Seminera
Fizarana 29: Andro 2, Môrmôna 9


Fizarana 29: Andro 2

Môrmôna 9

Fampidirana

Namarana ny rakitsoratry ny rainy tamin’ny alalan’ny fiantsoana ireo izay tsy nino an’i Jesoa Kristy mba hitodika amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fibebahana i Môrônia. Nampianatra izy fa Andriamanitra dia Andriamanitry ny fahagagana izay tsy miova. Nampianatra ihany koa izy fa rehefa mitsahatra amin’ny fananana finoana ihany ny olona vao mitsahatra ireo fahagagana. Namporisika ny olombelona rehetra izy mba hivavaka amin’ny Ray amin’ny anaran’i Jesoa Kristy mba hahazoan’izy ireo ireo zavatra ilainy ireo.

Môrmôna 9:1–6

Manainga ireo izay tsy mino an’i Jesoa Kristy mba hibebaka i Môrônia

Alaivo sary an-tsaina izay mety ho eritreretinao sy ho tsapanao raha toa ka hiditra ho eo anatrehan’Andriamanitra ianao anio. Inona araka ny eritreritrao no ho tsapan’ireo olon-dratsy eo anatrehany? Vakio ny Môrmôna 9:1–5, ary jereo fa namaritra izay hitranga any aoriana any i Môrônia rehefa entina eo anatrehan’Andriamanitra amin’izay ireo izay misafidy ny tsy hino an’i Jesoa Kristy.

Nanazava ny Filoha Joseph Fielding Smith fa olona maro no mino amin’ny fomba diso fa hahazo aina izy ireo eo anatrehan’Andriamanitra na dia tsy nibebaka tamin’ny fahotany aza:

Sary
Filoha Joseph Fielding Smith

“Tsy afaka hisy famonjena raha tsy misy ny fibebahana. Tsy afaka hiditra ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra ao anatin’ny fahotany ny olona iray. Ho zavatra tena mifanohitra ho an’ny olona iray izany hiditra eo anatrehan’ny Ray sy hitoetra eo anatrehan’Andriamanitra ao anatin’ny fahotany izany. …

“Heveriko fa misy olona betsaka dia betsaka eto ambonin’ny tany, ary betsaka amin’izy ireo angamba no ato am-piangonana—na farafahakeliny ato am-piangonana ny sasany—izay mihevitra fa afaka miaina ity fiainana ity araka izay tiany izy ireo, mandika ireo didin’ny Tompo, ary dia mbola hiditra eo anatrehany ihany any aoriana any. Mieritreritra izy ireo fa hibebaka, angamba any amin’ny tontolon’ny fanahy.

“Tokony mamaky ireto tenin’i Môrônia ireto izy ireo: ‘Moa heverinareo va fa hiara-hitoetra Aminy ianareo amin’ ny fahatsapana ny helokareo? Moa heverinareo va fa mety ho sambatra ianareo hiara-hitoetra amin’ Ilay Masina, kanefa ny fanahinareo ifandroritan’ ny fahatsapana ny heloka, satria efa nandika mandrakariva ny lalàny ianareo?

“‘Indro, lazaiko aminareo fa ho fadiranovana kokoa ianareo raha hiara-hitoetra amin’ Ilay Andriamanitra marina sy masina, noho ny fahatsapana ny fahalotoanareo eo anoloany, toy izay hiara-hitoetra amin’ ny fanahin’ ny voaheloka ao amin’ ny helo. Satria indro, rehefa hoentina hahita ny fitanjahanareo eo anoloan’ Andriamanitra ianareo, ary koa ny voninahitr’ Andriamanitra sy ny fahamasinan’ i Jesoa Kristy, izany dia handrehitra ny lelafon’ ny afo tsy mety maty eo aminareo’ [Môrmôna 9:3–5]” (Doctrines of Salvation, comp. Bruce R. McConkie, 3 vols. [1954–56], 2:195–96).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Nahoana araka ny eritreritrao no fahadisoana ny mampiandry ny fibebahana eto amin’ity fiainana ity, ary mino fa afaka mibebaka ianao amin’ny fiainana manaraka? (Azonao ampiasaina ny zavatra nianaranao tao amin’ny Môrmôna 9:1–5; Almà12:14; ary ny Almà 34:32–34 ao amin’ny valinteninao.)

Vakio ny Môrmôna 9:6, ary tadiavo ny zavatra tsy maintsy ataon’ny “tsy mino” mba hialana amin’ilay fahoriana nofaritan’i Môrônia. Asio marika ireo teny ao amin’ny Môrmôna 9:6 izay mamaritra ny toetoetran’ireo olona izay mitodika amin’Andriamanitra sy mangataka famelan-keloka Aminy. Mianatra isika avy amin’ity andininy ity fa: Raha toa ka mibebaka sy mangataka amin’Andriamanitra isika dia ho tsy misy pentina isika rehefa mankeo anatrehany. Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao na ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fitsipika ity.

  1. Manorata fehezanteny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fahazoanao an-tsaina ny zavatra ho tsapanao eo anatrehan’Andriamanitra raha toa ka fantatrao fa natao madio sy tsy misy pentina tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ianao.

Afaka miomana ny hahazo aina eo anatrehan’Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny fibebahana sy fiainana amim-pahamarinana. Saintsaino ny zavatra manan-danja indrindra tsapanao fa azonao atao ankehitriny mba ho vonona hihaona amin’Andriamanitra.

Môrmôna 9:7–20

Nanambara i Môrônia fa manatanteraka fahagagana sy mamaly ny vavak’ireo mahatoky Andriamanitra

Sary
Kristy Manasitrana Lehilahy Iray Jamba

Efa nahita na niaina fahagagana iray ve ianao? Soraty ny famaritanao ny teny hoe fahagagana:

Jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny teny hoe fahagagana mba hanazavana na hanampiana ny famaritanao. Nahoana araka ny eritreritrao no tsy mino ny fahagagana ny olona sasany ankehitriny?

Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrmôna 9:7–8, i Môrônia dia nanoratra ho an’ireo olona amin’ny andro farany izay handà fa velona Andriamanitra, fa manome fanambarana Izy, ary mandrotsaka ireo fanomezam-pahasoavana amin’ireo izay mahatoky Izy. Nampianatra tamin-kery i Môrônia fa misy Andriamanitra iray ary tsy miova Izy “omaly sy anio ary mandrakizay” ( Môrmôna 9:9). Manohy manao fahagagana eo anivon’ireo olona mahatoky amin’ny vanim-potoana rehetra Izy. Vakio ny Môrmôna 9:9–11, 15–19, ary fantaro ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny toetran’Andriamanitra mba hahafahany manampy ny olona hino fa mbola manao fahagagana Andriamanitra.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nianaranao mikasika ny toetran’Andriamanitra tao amin’ny Môrmôna 9:9–11, 15–19. Soraty ihany koa ny valinteninao amin’ity fanontaniana ity: Inona no ampianarin’ireo andininy ireo anao mikasika ny fahavononan’Andriamanitra sy ny fahafahany manatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainan’ny olona ankehitriny?

Vakio ny Môrmôna 9:20, ary mitadiava antony mety tsy ahitan’ny olona sasany fahagagana.

Mampianatra ity fitsipika ity ny tenin’i Môrônia voarakitra ao amin’ny Môrmôna 9:9–19 hoe: Hanome fahagagana araka ny finoan’ny zanany Andriamanitra satria tsy miova Izy. Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môrmôna 9:19–20 ity fitsipika ity.

Afaka mahita ny hery mahagagan’Andriamanitra amin’ny fomba maro isika eo amin’ny fiainantsika. Taorian’ny namerenany nijery ireo fahagagana lehibe voafaritra ao anatin’ny soratra masina dia nampianatra ny Rahavavy Sydney S. Reynolds, izay nanompo tao amin’ny Fiadidian’ny Kilonga manerantany hoe:

“Tahaka ny maha-zava-dehibe ireto ‘fahagagana lehibe’ ireto ireo ‘fahagagana an’ny tena manokana’ kelikely kokoa izay mampianatra ny tsirairay amintsika mba hanana finoana ny Tompo. Tonga ireny rehefa mahafantatra sy mihaino ireo bitsiky ny Fanahy isika eo amin’ny fiainantsika. …

“Mino aho fa afaka mijoro ho vavolombelona ny amin’ireny fahagagana kely ireny isika. Mahafantatra ankizy izay mangataka fanampiana mba hahita zavatra iray very isika dia hita izany. Fantatsika ny amin’ireo tanora izay manangona risipo mba hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra sy mba hahatsapa ny tànany manohana. Mahafantatra namana izay mandoa ny fahafolon-karen’izy ireo amin’ny volan’izy ireo sisa isika ary avy eo, amin’ny alalan’ny fahagagana, dia toa afaka nandoa ny saram-pianarany na ny hofan-tranon’izy ireo na nahazo sakafo ho an’ny fianakavian’izy ireo amin’ny fomba tsy hay hoe ahoana. Afaka mizara ireo traikefan’ny vavaka izay voavaly isika, sy ireo fitahian’ny fisoronana izay nanome risipo, nitondra fampiononana, na namerina ny fahasalamana. Ireny fahagagana isan’andro ireny dia mahatonga antsika ahafantatra ny tànan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika (“A God of Miracles,” Ensign, mey 2001, 12).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny zavatra iray izay niainanao na traikefa iray fantatrao izay manamarina fa mbola Andriamanitry ny fahagagana hatrany Andriamanitra ankehitriny.

Môrmôna 9:21–37

Nampianatra mikasika ny vavaka sy mikasika ny tanjon’ny rakitsoratry ny Nefita i Môrônia

Sary
zazavavy mivavaka

Mahatsiaro fotoana iray ve ianao izay nahatsapanao fa nanome ny fanampiana nilainao Andriamanitra satria nivavaka ianao? Vakio ny Môrmôna 9:21, ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fivavahana amin’ny Ray any an-danitra mba ho fanampiana.

Vakio ity fanambarana manaraka ity ary tadiavo ny dikan’ny hoe mivavaka amin’ny anaran’i Kristy: “Mivavaka amin’ny anaran’i Kristy isika rehefa ny eritreritr’i Kristy no eritreritsika, ary ny fanirian’i Kristy no faniriantsika—rehefa mitoetra ao anatintsika ny teniny (Jaona 15:7). Dia mangataka ireo zavatra izay azon’Andriamanitra atolotra isika avy eo. Betsaka ireo vavaka izay mitoetra tsy misy valiny satria tsy amin’ny anaran’i Kristy velively izy ireny; tsy maneho velively ny eritreriny izy ireny, fa vokatry ny fitiavan-tenan’ny fon’ny olona” (Bible Dictionary, “Vavaka”).

Eritrereto ireo vavaka fanaonao manokana araka izay vao novakinao teo. Inona no azonao atao mba hivavahana bebe kokoa amin’ny anaran’i Jesoa Kristy?

Mba hanomezana ohatra iray ny amin’ny vahoaka izay nino ny Mpamonjy sy afaka nanao fahagagana dia nilaza izay nampianarin’i Jesoa Kristy tamin’ireo mpianany Nefita i Môrônia. Araka ny voarakitra ao amin’ny Môrmôna 9:22–25 dia nandidy ny mpianany mba handeha any amin’izao tontolo izao sy hitory ny filazantsara ny Mpamonjy ary nampanantena fa hisy “famantarana hanaraka izay mino” (Môrmôna 9:24). Dia nanohy ireo fampianarany mikasika ny vavaka i Môrônia avy eo.

  1. Vakio ny Môrmôna 9:27–29, ary fantaro ny zavatra nampianarin’i Môrônia mikasika ny fomba tokony hivavahantsika amim-pinoana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo zavatra hitanao. Avy eo dia manorata fehezanteny vitsivitsy izay mamaritra ny fomba hahafahanao mampiasa ny iray amin’ireo fampianarana ireo mba hanatsarana ireo vavakao manokana.

Azonao atao ny manoratra ity fitsipika manaraka ity ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môrmôna 9:27: Rehefa mivavaka amim-pinoana amin’ny Ray any an-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy isika dia hanolotra ireo fitahiana izay hanampy antsika hilofo amin’ny famonjena antsika Izy.

Rehefa namarana ny teniny i Môrônia dia naneho ny fanahiany izy fa handà ny Bokin’i Môrmôna ny olona sasany amin’ny andro farany noho ny tsy fahatanterahan’ireo izay nanoratra izany (jereo ny Môrmôna 9:30–34). Vakio ny Môrmôna 9:35–37, ary tadiavo ny zavatra nambaran’i Môrônia mikasika ireo tanjon’ny Bokin’i Môrmôna.

Saintsaino ny maha-porofo fanampiny ny fivoahan’ny Bokin’i Môrmôna fa Andriamanitry ny fahagagana Andriamanitra ary mamaly vavaka Izy.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrmôna 9 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: