Seminera
Fizarana 25: Andro 3, 3 Nephi 14


Fizarana 25: Andro 3

3 Nefia 14

Fampidirana

Mitohy ao amin’ny 3 Nefia 14 ny lahatenin’i Jesoa Kristy teo amin’ny tempoly. Nampianatra ny vahoaka Izy mikasika ny fitsarana ny hafa ary nampianatra Azy ireo hikatsaka ireo fitahiana avy amin’ny Ray any an-danitra amin’ny alalan’ny vavaka. Nampitandrina tamin’ireo mpaminany sandoka ihany koa ny Mpamonjy ary nanantitrantitra ny maha zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra.

3 Nefia 14:1–6

Nampianatra mikasika ny fitsarana ny hafa ny Mpamonjy

Vakio ireo tonony ao amin’ny andininy faharoa amin’ny fihirana “Seigneur, je te suivrai” (Cantiques, no. 141)—na hirao amin’ny tenanao izany raha toa ka tsy mampaninona anao ny manao izany:

Iza moa aho no hitsara ny hafa

Kanefa aho mba tsy tanteraka koa?

Miafina ao am-po tsy milaoka

Ny alahelo izay tsy hitan’ny maso.

Iza moa aho no hitsara ny hafa?

Tompo ô, hanaraka Anao aho.

Araka izay voarakitra ao amin’ny 3 Nefia 14 dia nanohy nampianatra ny Nefita teo amin’ny tempoly ny Mpamonjy. Vakio ny 3 Nefia 14:1–2 ary eritrereto ny hifandraisan’io torolalana nomen’ny Mpamonjy io amin’ny andininy faharoa ao amin’ilay fihirana izay vao novakinao. (Mety hanampy anao ny mahatakatra fa ny andian-teny hoe “amin’ny famarana izay hamaranareo” dia entina ilazana ny fenitra izay handrefesan’ny olona na hitsarany olona iray.)

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona no ifandraisan’ny torohevitra nomen’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 14:1–2 amin’ny andininy faharoa amin’ilay fihirana hoe “Seigneur, je te suivrai”?

    2. Ahoana re no fomba hilazanao ilay fahamarinana manan-danja izay nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 14:2 amin’ny teninao manokana? (Azonao atao koa ny manoratra io fahamarinana na fitsipika io eo amin’ny sisin’ny soratra masinao.)

Nanome hevi-baovao izay manampy antsika hahatakatra ny didin’ny Tompo manao hoe “aza mitsara” ao amin’ny 3 Nefia 14:1 ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Eo am-pamakianao izany dia tsipiho ireo karazana fitsarana izay nolazainy fa tsy tokony hataontsika ary nahoana.

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Misy fitsarana karazany roa: ny fitsarana farany, izay andraràna antsika ny fanaovana azy, ary ny fitsarana antenantenany, izay asaina ataontsika, saingy atao araka ny fitsipika marina. …

“Ny fitsarana farany … dia ilay fotoana any aoriana izay hijoroantsika rehetra eo anoloan’ny toeram-pitsaran’i Kristy mba hotsaraina araka ny asantsika. … Mino aho fa ilay didy ao amin’ny soratra masina hoe ‘aza mitsara’ dia milaza mazava momba io fitsarana farany io. …

“… Nahoana ny Mpamonjy no nandidy antsika mba tsy hanao fitsarana farany? Mino aho fa nomena io didy io satria sahy manao fitsarana farany isika isaky ny milaza fa mankany amin’ny helo (na any an-danitra) ny olona iray noho ny zavatra iray nataony na noho ny fotoana iray niainany. Rehefa manao izany isika—ary lehibe ny fakam-panahy hanao izany— dia manimba ny tenantsika sy ilay olona izay tetehantsika hotsaraina. …

“… Ny fitsarana marina, araka ny famaritana azy, dia tokony ho antenantenany. Izany dia hanakana ny fanambarana fa azo antoka ny fisandratan’ny olona iray na ny fanilihana olona iray ho toy ny raikitra tanteraka ho any amin’ny afobe. Izany dia hanakana ny fanambarana fa tsy nisy noraisin’ny olona iray ireo fahafahana nomena azy ho amin’ny fisandratana na koa aza ireo fahafahana rehetra ho an’ny anjara asa iray ilaina ao amin’ny asan’ny Tompo. Ny filazantsara dia filazantsaran’ny fanantenana, ary tsy misy amintsika izay nomena lalana handà ny ahafahan’ny herin’ny Sorompanavotana mitondra ny fanadiovana ny otan’ny olona tsirairay sy ny famelan-keloka ary ny fiovana tanteraka eo amin’ny fiainana rehefa mahafeno ireo fepetra takina” (“‘Judge Not’ and Judging,” Ensign, aog. 1999, 7, 9).

Saintsaino ny fomba anampian’ny tenin’ny Loholona Oaks anao hahatakatra ny didin’ny Tompo manao hoe “aza mitsara.”

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ilay fitsipika ao amin’ny 3 Nefia 14:2 izay manao hoe hotsaraina araka ny fomba itsarantsika isika manova ny fomba ijerentsika ny fahadisoana na ny fahalemen’ny hafa? Vakio ny 3 Nefia 14:12. Inona no mety ifandraisan’ity andininy ity amin’io fitsipika io?

Efa ditsoka nidiran’ny zavatra kely ve tao anaty masonao, toy ny volomaso na vovoka kely? Ny soratra masina dia miresaka ny vovoka ao anatin’ny mason’ny olona iray ho toy ny sombin-kazo. Ny hazo lava sy matevina iray dia antsoina hoe andry. Nampiasa ireo sary ireo ny Mpamonjy mba hanampiana antsika hahatakatra ireo olana izay mitranga rehefa mitsara ny hafa tsy ara-drariny isika na mahita fahadisoana amin’ny fomba tsy mety eo amin’izy ireo. Vakio ny 3 Nefia 14:3–5 ary eritrereto ny zavatra asehon’ilay sombin-kazo sy ilay andry.

  1. Ataovy sary ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra nofaritan’ny Mpamonjy ao amin’ny 3 Nefia 14:4. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Maneho inona ilay sombin-kazo araka ny eritreritrao?

    2. Maneho inona ilay andry araka ny eritreritrao?

    3. Araka ny eritreritrao, nahoana no ilay andry fa tsy ilay sombin-kazo no ampiasaina hanehoana ny fahadisoan’ireo izay mitsara tsy ara-drariny?

Jereo fa ilay fampanahafana nampiasain’ny Mpamonjy dia mifantoka amin’ny zavatra miraikitra ao anatin’ny maso, ka noho izany, dia misy fiantraikany amin’ny fomba fahitan’ny olona iray. Saintsaino ireto fanontaniana manaraka mikasika ny tenanao ireto: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fahadisoako hisy fiantraikany amin’ny fomba fijeriko ny hafa? Ahoana no fomba ahafahako mampihatra ny torohevitr’i Jesoa Kristy ao amin’ny 3 Nefia 14:5?

Araka ny eritreritrao, mety ve na ilaina ve ny hitsarana ny fitondrantenan’ny olona hafa? Nanazava i Joseph Smith Mpaminany fa raha toa isika ka tsy tokony hitsara ny hafa amin’ny fomba tsy ara-drariny dia didina kosa mba hitsara araka ny fitsarana marina (jereo ny Dikantenin’i Joseph Smith, Matio 7:1 [ao amin’ny Matio 7:1 ]).

Ity fanazavana manaraka ity dia manome hevi-baovao fanampiny amin’ilay resaka fitsarana ny hafa: “Indraindray ny olona dia mahatsapa fa ratsy ny mitsara ny hafa na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana. Na dia marina tokoa aza fa tsy tokony hanameloka ny hafa na hitsara azy ireo tsy ara-drariny ianao dia mila ianao mandanjalanja mikasika ireo hevitra sy toe-javatra ary olona mandritra ny fiainanao manontolo. Ny Tompo dia nanome didy maro izay tsy azonao hotandremana raha tsy mitsara ianao” (Miorim-paka ao amin’ny Finoana: Boky Fanovozan-kevitra Mikasika ny Filazantsara [2004], 90).

Mba hanampiana anao hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fanaovana fitsarana marina dia vakio ny 3 Nefia 14:6 ary fantaro ireo fitsarana izay nasain’i Jesoa Kristy hataontsika. Alohan’ny hamakinao izany dia mety hanampy ny fahatakarana fa ny hoe “[manome] ho an’ny alika izay masina” sy ny hoe “[manipy] eo anoloan’ny kisoa ny [voahangy]” dia midika hoe mizara zavatra izay masina amin’ireo izay tsy hankasitraka na hahatakatra ny fahamasinany.

Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny 3 Nefia 14:6 anao hahatakatra ny antony ilàna ny hanaovana fitsarana marina? Nanazava mikasika ireo toe-javatra hafa izay tokony hanaovantsika fitsarana marina ny Loholona Dallin H. Oaks:

Sary
Loholona Dallin H. Oaks

“Isika rehetra dia mitsara rehefa misafidy ireo namantsika, rehefa misafidy ny fomba andaniantsika ny fotoana sy ny volantsika, ary, mazava ho azy, rehefa misafidy ny vadintsika mandrakizay. …

“… Ny fitsarana marina dia ho tarihin’ny Fanahin’ny Tompo, fa tsy ny fahatezerana, na ny valifaty, na ny fialonana, na ny fitiavan-tena” (“‘Judge Not’ and Judging,” 9).

  1. Valio ao anaty diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Nahoana no manan-danja ny manao fitsarana marina amin’ny lafin-javatra tahaka ny fisafidianana namana, sy ny fanapahan-kevitra amin’ny fomba andaniana ny fotoana sy ny vola, ary ny fisafidianana ny ho vady mandrakizay? Mety ho inona avy ireo toe-javatra hafa izay ilàna na mampety ny hitsarana ny hafa?

    2. Ahoana no fomba ahafahanao manao fitsarana marina kokoa? Saintsaino sao misy olona izay azonao hanehoana hatsaram-panahy kokoa na izay tsy tokony hotsarainao amin’ny fomba tsy ara-drariny intsony.

3 Nefia 14:7–12

Nampianatra momba ny fitadiavana fitahiana avy amin’ny Ray any an-danitra ny Mpamonjy

Eritrereto ireo fotoana izay namalian’ny Ray any an-danitra ny vavakao. Vakio ny 3 Nefia 14:7–11 ary tadiavo ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy mikasika ny fahavononan’ny Ray any an-danitra hamaly ny vavaka ataontsika.

Fitsipika iray azontsika ianarana ao amin’ny 3 Nefia 14:7–11 ny hoe Hitahy antsika ny Ray any an-danitra raha mangataka Aminy sy mikatsaka Azy amin’ny alalan’ny vavaka isika. Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fomba fivavakao hiova noho ny fahafantarana fa dodona ny hamaly ny vavakao ny Ray any an-danitra?

  1. Apetraho amin’ny olon-dehibe iray atokisana ity fanontaniana manaraka ity: Oviana ianao no nahatsapa ny fitiavan’ny Ray any an-danitra anao tamin’ny alalan’ny fomba namaliany ny vavakao? Fintino ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteniny sy ny zavatra nianaranao avy amin’izany.

3 Nefia 14:13–27

Nampianatra ny maha zava-dehibe ny fanaovana ny sitrapon’ny Ray any an-danitra ny Mpamonjy

Rehefa nanohy nampianatra ireo Nefita tafavory teo amin’ny tempoly ny Mpamonjy dia nanome fampanahafana maromaro Izy mba hanampiana antsika hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fankatoavana ny fampianarany. Ny fampanahafana tsirairay dia ahitana ohatra tsara sy ohatra ratsy.

  1. Manaova sary tsotra ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, izay maneho ny ohatra tsara sy ny ohatra ratsy hita ao amin’ny tsirairay amin’ireto andinin-tsoratra masina telo ireto. Soraty ihany koa ny zavatra izay heverinao fa tian’ny Mpamonjy ianarantsika amin’ny alalan’ny fampitahana ireo ohatra tsara sy ratsy. Miomàna haneho ireo sary nataonao amin’ny mpiara-mianatra aminao, sy hanazava ny zavatra nianaranao avy amin’ireo fampanahafana ireo.

    1. 3 Nefia 14:13–14

    2. 3 Nefia 14:15–20

    3. 3 Nefia 14:24–27

Vakio ny 3 Nefia 14:21–23 ary eritrereto ny zavatra mety holazainao amin’ny olona iray izay nilaza taminao fa ny hany ilainao hatao mba ho voavonjy ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra dia ny milaza fa mino an’i Jesoa Kristy ianao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny 3 Nefia 14 ary nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Ireo fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: