Seminera
Fizarana 17: Andro 4, Almà 23–24


Fizarana 17: Andro 4

Almà 23–24

Fampidirana

Nitory ny fahafahana ara-pivavahana teo anivon’ny vahoakany ny mpanjakan’ny Lamanita taorian’ny fiovam-pony. Namela an’i Aharôna sy ireo rahalahiny hitory ny filazantsara sy hanangana fiangonana tao amin’ny tanàna Lamanita maro izany fanambarana izany. Lamanita an’arivony no niova fo ary tsy nania intsony. Nanao fanekempihavanana hanary ny fitaovam-piadiany ireo Lamanita izay niova fo ho an’ny Tompo ireo. Nampitondra ny anarana hoe Antia-Nefia-Lehia tamin’ny tenany izy ireo. Betsaka tamin’ireo Antia-Nefia-Lehia no nanao sorona ny ain’izay ireo toy izay hoe handika fanekempihavanany rehefa nanafika ireo Lamanita tsy niova fo.

(Almà 23

Lamanita an’arivony no niova fo ho an’ny Tompo sy nanova ny anarany ho Antia-Nefia-Lehia

  1. Manaova sarina endrika faly sy endrika malahelo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Omeo anarana hoe Mahatoky ilay endrika faly ary Miovaova ilay endrika malahelo. Eo am-pamakianao ity fanambarana manaraka izay nataon’ny Loholona Richard G. Scott ity dia mitadiava teny na fehezanteny izay mamaritra ireo karazan’olona roa samy hafa ireo. Soraty eo ambanin’ny sary mifanaraka amin’izany ireo teny na fehezanteny ireo.

Sary
Loholona Richard G. Scott

“Ny tsirairay amintsika dia nahita ny fomba anaovan’ireo olona sasany tsy an-kitsahatra ny zavatra tsara eo amin’ny fiainana. Toa sambatra izy ireo, eny heniky ny hafaliana momba ny fiainana. Rehefa ilaina ny manao safidy sarotra dia toa manao ireo tsara hatrany izy ireo, eny fa na dia teo aza ireo fakam-panahy hafa nisy teo anoloan’izy ireo. Fantatsika fa hiharan’ny fakam-panahy izy ireo, saingy toa tsy mahatsikaritra izany izy ireo. Toy izany koa dia hitantsika ny fomba tsy tena nampahery fo ny hafa tamin’ny fanapahan-kevitra noraisin’izy ireo. Ao anatin’ny tontolo hisian’ny fitaomam-panahy mahery vaika, dia manapa-kevitra ny ho tsaratsara kokoa izy ireo, hanova ny lalam-piainan’izy ireo, ary hanary ireo fahazarana mampalemy azy ireo. Tena mahitsy fo izy ireo amin’ny fanapahan-keviny hiova, kanefa tsy ela akory izy ireo dia manao indray ireo zavatra nanapahany hevitra fa havelany.

“Inona no maha samy hafa ny fiainan’ireto andian’olona roa ireto? Amin’ny fomba ahoana no ahafahanao manao safidy tsara hatrany?” (“Full Conversion Brings Happiness,” Ensign, mey 2002, 24).

Saintsaino ny fomba hamalianao ireo fanontaniana roa izay napetraky ny Loholona Scott ireo. Eo am-pandalinanao ny Almà 23–24, dia mieritrereta mikasika ny antony mahatonga ny maro amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana hijanona ho mahatoky amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainan’izy ireo.

Nandefa fanambarana teo anivon’ny vahoakany ny mpanjakan’ny Lamanita taorian’ny niovany fo ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, ary nisy fahagagana nitranga. Lamanita an’arivony ihany koa no niova fo. Vakio ny Almà 23:1–5 ahitana hoe inona ilay fanambarana ary tamin’ny fomba ahoana no nitrangan’ilay fahagagana.

Vakio ny Almà 23:6–7. Firy tamin’ireo an’arivony izay “niova fo ho an’ny Tompo” no nijanona ho niova fo nandritra ny fiainan’izy ireo manontolo?

Taorian’ny niovan’ireto Lamanita ireto fo dia te ho antsoina amin’ny anarana vaovao izy ireo mba tsy ho fantatra amin’ny hoe Lamanita intsony. Vakio ny Almà 23:16–18, ary fantaro ny anarana nosafidian’izy ireo sy ireo fahasoavana izay tonga taminy noho ny fahatokian’izy ireo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, eo ambanin’ilay endrika nomena anarana hoe “Mahatoky” ny zavatra nianaranao avy tamin’ny Antia-Nefia-Lehia mikasika ny hoe mahatoky ho an’ny Tompo mandritra ny fiainanao manontolo.

Soraty ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao fahamarinana manaraka izao: Midika hoe fiovana ara-panahy sy fahatongavana ho olom-baovao amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra ny fiovampo. Afaka ny ho tonga olom-baovao amin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra sy mijanona ho miova fo mandritra ny fiainanao manontolo, tahaka ny niovan’ireo Antia-Nefia-Lehia ianao raha toa ka vonona ny handray ny herin’ny Sorompanavotana amin’ny alalan’ny finoanao sy ny fibebahana.

Avereno jerena ireo fanontaniana roa napetraky ny Loholona Scott, ary vakio ny valinteniny avy eo: “ Vokatry ny finoana, ny fibebahana, ary ny fankatoavana tsy tapaka ny fiovampo marina. … Hampatanjaka ny fahafahanao hanao izay fantatrao fa tokony hataonao, amin’ny fotoana tokony hanaovanao izany, na inona na inona toe-java-mitranga ny fiovampo marina” (“Full Conversion Brings Happiness,” 25).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 23:18, dia nanomboka ho lasa olona tena niasa sy nisakaiza tamin’ny Nefita ireo Lamanita niova fo. Rehefa miezaka ny mibebaka sy manova ny fiainany ny olona, nahoana no zava-dehibe ho an’izy ireo ny miaraka amin’ny olona hafa izay miezaka miaina amim-pahamarinana koa?

  2. Fakafakao ireo teny izay nataonao lisitra teo ambanin’ilay endrika “Mahatoky” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Eritrereto ny fomba hamaritan’ireo teny ireo hoe hatraiza ny fiovam-ponao. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra ho ataonao hahatonga anao hiova fo tanteraka ho an’ny Tompo.

Almà 24

Manao fanekempihavanana ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony ny Antia-Nefia-Lehia

Sary
Ireo Antia-Nefia-Lehia Mandevina ny Sabatr’Izy Ireo

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 24:3 dia natolotry ny mpanjakan’ny Lamanita ny zanany lahy ny fanjakana talohan’ny nahafatesany, ary nomeny anarana hoe Antia-Nefia-Lehia ny zanany lahy. Vakio ny Almà 24:1–5 ahitana ilay olana nihanitombo afaka fotoana fohy izay nitarika an’i Amôna sy ireo rahalahiny nanao filankevitra niaraka tamin’ny mpanjaka. Rehefa fantatra fa hiady tamin’ny Antia-Nefia-Lehia ireo Lamanita tsy niova fo dia nanapa-kevitra ny tsy hanao fiomanana amin’ny ady hiarovan-tena ireto vahoaka marina ireto (jereo ny Almà 24:6). Vakio ny Almà 24:7–14, ary fantaro ny antony nandraisan’ny Antia-Nefia-Lehia izany fanapahan-kevitra izany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao avy tamin’ny Antia-Nefia-Lehia mikasika ny dikan’ny hoe mahafoy ny fahotantsika isika rehefa mibebaka.

Vakio ny Almà 24:15–18, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Antia-Nefia-Lehia nanehoany tamin’ny Tompo fa tena nibebaka marina izy ireo. Nahoana ny vahoaka no nandevina lalina tany ambanin’ny tany ny sabany sy ireo fitaovam-piadiany hafa? (Jereo ny Almà 24:17–18.)

Sary
Filoha Spencer W. Kimball

Tokony hiezaka ny tsy hanao ireny fahotana ireny intsony eo amin’ny fiainantsika isika rehefa mibebaka amin’ny fahotantsika. Vakio ny nampianarin’ny Filoha Spencer W. Kimball momba ny fahafoizana ny fahotana ho ampahany mandan-danja amin’ny fibebahana manao hoe: “Tsy afaka ny hanantena toe-javatra tsaratsara kokoa fotsiny ny olona iray rehefa mamoy ny fahotana. Mila manamboatra izany toe-javatra izany izy. … Mila azony antoka fa tsy namoy ilay fahotana fotsiny izy fa nanova ihany koa ireo toe-javatra manodidina ilay fahotana. Mila misintaka amin’ireo toerana sy ireo toe-javatra izay nitrangan’ilay fahotana izy, satria mety hiteraka mora foana ilay fahotana indray izany. Mila mamoy ireo olona izay niara-nanaovana ilay fahotana izy. Tsy voatery hankahala ireo olona niara-nanao izany izy kanefa mila misintaka amin’izy ireo sy ny zava-drehetra izay mifandray amin’ilay fahotana. Mila … manorina fiainana vaovao izy. Tsy maintsy manaisotra izay rehetra mety hamoha ireo fahatsiarovana taloha izy” (Le Miracle du Pardon[1969], 171–72).

Asio marika ireo teny na fehezanteny izay maneho ny fibebahan’ireo Antia-Nefia-Lehia sy ny famelan’Andriamanitra ny fahotan’izy ireo ao amin’ny Almà 24:10–12. Soraty eo amin’ny sisiny eo akaikin’ireo andininy ireo ity fitsipika manaraka ity: Hanaisotra ny fahamelohantsika sy hanampy antsika hijanona ho madio Andriamanitra rehefa manao izay rehetra vitantsika hibebahana isika. Jereo ny tantaran’ny Antia-Nefia-Lehia izay nandevina ny fitaovam-piadiana tany ambanin’ny tany. Mbola ilaintsika ny “mandevina” ny fahotantsika amin’izao androntsika izao hanehoana amin’ny Tompo fa manao izay rehetra vitantsika isika hibebahana ary tsy hamerenana intsony ireny fahotana ireny.

  1. Eritrereto ny fomba hakan’ireto olona amin’ireto toe-java-mitranga manaraka ireto antoka fa tsy hamerina ireo fahotana ireo intsony izy ireo. Soraty eo ambanin’ny toe-java-mitranga tsirairay ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sosokevitrao:

    1. Nijery pôrnôgrafia tao anatin’ny horonan-tsary iray ny olona iray satria namporisihan’ny namany hijery ilay horonan-tsary niaraka tamin’izy ireo izy.

    2. Nandika an-kiafinafina ny lalàn’ny Tenin’ny Fahendrena niaraka tamin’ny namany ny olona iray rehefa niara-nivoaka alina izy ireo.

    3. Nizara ny valim-panontanianana tamin’ny fanadinana vitany tamin’ny namany izay niomana ny hanao izany fanadinana izany ny ampitso ny olona iray.

Saintsaino ity fanontaniana manaraka ity: Inona no ilainao “halevina” eo amin’ny fiainanao mba hahatonga anao tsy ho azon’ny fakam-panahy hanao ny fahotana izay efa nibebahanao?

Vakio ny Almà 24:19–22 ahitana ny zavatra nataon’ireo Antia-Nefia-Lehia rehefa tonga niady tamin’izy ireo ny Lamanita. Nampiseho ny fandavantenany tamin’ny Tompo tamin’ny alalan’ny fahavononana ny ho faty toy izay ny handrava ny fampanantenana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo ireto vahoaka ireto. Nomeny tanteraka ny Tompo ny fiainan’izy ireo, ary nijanona ho mahatoky tanteraka taminy nandritra ny fiainany manontolo izy ireo.

Vakio ny zavatra nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson momba ny fanomezana ny fiainantsika ho an’ny Tompo:

Sary
Filoha Ezra Taft Benson

“Tarihin’i Kristy ny lehilahy [sy ny vehivavy] niova ho Azy. Hanontany tahaka an’i Paoly izy ireo hoe: ‘Tompo ô, inona no tianao hataoko?’ (Asan’ ny Apôstôly 9:6.) …

“Tsy hitady ny sitrapony izy ireo fa ny sitrapon’izay naniraka azy. (Jereo ny Jaona 5:30.)

“Ataon’izy ireo hatrany ireo zavatra mahafaly ny Tompo. (Jereo ny Jaona 8:29.)

“ Tsy te ho faty ho an’ny Tompo fotsiny izy ireo, fa manan-danja kokoa noho izay, dia te ho velona ho Azy izy ireo.

“Midira ao an-tokantranon’izy ireo dia hanambara ny maha Kristiana azy ny sary eny amin’ny rindriny, ny boky eny amin’ny fitoeram-bokiny, ny hira mandeha, ny tenin’izy ireo ary ny asa ataony.

“Mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra, amin’ny zava-drehetra, ary amin’ny toerana rehetra izy ireo. (Jereo ny Môsià 18:9.)

“Manana an’i Kristy ao an-tsainy izy ireo rehefa mibanjina Azy amin’ny eritreritra rehetra. (Jereo ny F&F 6:36.)

“Manana an’i Kristy ao am-pony izy ireo rehefa apetrany amin’ny Tompo mandrakizay ny fitiavany rehetra. (Jereo ny Almà 37:36.)” (“Born of God,” Ensign,nôv. 1985, 5–7).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Mandritra ity herinandro ity, inona avy ireo fomba ahafahanao maneho fa nomenao tanteraka ny Tompo ny fiainanao?

Vakio ny Almà 24:23–27, izay mamaritra ny fihetsik’ireo Lamanita rehefa hitan’izy ireo fa tsy hiady ireo Antia-Nefia-Lehia. Eo am-pamakianao dia tadiavo ireo teny na fehezanteny izay mampianatra ity fitsipika ity: Afaka manampy ny hafa hiova fo isika amin’ny alalan’ny fijanonana ho mahatoky ho an’ny Tompo. Mieritrereta fomba mety hahasarika ireo olona voafaritra manokana ao amin’ny fianakavianao na ny namanao amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra raisinao mba ho mahatoky ho an’ny Tompo.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 23–24 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: