nirahiny ny Zanany Lahitokana izay tsy nianjadian’ny fahafatesana sy tsy nanota mba hitondra ny fomba hahatafavoahana. Izany dia nataony tamin’ny alalan’ilay sorompanavotany tsy manam-petra sy ny filazantsara maharitra mandrakizay” (Doctrines of Salvation, navoakan’i Bruce R. McConkie, boky miisa 3 [1954–56], 1:126–27).

Ny ankamaroan’ny hafatr’i Jakôba ao amin’ny toko 9 dia mifantoka amin’ilay fomba nomanin’ny Tompo ho antsika mba hahatafavoahana amin’ilay vokatry ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesan’ny Fanahy ary manome toky antsika izany fa afaka ny ho voavonjy isika.

  1. Halalino ny 2 Nefia 9:5, 19–21, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Araka ny 2 Nefia 9:5, 21, dia inona no zavatra nolalovan’ny Mpamonjy mba hahafahantsika ho voavonjy amin’ny fahafatesana sy ny helo?

    2. Nijaly ho an’iza ny Mpamonjy araka ny 2 Nefia 9:21?

Eritrereto hoe firy ny isan’ny olona izay “isan’ny fianakavian’i Adama” (2 Nefia 9:21). Izany dia ahitana ireo rehetra izay efa niaina sy miaina amin’izao fotoana izao ary ireo mbola hiaina eto an-tany—ka tafiditra ao anatin’izany ianao. Azonao atao ny manoratra ny anaranao eo akaikin’ny 2 Nefia 9:21 mba hahatsiarovana ny sorona nataon’ny Mpamonjy ho anao.

Sary
Ny Fanomboana

Nampianatra i Jakôba fa ny fijalian’ny Mpamonjy dia hanampy antsika hisoroka ilay biby mahatsiravina—fahafatesan’ny vatana sy fanesorana tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay. Vakio ny 2 Nefia 9:22, ary mitadiava andian-teny iray izay milaza fa ho afaka ny handresy ny fahafatesan’ny vatana isika ary andian-teny iray izay maneho fa ho eo anatrehan’Andriamanitra indray isika. Soraty ao anatin’ireo fehezanteny etsy ambany ireo ny zavatra hitanao:

Noho ny Fahalavoana dia ho faty ny vatantsika, saingy noho ny fijalian’i Kristy, ny vatantsika dia .

Noho ny Fahalavoana dia nesorina tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra isika, saingy noho ny fijalian’i Kristy, ny olona rehetra dia hijoro .

Ianarantsika avy amin’ny fampianaran’i Jakôba ilay fotopampianarana hoe: Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia mamonjy ny olombelona rehetra amin’ny fahafatesan’ny vatana sy ny fahafatesan’ny Fanahy nentin’ny Fahalavoana.

Ankoatra izany hafatra mifono fanantenana izany dia nampianatra i Jakôba fa ny fijalian’ny Mpamonjy koa dia afaka mamonjy antsika amin’ny fahafatesan’ny Fanahy noho ny fahotantsika. Vakio ny 2 Nefia 9:27, ary tadiavo ny fomba namaritan’i Jakôba ny toe-javatra hianjady amin’ireo izay mandika lalàna sy manota. Vakio ny 2 Nefia 9:15–16, ary asio marika ireo tahotra sy fitaintainana hoentin’ny fahotantsika raha toa ka tsy mibebaka isika.

Ankoatra izany fitaintainana izany dia jereo ilay andian-teny hoe “hiala hankany” ao amin’ny 2 Nefia 9:16. Noho ny Sorompanavotana dia hiverina eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra mba hotsaraina. Kanefa raha tsy nibebaka tamin’ny fahotantsika isika dia hoesorina tsy ho eo anatrehan’Andriamanitra indray. Raha toa ka fanomezana ho an’ny olombelona rehetra ny fanavotana tamin’ny Fahalavoana dia miankina amin’ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika kosa ny fanavotana antsika amin’ny fiantraikan’ny fahotantsika manokana. Vakio ny 2 Nefia 9:21, 23–24. Noho ny Sorompanavotana dia inona no azontsika atao mba ho voavonjy amin’ireo fiantraikany maharitra mandrakizay nateraky ny fahotantsika?

Rehefa avy mamaky ny tenin’i Jakôba ianao dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy dia afaka mandresy ny vokatry ny fahotana isika raha toa ka.

Makà fotoana kely ary eritrereto ny zavatra azonao atao mba hahatsapana bebe kokoa ny hery manadion’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Moa ve misy zavatra izay tian’ny Tompo hibebahanao? Eritrereto hoe ahoana no ahafahanao mibebaka amin’ireo zavatra ireo. Ahoana no ahafahanao manaraka kokoa ny feony?

  1. Manorata andinin-tsoratra fohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay maneho ny zavatra tsapanao mikasika ny sorompanavotan’ny Mpamonjy ho anao.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 9 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: