Seminera
Fizarana 30: Andro 1, Etera 4–5


Fizarana 30: Andro 1

Etera 4–5

Fampidirana

Nandidy an’i Môrônia mba hanoratra sy hamehy ny rakitsorany mirakitra ny fahitan’ny rahalahin’i Jarèda ny Tompo. Nanazava i Môrônia fa hampahafantarina ireo rakitsoratra ireo rehefa manana finoana tahaka ny an’ny rahalahin’i Jarèda ny olona. Ho fanampin’izany dia naminany i Môrônia fa amin’ny andro farany dia hijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ny vavolombelona telo.

Etera 4:1–7

Manoratra sy mamehy ny tantara feno momba ny fahitan’ny rahalahin’i Jarèda i Môrônia

Mieritrereta zavatra iray izay tena sarobidy aminao na amin’ny fianakaviana ka mety tianao hapetraka amin’ny toerana tsy takatry ny ankizy. Inona no ilain’ny zaza iray hianarana na atao alohan’ny hitokisanao azy amin’izany zavatra izany?

Toy izany ihany koa dia manana fahamarinana sarobidy izay tiany hozaraina amintsika ny Tompo, kanefa miandry Izy ambara-pahavononantsika handray azy ireny. Eo am-pandalinanao ny Etera 4 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Môrônia ka afaka manampy anao hiomana ny handray fahamarinana sy ny fitarihana lehibe kokoa avy amin’ny Tompo.

Rehefa mamaky ny Etera 3 ianao dia nampiseho tamin’ny rahalahin’i Jarèda fahitana iray ny Tompo, izay nahitany ny mponin’ny tany rehetra—lasa sy ankehitriny ary hoavy—sy ireo zavatra rehetra mikasika ny tany. Dia nodidiana ny rahalahin’i Jarèda mba hanoratra izay zavatra hitany sy hamehy ny asa sorany. Vakio ny Etera 4:4–5 ary tadiavo ny famaritan’i Môrônia ny zavatra naseho tamin’ny rahalahin’i Jarèda. Nanoratra momba ny zavatra hitan’ny rahalahin’i Jarèda i Môrônia ary nodidian’ny Tompo toy izany koa mba hamehy ilay fahitana mba hivoahan’izany amin’ny fotoan’ny Tompo. Ilay fahitana izay lazain’ireto andininy ireto dia tafiditra ao amin’ilay antsoin’ny rehetra hoe ilay ampahany voafehy amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Naminany ny amin’ny fepetra izay tokony hisy alohan’ny hampahafantarana ilay fanambarana nomena ny rahalahin’i Jarèda i Môrônia. Azonao atao ny manisy marika ireo fepetra ireo ao amin’ny Etera 4:6–7.

  1. Mba hanampiana anao hisaintsaina ny dikan’ny hoe “[m]ampihatra finoana [ny Tompo] tahaka ny nataon’ny rahalahin’i Jarèda” (Etera 4:7), dia avereno jerena ny Etera1–3 ary ataovy lisitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba nanehoan’ny rahalahin’i Jarèda finoana sy fahatokisana ny Tompo. Safidio sy farito ihany koa ny iray amin’ireto ohatra ireto izay manaitra anao indrindra ary hazavao ny anton’izany.

Tahaka ny hatokisanao ny ankizy iray amin’ny zavatra sorobidy iray miaraka amin’ny fepetra manokana dia mizara fahamarinana fanampiny amin’ny zanany ny Tompo rehefa maneho ny fahavononantsika ara-panahy sy mino ireo fahamarinana sarobidy izay efa nambarany ary mampihatra finoana Aminy isika.

Etera 4:8–19

Nampianatra izay tsy maintsy ataontsika mba handraisana fanambarana bebe kokoa i Môrônia

Jereo ny lambam-baravarankely iray ao anatin’ny efitrano misy anao. Eritrereto ny fomba hameran’izany lambam-baravarankely izany ny zavatra azonao jerena.

Nampiasa ny sary ohatry ny voaly, izay mitovy amin’ny lambam-baravarankely iray i Môrônia mba hampianarana fitsipika izay mitantana ny fomba ahafahan’ny tsirairay amintsika mahazo fanambarana. Vakio ny Etera 4:15 ary tadiavo ilay andian-teny izay ahitana ny teny hoe voaly. Jereo fa nampitahain’i Môrônia tamin’ny tsy finoana ny voaly iray. Amin’ny fomba ahoana no hitovian’ny tsy finoana amin’ny voaly iray?

Mety hanampy ny mahatakatra fa ny teny hoe hotriarina ao amin’ny Etera 4:15 dia midika hoe rovitina. Alaivo sary an-tsaina izany hoe afaka manatriatra ny voaly eo anelanelanao sy ny fahalalana ny Tompo ianao.

Sary
voaly norovitina teo afovoany

Nofaritan’i Môrônia ireo zavatra izay manampy antsika “[hanatriatra] ity voalin’ny tsy finoana ity” sy hamela antsika handray fanambarana bebe kokoa. Nanomboka tamin’ny fampitandremana ny amin’ny fihetsika izay manakana antsika tsy handray fanambarana bebe kokoa izy. Vakio ny Etera 4:8 ary asio marika ny zavatra hahatonga ny Tompo tsy hanome fanambarana sy “tsy [haneho] zavatra lehibe kokoa.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “[m]ifanditra amin’ny tenin’ny Tompo”? (Etera 4:8).

    2. Inona avy ireo fomba mety “[hifandiran’ny tanora iray] amin’ny tenin’ny Tompo” ankehitriny?

Nampidirin’i Môrônia ny tenin’ny Tompo manokana mba hamaritana ny fomba hahazoana fanambarana fanampiny avy Aminy. Fakafakao ny Etera 4:11, 13–15 ary asio marika ireo andian-teny izay mampianatra ny zavatra tsy maintsy ataontsika mba hanasana ny fanambaran’ny Tompo sy ny ho fihetsiny raha toa ka manao ireo zavatra ireo isika.

Inona avy ireo fitsipika mikasika ny fanambarana sy ny fomba fanasana izany eo amin’ny fiainanao izay azonao ianarana avy amin’ireo andininy ireo? Azonao atao ny manoratra fitsipika iray izay nianaranao avy tamin’ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Etera 4:11.

Fitsipika iray manan-danja azontsika ianarana avy amin’ny torohevitry ny Tompo ny hoe rehefa mampihatra finoana lehibe ny tenin’ny Tompo isika dia hitahy antsika amin’ny fanambarana bebe kokoa Izy amin’ny fotoana sy fomba tiany hanaovana izany.

  1. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony izay eritreretinao fa ilanao mampiseho finoana ny tenin’Andriamanitra izay efa noraisinao talohan’ny nanambaran’ny Tompo misimisy kokoa tamin’izany taminao. Dia omeo isa eo amin’ny mari-drefy 1 ka hatramin’ny 10 ny tenanao (10 no “tena tsara indrindra”) mikasika ny hoe toy ny ahoana araka ny fahatsapanao no halehiben’ny fampiharanao finoana ny Tompo amin’ny alalan’ny fikatsahana sy ny fanarahana ny teniny amin’ny tsirairay amin’ireto lafin-javatra manaraka ireto:

    1. Vavaka isan’andro

    2. Fanarahana ireo bitsika izay azonao amin’ny alalan’ny Fanahy Masina

    3. Fanohanana sy fanarahana ireo mpitondra ao amin’ny sampana, paroasy, distrika, na tsatòka misy anao

    4. Fandalinana ny tenin’Andriamanitra any am-piangonana na amin’ny seminera

    5. Fandalinana manokana ny soratra masina

    6. Fanarahana ny tenin’ireo mpaminany sy fiainana ireo didy

  2. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba nahafahanao nandray fanambarana bebe kokoa avy tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fankatoavana an’Andriamanitra tamin’ny iray amin’ireo lafin-javatra voalaza tetsy ambony.

Saintsaino ny fomba mety ahazoanao mampiditra izany fitsipiky ny fampiharana finoana ny tenin’ny Tompo izany amin’ireo ezaka ataonao mba hanasana fanambarana sy fitarihana fanampiny avy amin’ny Tompo.

Etera 5

Nanambara i Môrônia fa hisy vavolombelona telo hahita sy hijoro ho vavolombelona ny amin’ireo takelaka

Sary
anjely mampiseho ireo takelaka volamena amin’i Joseph Smith, Oliver Cowdery, David Whitmer

Vakio ny Etera 5:1–3. Inona no nosoratan’i Môrônia tao anatin’ireo andininy ireo izay miantefa any amin’ny Mpaminany Joseph Smith—ilay olona izay handika ny rakitsoratra eo amin’ireo takelaka any aoriana any? Alaivo sary an-tsaina hoe mety nanao ahoana tamin’i Joseph Smith ny nahita ireo andininy ireo rehefa nandika ny Bokin’i Môrmôna izy.

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Vakio ity teny manaraka avy amin’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ity, ary mitadiava andian-teny izay manaitra anao mikasika ny fijoroana ho vavolombelon’ireo vavolombelona telo: “Tsy nandà na oviana na oviana ny fijoroany ho vavolombelona ny amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo vavolombelona telo. Tsy afaka nanao izany izy ireo satria fantatr’izy ireo fa marina izany. Nanao fahafoizan-tena maro izy ireo ary niaina zava-tsarotra maro mihoatra noho izay fantatry ny ankamaroan’ny olona. Nanome fijoroana ho vavolombelona mitovy tamin’izany mikasika ny fiavian’ny Bokin’i Môrmôna avy any an-danitra i Oliver Cowder raha iny izy nandry ho faty iny. … Ny fanohizan’izy ireo nanamafy izay zavatra hitany sy reny tao anatin’izany zavatra niainana mahatalanjona izany, nandritra ny fotoana naharitra nisarahan’izy ireo tamin’ny Fiangonana sy lavitra an’i Joseph dia mahatonga ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona ho mahery kokoa” (“An Enduring Testimony of the Mission of the Prophet Joseph,” Ensign na Liahona, nôv. 2003, 90

Araka ny Etera 5:2–3, inona no mety ho tombontsoa ho an’ny Mpaminany Joseph Smith amin’izay azony atao amin’ireo takelaka?

  1. Tahaka ireo lehilahy telo izay nahazo tombontsoa ho vavolombelon’ny fisian’ireo takelaka volamena dia afaka ny ho tonga vavolombelon’ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna ihany koa ianao. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba vitsivitsy izay hahafahanao ho vavolombelon’ny Bokin’i Môrmôna. Ho fanampin’izany dia soraty ny fomba ahafahan’ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna hisy fiantraikany amin’ny olon-kafa.

Mikatsaha ombam-bavaka fahafahana hizara ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny Bokin’i Môrmôna amin’ny olona iray amin’ity herinandro ity.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Etera 4–5 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: