Seminera
Ômnia


Fampahafantarana ny Ômnia

Inona no antony handalinana ity boky ity?

Ianao dia hianatra mandritra ny fandalinanao ny bokin’i Ômnia fa niaro ireo Nefita marina ny Tompo ary nitarika azy ireo nankany amin’ny tanin’i Zarahemlà (jereo ny Ômnia 1:7, 12–13). Ny bokin’i Ômnia dia milaza ihany koa ny amin’ireo andian’olona hafa—ny Miolekita (na vahoakan’i Zarahemlà) sy ny Jaredita, izay notarihan’ny Tompo nankany amin’ny tany nampanantenaina.

Iza no nanoratra ity boky ity?

Nosoratan’ny lehilahy dimy samy hafa ny bokin’i Ômnia: i Ômnia, i Amarôna, i Kemisa, i Abinadôma ary i Amalekià. I Ômnia dia zanakalahin’i Jarôma ary zafindohalik’i Lehia sy i Sarià. Namariparitra ny tenany ho “olon-dratsy” izay “tsy nahatandrina ny … didin’ny Tompo” i Ômnia (Ômnia 1:2). Nanampy ampahan-tsoratra fohy avy i Amarôna (zanakalahin’i Ômnia) sy i Kemisa (rahalahin’i Amarôna) ary i Abinadôma (zanakalahin’i Kemisa). I Amalekià zanakalahin’i Abinadôma no nanoratra ny ankamaroan’ny bokin’i Ômnia ary izy no olona farany nanoratra tao amin’ny takelaka kelin’i Nefia. Natolony mba hotanan’i Benjamina Mpanjaka ireo takelaka.

Oviana ary taiza no nanoratana izany?

Ireo mpanoratra samihafan’ny bokin’i Ômnia dia nanoratra teo anelanelan’ny 361 talohan’i Kristy sy 130 talohan’i Kristy. Nanoratra tany amin’ny tanin’i Nefia ireo mpanoratra efatra voalohany. Nanao ny rakitsorany tany amin’ny tanin’i Zarahemlà i Amalekià.