Seminera
Fizarana 2: Andro 1, 1 Nefia 1


Fizarana 2: Andro 1

1 Nefia 1

Fampidirana

Ny Bokin’i Môrmôna dia manomboka amin’ny fitantaran’i Nefia an’i Lehia rainy, i Lehia izay nanatanteraka tamim-pahatokiana ny andraikiny amin’ny maha mpaminany azy sy amin’ny maha mpitarika ny fisoronana azy ho an’ny fianakaviany. Ny fahatakarana ny asa nosahanin’i Lehia dia afaka manampy anao hahatakatra ny andraikitr’ireo mpaminany amin’izao androntsika izao. Izy dia iray tamin’ireo “mpaminany maro tonga naminany tamin’ny [Jiosy] ny tsy maintsy hibebahan’[izy ireo]” (1 Nefia 1:4). Koa satria nankatò an’Andriamanitra i Lehia ary naminany ny amin’ny faharavan’i Jerosalema dia naneso azy ny vahoaka ary nikatsaka ny hamono azy. Na izany aza anefa, dia nifaly i Lehia tamin’ny famindram-pon’ny Tompo sy ny herin’ny fanafahany. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 1 ianao, dia eritrereto ny fomba nanehoana ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fanoloran-tenanao manokana teo amin’ny fiainanao.

1 Nefia 1:1–3

Nanomboka ny rakitsorany i Nefia

Vakio ny 1 Nefia 1:1, ary tadiavo ireo teny manan-danja izay manambara hoe toy ny ahoana ny fiainan’i Nefia.

  1. Arak’izay novakianao tao amin’ny andininy 1, manorata ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina momba ny fomba iray farafahakeliny izay ahatsapanao fa ny fiainanao dia mitovy amin’ny fiainan’i Nefia.

  2. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana araka ny eritreritrao no fomba ahafahan’i Nefia “nahita fahoriana betsaka” kanefa sady “nahita sitraka fatratra tokoa tamin’ny Tompo tamin’ny andro[ny] rehetra”?

1 Nefia 1:4–20

Nahazo fahitana i Lehia ary nampitandrina ny vahoaka mikasika ny faharavan’i Jerosalema

Eritrereto ny fotoana iray nampitandreman’ny ray aman-dreninao na ireo Mpitondran’ny Fiangonana anao mikasika ny zavatra iray mampidi-doza. Inona no nanosika azy ireo hampitandrina anao?

Tia antsika ny Raintsika any An-danitra ary tiany isika mba tsy ho azon’ny fahotana izay manimba antsika. Iray amin’ireo fomba ampitandreman’Andriamanitra ny zanany dia amin’ny alalan’ireo mpaminany. Mampitandrina amin’ny fahotana ny mpaminany ary mampianatra ny famonjena amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 1 ianao dia tadiavo ny mampitombona io fitsipika io. I Nefia dia nanomboka ny rakitsorany tamin’ny filazana amintsika fa mpaminany maro no nitory sy nampitandrina ny vahoaka mikasika izay hitranga raha tsy mibebaka izy ireo (jereo ny 1 Nefia 1:4). Vakio ny 1 Nefia 1:5–7, ary asio marika ao amin’ny soratra masinao ny fomba nivavahan’i Lehia sy ny antony nivavahany. Ny vavaka nataon’i Lehia tamin’ny Tompo dia maneho fa nino izay nolazain’ireo mpaminany izy.

Vakio ny 1 Nefia 1:8–10, ary farito anaty boribory ny zavatra rehetra izay hitan’i Lehia tamin’ny fahitana.

  • Andriamanitra

  • Jesoa Kristy

  • Anjely

  • Olona roa ambin‘ny folo hafa

Sary
Lehia

Vakio ny 1 Nefia 1:11–12, ary mariho izay zava-nitranga tamin’i Lehia rehefa namaky ny boky izay nomena azy izy. Tamin’ny alalan’io fahitana io no nanomanan’ny Tompo mialoha an’i Lehia mba hanao asa fanompoana teo anivon’ny vahoakan’i Jerosalema. Vakio ny 1 Nefia 1:13, ary mariho izay zavatra nampianarina an’i Lehia mikasika an’i Jerosalema. Rehefa mamaky ianao dia mitoera mihitsy eo amin’ny toeran’i Lehia ary alao sary an-tsaina izay mety ho fahatsapanao raha miteny aminao ny Tompo fa ireo zavatra ireo dia hitranga amin’ny ankohonanao sy ny tanananao.

Mazava ho azy fa mety ho tena sarotra tamin’i Lehia mihitsy izany hoe nampitandremana mikasika ny faharavan’ny vahoakany sy ny tananany izany. Kanefa vakio ny 1 Nefia 1:14–15, ary tadiavo ny antony nifalian’i Lehia na dia nahita aza fa ho rava i Jerosalema.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny eritreritrao mikasika ity fanontaniana manaraka ity: Ahoana no fomba nahafahan’ny zavatra niainan’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 1:5–15 hisy fiantraikany teo amin’ny faniriany hampianatra ny vahoaka sy hitaona azy ireo hibebaka?

Rehefa avy nampitandremana mikasika ny faharavan’i Jerosalema i Lehia dia nizara ny zavatra izay nianarany tamin’ny vahoakan’i Jerosalema. Nampitandrina azy ireo izy fa horavana izy ireo raha toa tsy mibebaka. Vakio ny 1 Nefia 1:18–20, ary fantaro ny fihetsika nasehon’ny vahoakan’i Jerosalema. Alao sary an-tsaina hoe mpamoaka gazety gazety iray ianao ary mila manoratra lohateny ho an’ny 1 Nefia 1:18–20. Inona no ho lohateny ataonao?

Sary
Maminany amin’ny vahoakan’i Jerosalema i Lehia

Saintsaino ity teny manaraka ity:

Toy ireo mpaminany fahiny, dia mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy mampianatra ny filazantsarany koa ireo mpaminany ankehitriny. Mampahafantatra ny sitrapon’Andriamanitra sy ny tena toetoetrany marina izy ireo. Miteny amim-pahasahiana sy amin’ny fomba mazava izy ireo, ary manameloka ny ota sy mampitandrina momba ny vokatr’izany. Indraindray izy ireo dia mety ho entanim-panahy haminany ny zavatra ho avy mba ho tombontsoantsika” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky fanovozan-kevitra mikasika ny Filazantsara [2004], 129).

  1. Manorata fehezan-teny iray araka izay fomba ilazanao azy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay mamariparitra ny andraikitry ny mpaminany iray na dia eo aza ireo fanoherana izay tsy maintsy atrehany.

Rehefa nanoratra mikasika ny zavatra niainan-drainy tany Jerosalema i Nefia dia nanampy hafatra iray ho an’ny mpamaky eo an-tenantenan’ny 1 Nefia 1:20, natombony tamin’ny teny hoe “Nefa indro, izaho Nefia dia haneho aminareo …” Ity andininy ity dia mampiditra ny lohahevitra iray nantitranterin’i Nefia tao amin’ny asa sorany. Tsipiho io lohahevitra io ao amin’ny 1 Nefia 1:20, ary avy eo dia vakio ny Môrônia 10:3 ary tadiavo ao ny lohahevitra iray mitovy amin’izany. (I Môrônia no mpaminany farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Teo amin’ny 1000 taona teo no nanelanelana ny fotoana niainan’i Nefia sy i Môrônia.)

Mariho fa nanambara i Nefia ao amin’ny toko voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna fa hasehony amintsika ny “halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo” ao amin’ny asa sorany (1 Nefia 1:20). Ao amin’ny toko farany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna i Môrônia dia niteny tamintsika mba hahatsiaro “ny naha-feno famindram-po ny Tompo” (Môrônia 10:3).

Sary
Loholona David A. Bednar

Tian’i Nefia isika hahatakatra tsara hatrany amboalohan’ny rakitsorany fa ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia mipaka any amin’ireo izay maneho finoana Azy. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe inona ireo halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Ataovy anaty boribory ireo teny sy andian-teny izay nampiasain’ny Loholona Bednar mba hamaritana ny atao hoe: “halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo” rehefa mamaky ny fanazavany ianao:

“Ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo dia ireo fitahiana, hery, fiarovana, antoka, fitarihana, hatsaram-panahy ombam-pitiavana, fampiononana, fanohanana sy fanomezana ara-panahy izay tena natao ho an’ny tena manokana sy ho an’ny tsirairay izay azontsika avy amin’i Jesoa Kristy Tompo sy noho Izy ary amin’ny alalany. …

“… Tsy kisendrasendra no hitrangan’ny halehiben’ny famindram-pon’ny Tompo na vokatry ny fifandrifin-javatra fotsiny. Ny fahatokiana, sy ny fankatoavana ary ny fanetrentena no manasa ny halehiben’ny famindram-po ho tonga eo amin’ny fiainantsika, ary matetika araka ny fotoanan’ny Tompo no ahafahantsika mahatakatra sy mankamamy ireny fitahiana manan-danja ireny” (“The Tender Mercies of the Lord,” Ensign na Liahona, mey 2005, 99–100).

  1. Valio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana ity: Inona no ohatra efa hitanao mikasika ny fanoloran’ny Tompo ny halehiben’ny famindram-pony teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’olona iray izay fantatrao?

Atombohy na tohizo ny fitadiavana ny halehiben’ny famindram-po izay natolotry ny Tompo ho anao sy ny fandraisana an-tsoratra izany ao anatin’ny diarinao manokana. Rehefa manao izany ianao dia ho mora kokoa aminao ny mahita ireo fitahian’Andriamanitra izay atolony ho anao.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 1 Nefia 1 aho ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: