Seminera
Fizarana 24: Andro 2, 3 Nefia 2–5


Fizarana 24: Andro 2

3 Nefia 2–5

Fampidirana

Fotoana fohy taorian’ny nahitan’ny vahoaka ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy dia nanomboka nanadino ny fijoroana ho vavolombelona azony izy ireo, ary nanamafy ny fony. Maro tamin’ireo Nefita sy ireo Lamanita no nandà famantarana sy fahagagana fanampiny ka nihanitombo tao anatin’ny faharatsiana. Vokatr’izany dia nitombo hery ny jirik’i Gadiantôna ary nandrahona ny hamongotra ireo Nefita. Nangonin’i Lakôneo lohan’ny mpitsara Nefita avokoa ireo Nefita sy Lamanita marina rehetra ary niantso ny vahoaka hibebaka sy hiomana ho amin’ny ady izy. Noho ny firaisan-kinan’izy ireo sy ny finoany ny Tompo dia resin’izy ireo ny fahavalony. Taorian’ny nanafahana azy ireo dia niaiky ny herin’Andriamanitra ireo Nefita sy Lamanita marina tamin’ny nitsimbinana ny ain’izy ireo.

3 Nefia 2

Nitambatra ho iray ireo Nefita sy Lamanita marina mba hiaro tena teo anatrehan’ny jirik’i Gadiantôna

Mieritrereta traikefa ara-panahy manan-danja vitsivitsy izay nitranga teo amin’ny fiainanao. (Tadidio fa tsy voatery ho mahatalanjona na tsy mahazatra ny zavatra niainana ara-panahy vao azo heverina ho manan-danja.) Nahoana araka ny eritreritrao no mety ho zava-dehibe ny mahatsiaro ireo zavatra niainana ara-panahy ireo?

Vakio ny 3 Nefia 2:1–3 mba hitadiavana izay zavatra nitranga teo anivon’ny vahoaka rehefa nanomboka nanadino ireo famantarana ny fahaterahan’ny Mpamonjy izy ireo. Inona no azonao ianarana avy amin’ity tantara ity mikasika ny maha-zava-doza ny fanadinoana ireo zavatra niainana ara-panahy?

Anisan’ireo fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny zavatra nitranga tamin’ny Nefita ny hoe raha manadino ireo zavatra niainana ara-panahy teo aloha isika dia lasa mora handairan’ny fakam-panahy sy ny fitak’i Satana. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny 3 Nefia 2:1–3. Eo am-panaovanao izany dia eritrereto hoe nahoana no mahatonga antsika ho mora handairan’i Satana ny fanadinoana ireo zavatra niainana ara-panahy.

Saintsaino izay azonao atao hanampiana anao hamantatra sy hahatsiaro ireo zavatra niainana ara-panahy. Ataovy lisitra ireo hevitra vitsivitsy heverinao fa hanampy be indrindra:

Notantarain’ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ny fomba nahafan’ny firaketany tao anatin’ny diary ny zavatra niainany ara-panahy nitondra fanampiana ho azy. Rehefa mamaky ny zavatra niainany ianao dia tsipiho ireo fitahiana sasantsasany izay mety ho tonga noho firaketana ireo zavatra niainana ara-panahy:

Sary
Filoha Henry B. Eyring

“Nanoratra andalana vitsy aho isan’andro nandritra ny taona maro. Tsy mbola nisy andro tsy nanoratako mihitsy na reraka manao ahoana aho na aloha tahaka ny inona aza ny ora fidirako ny ampitso. Alohan’ny hanoratako, dia nisaintsaina izao fanontaniana izao aho: ‘Moa ve aho androany nahita ny tanan’Andriamanitra nanampy anay na ny zanakay na ny fianakavianay?’ Rehefa nanohy nanao izany aho, dia nisy zavatra nanomboka niseho. Rehefa nieritreritra ny zava-nitranga nandritra ny tontolo andro aho, dia hitako niharihary ny zavatra nataon’Andriamanitra tamin’ny iray taminay izay tsy tsikaritro tao anatin’ny fotoana nahasahirana ahy nandritra iny andro iny. Rehefa nitranga izany, ary nitranga matetika, dia hitako fa ny fiezahana hahatsiaro dia nahafahan’Andriamanitra nampiseho tamiko ny zavatra izay nataony.

“Nihoatra noho ny fankasitrahana ny zavatra nitombo tao am-poko. Nitombo ny fijoroana ho vavolombelona. Lasa azoko antoka mihoatra noho ny hatrizay fa ny Raintsika any an-danitra dia mihaino sy mamaly vavaka. Nahatsapa fankasitrahana bebe kokoa aho noho ny fanalefahana sy ny fanadiovana ny fon’ny olona izay tonga noho ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy Mpamonjy. Ary lasa nahazo toky kokoa aho fa ny Fanahy Masina dia afaka mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra—na dia ireo zavatra izay tsy tsikaritsika na tsy noraharahiantsika aza tamin’ny fotoana nisehoany,” Ensign na Liahona, nôv. 2007, 67).

  1. Farito ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe ahoana no fomba nahafahan’ny fahatsiarovana ireo zavatra niainana ara-panahy nanampy anao hijanona ho mahatoky na dia teo aza ny fikasan’i Satana haka fanahy sy hamitaka anao. (Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny fahatsiarovana ireo zavatra niainana ara-panahy amin’ny alalan’ny firaketana azy ireny ao anaty diary.)

Araka ny voasoratra ao amin’ny 3 Nefia 2:4–19 dia maro tamin’ireo Nefita no nanohy niaina tao anatin’ny faharatsiana, ary nitombo isa sy nihanahery ireo jirik’i Gadiantôna. Lasa nahery setra kokoa izy ireo, ka nahatonga ireo Lamanita niova fo hanambatra ny heriny tamin’ny Nefita mba hiadiana amin’izy ireo. Na dia nahita fahombiazana ihany aza ireo Nefita sy ireo Lamanita tamin’ny fanosehana ny jirik’i Gadiantôna hiala ny taniny dia mbola tao anatin’ny toe-javatra nampahory izy ireo 15 taona taorian’ny nanomezana ireo famantarana ny fahaterahan’i Jesoa Kristy.

3 Nefia 3:1–10

Nangatahin’ny lehiben’ny jirik’i Gadiantôna ireo Nefita sy ireo Lamanita hitolo-batana

Ao amin’ny 3 Nefia 3:1–10, dia hitantsika ny ohatra amin’ny fomba iasan’ny devoly amin’ny alalan’ny olona hafa indraindray mba hamparefo ny finoantsika sy hampania antsika. I Gidiania, izay mpitarika ny jirik’i Gadiantôna, dia nanoratra taratasy ho an’i Lakôneo, izay lohan’ny Mpitsara sy governora an’ny vahoaka Nefita sy Lamanita mitambatra, mba handresena lahatra azy hitolo-batana tamin’ny jirik’i Gadiantôna. Vakio ny 3 Nefia 3:2–10 ka tadiavo ireo teny na andian-teny izay maneho ireo paik’ady nampiasain’i Gidiania mba hamparefo ny finoan’i Lakôneo sy hampania azy. Azonao atao ny manisy marika ireo teny na andian-teny ireo rehefa hitanao izy ireo.

Ireo andininy ireo dia mampianatra fa matetika i Satana sy ireo mpanara-dia azy no mampiasa fandokafana sy fampanantenana poakaty ary fandrahonana mba hapiviliana lalana ny olona. Zava-dehibe ny fahafantarana fa matetika no feno hafetsena kokoa ny paikadin’i Satana ary mety hampiasa ny namantsika sy ny olona tiantsika izy fa tsy fahavalo hita maso mba hakana fanahy antsika. Mbola misy fitoviana hatrany eo amin’ny hery manosika an’i Gidiania sy ny paikadiny sy ny fomba iasan’i Satana amin’izao fotoana izao mba hampivily lalana ny olona.

  1. Makà iray amin’ireo paikadin’i Gidiania ary hazavao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba mety hampiasan’ny devoly paikady mitovy amin’izany mba hampiviliana lalana ny tanora amin’izao fotoana izao. Soraty ihany koa ny fomba ahafahanao manohitra io paikady io.

3 Nefia 3:11–4:33

Niomana ny hiaro tena ny vahoakan’i Lakôneo ary resin’izy ireo ny jirik’i Gadiantôna

Sary
Ny Valintenin’i Lakôneo

Gaga tamin’ny taratasin’i Gidiania i Lakôneo ary tapakevitra ny hanomana ny olony ho amin’ilay fanafihana efa nanambana. Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary mitadiava farafahakeliny fomba efatra nanomanan’i Lakôneo ny olony eo amin’ny ara-panahy sy ny ara-batana mba hanoherana ny fanafihan’ny jirik’i Gadiantôna. (Torohevitra: eo am-pandalinanao ireo andininy ireo dia ataovy izay hanavahana an’i Gidiania, ilay mpitarika ny jirik’i Gadiantôna, sy Gidgidônia, ilay mpaminany lehibe sy lohan’ny kapiteny teo anivon’ny Nefita.)

  1. Manaova tsipika lavalava midina eo afovoan’ny pejy iray vaovao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Soraty eo amin’ny farany ambony amin’ny faritra ilany ny andian-teny hoe Fiomanan’i Lakôneo ary eo amin’ny farany ambony amin’ilay faritra mifanila amin’izany ny andian-teny hoe Zavatra Azo Ampitahaina amin’izany amin’izao Andro izao. Soraty na ataovy sary eo ambanin’ny lohateny hoe”Fiomanan’i Lakôneo” ireo fomba efatra hitanao fa nomanin’i Lakôneo sy ireo Nefita mba hanoherana ny fanafihana. Soraty na ataovy sary eo ambanin’ilay lohateny hoe “Zavatra azo Ampitahaina amin’izany amin’izao Andro izao” ny ohatra maromaro amin’ireo zavatra amin’izao fotoana izao, izay azo ampitahaina amin’ny zavatra nataon’i Lakôneo mba hanomanana ny vahoaka. Tokony haneho ireo fiomanana ara-panahy sy ara-batana izay nasaina nataontsika amin’izao andro farany izao ireo zavatra mifanahaka ireo.

  2. Mba hanampiana anao hieritreritra ny fomba azonao ampiharana ny zavatra nianaranao dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny roa na mihoatra izany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no fomba ahafahanao manamafy orina ny tokantranonao mba hahatohitra ireo fanafihana ataon’ny fahavalo?

    2. Amin’ny fomba ahoana no hahazoantsika fiarovana avy amin’ny fivoriana miaraka amin’ny fianakaviana, na ny sampana, na ny paroasy?

    3. Nahoana no fomba tena ilaina mba hampatanjaka anao ny fandalinana soratra masina isan’andro?

    4. Oviana ny vavaka no nanampy anao hahazo hery ara-panahy hanoherana ny fahavalo na ny loza?

    5. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fibebahana ho lasa karazana fiomanana amin’ny hoavy?

    6. Nahoana araka ny hevitrao no manan-danja manokana amin’izao fotoana izao ny misafidy ny hanaraka ireo izay manana ny fanahin’ny faminaniana sy ny fanambarana?

Mba hahitana ny zavatra nitranga rehefa nanafika an’i Lakôneo sy ny vahoakany ny jirik’i Gadiantôna dia vakio ny 3 Nefia 4:7–12. Hianarantsika avy amin’ity tantara ity fa rehefa miomana ara-panahy sy ara-batana isika dia afaka mandresy ireo zava-tsarotra amin’ny alalan’ny herin’ny Tompo.

Afaka nandresy ny jirik’i Gadiantôna sy nandringana ny jirika i Lakôneo sy ny olony. Nivoaka ho mpandresy izy ireo noho ny fahaizany nisafidy mpitarika (jereo ny 3 Nefia 3:19; 4:17), sy ny fankatoavany (jereo ny 3 Nefia 3:21; 4:18), ary ny fianteherany tamin’Andriamanitra (jereo ny 3 Nefia 4:30–31). Vakio ny 3 Nefia 4:30–33 ary tadiavo ny fihetsika nasehon’ny vahoaka taorian’ny nandresen’izy ireo ny jirik’i Gadiantôna. Inona no neken’ny vahoaka fa antony nahatonga ny fanafahana azy ireo tamin’ireo jirik’i Gadiantôna? Fitsipika iray asehon’ireo andininy ireo ny hoe: Ny fanekena ny hatsarana sy ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny fanafahana antsika amin’ny zava-tsarotra dia manampy antsika hijanona ho manetry tena.

3 Nefia 5

Naverina tamin’ny laoniny teo anivon’ny vahoaka ny fandriampahalemana; nazavain’ i Môrmôna ny famintinana nataony mikasika ireo rakitsoratra

Sary
Mamintina ireo Takelaka i Môrmôna

Eritrereto ny fomba nahafahan’ny traikefa ara-panahy an’ny tena manokana nisy fiantraikany teo amin’ny finoanao, na ny fanirianao, na ny fomba nanaovanao zavatra taorian’izany zavatra niainana ara-panahy izany. Vakio ny 3 Nefia 5:3–4 ary tadiavo ny zavatra nataon’ny Nefita noho ny fanampiana sy ny fitahiana azon’izy ireo avy amin’ny Tompo. Jereo fa ny hitory ny filazantsara amin’ny hafa no iray tamin’ireo zavatra nataon’ny Nefita ho setrin’izany.

Ao amin’ny 3 Nefia 5:14–26 dia manazava ny antony nanaovany ilay rakitsoratra voafintina i Môrmôna. Vakio ny 3 Nefia 5:12–13 ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Môrmôna mikasika ny andraikiny tamin’ny fanoratana ny famintinany ireo rakitsoratry ny Nefita.

Ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo fa amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika dia manana andraikitra isika ny hampianatra ny hafa ny lalana mankany amin’ny fiainana maharitra mandrakizay. Iray amin’ireo fomba manan-danja indrindra azontsika hanehoana ny fankasitrahantsika ny Tompo noho ny zavatra ataony ho antsika, ny manampy ny hafa hanatona Azy sy handray ireo fitahiana nataony ho azy ireo.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo fomba vitsivitsy azonao ampianarana ny hafa ny lalana mankany amin’ny fiainana mandrakizay amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy. Mieritrereta ihany koa toe-javatra iainana vitsivitsy izay ahafahanao mampianatra izany amin’ny hafa.

  2. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 2–5 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: