Seminera
Fizarana 31: Andro 2, Môrônia 1–5


Fizarana 31: Andro 2

Môrônia 1–5

Fampidirana

Taorian’ny nahatontosany ny famintinany ny takelak’i Etera dia nanazava i Môrônia fa “efa nihevitra ny tsy hanoratra intsony” izy (Môrônia 1:1). Kanefa notsinjovina izy mba “hanoratra zavatra misimisy, fa angamba mba hisy lanjany ireny” ho an’ireo izay amin’ny andro farany (Môrônia 1:4). Manamafy ny fahatokian’i Môrônia tamin’i Jesoa Kristy ny Môrônia1–5. Mitanisa ireo torolalana ho an’ireo ôrdônansy manan-danjan’ny filazantsara ihany koa izy ireo, anisan’izany ny fitantanana ny fanasan’ny Tompo.

Môrônia 1

Nirenireny ho fitandroana ny ainy i Môrônia ary nanohy ny rakitsorany izy.

Ny Loholona David E. Sorenson, mpikamban’ny Fitopololahy teo aloha dia nilaza izao tantara manaraka izao mikasika ny zatovovavy iray izay nanana risim-po ny hijoro ho an’ny finoany:

“Voasa niaraka tamin’ny namany maro tany an-tsekoly tamina fisakafoanana hariva sy fijerena sarimihetsika iray ny zafikeliko vavy Jennifer. Nifanaiky tamin’ilay sarimihetsika hojeren’izy ireo avokoa ireo tovovavy, ary nahazo aina tamin’ny fanatrehana izany i Jennifer. Kanefa ilay tovovavy izay nandao ny fisakafoana mba hividy ireo tapakila hijerena sarimihetsika dia niverina niaraka tamin’ny tapakila ho an’ny sarimihetsika hafa noho izay vita rafitra tetsy aloha! Hoy izy, ‘Seho mahafinaritra ity, ary sarimihetsika voasokajy ho R (sarimihetsika azon’ny zatovo latsaky ny 17 taona jerena raha toa ka miaraka amin’ny ray aman-dreny na mpiantoka iray) izany.’

“Tsy nety nino i Jennifer, izay tratran’ny tampoka, fa niova faingana teo ny toe-javatra niseho. Soa ihany anefa fa efa nanapa-kevitra izy talohan’ny nahitany ny tenany tao anatin’ity toe-javatra ity fa tsy hijery sarimihetsika voasokajy ho R. Afaka nijoro mafy sy niteny tamin’ny namany izy hoe, ‘Tsy afaka handeha hijery sarimihetsika voasokajy ho R aho. Tsy hanaiky izany ny ray aman-dreniko.’ Izay novalian’ireo tovovavy hoe, ‘Andao moa e! Tsy ho fantatry ny ray aman-dreninao na rahoviana na rahoviana izany!” Rehefa teo anatrehan’izany dia nanohy niteny i Jennifer hoe, ‘Tsy maninona mihitsy na ho fantatry ny ray aman-dreniko izany na tsia. Tsy mandeha mijery sarimihetsika voasokajy ho R fotsiny aho!’

“Tezitra ireo namany ary niezaka ny hampitony azy. Hoy izy ireo taminy hoe ‘hanimba ny zavatra rehetra’ izy. Rehefa tsy nety nanaiky izy dia natsipin’izy ireo teo amin’ny tavany ilay tapakila sy ny famerim-bola ary navelan’izy ireo teo izy dia nandeha nijery ilay sarimihetsika voasokajy ho R izy ireo. Nandratra fo mafy izany hoe irery tao anatin’ny alina sady nailiky ny namany. Kanefa fotoana lehibe ho an’i Jennifer sy ny fianakavianay izany. Nahazo fahatokian-tena sy fahatsapana ho manan-danja ary hery ara-panahy izy” (“You Can’t Pet a Rattlesnake,” Ensign, Mey 2001, 42).

Vakio ny Môrônia 1:1–3 ary tadiavo ny fomba nijoroan’i Môrônia irery ho an’ny finoany. Samy nanome ohatra izay maneho fomba ahafahan’ny tsirairay misafidy ny hijoro ho an’izay fantatr’izy ireo fa tsara i Môrônia na ny zafikely vavin’ny Loholona Sorenson. Afaka mandray fanapahan-kevitra izay jerena toy ny kely toy izany koa ianao isan’andro izay hampiseho ny finoanao sy ny fankatoavanao ary ny fanirianao hanaraka an’i Kristy.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny mikasika ny fotoana iray izay nisafidiananao ny hijoro ho an’ny finoanao na hampiseho ny finoanao amin’ny alalan’ny fankatoavana.

Mieritrereta fomba ahafahanao mijoro tsaratsara kokoa amin’ny finoanao an’i Jesoa Kristy. Vakio ny Môrônia 1:4 mba hahitana ny antony nisafidianan’i Môrônia ny hanoratra misimisy kokoa. Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Môrônia sy ny fahavononany hanoratra misimisy kokoa ho an’ny taranak’ireo izay nikatsaka ny hanafaka ny ainy? Inona no mety hosoratanao ho an’ireo taranakao manokana izay ho fitahiana ho azy ireo? Eo am-pandalinanao ny Môrônia 2–5 dia saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no mahatonga ireo zavatra nosafidian’i Môrônia hosoratana “hisy lanjany” aminao ( Môrônia 1:4).

Môrônia 2

Noraketin’i Môrônia an-tsoratra ireo torolalana mikasika ny fanomezana ny fanomezana ny Fanahy Masina

Eritrereto ny zavatra niainanao rehefa noraisina ho mpikamban’ny Fiangonana ianao ary nametrahan-tanana teo ambonin’ny lohanao mba hahafahanao mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Inona no tsaroanao mikasika ity ôrdônansy ity? Vakio ny Môrônia 2:1–3 ary saintsaino hoe inona no fitahiana azonao teo amin’ny fiainana avy amin’ny fanomezana ny Fanahy Masina.

Ny fahamarinana ara-pilazantsara iray ampianarina ao amin’ireo andininy ireo dia izao: Afaka manome ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ny mpikambana vita batisa amin’ny alalan’ny fametrahan-tanana ireo mpikambana mendrika mihazona ny fahefan’ny fisoronana.

Môrônia 3

Noraketin’i Môrônia an-tsoratra ireo torolalana mikasika ny fanendrena olona ho ao amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana

Efa nahita rakitsoratry ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana ananan’ny olona iray ve ianao? Ity rakitsoratra ity dia mampiseho ilay olona nanome fisoronana olona iray sy izay olona nanome fisoronana io olona nanome fisoronana io ihany koa ary mitohy toy izany hatrany amin’i Jesoa Kristy. Angamba mety manana ny taratasy ahitana ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana anananao manokana ianao na nahita ny an’ny rahalahy iray na ny an’ny rainao. Eritrereto ny dikan’ny hoe afaka manoritra ny fitohizam-pahefan’ny fisoronanao mivantana hatrany amin’i Jesoa Kristy ianao eo am-pamakiana ity fanambarana avy tamin’ny Loholona Jeffrey R. Holland avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Sary
Loholona Jeffrey R. Holland

“Mazava fa mitaky mihoatra noho ny fifanarahana ara-tsôsialy tsotra fotsiny ihany ny fanaovana asa miaraka amin’ny fahefana avy any an-danitra. Tsy afaka hivoaka avy amin’ny fiofanana ara-teôlôjia na asa ampiandraiketina avy amin’ny mpiara-mivavaka izany. Tsia, mila hery lehibe kokoa noho izay efa ananan’ny olona any amin’ny dabiliom-piangonana na eny an-dalana na any amin’ny amin’ny toerana fiofanana ho mpitondra fivavahana izany—toe-javatra iray izay efa fantatr’ireo mpitondra fivavahana mahitsy fo aman-tsaina sy eken’izy ireo malalaka tao anatin’ireo taranaka maro nifandimby ka tonga tany amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. …

“… Isika ato amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny dia afaka manoritra ny fitohizam-pahefan’ny fisoronana ampiasain’ny diakona vaovao indrindra ao amin’ny paroasy, sy ny eveka izay miahy azy, ary ny mpaminany izay miahy antsika rehetra. Izany fitohizana izany dia mandeha miverina tsy mitapatapaka hatrany amin’ireo anjely mpanompo izay avy amin’ny Zanak’Andriamanitra mihitsy, nitondra ity fanomezana tsy manam-paharoa avy any an-danitra ity” (“Our Most Distinguishing Feature,” Ensign na Liahona, Mey 2005, 44).

Tendrena ho ao amin’ny anjara fanompoan’ny fisoronana izay ahitana adidy manokana ihany koa ny olona tsirairay izay mandray ny fisoronan’i Aharôna na Melkizedeka. Vakio ny Môrônia 3:1–4 ary tadiavo ny fomba hanendrena ny olona tsirairay ho ao amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana, ka tafiditra ao anatin’izany ny anjara fanompoan’ny mpisorona sy mpampianatra.

Mety ho tianao ny hanoratra ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ireto andininy ireto izao fahamarinana manaraka izao:Tendrena ho amin’ireo anjara fanompoan’ny fisoronana amin’ny alalan’ny fametrahan-tanan’ireo izay manana fahefana ny olona tsirairay.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana araka ny eritreritrao no olona efa mihazona ny fisoronana no ilaina manendry olona iray ho amin’ny anjara fanompoana iray?

    2. Nahoana no misy lanjany aminao ny fananana ny fahefan’ny fisoronana ao amin’ny Fiangonana na ao amin’ny fianakavianao?

Môrônia 4–5

Manazava ny fomba hitantanana ny fanasan’ny Tompo i Môrônia

Sary
mofo sy rano eo ambony latabatry ny fanasan’ny Tompo
  1. Eritrereto ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo sy ireo toe-javatra niainanao izay mifandray amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo. Dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao avy eo:

    1. Soraty araka ny fitadidianao azy sy araka izay tsara indrindra vitanao ny iray amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo, na ho an’ny mofo izany na ho an’ny rano.

    2. Aorian’ny famerenana mijery ireo vavaka masina ireo (jereo ny Môrônia 4:3; 5:2) sy manamarina izay nosoratanao tao amin’ny ampahany voalohany tamin’ity asa ampanaovina ity dia soraty ny ampahany amin’ny iray amin’ireo vavaky ny fanasan’ny Tompo ireo izay tena manaitra anao, ary hazavao ny antony maha-manan-danja izany ampahany amin’ilay vavaka izany aminao.

Nampidirin’i Môrônia tao amin’ny rakitsorany ireo vavaka ireo ho fitantanana ny fanasan’ny Tompo satria tsapany fa “hisy lanjany” ho an’ny olona “amin’ny andro ho avy” izany (Môrônia 1:4). Vakio ny Môrônia 4:1–3 sy 5:1–2 ary fantaro ireo andian-teny izay manazava ny dikan’ny mofo sy ranon’ny fanasan’ny Tompo. Eo am-pamakianao izany dia mety hanampy ny mahatsiaro fa mampiasa rano fa tsy divay ny Fiangonana ankehitriny ao anatin’ny fanasan’ny Tompo vokatry ny fanambarana izay nomena ny Mpaminany Joseph Smith (jereo ny F&F 27:2).

Fintino ny tanjon’ny fanasan’ny Tompo amin’ny alalan’ny famenoana ity teny ity: Ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro .

Saintsaino lalina ny antony maha-zava-dehibe ny vatana sy ran’ny Mpamonjy ho anao.

Ny fijaliana ara-nofo, ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny vatan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ary ny fijaliany goavana ara-panahy, noporofoin’ny filatsahan’ny rany no nahatanteraka ny famelana ny fahotan’ny olon-drehetra izay mampihatra finoana Aminy sy mibebaka. Ireo tandindon’ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Ahoana no fomba nanampian’ny fisaintsainana lalina ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy nandritra ny Fanasan’ny Tompo anao sy nampahatanjahan’izany anao ara-panahy?

    2. Inona no azonao atao mba hifantohana tsaratsara kokoa amin’ny fahatsiarovana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo?

Mba hanampiana anao hahatakatra izay ampanantenainao fa hataonao rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao dia avereno jerena ny Môrônia 4:3ary fenoy ity tabilao manaraka ity:

Izay fanekempihavanana ekeko atao

Izay eritreretiko fa dikan’ny hoe manaja ity ampahany amin’ilay fanekempihavanana ity

Izay azoko atao mba hanajana bebe kokoa ity ampahany amin’ilay fanekempihavanana ity

1.

2.

3.

Mianatra ihany koa isika avy amin’ny Môrônia 4:3 fa rehefa manaja am-pahatokiana ny anjarantsika amin’ny fanekempihavanan’ny fanasan’ny Tompo isika dia afaka manana ny Fanahin’ny Tompo miaraka amintsika hatrany.

Eo am-pamakianao ity fanambarana manaraka avy tamin’ny Lolohona David A. Bednar avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity dia eritrereto ny fomba niainanao ny fanomezana ny Fanahy Masina amin’ireo fomba izay lazainy: “Ny Fanahin’ny Tompo dia afaka ny ho mpitarika antsika ary hanome antsika fitarihana sy torolalana ary fiarovana ara-panahy mandritra ny diantsika eto ambonin’ny tany” (“That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign na Liahona, Mey 2006, 31).

Saintsaino ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo ianao amin’ny Alahady. Miezaha manaja ireo anjaranao amin’ny fanekempihavanana izay hitanao tao amin’ilay tabilao mba hahafahanao manana ny Fanahin’ny Tompo miaraka aminao hatrany.

  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao ny soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Môrônia 1–5 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: