Seminera
Fizarana 18: Andro 4, Almà 32


Fizarana 18: Andro 4

Almà 32

Fampidirana

Taorian’ny nahitany ny fitsaohan’ny Zôramita tao anatin’ny toetran’ny fihemorana dia nitory ny tenin’Andriamanitra tamin’izy ireo i Almà sy ireo mpiara-mitory aminy. Nanomboka niaina fahombiazana teo anivon’ny vahoaka izay nahantra sy noroahina hiala ny sinagogan’ny Zôramita izy ireo. Rehefa nampiasa fifanahafana tamin’ny fambolena sy fikolokoloana voa iray i Almà dia nampianatra azy ireo izay tokony hataon’izy ireo ahazoana sy hikolokoloana ny finoana ny tenin’Andriamanitra. Nanasa azy ireo (sy antsika) mba hanao fanandramana amin’ny teny sy hikolokolo ny finoana sy fijoroana ho vavolombelon’izy ireo isan’andro i Almà.

Almà 32:1–16

Mampianatra ireo Zôramita izay nanetry ny tenan’izy ireo noho ny fahantrany i Almà

  1. Alaivo sary an-tsaina fa misy namanao iray manontany hoe ahoana no fomba ahafantaran’ny olona iray raha marina ny Fiangonana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao mikasika ny fomba ahazoana fijoroana ho vavolombelona. Aorian’izay dia soraty eo amin’ny tsipika manaraka ao amin’ny diarinao ny Fomba ahazoana sy ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona. Rehefa mandalina ny Almà 32 ianao dia manaova lisitra eo ambanin’ity lohateny ho an’ireo hevi-baovao hitanao momba ny fahazoana sy fampatanjahana fijoroana ho vavolombelona. Hanohy hanampy an’io lisitra io mandritra ny lesona ianao; noho izany dia tsara raha mamela toerana eo anelanelan’ity asa fandalinana soratra masina voalohany ity sy ny asa ampanaovina 2.

Namaky momba ny fomba nahitan’i Almà sy ireo mpiara-dia taminy ny fitsaohana dison’ny Zôramita, izay andiana Nefita niala tamin’ny fahamarinana, ianao tao amin’ny lesona teo aloha (Almà 31). Taorian’ny vavaka tamim-pinoana nataon’i Almà dia nanomboka nitory ny filazantsara teo anivon’izany vahoaka izany izy sy ireo mpiara-mitory taminy. Vakio ny Almà 32:1–3, ary tadiavo hoe iza amin’ireo andiana Zôramita no naneho fahalianana tamin’ny hafatr’ireo misiônera.

Vakio ny Almà 32:4–6, ary fantaro ny naha-fitahiana ny vokatry ny fahantran’izy ireo.

Fitsipika iray aseho ato amin’ity andininy ity ny hoe: Manomana antsika hahazo ny tenin’Andriamantitra ny fanetrentena. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina eo ambanin’ny lohateny hoe “Fomba ahazoana sy ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona” ny hoe manetry tena.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa zava-dehibe ny fandraisana sy fampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona.

Vakio ny Almà 32:13–16, mba itadiavana ireo fomba samy hafa hahatonga ny olona hanetry tena. Avy amin’ny zavatra nampianarin’i Almà, tianao kokoa ve ny misafidy ny hanetry tena sa ny ho voatery hanetry tena? Nahoana?

Eritrereto izay heverinao fa dikan’ny hoe manetry ny tenanao “noho ny teny” (Almà 32:14). Ahoana no mety ampiharana izany amin’ny fihetsikao amin’ireo zavatra atao ao am-piangonana, amin’ny seminera, na takarivan’ny mpianakavy?

Misafidiana ny hanetry tena amin’ny alalan’ny fampiharana izay bitsika rehetra azonao mikasika ny fanetrentenanao.

Almà 32:17–43

Mampianatra ny Zôramita ny fomba hampitomboana ny finoan’izy ireo i Almà

Teo am-pampianarana ny Zôramita i Almà dia nahita fiheveran-diso izay nananan’ny olona maro momba ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona. Vakio ny Almà 32:17–18, ary fantaro izany fiheveran-diso izany.

Saintsaino vetivety ny mety hahatonga ny fitadiavana famantarana ho sakana amin’ny fanorenana finoana sy fijoroana ho vavolombelona. (Azonao atao ny manoratra hoe F&F 63:9–11 eo amin’ny sisin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 32:17–18 ary vakio izany hahazoana hevi-baovao bebe kokoa.)

Vakio ny Almà 32:21, izay soratra masina fehezina iray, ary tadiavo ny famaritan’i Almà ny atao hoe finoana sy ny tsy finoana. (Azonao asiana marika amin’ny fomba miavaka izany mba hahitanao ny toerana misy izany amin’ny manaraka.)

Vakio ny Almà 32:22. Saintsaino izay azonao atao hampitomboana finoana sy fijoroana ho vavolombelona lehibe kokoa.

Ampio hoe tsarovy ny famindrampon’Andriamanitra sy hoe misafidiana ny hino ao amin’ny lisitr’ireo “Fomba ahazoana sy ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Nampianatra ny Zôramita ny fomba ahafahan’izy ireo manomboka mino ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fanaovana fanandramana i Almà. Mieritrereta andrana notahirihinao nandritra ny kilasy fianarana siansa na kilasy hafa sy ireo dingana narahinao. Fantaro fa mitaky asa avy amin’ny mpikaroka izany andrana izany. Toy izany koa, ny dingana ahazoana na ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky asa avy aminao. Vakio ny Almà 32:27, ary tadiavo ny fanandramana nanasan’i Almà ny Zôramita mba ho ataon’izy ireo.

Mety hanampy ny fahafantarana fa ny teny hoe faharanitan’ny saina dia midika hoe hery na fahafahana nomena antsika ahafantarana sy ahatakarana ny tontolo manodidina antsika. Hita ao anatin’izany ny zavatra toy ny fahafahantsika mandre, mahita, ary mikasika; eritreritra voalanjalanja; ary ny fahatsiarovana.

Ampio hoe manao fanandramana (na miasa) amin’ny teny ao amin’ny lisitr’ireo “Fomba ahazoana sy ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Rehefa mamaky ny Almà 32:28 ianao dia azonao atao ny manisy marika ao amin’ny soratra masinao ireo fehezanteny toy ny “hanomboka handrombona,” “mampivelatra ny fanahiko,” “manazava ny fahazavan-tsaiko,” ary “fy amiko.” Nampianatra ny fomba hitomboan’ny finoantsika ny Loholona Bruce R. McConkie ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

Sary
Loholona Bruce R. McConkie

“Mitombo finoana isika; mandeha tsikelikely isika avy amin’ny ambaratonga ambany kokoa mankany amin’ny ambaratonga ambony kokoa. Ampiantsika fahasoavana miampy fahasoavana izany ambara-pahatongantsika amin’ny toetra izay nanatanterahantsika ny finoantsika, araka izay lavitra indrindra azon’ny ankabeazan’ny olo-marina mety maty atao farafahakeliny, ary amin’izany isika dia eo amin’ny toerana hanohizana any amin’ny mandrakizay ny fitomboana mandrakizay. …

“Manaova asa hanatanterahana ireo fikasana natao ary rehefa nanao dingana iray ianao amin’ny fahazoana finoana dia hanome anao antoka ao amin’ny fanahinao izany fa afaka mandroso sy manao ny dingana manaraka ianao, ary hitombo tsikelikely ny herinao na ny hery mitaona ao aminao” (Lord, Increase Our Faith, Brigham Young University Speeches of the Year [31 ôkt. 1967], 9, 11).

  1. Aorian’ny famakianao ny Almà 32:28 dia vitao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na maromaro amin’ireto asa ampanaovina manaraka ireto:

    1. Inona avy ireo asa tsy maintsy ataontsika na tsy voatery ataontsika rehetra mitarika ity fanandramana amin’ny teny ity isika? (Hita any amin’ny fiafaran’ny lesona ny lisitr’ireo valinteny mety ho azo.)

    2. Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe “manisy toerana … mba hahazoana mamboly [ny tenin’Andriamanitra] ao am-ponareo”?

    3. Oviana no nahatsapanao fa nampivelatra ny fanahinao sy nanazava ny fahazavan-tsainao ny tenin’Andriamanitra? Farito amin’ny teninao manokana hoe toy ny ahoana ny fahatsapana izany.

Vakio ny Almà 32:29–34, ary asio marika ireo teny na fehezanteny izay mamaritra ny zavatra hianaran’ny olona iray momba ny tenin’Andriamanitra eo am-panaovany ilay fanandramana. Midika hoe mamahana, mihazona, na miraharaha ny teny hoe mikolokolo.

Sary
voa ao anaty tany

Eritrereto vetivety ny mampitovy ny dingana fanampiana ny hazo iray hitombo amin’ny fanampiana ny fijoroana ho vavolombelona hitombo. Diniho ihany koa ny antony tsy maha-tanteraka ny finoana sy fijoroan’ny olona iray ho vavolombelona aorian’ny fanaovany fanandramana amin’ny tenin’Andriamanitra. Inona ihany koa araka ny eritreritrao no ilaina atao mba hananana fijoroana ho vavolombelona maharitra ny amin’ny filazantsara?

Vakio ny Almà 32:35–40, mba hitadiavana amim-pitandremana ny zavatra nolazain’i Almà fa tokony hataontsika hanatontosana ilay fanandramana. Saintsaino izay tokony hataonao amin’ilay hazo, na ny fijoroanao ho vavolombelona, mba hitombo. Inona no zavatra hitranga raha toa ka tsy vitanao ireo zavatra ireo?

Sary
Tree Small

Akombony ny soratra masinao, ary jereo hoe firy amin’ireto fanontaniana ireto no voavalinao:

  • Inona no tokony hataontsika mba hitomboan’ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra ho lasa hazo mamoa iray?

  • Inona araka ny eritreritrao no asehon’ilay voa?

  • Inona no mitranga rehefa tsy raharahiantsika ilay hazo na tsy vitantsika ny mikolokolo azy?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no itovizan’izany amin’ny zavatra mitranga rehefa tsy miraharaha na tsy mikolokolo fijoroana ho vavolombelona iray isika?

Raha ilaina dia sokafy ny soratra masinao ary avereno jerena ny Almà 32:35–40 hanampiana anao hamaly ireo fanontaniana ireo. Ampio hoe mikolokolo amim-pahazotoana ao amin’ny lisitr’ireo “Fomba ahazoana sy ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona” ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Fintino ao anatin’ny fehezanteny iray ny zavatra nianaranao tao amin’ny Almà 32 mikasika ny zavatra takiana ahazoana sy ampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona iray, ary soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 32:37–43 ity fitsipika ity.

Mety nanoratra zavatra toy izao ianao:Hitombo ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany rehefa mikolokolo ny finoantsika ny tenin’Andriamanitra ao am-pontsika isika.

Vakio ny Almà 32:41–43, mba hitadiavana ny fomba namaritan’i Almà ny voa izay tonga amin’ireo izay mikolokolo amim-pahatokiana ny fijoroany ho vavolombelona. Miresaka ny fahazotoana sy ny faharetana ny Almà 32:42. Nahoana araka ny eritreritrao no mila fahazotoana sy faharetana ilay hazo—na ny fijoroanao ho vavolombelona—mba hitomboan’izany?

Sary
Large Small
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na izy roa:

    1. Inona avy ireo vokatra hitanao teo amin’ny fiainanao rehefa nanaraka ilay fanandramana noresahan’i Almà ao amin’ny Almà 32 ianao?

    2. Ahoana no fomba ampiharanao eo amin’ny fiainanao ilay fanandramana noresahan’i Almà ao amin’ny Almà 32?

Sary
Sary famantarana ny andinin-tsoratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Almà 32:21

  1. Vakio indray ny Almà 32:21. Ezaho tadidiana ity andininy ity, ary ataovy tsianjery avy ao an-tsaina manoloana ny namana na olona ao amin’ny fianakavianao iray izany avy eo. Manorata fehezanteny vitsivitsy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay manazava ny zavatra ampianarin’ity andininy ity momba ny finoana.

Valinteny mety ho azo ho an’ny asa ampanaovina 3a: (a) manome toerana ho an’ny teny (na ny voa) voavoly ao am-ponao, (b) aza manary ilay voa amin’ny tsy finoanao, ary (d) fantaro ny fitombon’ilay voa.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 32 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: