Seminera
Fizarana 18: Andro 1, Almà 25–29


Fizarana 18: Andro 1

Almà 25–29

Fampidirana

Nidera ny Tompo i Amôna taorian’ny taona maro nitoriana ny filazantsara, ary naneho ny fankasitrahany noho ny fitahiana tamin’ny naha-fitaovana teo an-tanan’ny Tompo nitondrana ny filazantsara tamin’ny Lamanita azy. Lamanita maro no nanomboka nino ny Tompo, nibebaka, ary niantso ny tenany hoe Antia-Nefia-Lehia. Nanomboka nanao fanomanana hiady tamin’ny Antia-Nefia-Lehia ireo Amalekita sy Lamanita taorian’ny nanaovan’ny Antia-Nefia-Lehia fanekempihavanana ny tsy handray fitaovam-piadiana intsony. Nanaiky ny fanoloran’ny Nefita fiarovana ho azy ireo ny Antia-Nefia-Lehia mba hanajan’izy ireo ny fenekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo. Naneho ny fifaliana tsapany avy tamin’ny fitoriana ny filazantsara ilay mpaminany Nefita nantsoina hoe Almà ary nanasa ny hafa hanatona an’i Jesoa Kristy izy.

Almà 25

Tanteraka ny faminanian’i Abinadia, ary Lamanita maro no niova fo

Mieritrereta momba ny fiovana rehetra nataonao rehefa nanjary niova fo bebe kokoa ho an’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ianao. Milaza ny fahatanterahan’ny faminanian’i Abinadia ny Almà 25 fa hohazaina sy hovonoina ny taranaky ny mpisoron’i Nôà ary maneho izany fa manamarina ireo mpaminaniny sy manatanteraka ny faminanian’izy ireo ny Tompo (jereo ny Almà 25:9). Mitantara ny isan’ny Lamanita nibebaka sy nikambana tamin’ny Antia-Nefia-Lehia koa izany. Vakio ny Almà 25:14, ary fantaro ny zavatra nataon’ireto Lamanita ireto rehefa nanjary niova fo ho an’ny filazantsara izy ireo. Mianatra antony roa nanajan’izy ireo ny lalàn’i Mosesy isika ao amin’ny Almà 25:15.

Almà 26

Mifaly tamin’ny famindrampon’ny Tompo tamin’ny Lamanita sy tamin’ireo zanakalahin’i Môsià i Amôna

Sary
mpiasa mpanangana mampiasa fitaovana

Inona no zavatra ilaina raha hanorina trano na fiangonana iray? Fiangonana toy ny ahoana no azon’ny mpanao trano iray manana fahaiza-manao atsangana miaraka amin’ny fitaovana sy ireo zavatra tena ilaina? Mamaritra ny tenany sy ireo rahalahiny ho toy ny fitaovana eo an-tanan’Andriamanitra hanao asa goavana i Amôna ao amin’ny Almà 26. Vakio ny Almà 26:1–5, 12–13, ary fantaro ny zavatra notontosain’ny Tompo tamin’ny fampiasana amin’i Amôna sy ireo rahalahiny ho toy ny fitaovana teo an-tanany. (Azonao atao ny manisy marika ireo valinteny hitanao ao amin’ny soratra masinao.) Ao amin’ny andininy 5 dia midika hoe miasa mafy ny fehezanteny hoe “mandroso ny antsimeloka,” maneho ireo niova fo ny “amboara,” maneho ny Fiangonana ny “sompitra,” ary ilay fehezanteny milaza fa ireo izay hangonina dia “tsy ho very foana” dia maneho an’Andriamanitra izay miaro ireo niova fo sy manome fiainana mandrakizay ho azy ireo.

Fantaro na asio marika ny fehezanteny iray na maromaro ao amin’ny Almà 26:12 izay maneho fa i Amôna dia nahatakatra hoe izy irery ihany no hany fitaovana teo an-tanan’ny Tompo ary ny Tompo no nanatanteraka ireo fahagagana nandritra ny asa fitoriany.

Mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ireo andininy ireo: Mampatanjaka sy mampiasa antsika ho toy ny fitaovana eo an-tanany ny Tompo rehefa miomana sy manetry ny tenantsika isika. Fitsipika naman’izany ihany koa izay ianarantsika ao amin’ny Almà 26 ny hoe: Miaina fifaliana isika rehefa manompo amim-pahatokiana ny Tompo sy ireo zanany. Vakio ny Almà 26:11, 13, 16, ary asio marika isak’izay mahita ny teny hoe fifaliana na mifaly ianao.

Vakio ny Almà 26:13–16, ary fantaro ireo antony nifalian’i Amôna.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony hieritreretanao fa miaina fifaliana isika rehefa manompo ny Tompo. Azonao atao ihany koa ny manoratra momba ny fotoana iray izay nahatsapanao fifaliana avy amin’ny fanompoanao tato amin’ny Fiangonana.

Vakio ireto andininy manaraka ireto, ary eritrereto ny valiny mifandraika amin’ireo fanontaniana miaraka amin’izany:

Almà 26:22–23, 26–29. Raiso an-tsoratra ireto zavatra takiana voatanisa ireto ahafantarana ireo misterin’Andriamanitra. Inona no fampanantenana omena ireo misiônera izay mahafeno ireo fepetra ireo? Inona avy ireo sakana natrehan’i Amôna sy ireo rahalahiny tamin’ny fanompoana ny Tompo sy ny Lamanita? Iza amin’ireo sakana ireo no mitovy amin’ireo sakana atrehan’ireo izay manompo ny Tompo ankehitriny? Inona no azon’ireo misiônera maoderina ianarana avy amin’ny Almà 26:29 mikasika ny toerana tokony hitorian’izy ireo ny filazantsara?

Almà 26:30. Inona no namporisika ireo zanakalahin’i Môsià hanohy hanompo na dia nandritra ny fotoan-tsarotra aza izany?

  1. Vakio ny Almà 26:35–37, ary valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo fahamarinana ampianarina ao anatin’ireo andininy ireo izay hanome anao antony hifaliana amin’ny fahatsaran’Andriamanitra? (Afaka marihinao ireo fehezanteny izay manambara ireo fahamarinana ireo.)

    2. Inona no mampiavaka ny fahafantarana fa mieritreritra anao Andriamanitra?

Almà 27

Mitarika ny vahoaka Antia-Nefia-Lehia any amin’ny fiarovana teo anivon’ny Nefita i Amôna

Eo am-panomananao ny fandalinana ny Almà 27, dia eritrereto ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Efa nisy olona nampanantena anao ve dia avy eo tsy nanaja indray izany fampanantenana izany?

  • Mahafantatra olona izay mihazona hatrany ny fampanantenana nataony taminao ve ianao?

  • Inona no tsapanao amin’ireo olona izay mihazona ireo fampanantenany? Nahoana?

Taorian’ny ezaka tsy nahomby nataon’ireo Lamanita handringanana ny Nefita dia nikatsaka ny handringana ireo Lamanita (Antia-Nefia-Lehia) izay niova fo tamin’ny alalan’i Amôna sy ireo rahalahiny izy ireo. Tadidio fa nandevina ny fitaovam-piadiany ireo Antia-Nefia-Lehia hanehoana fa hanaja ny fanekempihavanany tsy hamono olona intsony izy ireo. Vakio ny Almà 27:2–3 ahitana hoe hatraiza ny fanolorantenan’ireo Antia-Nefia-Lehia hanajana izany fanekempihavanana izany.

Sary
Adin’ny Lamanita

Alaivo sary an-tsaina ny tanjak’ilay fanolorantenan’ireo Antia-Nefia-Lehia hanaja ny fanekempihavanan’izy ireo tsy handray fitaovam-piadiana rehefa misy manafika. Diniho ny fomba hanatanjahanao ny fanolorantenanao hanaja ireo fanekempihavanana nataonao niaraka tamin’ny Ray any An-danitra rehefa toy ny sarotra ny manao izany.

Noho ny fanenjehana sy ny fanafihana nataon’ireo Lamanita ratsy fanahy dia nitarika ny Antia-Nefia-Lehia i Amôna ho any Zarahemlà—tanàna Nefita iray—izay toerana nampanantenain’ny Nefita hiarovana azy ireo amin’ny fahavalony. Diniho izay azonao atao mba hanampiana ireo olona manodidina anao hanaja ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo tamin’ny Tompo.

Nantsoin’ireo Nefita hoe vahoakan’i Amôna ireo Antia-Nefia-Lehia nony tonga tany Zarahemlà. Vakio ny Almà 27:27–30 itadiavana ny zavatra nahafantarana ny vahoakan’i Amôna. Mariho izay teny na andianteny mampianatra ity fitsipika manaraka ity: Manaja ireo fanekempihavanana nataontsika tamin’ny Tompo isika rehefa miova fo tanteraka ho Azy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Inona ireo traikefa nanananao rehefa sarotra taminao ny nanaja ireo fanekempihavanana nataonao tamin’ny Tompo, kanefa najainao hatrany izany?

    2. Iza no olona mahatoky sy marina tamin’ny fanekempihavanana nataony tamin’ny Tompo izay ohatra ho anao? Ahoana no nanehoan’izany olona izany fahatokiana tamin’ireny fanekempihavanana ireny?

Almà 28

Mandresy ny Lamanita amin’ny ady lehibe ny Nefita

  1. Alaivo sary an-tsaina hoe mpanao gazety nomena andraikitra hiresaka ny zava-nitranga hita ao amin’ny Almà 28 ianao. Vakio ny Almà 28:1–6, 11–14, ary manorata andinin-tsoratra fohifohy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay mamintina ny zava-nitranga. Ataovy izay ahazoana antoka fa voavaly ao anatin’ny anatin’ny andiam-pehezanteninao ireto fanontaniana manaraka ireto.

    1. Inona no setrin’ny nanampian’ny Nefita ny vahoakan’i Amôna hanaja ireo fanekempihavanany? (Jereo Almà 28:1–3.)

    2. Toy ny ahoana no haben’ny fiantraikan’ireo fahafatesana ireo tamin’ny Nefita? (Jereo ny Almà 28:4–6.)

    3. Nahoana no natahotra ny sasany tamin’ireo vahoaka rehefa maty ny olon-tiany kanefa nifaly sy feno fanantenana kosa ireo hafa? (Jereo ny Almà 28:11–12.)

Manorata fitsipika ao anaty fehezanteny iray hamintinana ny zavatra nianaranao tao amin’ny Almà 28:11–12:

Fitsipika iray ampianarina ao amin’ny Almà 28 ny hoe: Afaka manana fanantenana sy fifaliana isika na dia eo aza ny fahafatesana rehefa manana finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fampanantenany.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Oviana no nahitanao olona iray izay niatrika ny fahafatesan’ny olon-tiany tamim-panantenana noho ny finoany an’i Jesoa Kristy?

    2. Ahoana no hanazavanao amin’ny olona iray ny fahafatesana mba hanampiana izany olona izany hanana fanantenana aorian’ny fahafatesan’ny olon-tiany iray?

Fantaro ireo “ary toy izany no ahitantsika” miisa telo izay nolazain’i Môrmôna ao amin’ny Almà 28:13–14. Azonao atao ny manisy marika azy ireo ao amin’ny soratra masinao. Inona ireo hevitra izay asongadinin’i Môrmôna rehefa mamarana ny fitantarana ny asa fanompoan’ireo zanakalahin’i Môsià tamin’ny Lamanita izy? Saintsaino ny antony maha zava-dehibe ny ahafantaranao ireny fahamarinana ireny.

Almà 29

Mirehareha amin’ny fitondrana fanahy ho ao amin’Andriamanitra i Almà

Efa naniry ny hanana fahefana ny hitondra zavatra tsara goavana na hanakana loza lehibe eto amin’izao tontolo izao amin’ny tanana tokana ve ianao? Mirakitra ny filazan’i Almà ny faniriany ho fitaovana eo an-tanan’ny Tompo ny Almà 29. Halalino ny Almà 29:1–3, ary tadiavo ny fanirian’ny fon’i Almà.

Sary
Fifohazan’i Almà

Eo am-pitadidiana ny zava-nitranga tamin’i Almà fony izy zatovolahy dia eritrereto ny antony mety nananany ny faniriana izay nolazainy. Jereo ao amin’ny Almà 29:3 ny antony nahatsapany fa nanota izy tamin’ny faniriany. Vakio ny Almà 29:4–5, ary fantaro ny zavatra omen’ny Tompo ireo izay manana faniriana tsara.

Halalino ny Almà 29:10, 14–16, ary asio marika ny valisoa azon’i Almà tamin’ny fitondrana fanahy tao amin’i Kristy. Azonao atao ny manisy marika isak’izay ampiasan’i Almà ny teny hoe fifaliana ao anatin’ireo andininy ireo.

Fitsipika iray ampianarina ao amin’ny Almà 29 ny hoe: Hiaina fifaliana isika rehefa manampy ny hafa hibebaka sy hanatona an’i Kristy. Inona ireo zavatra niainanao ka nanampy anao hahatsapa fifaliana tamin’ny fanampiana ny hafa hanatona an’i Kristy?

Saintsaino vetivety ireo fomba izay mety anampianao ny tsirairay amin’ireto andian’olona manaraka ireto mba hampisy ny fiovana ilaina eo amin’ny fiainan’izy ireo sy hanatona an’i Jesoa Kristy: (a) ireo namanao, (b) ireo olona ao amin’ny fianakavianao, ary (d) ireo izay tsy tena mbola fantatrao tsara. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy eo am-pitadiavanao fahafahana hitondra ny hafa ho any amin’i Jesoa Kristy.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 25–29 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: