Ny soratra masina
Môrônia 4


Toko 4

Fanazavana ny fomba nitantanan’ny loholona sy ny mpisorona ny mofon’ny fanasan’ny Tompo. Tokony ho 401–421 taona taorian’i Kristy.

1 Ny afomba fitantanan’ny bloholony sy ny mpisorony ny nofo sy ny ran’i Kristy amin’ny fiangonana; ary dnotantanan’izy ireo izany araka ny didin’i Kristy; noho izany dia fantantsika fa marina ny fomba; ary ny loholona na ny mpisorona dia nitantana izany;

2 Ary izy ireo dia niara-nandohalika tamin’ny fiangonana sy nivavaka tamin’ny Ray tamin’ny anaran’i Kristy, hoe—

3 Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, mangataka Anao izahay, amin’ny anaran’ny Zanakao Jesoa Kristy, hitahy sy hanamasina ity amofo ity ho an’ny fanahin’ireo rehetra izay mandray amin’izany; mba hahazoany mihinana ho bfahatsiarovana ny vatan’ny Zanakao sy hijoroany ho vavolombelona Aminao, Andriamanitra, Ray Mandrakizay ô, fa vonona izy ireo ny hitondra ny danaran’ny Zanakao, ny hahatsiaro Azy mandrakariva, ary ny hitandrina ny didiny izay efa nomeny azy ireo, mba hananany mandrakariva ny eFanahiny miaraka aminy. Amena.