Seminera
Fizarana 4: Andro 1, 1 Nefia 15


Fizarana 4: Andro 1

1 Nefia 15

Fampidirana

Ao amin’ny 1 Nefia 15 dia ho hitanao ny fahasamihafana eo amin’ny ezaka feno fahazotoana nasehon’i Nefia mba handraisana fanambarana ho an’ny tena manokana sy ny ezaka tsy nisy finoana nasehon’ireo rahalahiny. Rehefa mandalina ity toko ity ianao dia diniho ny ezaka izay ataonao mba hahazoana valiny sy fitarihana avy amin’ny Tompo.

1 Nefia 15:1–11

Nitaraina ireo rahalahin’i Nefia fa tsy takatr’izy ireo ny fahitan’i Lehia

Maro ny asa izay mitaky ezaka avy amintsika mialohan’ny ahafahantsika mioty ny vokany. Mieritrereta atrikasa iray izay andraisanao anjara—toy ny enti-mody, ny fitendrena zava-maneno iray, na fihazakazahana—ary diniho ny fifandraisana misy eo amin’ny ezaka lanianao amin’io asa io sy ny vokatra aterak’izany. Mitadiava ohatra iray mitovy amin’izany rehefa mandalina ny 1 Nefia 15 ianao. Mariho hoe inona no ifandraisan’ny ezaka ataontsika amin’ny fianarana fahamarinana ara-panahy sy ny fandraisana fanambarana avy amin’Andriamanitra.

Rehefa avy nikatsaka tamim-pahazotoana ny hahatakatra ny fahitan’ny rainy sy ny fampianarany i Nefia, ary avy eo nandray fanambarana ho azy manokana, dia niverina tany amin’ny lain-drainy. Ary tany no nahitany ireo rahalahiny nifamaly. Tadiavo ny ao amin’ny 1 Nefia 15:1–3, ary jereo hoe inona no niadian’izy ireo hevitra.

Ao amin’ny 1 Nefia 15:6–7, tsipiho hoe inona no nanahiran-tsaina ireo rahalahin’i Nefia sy nahatonga ny fifamaliana. Araka ny ao amin’ny 1 Nefia 15:3, nahoana no sarotra tamin’izy ireo ny nahatakatra ny fampianaran’i Lehia?

Vakio ny 1 Nefia 15:8, ary tsipiho ny fanontaniana napetrak’i Nefia tamin’ireo rahalahiny. Nahoana no fanontaniana tokony ho apetraka izany ho an’i Nefia taorian’ny zavatra izay vao niainany?

Tsipiho ny valin-tenin’ireo rahalahiny ao amin’ny 1 Nefia 15:9. Amin’ny teny hafa, ireo rahalahin’i Nefia dia nanazava hoe: “Tsy nanadina ny Tompo izahay satria tsy miresaka aminay izy.”

  1. Alao sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay tsy manadina ny Tompo mba hahazoana fitarihana satria tsy mino izy hoe hamaly vavaka Izy. Alalino ny 1 Nefia 15:11, ary diniho ny torohevitra nomen’i Nefia an’ireo rahalahiny mikasika ny fahazoana valim-bavaka avy amin’ny Tompo. Ary avy eo dia manorata taratasy ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mamporisika ilay namanao hangataka amin’Andriamanitra amim-pinoana. Zarao ao anatin’io taratasy io ny torohevitr’i Nefia sy ny fahatsapanao manokana mikasika ny vavaka.

Fitsipiky ny filazantsara iray izay azontsika hianarana avy amin’ny fihetsika sy ny zavatra niainan’i Nefia sy ireo rahalahiny ny hoe: rehefa mangataka amin’ny Tompo amim-pinoana isika sy mankato ny didiny, dia ho vonona handray fanambarana sy fitarihana lehibe kokoa avy Aminy.

  1. Mifidiana iray amin’ireto fanontaniana etsy ambany ireto, ary valio ao amin’ny diary fandaliananao soratra masina izany:

    1. Inona no hoteneninao mba hanampiana mpikamban’ny Fiangonana vaovao iray hahatakatra ny zavatra izay takiana amintsika mba hahafahan’ny Tompo mampianatra sy mitarika antsika?

    2. Inona no fiantraikan’ny ezaka nataonao tamin’ny fianarana ireo fahamarinana ara-panahy sy ny fikatsahanao ny fitarihan’ny Tompo teo amin’ny fahafahanao mahatsapa ny Fanahy sy mahatakatra ny filazantsara?

Mandritra ny fotoana iray ny ampitson’io dia zarao amin’ny ray na ny reny, na olon-kafa ao amin’ny fianakaviana, na mpitarika na mpampianatra ao amin’ny Fiangonana ny valin-teninao tamin’ilay asa nampanaovina tetsy ambony. Rehefa manao izany ianao, dia asao ilay olona mba hizara ny traikefany aminao mikasika ny ezaka sy ny finoana nataony tamin’ny fikatsahana ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Ray any An-danitra.

1 Nefia 15:12–20

Manazava ny fanelezana sy ny fanangonana ny zanak’i Isiraely i Nefia

Sahiran-tsaina ireo rahalahin’i Nefia mikasika ny faminanian’i Lehia sy ny fampianarany momba ny hazo oliva sy ny Jentilisa (jereo ny 1 Nefia 15:7; jereo koa ny 1 Nefia 10:12–15). Nanazava i Nefia fa ny fanaparitahana ireo sampana voajanaharin’ilay hazo oliva dia endriky ny fanaparitahana ara-nofo sy ara-panahy ireo zanak’i Isiraely (vahoakan’ny fanekempihavan’ Andriamanitra) noho ny tsy fankatoavan’izy ireo. Rehefa niely izy ireo dia namery ny fahalalana ny filazantsara, sy ny maha-mpikambana azy ireo ao amin’ny mpianakavin’i Isiraely. Amin’ny maha anisan’ny fanangonana ny mpianakavin’i Isiraely amin’ny andro farany, olona maro maneran-tany no hanaiky ny filazantsara naverina amin’ny laoniny ary hahafantatra fa izy ireo dia vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 15:14–15).

Vakio ny 1 Nefia 15:14, ary asio marika hoe inona no ho lasa takatry ny Isiraely niely patrana any amin’ny andro farany.

Nampianatra i Nefia fa ireo izay miditra ao amin’ny Fiangonana dia toy ny hoe atao grefy “amin’ilay tena hazo oliva” (1 Nefia 15:16). Nilaza ihany koa izy fa, tahaka ny fanelezana ny mpianakavin’i Isiraely, io fanaovana grefy io na io fanangonana io dia hitranga “amin’ny alalan’ny Jentilisa” (1 Nefia 15:17). Mety hanampy ny fahatakarana fa “ao amin’ny soratra masina, ny hoe Jentilisa dia manana heviny maromaro. Indraindray izy io dia manondro olona izay tsy Isiraelita firazanana, indraindray olona tsy Jiosy firazanana, ary indraindray ireo firenena izay tsy manana ny filazantsara, na dia mety hisy rà Isiraelita ihany aza any anivon’ny vahoaka. Ity fampiasana farany ity dia tena mampiavaka io teny io rehefa ampiasaina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna” (Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Jentilisa,” scriptures.lds.org).

Sary
Zatovovavy iray mivavaka

Mitana ny Fampanantenany ny Tompo ary mahatsiaro ny Fanekempihavanana nataony tamin’ireo Zanany. Iriany ny handraisan’ireo Zanany rehetra ireo fitahiana entin’ny filazantsara mandrakizay (jereo ny 1 Nefia 15:18). Ireo ezaka ataonao amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny namana sy ny fianakaviana, ary ny fanoloranao tena hanompo hanao asa fitoriana mendrika dia hanampy amin’ny fahatanterahan’ny faminanian’i Lehia.

1 Nefia 15:21–36

Novalian’i Nefia araka ny zavatra niainany manokana ireo fanontanian’ny rahalahiny mikasika ny fahitan’i Lehia

Ny ambiny sisa amin’ny 1 Nefia 15 dia miresaka momba ireo fanontaniana napetrak’ireo rahalahin’i Nefia taminy mikasika ny nofin’i Lehia. Nanontany izy ireo hoe: “Inona no hevitr’ilay anja-by izay hitan’ny raintsika ka nitondra nankeo amin’ny hazo?” (1 Nefia 15:23.) Vakio ny valin-tenin’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 15:24–25, ary tadiavo ireo fitahiana nampanantenaina ireo izay mihaino amim-pahazotoana ny tenin’Andriamanitra. Ao amin’ireto fanambarana manaraka ireto izay nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson mikasika ny herin’ny tenin’Andriamanitra dia tsipiho ireo andian-teny izay mitovitovy amin’ny zavatra nampianarin’i Nefia:

  • “Ny tenin’Andriamanitra dia tsy hoe hitarika antsika mankany amin’ny voankazo izay mahatsiriritra ambonin’ny hazo rehetra fotsiny ihany, fa ao amin’ny tenin’Andriamanitra sy amin’ny alalan’izany no ahafahantsika mahita ny hery hiadiana amin’ny fakam-panahy, sy ny hery izay handravana ny asan’i Satana sy ny forongony.”

  • “Ny tenin’Andriamanitra … dia manana ny hery hankaherezana ireo Olomasina, sy hanafiana azy ireo amin’ny Fanahy, mba hahafahan’izy ireo manohitra ny ratsy, sy mifikitra mafy amin’ny tsara, ary mahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity.”

  • “Ny fahombiazana eo amin’ny fahamarinana, ny hery hisorohana ny fahadisoam-panantenana sy hanoherana ny fakam-panahy, ny fitarihana eo amin’ny fiainantsika andavanandro, ary ny fahasitranan’ny fanahy—ireo dia zavatra vitsivitsy fotsiny amin’ireo fampanantenana nomen’ny Tompo ho an’ireo izay handray ny Teniny. … Na manao ahoana na manao ahoana mety ho fahazotoantsika amin’ireo sehatra hafa, dia ao amin’ny soratra masina ihany no ahitantsika ireo fitahiana sasantsasany, ao ny fandraisana ny tenin’ny Tompo ihany, sy ny fifikirana tsara amin’izany rehefa mandeha mamakivaky ny zavon’ny haizina mankany amin’ny hazon’aina isika” (“The Power of the Word,” Ensign, mey 1986, 80, 82).

Tena iankinan’ny aina ny fihazonantsika amin’ny tenin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny fandalinana soratra masina sy ny vavaka ary ny fihainoana ireo mpitarika entanim-panahy.

  1. Manamboara (taratasy kely zaraina eny an-dalana) izay mampivoitra ny tenin’Andrimanitra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Ataovy izay hampidirana ireo fitahiana izay nampanantenain’i Nefia an’ireo izay mifikitra mafy amin’ny tenin’Andriamanitra. Azonao atao ihany koa ny mitanisa ireo loharano mety ahitana ny tenin’Andriamanitra.

Sary
zatovolahy iray mamaky

Diniho ny hanoratana ity fitsipika manaraka ity eo amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 1 Nefia 15:24–25: Ny fandalinana sy ny fanarahana ny tenin’Andriamanitra isan’andro no manamafy orina antsika hanohitra ny fakam-panahin’i Satana.

  1. Mba hanampiana amin’ny fanamafisan’orina ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ity fitsipika ity, dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Inona amin’ny zavatra niainanao izay mifandraika amin’ny fandalinanao soratra masina manokana no nanampy anao ahafantatra fa marina ity fitsipika ity?

    2. Ahoana no ahafahanao mahafantatra fa marina ity fitsipika ity?

Ao amin’ny nofin’i Lehia, ireo izay nifikitra mafy tamin’ilay anja-by dia voatarika soa aman-tsara namakivaky ny zavon’ny haizina nankamin’ilay hazon’aina. Ao amin’ny 1 Nefia 15:26, dia niangavy an’i Nefia ireo rahalahiny mba hanazava ny dikan’ilay renirano nanamorona ny hazon’aina. Jereo ao amin’ny 1 Nefia 15:27–29, dia karohy hoe maneho inona ilay renirano.

Vakio ny 1 Nefia 15:32–36. Nahoana no tokony ho nampahatahotra an’ireo rahalahin’i Nefia ireo fampianarana ireo?

  1. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ampahany inona tao amin’ny nofin’i Lehia sy tao amin’ny fanazavana nataon’i Nefia an’ilay nofy no maneho ny fitiavan’Andriamanitra sy ny fiahiany an’ireo rahalahin’i Nefia?

    2. Ahoana no fomba hahitanao ny fitiavan’Andriamanitra anao sy ny fiahiany aminao ao amin’ny 1 Nefia 15?

  2. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 15 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: