Seminera
Fizarana 25: Andro 4, 3 Nefia 15–16


Fizarana 25: Andro 4

3 Nefia 15–16

Fampidirana

Rehefa nanohy nampianatra ny vahoaka tao amin’ny tempoly ny Mpamonjy tany an-tanin’i Soafeno, dia nanambara Izy fa tanteraka tao Aminy ny lalàn’i Mosesy ary Izy no fahazavana sy lalàna izay tokony hitodihan’ny vahoaka. Nanazava tamin’ireo mpianatra Nefita roambinifolo ny Mpamonjy avy eo fa ny vahoaka any Amerika no ireo sasany amin’ireo “ondry hafa” izay noresahany tamin’ireo vahoaka tany Jerosalema (jereo ny Jaona 10:14–16). Nampanantena ihany koa Izy fa ireo izay mibebaka ka miverina any Aminy dia hataony ho isan’ireo vahoakan’ny fanekempihavanany.

Sary
Kristy tany an-tanin’i Soafeno

3 Nefia 15:1–10

Nanambara ny Mpamonjy fa nahatanteraka ny lalàn’i Mosesy Izy

Efa nisy fotoana ve nanontanianao tena hoe nahoana ny Tompo no mangataka antsika hankatò lalàna sy didy voafaritra tsara, toy ny fandoavana fahafolonkarena, fitandremana ny andro Sabata, na fanajana ireo ray aman-drenintsika? Rehefa nanohy nampianatra ny Nefita i Jesoa Kristy dia nampianariny azy ireo ny tanjona fototra ao ambadik’ireo lalàny sy didiny. Jereo io tanjona io eo am-pandalinanao ny 3 Nefia 15.

Rehefa avy niteny tamin’ny valalabemandry ny Mpamonjy dia tsikariny fa nanana fanontaniana ny sasany teo anivon’izy ireo. Vakio ny 3 Nefia 15:1–2 ary soraty ny zavatra nampitalanjona sy nampanontany tena ny vahoaka:

Mba hahatakarana ny antony nampitalanjona sy nampanontany tena ny Nefita tamin’ny fanambaran’ny Mpamonjy hoe efa lasana ny “zavatra taloha” tao amin’ny lalàn’i Mosesy ary “efa tonga vaovao ny zavatra rehetra,” dia manampy ny mahatakatra fa nahafantatra sy niaina teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy nandritra ny taonjato maro ireo Nefita. Ny lalàn’izy ireo, sy ny fombafombany, ary ny rafitry ny fiangonany dia nifototra tamin’ny lalàn’i Mosesy, izay lalàna nomen’i Jesoa Kristy fahiny fony izy tsy mbola teraka tety an-tany, mba hanomanana ny vahoakany ho amin’ny fiaviany sy hampitodihana azy ireo any amin’ny Sorompanavotany. Fa tamin’io fotoana io dia nijoro teo anoloan’izy ireo Ilay Andriamanitra Mpanome lalàna ka nanambara fa efa tontosa ilay Sorompanavotana (jereo ny 3 Nefia 11:10–14) ary tanteraka tao Aminy ny lalàn’i Mosesy (jereo ny 3 Nefia 9:16–20; 12:46–47). Ny fanambarany hoe “efa lasana” ireo zavatra taloha tao amin’ny lalàn’i Mosesy ary zavatra vaovao no hisolo ny toeran’ny lalàna dia nanova tampoka teo ny fomba nitsaohan’izy ireo an’Andriamanitra.

Namaly ny ahiahin’izy ireo ny Mpamonjy tamin’ny fanantitranterana fotopampianarana iray tena manan-danja. Vakio ny 3 Nefia 15:3–5, 9 ary lokoy miavaka ireo andian-teny ao amin’ny valintenin’ny Mpamonjy izay mety nanome antoka ireo Nefita fa tsy niova ny loharano nipoiran’ny lalàna.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona araka ny hevitrao no nampianarin’i Jesoa an’ireo Nefita rehefa nilaza Izy hoe “Izaho no lalàna”? (3 Nefia 15:9).

Ny fampianaran’ny Mpamonjy ao anatin’ireo andininy ireo no ahafahantsika mianatra fa i Jesoa Kristy no tanjon’ny lalàna sy ny didy rehetra ao amin’ny filazantsara. Saintsaino ny antony tokony ho naha-nanan-danja io fahamarinana io tamin’ny Nefita rehefa nahafantatra izy ireo fa nosoloina lalàna ambonimbony kokoa ireo lalàn’i Mosesy ary rehefa niaina fiovana teo amin’ny fomba fitsaohan’izy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 15:9–10 ary asio marika ny zavatra tian’ny Tompo atao[ntsika] avy amin’io fotopampianarana io. Ampiasao izay nianaranao tao amin’ireo andininy ireo mba hamenoana ity fitsipika manaraka ity: Raha amin’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny fitandremana , dia hanome antsika Izy.

  1. Eritrereto ireo didy toy ny fandoavana fahafolonkarena, sy ny fitandremana ny andro Sabata, ary ny fanajana ireo ray aman-drenintsika, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray manaraka ireo didy kanefa tsy mbola mijery any amin’i Kristy?

    2. Amin’ny fomba ahoana no mety hiovan’ny fankatoavantsika ireo didy raha ny hijery any amin’i Kristy no hifantohantsika fa tsy ny hankatò fotsiny ireo fitsipiny?

Fomba iray mety hiovan’ny fankatoavantsika ireo didy, raha mijery any amin’i Kristy isika, ny hoe hiovan’ny antony manosika antsika hankatò miala amin’ny hoe adidy, na fitiavana ilay fitsipika, ka lasa fitiavana ny Tompo.

Sary
Loholona Marvin J. Ashton

Vakio ity teny nolazain’ny Loholona Marvin J. Ashton tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Fampitoniana sy fitahiana ara-panahy lehibe tokoa ny mahafantatra fa raha mijery any amin’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika isika ary maharitra hatramin’ny farany dia afaka hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny fisandratana. … Lasa mora atonina Andriamanitra rehefa mijery Azy isika. Ny fijerena an’Andriamanitra dia mampianatra antsika ny hanompo sy hiaina tsy misy teritery [tsy terena hanao zavatra iray]” (“There Are Many Gifts,” Ensign, nôv. 1987, 21).

  1. Misafidiana didy iray izay mety nampanontany tena anao hoe nahoana no tokony hankatoavina, ary eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fankatoavana io didy io mitondra anao mankany amin’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mametraka tanjona ny mba ho mpankatò kokoa ilay didy nofidinao ary manorata hevitra vitsivitsy mikasika ny fomba anatanterahana izany. Raketo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao.

3 Nefia 15:11–16:5

Niresaka tamin’ireo mpianany momba ireo ondriny hafa i Jesoa Kristy

Sary
Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Baiboly
Sary
Mijoro ho Vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy ny Bokin’i Môrmôna

Efa nisy fotoana ve nahatsapanao ho adino na irery ka nanontany tena raha toa ka mahafantatra anao ny Ray any an-danitra? Na dia mety mahatsapa ho irery aza isika na mahatsapa ho latsa-danja amin’ny hafa indraindray, dia miahy ny vahoakany Andriamanitra ary maneho ny tenany amin’izy ireo. Mitadiava porofon’io fahamarinana io eo am-pandalinanao ny sisa tavela amin’ny 3 Nefia 15 sy ny fiantombohan’ny 3 Nefia 16.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ny Bokin’i Môrmôna dia nanompo teo anivon’ny vahoaka tany amin’ny Tontolo Fahiny sy tany Amerika i Jesoa Kristy. Vakio ny 3 Nefia 15:11–17 mba hitadiavana izay nolazain’ny Tompo fa hoe nolazainy tamin’ireo tao Jerosalema mikasika ny vahoakany tany Amerika.

Ny hoe “Ondry hafa” dia entina ilazana ireo mpanara-dia hafa an’ilay Mpiandry ondry, dia i Jesoa Kristy. Ny vala dia toerana fitobian’ny ondry, saingy ny teny hoe vala eto dia ampiasaina mba hilazana andian’olona miray finoana ao amin’i Jesoa Kristy. Araka ny voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 15:17 dia tamin’ny fomba ahoana hoy ny Tompo no hanehoany ny tenany amin’ireo ondriny hafa?

Nazavain’i Jesoa ny antony nandidian’ny Ray any an-danitra Azy tsy hanome fahalalana misimisy kokoa mikasika ireo ondriny hafa tamin’ireo tao Jerosalema. Halalino ny 3 Nefia 15:18–20, ary asio marika ilay fanazavan’ny Mpamonjy. Ny fahitantsika fa ny Ray dia nihazona fahalalana bebe kokoa momba ireo Nefita mba tsy ho fantatry ny Jiosy noho ny fahotan’ny Jiosy dia ahafahantsika mianatra fitsipika iray manan-danja mikasika ny fomba ahazoana fahalalana sy fahamarinana avy amin’ny Tompo. Ahoana no hamenoanao ity fitsipika manaraka ity raha mifototra amin’ireo andininy ireo? Andriamanitra dia manome fahalalana sy fahamarinana antsika arakaraky ny tsika.

Nilaza tamin’ny Nefita ny Tompo fa izy ireo dia ampahany amin’ireo ondry hafa izay noresahany tany Jerosalema. Nieritreritra ny Jiosy fa momba ny Jentilisa (tsy Isiraelita) no noresahany tamin’io. Tsy takatr’izy ireo fa tsy “handre” ny feon’ny Mpamonjy ny Jentilisa (jereo ny 3 Nefia 15:21–23).

Vakio ny 3 Nefia 15:24 ary tadiavo ny fomba nanomezan’ny Tompo antoka manokana ho an’ireo Nefita ny amin’ny fiahiany azy ireo.

Vakio ny 3 Nefia 16:1–3 ary fantaro hoe iza koa no handre ny feon’ny Mpamonjy. Tsy manana rakitsoratra masina momba ireo olona hafa notsidihan’ny Mpamonjy isika, saingy mazava fa namangy andian’olona hafa Izy ary nitondra azy ireo ho ao anatin’ny “valany.”

Tamin’ny fomba ahoana no nanehoan’i Jesoa Kristy fa nanam-pitiavana ho an’ireo vahoaka izay tsy handre ny feony Izy? Vakio ny 3 Nefia 15:22–23 sy ny 3 Nefia 16:4 ary tadiavo ny fomba nilazan’ny Tompo fa hanehoany ny tenany amin’ny Jentilisa.

Araka ny zavatra nohalalininao hatreto tao amin’ny 3 Nefia 15 sy 16, inona no porofo hitanao fa miahy ny vahoakany sy maneho ny tenany amin’izy ireo Andriamanitra?

Vakio ny 3 Nefia 16:5, ary tadiavo ny zavatra hitranga any am-parany any aorian’ny hahafantaran’ny Jentilisa an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany.

Nampanantena i Jesoa fa hitahy ny zanany rehetra —ny mpianakavin’i Isiraely sy ny Jentilisa—amin’ny alalan’ny fanomezany azy ireo ny teniny arak’izay voasoratr’ireo Nefita. Ny rakitsoratr’ireo Nefita dia hanampy amin’ny fanovana ny fon’ireo Jentilisa, ary izy ireo avy eo no hanampy amin’ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 16:4–5).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no porofo hitanao eo amin’ny fiainanao izay maneho fa miahy antsika rehetra i Jesoa Kristy?

3 Nefia 16:6–20

Nanonona fitahiana ho an’ny Jentilisa miaina amin’ny andro farany i Jesoa Kristy, ary nanome fampitandremana ho azy ireo

Efa naniry ho ao anatin’ny vondrona, na fikambanana, na ekipa ve ianao? Mieritrereta ohatra iray mazava. Inona no takina mba hahatongavana ho mpikambana ao anatin’ny vondrona tahaka izany? Ny vondrona tsara indrindra azonao hidirana ho mpikambana dia Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo.

Vakio ny 3 Nefia 16:6–7 ary tadiavo ny zavatra hitranga noho ny finoan’ny Jentilisa sy noho ny tsy finoan’ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany. Mety hanampy ny mahatakatra fa hisy ihany koa ireo Jentilisa tsy mpino amin’ny andro farany, izay hampiely sy hampijaly ireo olona ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely (jereo ny 3 Nefia 16:8–9). Hanaisotra ny filazantsarany amin’ny ratsy fanahy ny Tompo ary hampahafantatra izany amin’ny olo-marina, dia ny mpianakavin’i Isiraely sy ny Jentilisa, amin’ny andro farany (jereo ny 3 Nefia 16:10–12).

Vakio ny 3 Nefia 16:13 ary tadiavo ny zavatra takina mba hahatongavana ho iray amin’ireo vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo. Ampiasao ny zavatra nianaranao tao amin’ny 3 Nefia 16:13 mba hamenoana ity fitsipika manaraka ity: Raha isika, dia ho isaina ho isan’ny vahoakany isika.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no ahafantaranao fa anisan’ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ianao?

    2. Ahoana no nitahiana ny fiainanao tamin’ny naha isan’ny vahoakany anao?

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 15–16 ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: