Seminera
Enôsa


Fampahafantarana ny Enôsa

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Mampiseho ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy mba hanadio ny fahotan’ny olona sy hanasitrana azy ireo ny bokin’i Enôsa. Nitolona teo anoloan’Andriamanitra tamin’ny vavaka mahery i Enôsa talohan’ny namelana ny fahotany. Dia nangataka ny fahatsarana ara-panahin’ny Nefita sy ny Lamanita izy avy eo. Nandany ny androny sisa tamin’ny fiasana ho an’ny famonjena azy ireo izy. Eo am-pandalinanao ny bokin’i Enôsa dia afaka mahita ireo lesona manan-danja momba ny vavaka sy ny fibebahana ary ny fanambarana ianao. Afaka mianatra ihany koa ianao fa rehefa mandray ireo fitahian’ny Sorompanavotana ny olona tsirairay dia hanana faniriana ny hizara ireny fitahiana ireny amin’ny hafa.

Iza no nanoratra ity boky ity?

I Enôsa, zanak’i Jakôba sy zafikelin’i Lehia sy i Sarià no mpanoratra ity boky ity. Noraketin’i Enôsa fa nampianatra azy “tamin’ny fanabeazana sy ny fananarana araka ny Tompo” (Enôsa 1:1) ny rainy. Nanoratra i Enôsa rehefa akaiky ho faty fa izy dia nanambara “ny teny araka ny fahamarinana izay ao amin’i Kristy” (Enôsa 1:26) nandritra ny androny rehetra. Talohan’ny fahafatesany dia natolotr’i Enôsa an’i Jarôma zanany lahy ireo takelaka kelin’i Nefia (jereo ny Jarôma 1:1). Nofaranan’i Enôsa tamin’ny fifaliana amin’ny andro hijoroany eo anoloan’ny Mpanavotra azy ny rakitsorany. Nanambara izy hoe: “Ary amin’izany aho dia ho finaritra hahita ny tavany, ary Izy hiteny amiko hoe: Avia aty Amiko, ianao notahiana, fa efa misy toerana voavoatra ho anao ao an-tranon-dRaiko” ( Enôsa 1:27).

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Nofaranan’i Enôsa ny rakitsorany tamin’ny alalan’ny fanambarana fa 179 taona izay no lasana hatramin’ny nandaozan’i Lehia an’i Jerosalema (jereo ny Enôsa 1:25). Izany dia mamaritra ny datin’ny asa sorany ho tokotokony ho teo anelanelan’ny 544 talohan’i Kristy (rehefa namarana ny rakitsorany i Jakôba) sy 420 talohan’i Kristy. Nandritra ny fotoana nonenany tao amin’ny tanin’i Nefia no nanoratan’i Enôsa ity rakitsoratra ity.