Seminera
Fizarana 13: Andro 1, Môsià 18


Fizarana 13: Andro 1

Môsià 18

Fampidirana

Nino ny tenin’ny mpaminany Abinadia sy nibebaka tamin’ny fahotany i Almà izay mpisorona irain’ny Mpanjaka Noà ratsy fanahy. Taorian’ny fahafatesan’i Abinadia dia nampianatra tao amin’ny mangingina momba an’i Jesoa Kristy tamin’ny hafa i Almà. Naniry ny hiditra ny valan’Andriamanitra ireo izay nino an’i Almà. Nanao ny fanekempihavanan’ny batisa tao amin’ny toerana iray nantsoina hoe Ranon’i Môrmôna izy ireo. Eo am-pandalinanao ny Môsià 18 dia tadiavo ny zavatra nampianarin’i Almà mikasika ireo fampanantenana ataonao rehefa atao batisa ianao sy ny zavatra ho ataon’ny Tompo ho anao rehefa mihazona ireo fampanantenana ireo ianao.

Môsià 18:1–16

Nampianatra sy nanao batisa olona i Almà

Sary
Manao Batisa ao amin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà

Eritrereto ny batisanao. Inona no tadidinao momba izany traikefa izany? Ahoana no nanomanana anao ho amin’ny batisanao? Inona avy ireo fahatsapana tadidinao momba ny batisanao? Diniho izay mety hankasitrahanao bebe kokoa amin’izao fotoana izao momba ny batisanao raha ampitahaina amin’izay nankasitrahanao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao.

Manampy antsika hahatakatra ny fanekempihavanana ataontsika amin’Andriamanitra amin’ny batisa ny Môsià 18. Ny fanekempihavanana dia “fifanekena amin’Andriamanitra sy ny olona saingy tsy mitovy ny anjara raisiny ao amin’ny fifanekena. Andriamanitra no manome ny fepetran’ny fanekempihavanana ka manaiky ny hanao izay angatahiny ny olona. Ampanantenain’Andriamanitra ho an’ny olona amin’izany ireo fitahiana sasantsasany noho ny fankatoavany” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fanekempihavanana,” scriptures.lds.org).

Mba hahitana ny fomba hanampian’ny Môsià 18 antsika hahatakatra ny fanekempihavanan’ny batisa dia asio marika ity famintinana an’ity toko ity: Môsià 18:1–7 Fiomanana ho amin’ilay Fanekempihavanana; Môsià 18:8–16 Fanaovana ilay Fanekempihavanana; Môsià 18:17–30 Fiainana ilay Fanekempihavanana. Azonao atao ny manoratra ny lohahevitra tsirairay (ohatra hoe Fiomanana ho amin’ilay Fanekempihavanana ) eo akaikin’ireo andininy mifanaraka amin’izany ao amin’ny soratra masinao.

Vakio ny Môsià 18:1–2, 6–7 ary tadiavo ireo fotopampianarana sy fitsipika nampianarin’i Almà ny vahoaka mba hanampiana azy ireo hiomana amin’ny batisa. Soraty eto amin’ny toerana malalaka eto ambany ny fomba hanampian’ny fahatakarana ny zavatra nampianarin’i Almà ny vahoakany olona iray mba hiomana amin’ny batisa amin’izao fotoana izao:

Mirakitra ny fomba nanampian’i Almà ny vahoakany hahatakatra ireo fampanantenana ho ataon’izy ireo sy horaisin’izy ireo amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny batisa ny Môsià 18:8–11.

  1. Ataovy sary ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity tabilao eto ambany ity. Hadihadio ny Môsià 18:8–11 mba hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Almà momba ireo fampanantenana ataontsika amin’Andriamanitra (izay zavatra tiantsika hatao) sy ireo fampanantenana ataon’Andriamanitra amintsika rehefa atao batisa isika. Soraty ao amin’ny tsanganana mifanaraka amin’izany ao ao amin’ny tabilaonao ny zavatra hitanao.

Mampanantena aho

Mampanatena Andriamanitra

Iray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara mazava ao amin’ny Môsià 18:8–11 ny hoe: Mandray ny Fanahin’ny Tompo sy ny fampanantenan’ny fiainana mandrakizay isika amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa.

  1. Soraty eo ambanin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny famintinana ny zavatra nianaranao mikasika ny maha zava-dehibe ny fanaovana sy fitandremana ny fanekempihavanan’ny batisa.

Vakio izao teny manaraka nolazain’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao ary tsipiho ireo fitahiana izay mety ho tonga amintsika rehefa mahatakatra ireo fampanantenana ataontsika sy raisintsika amin’ny batisa isika: “Tsikaritro nandritra ny fiainako fa rehefa lasa mahatakatra tanteraka ireo fitahiana sy ny herin’ny fanekempihavanan’ny batisany ny olona, na mpikambana vaovao izy ireo na efa mpikambana nandritra ny fiainany manontolo, dia misy fifaliana lehibe tonga eo amin’ny fiainan’izy ireo ary manao ny adidiny ao amin’ny fanjakana miaraka amin’ny zotom-po mahataona ny hafa hazoto izy ireo” (“Alma the Elder: A Role Model for Today,” in Heroes from the Book of Mormon [1995], 84).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fiantraikan’ny fanekempihavanan’ny batisanao amin’ny fomba fiainanao isan’andro. (Ohatra, saintsaino ny fampanantenana nataonao mba “hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra” rehefa mifandray amin’ny fomba fifandraisanao amin’ny hafa izany, anisan’izany ny fomba fitondranao ireo olona ao amin’ny fianakavianao, ireo zavatra hifampiresahanao amin’ny namanao sy ny olom-pantatrao, ny karazan-teny ampiasainao, ny karazana sarimihetsika na fandaharana amin’ny fahitalavitra izay jerenao, ny mozika henoinao, ireo fifandraisanao ara-piarahamonina sy amin’ny fampiarahana, ary ny fihetsika asehonao amin’ireo izay mitsikera ny finoanao.)

Fakafakao tsara ny Môsià 18:12–16 ary fantaro ireo ohatra ny amin’ny fomba nanatontosan’ny Tompo ny anjarany amin’ilay fanekempihavanana tamin’i Almà sy ny vahoakany taorian’ny batisan’izy ireo. Azonao asiana marika ny zavatra hitanao.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray nahatsapanao fa nitahy anao tamin’ny Fanahiny ny Tompo rehefa nihazona ny fampanantenana nomenao tamin’ny batisa ianao dia ny hanompo Azy.

Môsià 18:17–30

Nanangana ny Fiangonan’i Jesoa Kristy teo anivon’ny vahoaka i Almà

Sary
Filoha Henry B. Eyring

Impiry ianao no mieritreritra momba ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisa sy manavao izany rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo? Impiry ianao no tokony hieritreritra momba izany? Isaky ny inona mazàna no hakanao fotoana hieritreretana ireo fanekempihavanana ireo?

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany: “Vahoakan’ny fanekempihavanana ny Olomasin’ny Andro Farany. Hatramin’ny andron’ny batisantsika ka hatramin’ireo fotoan-dehibe ara-panahy eo amin’ny fiainantsika dia manome fampanantenana amin’Andriamanitra isika ary manome fampanantenana amintsika Izy. Mitana mandrakariva ireo fampanantenana natolony tamin’ny alalan’ireo mpanompony nomeny lalana Izy, saingy fisedrana goavana eo amin’ny fiainantsika ny mijery raha toa isika ka hanao sy hitandrina ny fanekempihavanantsika Aminy” (”Witnesses for God,” Ensign, nôv. 1996, 30).

Vakio ny Môsià 18:17–18, 20–23, 27–29 ary tadiavo ny fomba nitandreman’ny mpikamban’ny Fiangonana tamin’ny andron’i Almà ny fanekempihavanan’ny batisan’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny miavaka ao amin’ny Môsià 18:22, 26, 30 izay milaza fa fitahiana lehibe no tonga amin’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanan’ny batisany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Inona no zavatra iray ho ataonao mba hitandremana tsara kokoa ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny batisanao? Ahoana ho fomba hitandremanao izany fanoloran-tena izany?

Môsià 18:31–35

Nitsoaka ny fanenjehan’ny Mpanjaka Noà ireo mpikamban’ny Fiangonana

Halalino ny Môsià 18:31–33 mba hianarana izay zavatra nataon’ny Mpanjaka Noà tao amin’ny tanànan’i Lehia-Nefia rehefa nahazo ireo fitahiana lehibe teo akaikin’ny Ranon’i Môrmôna i Almà sy ny vahoakany. Vakio ny Môsià 18:34 ary avy eo ny Môsià 23:1–2 mba hahafantarana ny fomba “nampahalalana” an’i Almà ny loza niainan’ny vahoakany.

Soraty eo akaikin’ny Môsià 18:34 ity fahamarinana ity: Afaka mampitandrina ireo olo-marina ny Tompo rehefa tandindonin-doza izy ireo.

Vakio izao traikefa manaraka nozarain’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo izao izay maneho ity fahamarinana ity:

Sary
Loholona Neil L. Andersen

“Rehefa niasa tao amin’ny FBI (biraom-panjakana mpanao asa fikarohana) ny namako iray, dia nanao fikarohana mikasika ny fikambanana andian’olona mpanao heloka mitatitra zava-mahadomelina voararan’ny lalàna mankao Etazonia.

“Indray mandeha dia nanatona trano fonenana iray izy sy ny mpiasa iray hafa, trano izay ninoan’izy ireo fa nivarotan’ny lehilahy iray, izay fantatra fa mpivarotra zava-mahadomelina, cocaïne. Nitantara ny zava-niseho ny namako nanao hoe:

“ ‘Nandondona ny varavaran’ilay mpivarotra zava-mahadomelina izahay. Namoha ny varavarana ilay noahiahiana ho olo-meloka, ary rehefa nahita anay izy dia niezaka nibahana nanafina ny tao an-trano mba tsy ho hitanay. Saingy tara loatra izany fa efa hitanay ilay cocaïne teo ambonin’ny latabany.

“ ‘Nanomboka nanala avy hatrany ilay cocaïne ny lehilahy iray sy vehivavy iray teo amin’ilay latabatra. Tsy maintsy nanakana azy ireo tsy hanimba ny porofo izahay ka noho izany dia natosiko haingana ho eo amin’ny sisiny ilay mpivarotra zava-mahadomelina noahiahiana, izay nibahana ny varavarana. Rehefa natosiko izy dia nifanena ny masonay. Nahagaga fa toa tsy tezitra na natahotra izy. Nitsiky tamiko izy.

“‘Ny masony sy ny tsikiny izay toa nanaisotra ny maha meloka azy dia nahatonga ahy nihevitra fa tsy hanao na inona na inona aminay izy, noho izany dia navelako izy ary nanomboka nandroso nihazo ilay latabatra aho. Ao aoriako izao ilay olona noahiahiana. Nanana fahatsapana niavaka sy nahery vaika tonga tao an-tsaiko aho tamin’izay fotoana izay hoe: “Mitandrema amin’ny fikasan-dratsy miafina ao ambadik’ireo maso mitsiky.”

“‘Nitodika avy hatrany tany amin’ilay noahiahiana aho. Tao anatin’ny paosiny lehibe teo anoloana ny tanany. Nalaiko sy nosintoniko avy ao am-paosiny tsy ampim-pieritreretana ny tanany. Tamin’izay vao hitako, nofeheziny mafy tamin’ny tanany, ilay poleta semi-automatique izay efa voafahana. Zavatra maro be tao anatin’ny fotoana fohy no nitranga taorian’izay, ary noesoriko teny an-tanan’ilay lehilahy ilay fitaovam-piadiana.’ …

“… Nampitandrina ny namako tamin’ny loza ara-batana ny Fanahy Masina, ary hampitandrina anao amin’ny loza ara-panahy koa ny Fanahy Masina” (“Beware of the Evil behind the Smiling Eyes,” Ensign na Liahona, mey 2005, 46–47).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fahatsapana nanananao avy tamin’ny Fanahy Masina na ireo zavatra niainana tsaroanao tany amin’ny toerana nampitandremana na niarovana anao tamin’ny loza ara-batana sy ara-panahy, na manorata momba ireo traikefan’ny olona iray fantatrao na zavatra novakinao na henonao.

  2. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 18 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: