Seminera
Fizarana 7: Andro 1, 2 Nefia 11–16


Fizarana 7: Andro 1

2 Nefia 11–16

Fampidirana

Ny mpaminany Isaia dia niaina teo amin’ny 100 taona talohan’ny vanim-potoana niainan’i Nefia teo ho eo. (I Isaia dia nanomboka naminany teo amin’ny fotoana mialoha kelin’ny 740 talohan’i J.K. ary nanohy naminany nandritra ny 40 taona mahery hatramin’ny 701 talohan’i J.K.; jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ny “Isaia.”) I Nefia dia mety nanana fahatsapana fankafizana sy fitiavana an’i Isaia tamin’ny lafiny maro izay mitovy amin’ny fankafizantsika sy fitiavantsika ny Mpaminany Joseph Smith amin’izao fotoana izao. Fantatsika avy amin’ny rakitsoratr’i Nefia fa “finaritra” tamin’ny tenin’i Isaia izy (jereo ny 2 Nefia 11:2). Araka ny voarakitra ao anatin’ny 2 Nefia 12–16, dia nampiasa ny teny avy tao amin’ny rakitsoratr’i Isaia izay hita tao amin’ny takela-barahina i Nefia. Ireo rakitsoratra ireo dia namaritra ny fiavonavonana sy faharatsian’i Isiraely fahiny ary ny fitsarana izay niandry azy ireo. Nitantara ilay fahitany ny Tompo koa i Isaia ka voadio tamin’ny fahotany izy tao anatin’izany.

2 Nefia 11:1–8

Nifaly tamin’ny fijoroan’i Isaia ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Nefia

Mieritrereta fotoana iray izay nahatonga anao ho nitolagaga tamin’ny fijoroan’ny olona iray ho vavolombelona momba ny Mpamonjy. Vakio ny 2 Nefia 11:2–3, ary tadiavo ny zavatra niseho teo amin’ny fiainan’i Nefia sy i Jakôba ary i Isaia izay misy ifandraisany amin’i Jesoa Kristy.

Miantso mpaminany ny Tompo mba hijoro ho vavolombelona momba Azy. Afaka manamafy orina ny finoantsika an’i Jesoa Kristy isika ary mifaly ao Aminy amin’ny alalan’ny fandalinantsika ireo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy zarain’ireo vavolombelona.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny hevitrao mikasika ny antony maha zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ny mpaminany maro.

Tadiavo ao anatin’ny 2 Nefia 11:4–6 ireo fotoana inefatra nilazan’i Nefia hoe “ny fanahiko dia finaritra na finaritra ny fanahiko”. Azonao asiana marika izy ireo ao anatin’ny soratra masinao.

Ny hoe “finaritra” amin’ny zavatra iray dia midika hoe tena mankafy ilay zavatra ilay olona ary mitondra fifaliana lehibe io zavatra io.

  1. Manorata fanambaran-javatra ahitana ny hoe “ny fanahiko dia finaritra” miisa telo na mihoatra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay maneho lafin-javatra ao anatin’ny filazantsara izay mahafinaritra anao. Hazavao hoe nahoana no mitondra fifaliana ho anao ny tsirairay amin’izy ireo.

Vakio ny 2 Nefia 11:8, ary soraty ny zavatra nantenain’i Nefia fa ho vokatra ateraky ny fandalinanao ny asa soratr’i Isaia.

2 Nefia 12:1–5

Naminany i Isaia fa hisy tempoly iray haorina amin’ny andro farany

Alaivo sary an-tsaina ny tendrombohitra lehibe iray. Inona no fampitahana azonao atao eo amin’ny tendrombohitra iray sy ny tempoly iray?

Vakio ny 2 Nefia 12:2–3, 5, ka tadiavo ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra fa haorina amin’ny andro farany. Ny teny hoe “tendrombohitry ny tranon’ny Tompo” dia midika hoe tempolin’ny Tompo. Araka ireo andininy ireo dia inona no fitahiana ho azo avy amin’ny tranon’ny Tompo amin’ny andro farany?

Sary
Zanatsipikan’ny Tempolin’i Salt Lake

Azonao soratana ao amin’ny soratra masinao ny zavatra toy izao: Nanorina tempoly ho antsika Andriamanitra mba hampianarana antsika ny fombany sy hanampiana antsika handeha amin’ny lalany (jereo ny 2 Nefia 12:3).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hanampian’ny tempoly antsika handeha amin’ny lalan’ny Tompo?

    2. Ahoana no ahafahanao manomana ny tenanao mba hiditra ny tempoly?

2 Nefia 12–15

Ity lesona ity dia tsy hanome fanampiana amin’ny antsipiriany mba hahatakarana ny 2 Nefia 12–15. Kanefa rehefa mamaky sy misaintsaina ireo toko ireo mandritra ny famakianao manokana ny Bokin’i Môrmôna ianao dia tadiavo ny voka-dratsy ateraky ny fiavonavonana sy ny fahotana. Ity fanehoan-kevitra na fanazavana manaraka ity dia hanampy anao koa ao anatin’ny famakianao:

2 Nefia 12:6–18. Jereo manokana ireo soratra masina izay miresaka momba ny fanompoan-tsampy ary koa ireo teny na sary ampiasaina mba hanehoana ny fiavonavonana—ohatra, mpiavonavona, fihamboana, manandra-tena, ary avo. Izany dia hanampy anao hahatakatra ny antony nahatonga ny fitsarana henjana niandry ireo olona ireo.

2 Nefia 12:9–11. Ny “iva razana” (andininy faha 9) dia ilazana ny olona tsotra mahazatra. Na ny “iva razana” na ny “avo razana,” rehefa mieboebo dia samy haetry amin’ny fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany (jereo ny andininy 11).

2 Nefia 12:12–13. “Ny andron’ny Tompo” dia andian-teny iray ilazana ny fotoam-pitsarana. Ny Fiavian’i Kristy Fanindroany no ho ilay “andron’ny Tompo” rehefa hofongorana ny olon-dratsy.

2 Nefia 13–14. Ao anatin’ny 2 Nefia 13 no ahitana ny fitohizan’ny resaka nataon’i Isaia mikasika ny zavatra hitranga raha toa mikiry mitoetra ao anatin’ny faharatsiana ihany ny Isiraelita. Nantsoin’i Isaia hoe “zanakavavin’i Ziona” (andininy faha 16) ny vehivavy Isiraelita, izay hanehoana fa zanaky ny fanekempihavanana izy ireo. Nampitahain’i Isaia tamin’ny vehivavy miavonavona izy ireo, izay nozonin’ny Tompo ary nesorina teny amin’izy ireo ny firavany sy ireo fanaingoam-batana (jereo ny 2 Nefia 13:16–26). Ny mifanohitra amin’izay kosa no hita ao amin’ny 2 Nefia 14 dia ny famaritan’i Isaia ny zavatra hitranga raha toa ka manetry tena sy mibebaka ary mitodika any amin’ny Tompo ireo zanakavavin’i Ziona.

Sary
Isaia

2 Nefia 15:8–22. Ny teny hoe lozan’ireo na lozan’izay dia ilazana ny toe-javatra mampalahelo lalina. Nampiasain’i Isaia inenina tao anatin’ireo andininy ireo izany rehefa nampiseho ny fahotan’ireo Isiraelita izy. Fantatr’i Isaia fa raha tsy mibebaka ny Isiraelita dia hitondra alahelo lalina ny vokatry ny fahotan’izy ireo—indrindra amin’ny fotoam-pitsarana. Raha toa i Isaia ka mpaminany teto an-tany amin’izao fotoana izao dia ho nahita ihany koa ireo karazam-pahotana izay hitany teo anivon’ireo Isiraelita ve izy?

  1. Vakio ny 2 Nefia 15:20. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo toe-javatra sasantsasany izay ahitana fa antsoin’ny olona ankehitriny ho tsara ny ratsy na ny ratsy ho tsara.

2 Nefia 16:1–8

Voantso mba ho mpaminany i Isaia

Feno tandindona ny rakitsoratr’i Isaia. Ny fampiasana tandindona no fomba iray entin’ny Tompo hampianarana antsika mikasika ireo fitsipiky ny filazantsara. Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 16, dia notantarain’i Isaia ny zavatra niainany tamin’ny fahitany ny Tompo. Rehefa mamaky ny 2 Nefia 16 ianao dia tsarovy tsara ireto tandindona manaraka ireto ary ireo mety ho dikany:

Serafima: Anjely izay mitoetra eo anatrehan’Andriamanitra. Nampianatra ny Mpaminany Joseph Smith fa “Tsy manana elatra velively ny anjelin’Andriamanitra” (History of the Church, 3:392). Ny elatry ny anjely dia entina hanehoana ny hery ahafahany mihetsika sy manao asa.

Setroka: Mety hanehoana ny fanatrehan’ny Tompo (jereo ny Apôkalypsy 15:8).

Maloto molotra: Tsy fahamendrehana.

Vainafo (afo): Fitaovana mpandio izany, toy ilay hery manadion’ny Fanahy Masina.

Alitara: Ny alitara amin’ny heviny ara-bakiteny dia toerana nanaovana sorona. Eto izany dia mety ilazana ilay sorona nataon’i Jesoa Kristy teo amin’ny toerantsika—ny Sorompanavotana.

  1. Vakio ny 2 Nefia 16:1–7, ary raketo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valiny omenao an’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no nolazain’ny iray tamin’ireo serafima mikasika ny Tompon’ny Maro?

    2. Inona araka ny eritreritrao no tian’i Isaia holazaina rehefa niteny izy hoe: “Lozako! maty aho; satria lehilahy maloto molotra aho”? Inona no nahatonga azy hanana fahatsapana tampoka toy izany? (Mety hanolotra hevitra ny 3 Nefia 27:19.)

    3. Inona no nitranga ka nanova ilay fahatsapana tsy fahamendrehana nananan’i Isaia?

    4. Ahoana no fomba nanomanan’izany zavatra nitranga izany an’i Isaia mba handeha eny anivon’ny olona ary hampianatra momba ny fibebahana?

Ny iray amin’ireo fahamarinana lehibe nampianarina tao anatin’ilay fiantsoana an’i Isaia dia ny hoe afaka ny ho voadio amin’ny tsy fahamendrehantsika isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Saintsaino ny fotoana iray izay nahatsapanao ny hery manadion’ny Sorompanavotona teo amin’ny fiainanao.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 11–16 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: