Seminera
Fizarana 18: Andro 2, Almà 30


Fizarana 18: Andro 2

Almà 30

Fampidirana

Nahazo toerana nanerana ny tanin’i Zarahemlà ny fandriampahalemana taorian’ny ady lehibe iray natao tamin’ny Lamanita. Teo anivon’ity fotoan’ny fandriampahalemana ity dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Kôrihôra izay nanomboka nitory fa tsy hisy izany Kristy izany. Nitarika ireo izay nino azy hanota ireo fampianaran-disony. Niteny nanohitra ny mpitarika ny fiangonana izy, ary nilaza fa nampianatra ny “fomba adaladalan’ny razana” izy ireo (Almà 30:27). Nentina teo anatrehan’i Almà i Kôrihôra, i Almà izay nampianatra azy fa mijoro ho vavolombelon’i Kristy avokoa ny zava-drehetra. Nibaboka i Kôrihôra tamin’ny farany fa ny devoly no nitarika azy hanao ireo zavatra ireo.

Almà 30:1–29

Namingavinga ny fotopampianaran’i Kristy i Kôrihôra, ilay antiKristy.

Alaivo sary an-tsaina hoe manomana sakafo ho anao ny olona iray. Toa tsara jerena sady manitra ilay izy, kanefa narary mafy ianao rehefa nihinana izany. Eritrereto vetivety ny mety hampitovy ny fampianaran-diso amin’ny hoe tolorana sakafo izay toa matsiro kanefa misy poizina miafina.

Nandalina momba an’ireo antiKristy, i Serema (jereo ny Jakôba 7) sy i Nehôra (jereo ny Almà 1) ianao teo aloha. Tadidio fa anisan’ny famaritana ny antiKristy ny hoe “olona na zavatra iray izay manova ny drafitry ny famonjena marin’ny filazantsara sy manohitra mivantana na ankolaka an’i Kristy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “AntiKristy,” scriptures.lds.org). Hianatra momba ny lehilahy iray hafa ianao anio, izay fahavalon’i Kristy ary namitaka ny hafa ny fampianaran-disony ka nitarika azy ireo hanota. Betsaka eto amin’izao tontolo izao no mampiasa hevitra mitovy amin’ny an’i Kôrihôra manohitra ireo izay naneho finoana an’Andriamanitra.

Nanomboka nitory teo anivon’ny Nefita i Kôrihôra. Vakio ny Almà 30:6, 12, ary mitadiava andianteny izay milaza fa antiKristy i Kôrihôra.

Vakio ny Almà 30:12–18, ary ampifandraiso amin’ny hevitra fonosiny ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra.

Fampianaran-dison’i Kôrihôra, izay AntiKristy Iray

Ny Mety ho Fanazavana sy Hevitra Fonosin’ireo Fampianaran-diso.

  1. Almà 30:13–14

  1. Tsy tokony hino an’i Jesoa Kristy na ny filazantsarany ianao raha tsy manana porofo azo tsapain-tanana ny amin’ireo fahamarinana ara-pivavahana. Tsy misy izany fanambarana ho an’ny tena manokana avy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany.

  1. Almà 30:15

  1. Tsy misy izany fahotana izany. Tsy misy fitsipika ho an’izao tontolo izao mikasika ny tsara sy ny ratsy.

  1. Almà 30:16

  1. Miroborobo amin’ny alalan’ny herin’ny tenany manokana ny olona. Tsy misy ilàna an’Andriamanitra amin’ny raharahan’ny olombelona.

  1. Almà 30:17 (“ny olona tsirairay dia nandia …”)

  1. Tsy marina ny tenin’ny mpaminany sy ny soratra masina, ka noho izany dia tsy tokony hino ny faminaniany ianao.

  1. Almà 30:17 (“na inona na inona nataon’ny olona …”)

  1. Tsy misy izany famelan-keloka izany. Tsy misy ilàna ny fikatsahana fanampiana amin’ny alalan’ny Sorompanavotana satria tsy misy izany Sorompanavotana izany.

  1. Almà 30:18

  1. Tsy misy fiainana aorian’ny fahafatesana, noho izany dia tsy ilaina ny miahiahy momba ny fitsarana aorian’ity fiainana ity.

(Hita any amin’ny faran’ity lesona ity ny valiny amin’ity asa fampifandraisana ity.)

Mampianatra ny fitsipika toy izao ny Almà 30:18: Mampiasa fotopampianarana diso i Satana hamporisihana antsika hanota.

Nampianatra ny Filoha Boyd K. Packer, Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Tsy voafehin’ny fihetsehampo ara-boajanahary tanteraka ny fitondrantenantsika. Miantomboka amin’ny finoana ihany koa ny fitondrantena.

“Teraka avy amin’ny filôzôfia, na fotopampianarana ny finoana. Mety ho ara-panahy na laika ny fotopampianarana, mahasoa na manimba, marina na diso. …

“Manova ny fihetsika sy ny fitondrantena ny fotopampianarana marina, sy takatra tsara” (“Little Children,” Ensign, nôv. 1986, 17).

  1. Misafidiana iray na roa amin’ireo fampianaran-dison’i Kôrihôra izay voatanisa ao amin’ilay tabilao misy ny asa fampifandraisana. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe inona avy ireo fotopampianarana marina ary lazao ny fomba hitondran’ny fahalalana ny fahamarinana fiantraikany eo amin’ny fihetsikao sy ny fitondrantenanao.

Nandeha tany amin’ny tanin’i Jersôna hitory tamin’ny vahoakan’i Amôna i Kôrihôra taorian’ny fahombiazany tany amin’ny tanin’i Zarahemlà. Vakio ny Almà 30:19–20, ary fantaro raha nanaiky ny fampianaran-disony izy ireo.

“Hendry kokoa noho ny maro tamin’ny Nefita” ny vahoakan’i Amôna ary “nataon[’izy ireo] izay nitondrany azy hivoaka ny tany” (Almà 30:20–21). Avy amin’ny zavatra nianaranao momba ny vahoakan’i Amôna, nahoana araka ny eritreritrao no tsy nino ny fampianaran-dison’i Kôrihôra izy ireo?

Mitantara ny fomba nandehanan’i Kôrihôra tany amin’ny tanin’i Gideôna taorian’izay ny Almà 30:21–29, ary “tao dia tsy nahazo fahombiazana firy izy” (Almà 30:21). Hita ao amin’ny Almà 30:24, 27 ny sasany amin’ireo lohahevitra naroson’i Kôrihôra manohitra ny Fiangonana sy ny fampianarany, roa amin’izany ny hoe: (1) babo ireo izay mino an’Andriamanitra ary (2) manaisotra ny fahafahana ny fivavahana. Mbola ampiasain’ireo mpanohitra fivavahana amin’izao fotoana izao ireny lohahevitra ireny.

Nampianatra ny Filoha Henry B. Eyring avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany fa manome fahafahana antsika ny finoana an’Andriamanitra: “Nandroso lohahevitra nandresen-dahatra i Kôrihôra, tahaka ny nandrosoan’ireo lehilahy sy vehivavy lohahevitra diso nandresen-dahatra hatrany am-piandohan’ny fotoana, fa ny fihainoana ny torohevitra avy amin’ireo mpanompon’Andriamanitra dia fanariana ny zo nomen’Andriamanitra hahaleo tena. Saingy diso ilay lohahevitra fandresen-dahatra satria tsy maneho ny zava-misy marina izany. Tsy misafidy ny hahaleo tena amin’ny fitaomana avy any ivelany isika rehefa mandà ny torohevitra avy amin’Andriamanitra. Misafidy fitaomana hafa isika. Mandà ny fiarovan’ny Ray any An-danitra izay tia tanteraka sy manana ny hery rehetra ary manana ny fahalalana rehetra isika, ary ny tanjony dia ny hanome antsika fiainana mandrakizay, tahaka ny an’ny Zanaka Malalany, sy hanome antsika izay ananany rehetra ary ny hitondra antsika hody ao anatin’ny fianakaviana ho any amin’ny sandrim-pitiavany. Rehefa mandà ny toroheviny isika dia misafidy fitaoman’ny hery hafa, izay ny haha-fadiranovana antsika no tanjony ary fankahalana no hery mamporisika azy. Manana fahafahana misafidy ny tsara sy ny ratsy isika ho toy ny fanomezana avy amin’Andriamanitra. “Tsy ny zo hisafidy ny hanana fahafahana amin’ny fitaomana izany fa ny zo nomen’Andriamanitra ampanaiky ny tenantsika ho eo ambanin’izay fidiantsika amin’ireny hery ireny (“Finding Safety in Counsel,” Ensign, mey 1997, 25).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay asainao ataon’ny olona hiarovany ny tenany amin’ny finoana fotopampianarana diso toa ireo nampianarin’i Kôrihôra.

Almà 30:30–60

Nangataka famantarana tamin’i Almà i Kôrihôra ka nanjary moana tamin’ny alalan’ny herin’Andriamanitra.

Nentina teo anatrehan’i Almà i Kôrihôra tamin’ny farany. Vakio ny Almà 30:30–31, ary tadiavo ireo fiampangana nataon’i Kôrihôra nanohitra an’i Almà sy ireo mpitarika hafa tao amin’ny Fiangonana. Ny “famosibosehana ny asan’ny vahoaka” dia midika hoe nitombo harena noho ny fanompoany tao am-piangonana i Almà sy ireo hafa. Eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Avy amin’ny zavatra niainanao niaraka tamin’ireo mpitarika anao ao amin’ny Fiangonana, nahoana no diso ireo fiampangana ireo?

  • Araka ny eritreritrao, toy ny ahoana no mety ho fihetsikao ho setrin’ireo fiampangan’i Kôrihôra raha toa ka i Almà ianao?

Vakio ny Almà 30:32–35, ary fantaro ny fihetsika nasehon’i Almà an’i Kôrihôra. Mieritrereta momba ny fahitanao ny fahamarinan’ny fihetsik’i Almà eo amin’ny fiainan’ireo izay mitarika ny paroasy na ny sampana misy anao na mpikambana hafa izay ankamamianao ao amin’ny Fiangonana.

Raha azo atao dia asao ny namana na mpikambana iray ao amin’ny fianakavianao hamaky ny Almà 30:37–45 miaraka aminao. Mamaky ny tenin’i Almà ny iray aminareo, ary mamaky ny tenin’i Kôrihôra ny iray hafa. Rehefa mamaky miaraka ianareo dia tadiavo izay zavatra lazain’i Almà fa porofon’ny fisian’Andriamanitra. (Raha toa ka tsy misy olona afaka miara-mamaky aminao dia alaivo sary an-tsaina ny fifampiresahana eo amin’ireo lehilahy roa eo am-pamakianao.)

  1. Fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity asa ampanaovina manaraka ity:

    1. Soraty hoe iza amin’ireo porofo notanisain’i Almà ireo no vavolombelona manan-danja indrindra ho anao mikasika ny fisian’Andriamanitra ary nahoana izany no vavolombelona matanjaka ny amin’ny fisiany.

    2. Manorata porofo hafa telo farafahakeliny hitanao teo amin’ny fiainanao izay “maneho fa misy Andriamanitra” (Almà 30:44), ary hazavao fohifohy ny fomba nanatanjahan’ny tsirairay amin’izany ny finoanao an’Andriamanitra.

Fotopampianarana iray hita ao amin’ireo andininy nianaranao ny hoe: Mijoro ho vavolombelon’Andriamanitra ny amin’ny maha-Mpahary Lehibe indrindra ny zavatra rehetra. Saintsaino ny zava-mitranga amin’ny finoanao rehefa misafidy ny hitady sy hahatsiaro ireo vavolombelona sy fijoroana ho vavolombelona ireo ianao.

Jereo ny zavatra nataon’i Almà rehefa nifampiresaka tamin’i Kôrihôra izy: nanitsy ireo fampianaran-diso izy (jereo ny Almà 30:32–35), nijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana izy (jereo ny Almà 30:37–39), navadiny hanohitra an’i Kôrihôra indray ireo porofo maro be (jereo ny Almà 30:40–42), ary nanome porofo ny amin’ny fisian’Andriamanitra izy (jereo ny Almà 30:44). Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatr’i Almà mikasika ny fomba ifampiresahana amin’ireo izay miady hevitra manohitra ny fahamarinana?

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

Indraindray dia ny fizarana ny fijoroantsika ho vavolombelon’ny fahamarinana no hany fiarovana ananantsika hanoherana ireo izay manafika antsika. Tsy misy mahamenatra ny amin’ny fampiasana ity fomba ity—nampiasa ity fomba ity tamin’i Kôrihôra i Almà, izay mpaminanin’Andriamanitra. Araka ny nazavain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe: “Malaza amin’ny mpamaky maoderina ny hevitra naroson’i Kôrihôra handresen-dahatra, kanefa nampiasa fitaovam-piadiana tsy mifidy fotoana sy tsy azo lavina i Almà ho setrin’izany—ny herin’ny fijoroan’ny tena manokana ho vavolombelona” (Christ and the New Covenant [1997], 121).

Sary
I Almà sy i Kôrihôra

Na dia teo aza ireo porofo maro, na famantarana, izay nozarain’i Almà tamin’i Kôrihôra mba hanaporofoana ny fisian’Andriamanitra, dia nangataka famantarana iray hafa i Kôrihôra ary nozoin’ny hamoanana izy (izay midika fa tsy afaka niteny izy, jereo ny Almà 30:45–50). Vakio ny Almà 30:51–53, mba hitadiavana ny antony nilazan’i Kôrihôra fa nampianarany izay nataony.

Rehefa tsy afaka nampianatra fotopampianarana diso intsony i Kôrihôra dia nibaboka izy fa nampianatra ny hevi-disony “satria ireny dia nahafinaritra ny sain’ny nofo” (Almà 30:53). Midika hoe fifantohana amin’ny fahafinaretan’izao tontolo izao na fanomezana fahafahampo ny fitsiriritan’ny vatana ny hoe manana “sain’ny nofo.” Nihevitra ireo izay nino ny fampianaran’i Kôrihôra fa afaka milona ao anatin’ireo fahafinaretan’ny nofo sy ny zavatra ara-materialy izy ireo ary tsy hisy vokany izany. Nitondra tamin’ny fiainana feno fahotana ireo hevitra ireo (jereo ny Almà 30:18).

Milaza ny Almà 30:54–59 fa noroahina i Kôrihôra, nandeha isan-tokantrano nangataka sakafo izy ary voahosihosy ambara-pahafatiny mihitsy. Vakio ny Almà 30:60, ary mitadiava fahamarinana manan-danja iray momba izay nitranga tamin’ireo izay nisafidy ny hanaraka tamin’i Satana taty aoriana. Asio marika ao amin’ny soratra masinao ity fehezanteny manaraka ity: “Tsy hanohana ny zanany [ireo mpanara-dia azy] i Satana amin’ny andro farany.”(Ao anatin’ity andininy ity dia midika hoe mpanara-dia ny hoe zanaka.)

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Ahoana no nisehoan’ilay fahamarinana nasianao marika tao amin’ny Almà 30:60 teo amin’ny fiainan’i Kôrihôra?

    2. Ampitahao amin’ny Almà 30:60 ny Almà 36:3. Inona no porofo hitanao teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’ny hafa izay maneho fa hanohy hanampy ireo izay miezaka manaraka ny didiny Andriamanitra?

Avereno jerena ireo fitsipika sy fotopampianarana nianaranao androany. Mieritrereta fomba afaka hisorohanao ny ho voafitaky ny fampianaran-diso, toa ireo an’i Kôrihôra.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 30 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro:

  • Valin’ilay asa fampifandraisana: (1) E, (2) A, (3) F, (4) D, (5) B, (6) G.