Seminera
Fizarana 7: Andro 2, 2 Nefia 17–20


Fizarana 7: Andro 2

2 Nefia 17–20

Fampidirana

Noraketin’i Nefia ao amin’ny 2 Nefia 17–20 fa niezaka nandresy lahatra ny mpanjakan’i Joda sy ny vahoakany i Isaia mba hatoky ny Tompo toy izay hirotsaka ao anatin’ireo fiaraha-mikambana ataon’ny firenena eto an-tany. Tamin’ny alalan’ny fampiasana fambara sy tandindona —marika na sary ampiasaina hanehoana zavatra iray izay mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba ireo fahamarinana lehibe—no naminanian’i Isaia mikasika ireo zavatra hitranga ao anatin’ny vanim-potoana iainany, sy ny fahaterahan’i Jesoa Kristy ary ny famongorana ny olon-dratsy amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany.

2 Nefia 17–18

Voatahy ny fanjakan’i Joda rehefa mametraka ny fitokiany amin’i Jesoa Kristy izy ireo

Sary
sarintanin’i Isiraely sy i Joda

Firenena

Syria

Isiraely (Efraima)

Joda

Mpanjaka

Rezina

Peka

Ahaza

Renivohitra

Damaskosy

Samaria

Jerosalema

Mba hanampiana anao hiomana amin’ny lesona androany dia mieritrereta fotoana iray izay niatrehanao toe-javatra mampatahotra iray. Tadidinao ve ny fihetsika voalohany nasehonao? Rehefa mandalina ny 2 Nefia 17–18 ianao dia miezaha mitady ilay torohevitr’i Isaia ho an’ireo izay mahatsapa ny tenany ho ao anatin’ny toe-javatra sarotra na mampatahotra.

Rehefa mandalina ny 2 Nefia 17–18 ianao dia ho ilainao ny mahafantatra ireo firenena kely telon’i Syria, Isiraely ary Joda ary koa ny fanjakana Syriana izay lehibe kokoa, izay nikasa ny hambabo ireo firenena kely ireo. Jereo ity sarintany manaraka ity sy ilay tabilao miaraka aminy.

Vakio ny 2 Nefia 17:1–2, ary jereo ilay sarintany. Ny hoe “miandany amin’i Syria i Efraima” dia midika hoe ireo firenena roa ireo dia nanaiky ny hikambana. Ezaho fantarina hoe iza no nanafika an’iza. Tsarovy fa ilay andian-teny hoe “mpianakavin’i Davida” ao amin’ny andininy faha 2 dia ilazana an’i Ahaza sy ny vahoakan’i Joda.

Naniry ny hambabo ny fanjakan’i Joda ny fanjakan’i Isiraely sy ny fanjakan’i Syria ary hanery an’i Joda mba hiara-hikambana amin’izy ireo mba hanoherana ny fanjakana Asyriana izay matanjaka. Nampitahotra i Asyria fa hambabo faritra iray manontolo teto amin’izao tontolo izao tamin’izany fotoana izany. I Isiraely sy i Syria dia nino fa rehefa voababon’izy ireo i Joda dia afaka manana olona maro kokoa izy ireo ary fitaovana bebe kokoa mba hiadiana amin’ireo Asyriana izay efa nanatona (jereo ny 2 Nefia 17:5–6). Nieritreritra ny hiara-hikambana amin’i Isiraely sy i Syria ny Mpanjaka Ahaza.

Eritrereto hoe inona no hataonao raha toa ka ianao no Mpanjaka Ahaza. Mandrahona ny hanafika ny vahoakanao i Asyria etsy andaniny, ary etsy ankilany mampiaka-peo ny hanafika anao i Syria sy i Isiraely raha toa ianao ka tsy hiara-hikambana amin’izy ireo mba hiady amin’i Asyria. Nipetraka tany amin’ny fanjakan’i Joda i Isaia ary nirahin’ny Tompo nankany amin’i Ahaza izy mba hitondra hafatra. Inona araka ny eritreritrao no ho tsapanao mikasika izany hoe hafatra iray avy amin’ny mpaminany izany raha toa ka ianao no Mpanjaka Ahaza?

  1. Vakio ny 2 Nefia17:3–8, ary tsipiho ny hafatry ny Tompo ho an’i Ahaza sy ny vahoakany izay nampitondraina ny mpaminany Isaia. (Ny teny hoe “tapa-porohana” ao amin’ny andininy faha 4 dia ilazana ilay fanilo iray maty, izay entina hanehoana ny fahapotehana sy ny fahababoan’ireo fanjakana roa ireo.) Alaivo sary an-tsaina hoe henonao i Isaia nilaza izany tamin’i Ahaza. Taty aoriana dia nisy namana iray nanontany anao mikasika ny zavatra nolazain’i Isaia. Manorata fehezanteny roa na telo ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamaritra ny fomba hamalianao ilay namanao.

Niezaka i Isaia mba hanampy ny mpanjaka sy ny vahoakany hiantehatra amin’ny fanampian’ny Tompo toy izay amin’ny fiaraha-mikambana ara-pôlitika izay tsy tsara tombina.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no zava-dehibe ho antsika ny mitodika any amin’ny Tompo rehefa mila fanampiana isika toy izay miantehatra fotsiny amin’ny olona hafa mba hanampy antsika?

    2. Inona avy ireo toe-javatra sasany izay mety hahatonga ny tanora ho azon’ny fakam-panahy hanao ho lohalaharana ny fifandraisany amin’ny olona hafa fa tsy ny fifandraisany amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Nilaza ny Tompo fa homeny famantarana iray i Ahaza sy ny fanjakan’i Joda izay maneho fa ho arovany izy ireo ary tsy ho ilain’izy ireo ny fianteherana amin’ilay fiaraha-mikambana ataon’ny firenena eto an-tany. Vakio ny 2 Nefia 17:14 mba hahalalana ilay famantarana. Ataovy ao anaty faribolana ilay teny hoe Imanoela ao anatin’io andininy io. Soraty eo akaikin’io andininy io ny hoe “Matio 1:22–23.” Vakio ny Matio 1:22–23 mba hahitana ny dikan’ilay anarana hoe Imanoela.

Ahoana no ho fomba nanampian’ny famantarana iray izay midika hoe “Momba antsika Andriamanitra” an’i Ahaza tao anatin’izany fotoana izany? Tamin’ny fomba ahoana ihany koa no niresahan’ny faminaniana nambaran’i Isaia tahaka izany momba ny fahaterahan’i Jesoa Kristy taonjato vitsy taty aoriana?

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Mba hahatakarana bebe kokoa ilay famantarana hoe, fahaterahan’ilay zaza iray, dia diniho ity fanazavana manaraka nataon’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity: “Misy singa maro na mirazotra amin’ity faminaniana ity tahaka ny hita be dia be tokoa ao amin’ny rakitsoratr’i Isaia. Ny dikany tena mivantana angamba dia niompana tamin’ny vadin’i Isaia izay vehivavy madio sy tsara toetra, izay tera-dahy tao anatin’izany fotoana izany [jereo ny 2 Nefia 18:3], ary io zaza io dia lasa fambara sy tandindon’ilay fahatanterahana lehibe an’ilay faminaniana niseho taty aoriana, izay hitranga ao anatin’ny fahaterahan’i Jesoa Kristy” (Christ and the New Covenant [1997], 79).

Sary
Manoratra ny amin’ny Fahaterahan’i Kristy i Isaia

Naminany i Isaia fa alohan’ny hahalehibe ilay zaza dia hambabo ny tafik’i Isiraely (Efraima) sy i Syria i Asyria (jereo ny 2 Nefia 17:15–25). Ilay famantarana hoe “Momba antsika Andriamanitra” dia natao mba hanomezana toky indray ny Mpanjaka Ahaza fa Hiaraka amintsika Andriamanitra rehefa matoky Azy isika na dia mandritra ireo fotoan-tsarotra sy mampatahotra aza. Soraty ao anatin’ny soratra masinao io fitsipika io.

Vakio ny 2 Nefia 18:6–8, ary tsipiho ny andian-teny hoe “ranon’i Siloa.” Ny ranon’i Siloa ho an’i Isaia dia naneho ilay fitarihana sy hery tony sy tsy miovaova ary manohana avy amin’Andriamanitra, izay nilaina nampidirina tao anatin’ny fiainana ara-pôlitikan’ny firenena (jereo ny 2 Nefia 18:6). Nampiasain’i Isaia ny ranon’i Siloa mba hanehoana zava-mifanohitra satria ny vahoakan’i Isiraely sy ny vahoakan’i Joda dia nanda ny Mesia—“ny ranon’i Siloa,” na ilay hery tony sy manohana avy amin’Andriamanitra. Noho izany, araka ny faminaniana nataon’i Isaia dia nobaboin’ny Mpanjakan’i Asyria sy ireo miaramilany mpanafika mampihoron-koditra sy mahery setra—izay aseho amin’ny alalan’ny hoe “renirano izay mahery sady betsaka”—i Syria sy i Isiraely.

Amin’ny maha-mpahaitononkalo azy dia nampiasain’i Isaia ireo karazan-drano roa ireo, izay mikoriana amin’ny endriny samy hafa tanteraka mba hanazavana ny zavatra hitranga amin’i Joda. Dia tonga tany Joda ny tafika Asyriana—izay aseho amin’ny alalan’ny teny hoe taninao. Saingy tsy nambabo an’i Jerosalema ilay tafika—izay aseho amin’ny alalan’ilay fehezanteny hoe “hanafotra izy sy hihoatra, na dia hisondrotra havozona aza.”

Vakio ny 2 Nefia 18:9–12, ary jereo hoe impiry ny Tompo no nanoro hevitra an’i Joda mba tsy hiaraka amin’i Syria sy i Isiraely. Araka ny voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 18:13, dia taiza no nanoroan’ny Tompo hevitra an’i Joda, tamin’ny alalan’i Isaia, fa tokony handehanan’izy ireo hitady fanampiana?

Rehefa avy nanafika an’i Joda ny Asyriana ary nanambana an’i Jerosalema dia nahazo mpanjaka vaovao i Joda. I Hezekia no anarany. Natoky ny Tompo sy ny mpaminany Isaia izy. Miaramila Asyriana miisa 185.000 no novonoin’ny anjelin’ny Tompo anankiray tao amin’ny tobin’izy ireo tamin’ny farany (jereo ny 2 Mpanjaka 19:35; Isaia 37:36).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na mihoatra izany:

    1. Inona avy ireo loza ateraky ny fametrahana ny fitokianao amin’ny zavatry ny tany sy ireo fitarihana ara-nofo toy izay amin’ny Tompo? (Azonao atao ny mieritreritra toe-javatra izay mety maka fanahy anao handray fanapahan-kevitra miorina amin’ny tahotra.)

    2. Oviana ianao no nitodika tany amin’ny Tompo mba hangataka hery raha toa ka tratran’ny fakam-panahy hitodika tany amin’ny loharano hafa aloha tamin’ny voalohany? Inona no nianaranao avy amin’ilay zavatra niainana?

    3. Voaro tamin’ny famongorona ny vahoakan’i Joda rehefa teo ambany fitarihan’ny Mpanjaka Hezekia satria nanaraka ny torohevitra nomen’i Isaia izay avy amin’ny Tompo izy ireo. Nahoana no afaka miaro antsika amin’ny loza ara-panahy ny fanarahana ireo mpaminany maoderina?

2 Nefia 19:1–7

Niteny ho an’ny Mesia i Isaia

Moa ve ianao hatramin’izay efa nanao dia nandritra ny fotoana naharitra ka tsy nahita masoandro na tsy nahatsapa ny hafanany? Raha toa tsy mbola niaina izany ianao dia alaivo sary an-tsaina hoe misy aloka tsy tapaka manarona anao ka tsy mahita hazavana sy mahazo hafanana mihitsy ianao (toy ireny hoe ao anatin’ny efitra maizina ireny foana). Nampiasa sary mitovy amin’izany i Isaia mba hampisehoana toe-javatra ara-panahy iainan’ny olona izay tsy manaraka ny hazavan’i Jesoa Kristy.

Misy tany roa voalaza ao amin’ny 2 Nefia 19:1–2. Vakio ireo andininy ireo ary asio marika ny anaran’ireo tany roa.

Nandritra ny taonjato maro talohan’ny nanoratan’i Isaia ireo andininy ireo dia nisy ady maro nifanaovana mba hahazoana mifehy ilay faritra izay fantatra ankehitriny hoe Tany Masina. Ny sasany dia niantso io faritra io hoe “tany aloky ny fahafatesana” satria tena maro ny olona namoy ny ainy teo nandritra ny ady. Tao anatin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao, dia tao amin’ireo faritra fantatra teo aloha hoe tany Zebolona sy tany Naftalia i Nazareta, Kapernaomy, Naina ary Kana. Ireo no tanàna nandanian’i Jesoa Kristy ny ankamaroan’ny fotoany mba hanompoana olona 500 taona mahery taty aoriana. Fantatra amin’ny hoe faritr’i Galilia izany.

Asio marika ao amin’ny 2 Nefia 19:2 ny zavatra nolazain’i Isaia an’ireo olona tao amin’io faritra io fa ho hitan’izy ireo amin’ny farany.

Ny filazan’i Isaia hoe ireo izay “nandeha tao amin’ny haizina” ary nitoetra tao amin’ny “tany aloky ny fahafatesana” dia “nahita hazavana lehibe”, dia faminaniana iray momba ny fanatanterahan’i Jesoa Kristy ny asa nanirahana azy teto an-tany tany amin’io faritra iray teto amin’izao tontolo izao io. Nandeha tao anatin’ny haizina ara-panahy ny olona izay nipetraka tany amin’ny faritr’i Galilia, saingy rehefa niaina sy nanompo teo anivon’izy ireo i Jesoa Kristy dia nahita “hazavana lehibe” izy ireo.

  1. Vakio ny 2 Nefia 19:6–7, ary eritrereto hoe iza amin’ireo anarana iantsoana ny Mpamonjy ao amin’ny andinin’ny faha 6 ireo no mety tena nanan-danja manokana ho an’ny vahoakan’i Joda noho ny toe-javatra niainan’izy ireo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fanehoan’ny iray amin’ireo anarana ireo na mihoatra ny zavatra tsapanao momba ny Mpamonjy.

2 Nefia 19–20

Noresahan’i Isaia ny famongorana ny ratsy fanahy amin’ny Fiaviana Fanindroany

Ny faminanian’i Isaia mikasika ny famongorana an’i Asyria izay voarakitra ao amin’ny 2 Nefia 20, dia faminaniana koa mikasika ny famongorana ny ratsy fanahy amin’ny Fiaviana Fanindroany. Rehefa mamaky io toko io ianao dia tsarovy fa toa an’i Hezekia izay natoky ny torohevitr’i Isaia avy amin’ny Tompo ka dia nahazo fitahiana, dia tsy tokony hatahotra koa ny fitsarana izay hitranga amin’ny mponin’ny tany amin’ny fotoana aorian’ny Fiaviana Fanindroany ianao rehefa mametraka ny fitokisanao amin’ny Tompo.

Inona ilay fehezanteny miverimberina ao amin’ny 2 Nefia 19:12, 17, 21 sy 2 Nefia 20:4? Azonao atao ny manisy marika izany ao amin’ny soratra masinao. Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay fehezanteny ary tsipiho ny teny hoe fahatezerany sy ny teny hoe tanany. Soraty eo ambanin’ny teny hoe fahatezerany, ny teny hoe fitsarany, ary eo ambanin’ny teny hoe tanany, ny teny hoe famindram-pony. Vakio mafy ilay fehezanteny ka soloy amin’ny hoe fitsarany sy famindram-pony ireo teny ireo (“Na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitony ny [fitsarany] fa mbola mihinjitra ny [famindram-pony].”)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no hamaritan’ilay fehezanteny ao anatin’ilay asa fandalinana natao tetsy ambony ny fihetsika asehon’ny Tompo eo anatrehan’ireo firenena na fianakaviana na olona izay manda Azy?

    2. Ahoana no ahafahanao mampihatra ireto fahamarinana manaraka ireto eo amin’ny fiainanao? I Jesoa Kristy dia Andriamanitry ny fitsarana sy ny famindram-po. Ny famindram-pony dia mihinjitra amin’ireo izay mibebaka sy mitandrina ny didiny.

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nankatoavanao didy iray ary nahatsapanao ny famindram-pon’Andriamanitra.

  3. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny 2 Nefia 17–20 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: