Seminera
2 Nefia


Fampahafantarana ny 2 Nefia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ny boky 2 Nefia dia hanampy anao hahatakatra fotopampianarana fototra an’ny filazantsara, toy ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva, ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ary ny fahafahana misafidy. Ankoatra izany, io boky io dia feno faminaniana avy amin’i Nefia, sy i Jakôba ary i Isaia izay vavolombelona manokan’ny Mpamonjy. Naminany mikasika ny Famerenana amin’ny Laoniny ny filazantsara amin’ny andro farany izy ireo, sy ny fanangonana ny vahoakan’ny fanekempihavanan’Andriamanitra ary ny Arivotaona. Ny boky 2 Nefia koa dia ahitana ny fanazavan’i Nefia ny fotopampianaran’i Kristy ary mifarana amin’ny fijoroan’i Nefia ho vavolombelona momba ny Mpamonjy.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Nefia, zanakalahin’i Lehia no nanoratra ny 2 Nefia. I Nefia dia mpaminany sy mpitarika lehibe voalohan’ny vahoaka Nefita. Ny rakitsorany dia maneho fa niaina ny hery manavotry ny Tompo izy (jereo ny 2 Nefia 4:15–35; 33:6) ary naniry tamin’ny fony iray manontolo mba hitondra famonjena ho an’ny olony (jereo ny 2 Nefia 33:3–4). Mba hanatanterahana izany tanjona izany dia nanorina tempoly iray izy ary nampianatra ny olony mba hino an’i Jesoa Kristy.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

I Nefia dia nanomboka nanoratra ilay tantara izay lasa 2 Nefia teo ho eo amin’ny 570 Talohan’i Kristy—30 taona taorian’ny nandaozan’izy sy ny fianakaviany an’i Jerosalema (jereo ny 2 Nefia 5:28–31). Nanoratra izany izy fony tany amin’ny Tanin’i Nefia (jereo ny 2 Nefia 5:8, 28–34).