Seminera
Fizarana 2: Andro 2, 1 Nefia 2


Fizarana 2: Andro 2

1 Nefia 2

Fampidirana

Amin’ny fomba samihafa no handraisan’ny olona ny fanambarana avy amin’Andriamanitra. Nandidy an’i Lehia tamin’ny nofy ny Tompo mba hitarika ny fianakaviany ho any an-tany foana. Nimonomonona nanohitra ny didin’Andriamanitra i Lamana sy i Lemoela raha nikatsaka fijoroana ho vavolombelona manamafy kosa i Nefia. Ny fampitahana ny fihetsika samihafa nasehon’izy ireo dia hanampy anao hanapa-kevitra mikasika ny fomba ampiasanao ny fahafahanao misafidy rehefa manaraka ny fitarihan’ny Tompo.

1 Nefia 2:1–7

Nodidian’ny Tompo i Lehia hiainga ho any an-tany foana

Alao sary an-tsaina hoe i Lehia ianao, ary ny Tompo dia nangataka anao sy ny fianakavianao mba handao ny tranonao sy ny fanananao rehetra. Voatery handeha an-tongotra andro maromaro ianao ary tsy afaka mitondra afa-tsy vatsy mba hiatrehana ny zavatra ilain’ny fianakavianao. Eritrereto ny fomba hiatrehanao ny fangatahana tahaka izany.

Sary
Ny dian’ny fianakavian’i Lehia

Vakio ny 1 Nefia 2:1–6, ary tadiavo ireo toe-javatra nitarika an’i Lehia sy ny fianakaviany hanainga ho any an-tany foana.

Nahoana ireo vahoaka no “mitady hanala ny ain’i [Lehia]”? (jereo ny 1 Nefia 2:1).

Inona no nasain’ny Tompo hataon’i Lehia? (Jereo ny 1 Nefia 2:2).

I Lehia dia ohatra iray maneho ilay fitsipiky ny filazantsara hoe rehefa mahatoky sy mankato isika, dia manampy antsika ny Tompo amin’ny fotoam-pitsapana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity izay mikasika ny 1 Nefia 2:4: Inona no azonao ianarana avy amin’ny safidin’i Lehia ny amin’izay tokony ho entina sy izay tokony ajanona?

Mba hanampiana anao hahatakatra tsara kokoa ny lalana nodiavin’i Lehia dia avereno jerena ny sarintany izay any amin’ny faran’ny lesona.

Vakio ny 1 Nefia 2:7, ary raiso an-tsoratra ny zavatra nataon’i Lehia rehefa niala niaraka tamin’ny fianakaviany izy mba hanao dia ho any an-tany foana. Inona no teny azonao ampiasaina mba hamaritana ny toetoetra iray manan-danja izay nasehon’i Lehia?

1 Nefia 2:8–14

Nimonomonona tamin-drainy i Lamana sy i Lemoela

Ireo zanakalahin’i Lehia efatra dia samy nanao dia mitovy, kanefa samihafa ny fomba nandraisan’izy ireo ny didin’Andriamanitra teo am-panaovana izany.

Alalino ny 1 Nefia 2:8–10, ary ataovy anaty boribory ny teny hoe renirano sy lohasaha.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao mikasika ity fanontaniana manaraka ity: Inona araka ny hevitrao no nandraman’i Lehia nampianarina an’i Lamana sy i Lemoela raha nampitaha azy ireo tamin’ny renirano sy lohasaha izy?

Vakio ny 1 Nefia 2:11–14, ary tadiavo ny antony nimonomonan’i Lamana sy i Lemoela tamin’ny rain’izy ireo. (Fanamarihana: Ny teny hoe fahamafisan-katoka dia midika hoe ditran’ny fo sy avonavona.)

Ny antony iray hamporisihan’i Satana ny olona himonomonona dia ny hanakanana ny olona tsy hanaraka ireo mpaminany velona sy ireo mpitondra entanim-panahy ary ireo ray aman-dreny. Niresaka mikasika ny fimonomononana ny Loholona H. Ross Workman avy ao amin’ny Fitopololahy. Nilaza izy fa ny “fimonomononana dia ahitana dingana telo, izay samy mitondra mankany amin’ny dingana manaraka mankany amin’ny lalana midina mitondra any amin’ny tsy fankatoavana.”

Sary
Loholona H. Ross Workman

Voalohany, rehefa mimonomonona ny olona, dia mampiasa ny fitsarany manokana ary manomboka mametra-panontaniana an’ny fampianaran’ireo mpaminany velona. “[Mametra-panontaniana] ao an-tsainy ihany izy ireo aloha ary avy eo dia [mamboly] fanontaniana ao an-tsain’ny olon-kafa.”

Faharoa, ireo izay mimonomonona dia manomboka “manamarin-tena sy manala tsiny ny tenan’izy ireo mba tsy hanaovana izay zavatra nasaina nataony. … Noho izany, dia [manao] fialan-tsiny izy ireo mba tsy hankatoavana.

“Ny dingana fahatelo manaraka izany avy hatrany dia ny: hakamoana amin’ny fanarahana ny didin’ilay Mpampianatra [jereo ny F&F 58:29]. …

“Manasa anareo aho mba hifantoka amin’ny didy avy amin’ireo mpaminany velona izay tena manahirana anareo indrindra. Mametra-panontaniana ve ianao raha toa ka mety mihatra aminao ilay didy? Moa ve ianao mahita fialan-tsiny efa maty paika ny amin’ny antony tsy ahafahanao mampifanaraka ny fiainanao amin’ilay didy? Moa ve ianao mahatsiaro ho sorena na tezitra amin’ireo izay mampahatsiahy anao mikasika ilay didy? Moa ve ianao kamo hitandrina izany? Mitandrema amin’ny fitaka ataon’ny fahavalo. Mitandrema amin’ny fimonomononana” (“Beware of Murmuring,” Ensign, nôv. 2001, 85–86).

Sary
I Lehia sy ny fianakaviany
  1. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona no azonao atao rehefa sendra mimonomonona (mitaraina) mikasika ny didy iray na ny fenitra iray arahan’ny Fiangonana ianao?

1 Nefia 2:16–19

Nikatsaka fahazavan-tsaina tamin’ny Tompo i Nefia

Vakio ny 1 Nefia 2:16, 19, ary asio marika ny zavatra notadiavin’i Nefia sy ny zavatra izay nataony ka nitarika azy hanaiky ireo didin’ny Tompo izay nomena tamin’ny alalan’ny rainy. Na dia tsy nimonomonona aza i Nefia dia diniho hoe ahoana no ahafantarana amin’ny alalan’ny zavatra nosoratany tao amin’ny 1 Nefia 2:16 mikasika ny nanalefahan’ny Tompo ny fony, fa mety ho sarotra taminy ihany koa ny fandaozana an’i Jerosalema.

  1. Mizarà ohatra iray ao anaty diary fandalinanao soratra masina mikasika ny fotoana iray izay niantsoanao ny Ray any An-danitra, tahaka an’i Nefia ihany koa, ka nahitanao fa nohamoraina tamin’ny alalan’ny Fanahy ny fonao, na mikasika ny fotoana iray izay nahazoanao fijoroana ho vavolombelona momba ny zavatra izay nolazain’ny Tompo.

Mampianatra antsika ity fitsipiky ny filazantsara manaraka ity ny zavatra niainan’i Nefia dia ny hoe: Rehefa miantso an’Andriamanitra isika, dia afaka manalefaka ny fotsika Izy mba hinoantsika ny teniny.

Vakio ny 1 Nefia 2:17–18, ary jereo ny fanirian’i Nefia sy ny zavatra nataony taorian’ny nanalefahan’ny Tompo ny fony. Eritrereto izay azonao ianarana avy amin’ny fahasamihafan’ny fihetsika nasehon’i Nefia sy i Samy ary i Lamana sy i Lemoela. Fahamarinana iray manan-danja izao manaraka izao : Rehefa mizara ny zavatra nianarantsika tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika, dia mety hino ny tenintsika ny olon-kafa.

  1. Soraty ao anaty diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay hoe nahatonga anao hino ny tenin’Andriamanitra ny teny nataon’ny olona iray, tahakan’ny ninoan’i Samy ny tenin’i Nefia.

Mieritrereta olona iray izay azonao hizarana zavatra iray izay nanampian’ny Fanahy anao hianatra izany sy hahatsapa izany ho marina. Mety hoe namana izany na olona iray ao amin’ny fianakaviana, na Mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana na koa mpampianatra iray. Manokana fotoana amin’ity herinandro ity hifampiresahana amin’izany olona izany ary zarao io fijoroana ho vavolombelona io.

1 Nefia 2:20–24

Nampanantena an’i Nefia ny Tompo fa hiroborobo izy noho ny fankatoavany

Tadiavo ary mariho ny fampanantenana hita ao amin’ny 1 Nefia 2:20–21. Io fampanantenana io dia hita miverina in-34 ao anatin’ny Bokin’i Môrmôna. Mandritra ny fianaranao ny Bokin’i Môrmôna dia hahita ny fomba fahatanterahan’ny tenin’ny Tompo rehetra tamin’i Nefia ianao. Farano amin’ny famakiana ny 1 Nefia 2:22–24 ny lesona androany.

Mitahy ireo izay mankato sy mahatoky Andriamanitra. Diniho hoe hatraiza ny fankatoavanao eo amin’ny fitandremanao ireo didin’Andriamanitra. Inona ny fomba iray mety ahatonga anao ho mpankato kokoa? Araho ireo fahatsapana izay azonao avy amin’ny Fanahy Masina.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 2 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: