Seminera
Fizarana 4: Andro 2, 1 Nefia 16


Fizarana 4: Andro 2

1 Nefia 16

Fampidirana

Rehefa nahatsapa ny herin’ny tenin’i Nefia ireo rahalahiny dia nanetry tena teo anoloan’ny Tompo. Rehefa nandeha tany an-tany foana ilay fianakaviana, dia nomen’ny Tompo Liahona izy ireo mba hitarika azy ireo tamin’ny diany. Nisedra fahasahiranana maro ilay fianakaviana teny an-dalana, anisan’izany ny fahaverezan’ny vy miaina teo amin’ny tsipìkan’izy ireo sy ny fahatapahan’ny tsipìkan’i Nefia, izay nametra ny fahazoan’izy ireo hanina. Raha nimonomonona ny ankamaroany tamin’ilay fianakaviana noho ireo famoizana ireo, i Nefia kosa dia nanamboatra tsipìka vaovao ary nitady ny torohevitry ny Tompo mikasika ny toerana izay andehanany mihaza. Ny fandalinana ny 1 Nefia 16 dia manome fahafahana anao hieritreritra ny fomba mety hiatrehanao ny fanitsiana sy ny fijaliana. Tsy misy hafa amin’ny nitarihan’ny Tompo ny fianakavian’i Lehia nandritra ny fahasahiranan’izy ireo, dia hitarika anao ihany koa Izy mandritra ireo fitsapana eo amin’ny fiainanao raha toa ianao ka mitady sy manaraka ny toroheviny amim-panetrentena.

1 Nefia 16:1–6

Namaly ny fimonomonan’ireo rahalahiny i Nefia

Efa nahita olona nohitsiana na nolevilevena ve ianao noho ny zavatra ratsy nataony? Ahoana no fihetsik’io olona io tamin’izany?

Nahatsapa ho voalevilevin’i Nefia i Lamana sy i Lemoela rehefa nampianatra azy ireo izy fa ny olon-dratsy dia horoahana ary tsy avela handray amin’ny voan’ny hazon’aina (jereo 1 Nefia 15:36–16:1). Vakio ny 1 Nefia 16:1–2, ary tsipiho ny fomba izay voalazan’i Nefia fa fihetsiky ny olona sasany eo am-pihainoana ny fahamarinana rehefa tsy miaina izany izy ireo.

Ilay teny hoe “manatrobaka azy hatrany anatiny” dia midika hoe: maneho ny fahamelohan’izy ireo izany. Araka ny eritreritrao, inona no mety ho hevitry ny hoe “sarotra ho an’ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana”?

  1. Tanisao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra vitsivitsy izay azonao atao mba hahatonga anao ho mpankatò na dia misy fahamarinana iray sarotra henoina sy “manatrobaka [anao] hatrany anaty” aza (1 Nefia 16:2). Nahoana araka ny hevitrao no misy tanora sasany izay mahita fa sarotra ny mankatò ny fahamarinana sasantsasany? Ampitahao amin’ny zavatra nambaran’i Nefia tamin’i Lamana sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 16:3–4 ny lisitra nataonao.

Araka ny hita ao amin’ny 1 Nefia 16:5, ahoana no fihetsika nosafidian’i Lamana sy i Lemoela natao nanoloana ny torolalan’i Nefia? Inona no teny na andian-teny ao amin’ity andininy ity izay mamaritra ny zavatra tokony ataontsika rehefa misy fahamarinana iray manatrobaka antsika hatrany anaty? Mariho ao anatin’ny soratra masinao ny valin’ireo fanontaniana ireo.

1 Nefia 16:7–33

Notarihin’ilay Liahona ny fianakavian’i Lehia

Sary
Ny Liahona

Valio hoe marina (M) na diso (D) ireto fehezan-teny ao amin’ity fitsapam-pahaizana ity amin’ny alalan’ny famaritana anaty boribory izay valin-teninao:

  • Nanambady ny zanaka vavimatoan’i Ismaela i Nefia.

  • Nomena kômpà toy ny bola boribory antsoina hoe Liahona i Lehia.

  • Ilay bola boribory dia nisy sahaza efatra izay manoro ny lalana alehan’i Lehia sy ny fianakaviany.

  • Mora tamin’ny fianakavian’i Lehia ny nanohy ny diany tany an-tany foana rehefa nahazo ilay bola izy ireo.

Rehefa mandalina ny 1 Nefia 16:7–10 sy ny famintinana ny toko ianao dia avereno jerena ny valin-teninao tamin’ireo fanontaniana telo voalohany (jereo koa ny Almà 37:38). Vakio ny 1 Nefia 16:17–19 mba hanamarinana raha nahavaly tsara ny fanontaniana fahefatra ianao. (Any amin’ny faran’ity lesona ity no ahitana ireo valiny marina.)

Na dia rehefa mankatò aza isika dia mbola hiaritra fitsapana ihany. Maro amin’ireo fitsapana izay hatrehantsika dia tsy vokatry ny fanaovana safidy ratsy. Tonga amintsika izy ireny ho toy ny vokatra voa-janaharin’ny fiainana an-tany, kanefa izy ireny dia manome fahafahana antsika hianatra sy hivoatra mandritra ny diantsika eto an-tany, tahaka izay nataon’ny Mpamonjy (jereo F&F 122:7–8). Ny iray amin’ireo fisedrana ho antsika eo amin’ny fiainana dia ny fomba hiatrehantsika ireo fitsapana ireo.

Raha mifototra amin’ny famariparitana nataon’i Nefia an’ilay bola 1 Nefia 16:10, dia ahoana no ahafahan’ny fanomezana toy izany hitondra fanampiana ho an’i Lehia sy ny fianakaviany mandritra ny dian’izy ireo mankany amin’ny tany nampanantenaina? Tadiavo ao amin’ny 1 Nefia 16:16ary asio marika ny fomba nahazoan’ny fianakavian’i Lehia tombontsoa tamin’ny Liahona.

Alalino ny 1 Nefia 16:20–22, ary tadiavo hoe ahoana no fihetsiky ny fianakavian’i Lehia sasany rehefa voatapak’i Nefia ny tsipìkany. Alalino ny 1 Nefia 16:23–25, 30–32, ka tadiavo ny fihetsik’i Nefia nanoloana ity fitsapana ity. Ahoana no fiantraikan’izany fihetsiny izany teo amin’ireo fianakaviany?

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo zavatra nianaranao tamin’ny fampitahana ny fahasamihafan’ny fihetsik’i Nefia sy ny fianakaviany nanoloana ny fitsapana iray ihany?

Tsy nitaraina i Nefia fa naleony kosa nanamboatra tsipìka vaovao ary avy eo nikatsaka fitarihana mba ahafantarany ny toerana izay ahitany sakafo. Ny ohatr’i Nefia dia maneho fa rehefa manao izay rehetra azontsika atao isika sady mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo dia hanampy antsika Izy mandritra ireo fotoan-tsarotra mahazo antsika.

Nandritra io zava-nitranga io dia nazavain’ny Tompo tamin’i Lehia ny fomba fandehanan’ny Liahona. Tadiavo ao amin’ny 1 Nefia 16:26–29 hoe inona no notakiana mba hitarihan’ny Tompo ny fianakavian’i Lehia tamin’ny alalan’ny Liahona.

  1. Eritrereto hoe mampianatra ankizy kely iray ianao mikasika ny Liahona. Hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina amin’ny teny tsotra ny fomba nitarihan’ny Liahona ny fianakavian’i Lehia, ary izay tokony nataon’izy ireo mba hahatonga izany hitohy hitarika azy ireo hatrany.

  2. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba hanehoan’ny Liahona antsika fa “afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ny zava-madinika ny Tompo”? (1 Nefia 16:29).

Tahaka ny vahoakan’i Lehia, dia nomen’ny Tompo fanomezana betsaka koa ianao mba hanampiana anao handray ny fitarihana ho anao manokana. Vakio ireto fanambarana telo manaraka ireto izay mikasika ny sasany amin’ireo fanomezana ireo, ary diniho hoe hatraiza no itovian’ireto fanomezana tsirairay avy amin’ny Tompo ireto amin’ny Liahona.

Tsodranon’ny Patriarika

Nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson fa ny Tsodranon’ny Patriarika dia toy ny Liahona ho an’ny tena manokana:

Sary
Filoha Thomas S. Monson

“Ilay Tompo izay nanome Liahona ho an’i Lehia ihany no manome anao sy ho ahy ankehitriny fanomezana iray manan-danja sy tsy fahita mba hanomezana fitarihana ho an’ny fiainantsika, mba hanondroana ireo loza mba ho fiarovana antsika, ary mba hanoroana ny lalana, dia ilay lalana azo antoka—tsy mankany amin’ny tany nampanantenaina fa mankany amin’ny fonenantsika any an-danitra. Ilay fanomezana resahako dia fantatra amin’ny hoe tsodranon’ny patriarika anareo. Ny mpikambana tsirairay ato amin’ny Fiangonana izay mendrika dia natao handray izany harena tena sarobidy sy tsy voavidim-bola izany. …

“… Ny tsodranonao dia tsy natao ho tsara valona ary hampirimina any. Tsy natao ho aranty anaty cadre na ho aparitaka, fa natao ho vakiana kosa. Natao ho tiavina. Natao ho arahana. Afaka mitantana anao hiampita ny alina maizim-pito indrindra ny tsodranon’ny patriarika nomena anao. Hitantana anao mandritra ireo loza eo amin’ny fiainana. … Ny tsodranon’ny Patriarika dia Liahona manokana ho anao mba hanoro ny lalan-kizoranao sy hitarika ny dianao” (“Your Patriarchal Blessing: A Liahona of Light,” Ensign, nôv. 1986, 65–66).

Ny Soratra Masina sy ny Tenin’ireo Mpaminany

Sary
Loholona W. Rolfe Kerr

Ny Loholona W. Rolfe Kerr, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany, dia nanamafy fa ny tenin’i Kristy sy ny Mpanompony dia Liahona ara-panahy: “Ny tenin’i Kristy dia afaka ho Liahona manokana ho antsika tsirairay, izay manoro antsika ny lalana. Aoka isika tsy ho kamo noho ny fahamoran’ny lalana. Aoka isika hampiditra amim-pinoana ny tenin’i Kristy ho ao an-tsaintsika sy ho ao am-pontsika araka izay voarakitra ao amin’ny soratra masina, sy araka izay ambaran’ireo mpaminany, sy mpahita ary mpanambara velona. Aoka isika hivoky amim-pinoana sy amim-pahazotoana amin’ny tenin’i Kristy, satria ny tenin’i Kristy no ho Liahona ara-panahy ho antsika, izay milaza amintsika ny zavatra rehetra izay tokony ho ataontsika” (“The Words of Christ—Our Spiritual Liahona,” Ensign na Liahona, mey 2004, 37).

Ny Fanahy Masina

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampitaha ny Fanahy Masina sy ny Liahona: “Rehefa miezaka manitsy ny toetra sy ny asantsika araka ny fahamarinana isika, dia ny Fanahy Masina ho antsika ankehitriny no lasa ilay Liahona tamin’ny andron’i Lehia sy ny fianakaviany. Ireo antony izay nahatonga ny Liahona handeha tamin’i Lehia no hanasa tahak’izany ihany koa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainantsika. Ary ireo antony izay nahatonga ny Liahona tsy handeha fahiny no hahatonga antsika tahaka izany ihany koa hihataka amin’ny Fanahy Masina ankehitriny” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, mey 2006, 30).

  1. Manorata fomba roa na telo ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay manambara fa ny tsodranon’ny patriarika, na ny soratra masina sy ny tenin’ireo mpaminany, na ny Fanahy Masina dia toy ny Liahona.

  2. Hazavazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fotoana iray nanarahanao ny fitarihan’ny anankiray tamin’ireo loharano voatanisa etsy ambony ka nahatonga ny fandraisanao fitarihana avy tamin’ny Tompo?

1 Nefia 16:34–39

Nitomany noho ny fahafatesan’i Ismaela ireo zanany vavy, ary nikonokonona ny hamono an’i Lehia sy i Nefia i Lamana

Ao amin’ny 1 Nefia 16:34–38 no hahafantarantsika fa maty i Ismaela rehefa avy nandeha nandritra ny andro maromaro tany an-tany foana. Nitomany mafy noho ny fahalasanan-drainy ireo zanany vavy, ary nimonomonona tamin’i Lehia sy i Nefia ny sasany tamin’ireo fianakaviany ka naniry ny hiverina tany Jerosalema. Nikonokonona ny hamono an’i Nefia sy i Lehia mihitsy aza i Lamana. Naneho ny fahalemeny sy ny tsy finoany indray ireo rahalahin’i Nefia satria izy ireo dia tsy nikatsaka ny sitrapon’ny Tompo. Nandà ny Fanahy Masina izy ireo sy ny fanampiana izay ho natolotry ny Tompo taminy.

Vakio ny 1 Nefia 16:39, ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Tompo tamin’io toe-javatra io. Araka ny zavatra nianaranao ao amin’ity andininy ity, dia nahoana ny Tompo no manafay antsika?

Ny Tompo dia mitarika sy manafay antsika mba ho tombontsoantsika. Hitahy antsika ny Tompo raha toa isika ka manaiky ny fitarihana na ny famaizana raisintsika avy any aminy.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 16 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro:

  • Valin’ny fitsapam-pahaizana hoe: Marina/Diso: (1) D, (2) M, (3) D, (4) D.