Seminera
Fizarana 3: Andro 3, 1 Nefia 10–11


Fizarana 3: Andro 3

1 Nefia 10–11

Fampidirana

Ireo fampianaran’i Lehia mikasika ny hazon’aina sy ireo faminaniany mikasika ireo Jiosy dia nampitombo ny fanirian’i Nefia hahita sy handre ary hahafantatra amin’ny tenany manokana ireo zavatra izay hitan-drainy. Rehefa nandinika ireo zavatra izay notenenin’ny rainy i Nefia dia “nentanin’ny fanahin’ny Tompo” izy (1 Nefia 11:1) ka nahita fahitana mikasika ny hazon’aina ho an’ny tenany manokana. Hitany tao amin’ilay fahitany ihany koa ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany ary ny fahafatesany—nahita ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika i Nefia. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia diniho hoe inona no zavatra azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Nefia mikasika ny fikatsahana ny fanambarana ho an’ny tena manokana. Diniho ihany koa ny fiainan’ny Mpamonjy sy ny asa fanompoany ary ny fitiavan-dehibe izay ananany ho antsika rehetra.

1 Nefia 10:1–16

Ireo faminanian’i Lehia

Rehefa avy nitantara ny fahitany ilay hazon’aina i Lehia dia naminany mikasika ireo toe-javatra mbola hitranga amin’ny ho avy. Voarakitra ao amin’ny 1 Nefia 10:1–16 ireo faminaniany ireo. Vakio ny 1 Nefia 10:4–6, ary asio marika ao anatin’ny soratra masinao ny valin’ireto fanontaniana ireto:

  • Oviana no naminan’i Lehia ny fiavian’i Mesia—ny Mpamonjy—?

  • Inona no nolazain’i Lehia fa hitranga amin’ireo izay tsy “miantehitra amin’ilay Mpanavotra”?

1 Nefia 10:17–11:6

Nikatsaka ny hahita sy handre ary hahafantatra ireo fahamarinana ireo tahaka an-drainy i Nefia

Diniho ity tantara kely ity ary eritrereto hoe nahoana no samihafa be ny traikefa azon’ny olona miaina amina trangan-javatra mitovy: Zatovo telo no samy manatrika fivoriam-piangonana iray ihany. Ny iray amin’izy ireo dia nihevitra fa mahamonamonaina ilay fivoariana ary fandaniam-potoana fotsiny. Ny iray hafa dia nihevitra fa nahafinaritra ilay fivoriana saingy tsy nisy na inona na inona voarainy avy amin’izany. Ary ilay fahatelo dia nahatsapa ho nentanin’ny Fanahy Masina ary nandray fitarihana sy fahatsapana manokana avy amin’ny zavatra izay nampianarina tamin’ny fivoriana.

Rehefa mandalina ny traikefan’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 10:17–11:6 ianao dia mariho hoe inona no nataon’ i Nefia ka nahatonga azy ahazo fanambarana fanampiny ankoatr’izay nampianarin’ny rainy azy.

Vakio ny 1 Nefia 10:17, ary tsipiho ny fahatsapana nananan’i Nefia taorian’ny nahenony mikasika ny fahitan’i Lehia.

Vakio ny 1 Nefia 10:19, ary mitadiava andian-teny izay mampianatra ny fomba hanambarana ny misterin’Andriamanitra amintsika.

Araka ny hita ao amin’ny 1 Nefia 10:19, ireo izay mitady amim-pahazotoana no handray ny misterin’Andriamanitra. Soraty izay fiheveranao ny dikan’ny hoe: mitady amim-pahazotoana.

Nanome ohatra tonga lafatra amin’ny fitadiavana amim-pahazotoana ny fanambarana i Nefia. Vakio ny 1 Nefia 10:17–19 sy ny 11:1–6. Mifidiana roa amin’ireo lohahevitra telo izay tanisaina eto amin’ny tabilao eto ambany—ny faniriana, ny finoana, ary ny fandalinana; ary soraty ny valin-teninao izay mifanaraka amin’ireo fanontaniana eo amin’ny tabilao.

Faniriana

Inona no nirian’i Nefia ho fantarina?

Ahoana araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny faniriantsika eo amin’ny fahafahantsika mandray fanambarana?

Inona no irianao ho fantatra avy amin’ny Tompo?

Finoana

Inona avy ireo zavatra maro izay ninoan’i Nefia ka nitarika nankany amin’ny fanambarana?

Ahoana araka ny eritreritrao no mety ho fiantraikan’ireo finoana ireo eo amin’ny fahafahantsika handray fanambarana amin’izao andro izao?

Mino izay nambaran’ny Tompo taminao ve ianao?

Fandalinana (fieritreretana lalina mikasika ny zavatra iray, manokatra ny sainao sy ny fonao ho an’ny Fanahy Masina)

Inona no nitranga raha vao nandalina i Nefia? (Jereo ny 1 Nefia 11:1.)

Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fandalinana mitarika mankany amin’ny fanambarana?

Inona no azonao atao mba handalinana bebe kokoa ny filazantsara eo amin’ny fiainanao?

Fintino ny fitsipiky ny filazantsara nianaranao avy tamin’ny traikefan’i Nefia amin’ny alalan’ny famenoana ity fehezan-teny manaraka ity: Andriamanitra dia manambara fahamarinana amin’ireo rehetra izay .

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy roa:

    1. Oviana ianao no nahatsapa fa novalian’Andriamanitra ny vavaka nataonao, na nahatsapa bitsika avy amin’ny Fanahy rehefa nitady tamim-pahazotoana ny fanampiana sy ny fitarihana avy tamin’ny Tompo?

    2. Inona no fomba iray mety ahafahanao mitady amim-pahazotoana kokoa ny aingam-panahy avy amin’ny Tompo?

1 Nefia 11:7–36

Nahita ny fiambanian’i Jesoa Kristy i Nefia

Nanohy nandalina sy nitady ny fitarihana masina hatrany i Nefia nandritra ny fahitany. Vakio ity fanambarana nataon’ny Filoha Boyd K. Packer ity, izay Filohan’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary mariho izay voalazany fa tanjona tena nifantohan’ny fahitan’i Nefia:

“Ao amin’ny Testamenta Taloha no ahitana ireo faminaniana mikasika an’i Mesia. Saingy ny Bokin’i Môrmôna dia mirakitra fahitana iray momba io trangan-javatra io izay tsy misy mitovy amin’ny ao amin’ny Testamenta Taloha.

“Rehefa [nandao an’i Jerosalema] ny vahoakan’i Lehia dia nahazo fahitana ny hazon’aina i Lehia. Nivavaka i Nefia zanany lahy mba hahafantarana ny dikan’izany. Ho valin’izany dia nomena fahitana miavaka izy mikasika an’i Kristy.

“Tao anatin’izany fahitana izany no nahitany:

  • Virijiny iray nitrotro zazakely teny an-tsandriny,

  • Olona iray izay hanomana ny lalana—Jaona Mpanao Batisa,

  • Ny asa fanompoan’ny Zanak’Andriamanitra,

  • Roambinifolo hafa nanaraka an’i Mesia,

  • Ny lanitra nisokatra sy anjely maro nanompo azy ireo,

  • Ireo valalabemandry notsofina rano sy nositranina,

  • Ny fanomboana an’i Kristy,

  • Ny fahendrena sy ny avonavon’izao tontolo izao nanohitra ny asany (Jereo ny 1 Ne. 11:14–36).

“Io fahitana io no ivon’ny hafatry ny Bokin’i Môrmôna” (“The Things of My Soul,” Ensign, mey 1986, 60–61).

Nisy anjely iray nanampy an’i Nefia hahatakatra ny dikan’ilay hazon’aina, ary hoy izy avy teo hoe “Fantatrao va ny dikan’ilay hazo izay hitan-drainao?” (1 Nefia 11:21). Avereno jerena ny dikan’ilay hazo amin’ny fanipihana ireo andian-teny izay nampiasain’i Nefia sy ilay anjely hamaritana ilay hazo ao amin’ny 1 Nefia 11:21–24.

Vakio ny 1 Nefia 11:16 ary tsipiho ny fanontaniana iray vao avy napetrak’ilay anjely tamin’i Nefia. Azonao atao ny manoratra ao anatin’ny soratra masinao fa ny teny hoe fiambaniana dia midika hoe manaiky midina avy any amin’ny toerana ambony iray mba hanampy sy hitahy ny hafa.

Tadiavo ao amin’ny 1 Nefia 11:17, ny valin-tenin’i Nefia tamin’ny fanontanian’ilay anjely. Inona no fantatr’i Nefia? Inona no tsy fantany? Taorian’ny valin-tenin’i Nefia dia nasehon’ilay Anjely taminy fa ny fiambanian’i Jesoa Kristy dia maneho ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

Rehefa avy nianatra ny dikan’ilay teny hoe fiambaniana ianao dia vakio ny 1 Nefia 11:13–21, ary avy eo dia vakio ity teny nambaran’ny Loholona Gerald N. Lund ity, izay mpikambana tao amin’ny Fitopololahy tamin’izany fotoana izany, ary diniho hoe ahoana no ahafahan’ny fahaterahan’ny Mpamonjy maneho ny Fiambaniany sy ny Fitiavany antsika: “Indro teo Jesoa—mpikambana iray ao amin’ny atao hoe Ny Andriamanitra, ilay Voalohanteraky ny Ray, ilay Mpahary, Jehovah tao amin’ny Testamenta Taloha—izay ankehitriny dia nandao ny toerany maha andriamanitra sy masina Azy; niala tamin’izany fitafiam-boninahitra rehetra sy ny maha-mpanjaka Azy izany ka niditra tao amin’ny vatan’ny zaza bitika kely iray; tsy manam-piarovana fa niankina tanteraka tamin’ny reniny sy ny rainy ara-nofo. Ny tsy nahatongavany tao amin’ny raitra indrindra amin’ireo lapan’izao tontolo izao ary tsy nosalorana lamba volom-parasy [izay famantarana ny maha-mpanjaka] ary tsy norakofana firavaka fa tsy maintsy tonga kosa tao amin’ny tranon’omby iray mahonena, dia tena mahagaga. Tsy mahagaga loatra raha nilaza tamin’i Nefia ilay anjely hoe: ‘Io no fiambanian’Andriamanitra!’” (Jesus Christ, Key to the Plan of Salvation [1991], 16).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fahazoanao ny hoe i Jesoa Kristy dia “hidina avy any amin’ny fiandrianany masina” (“Merveilleux l’Amour,” Cantiques, no. 117) sy ny toerana feno voninahitra nisy Azy tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana mba ho teraka ho toy ny zaza bitika kely.

Vakio ny 1 Nefia 11:27, ary diniho hoe nahoana ny batisan’ny Mpamonjy no maneho ny Fiambaniany ihany koa. Na dia tsy nanota aza Izy dia natao batisa mba hanehoana ny fankatoavany ireo didin’Andriamanitra. Maneho ny Fitiavany antsika ihany koa izany tamin’ny nanomezany ohatra mba ho arahintsika.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa

Vakio ny 1 Nefia 11:28–31, ary eritrereto hoe nahoana no maneho ny Fiambanian’i Jesoa Kristy ny fiainany izay nanompoany ny hafa. Mariho hoe iza no notompoin’ny Mpamonjy sy nositraniny.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny zavatra izay novakianao tao amin’ny 1 Nefia 11:28–31 maneho ny Fitiavan’ny Mpamonjy ny Vahoakany. Ahoana araka ny fahatsapanao no fomba ifandraisan’izany amin’ny Fitiavany anao amin’izao fotoana izao?

Vakio ny 1 Nefia 11:32–33, ary diniho ny fomba mahatonga ny fanomboana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny hazo fijaliana haneho ny Fiambaniany. Vakio ity teny nambaran’ny Loholona Earl C. Tingey ity, izay mpikambana tao amin’ny Fiadidian’ny Fitopololahy tamin’izany, ary jereo izay zavatra nolazainy mikasika ny fomba mahatonga ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hoe maneho ny Fitiavany sy mitahy anao:

“Amin’ny maha olon-tokana voafidy azy mba hanatanteraka ny fitakian’ny Sorompanavotana, dia nanolo-tena i Jesoa Kristy hidina ambany … mba ho alaim-panahy, hosedraina, hotevatevaina, sy ho tsaraina, ary hohomboana, na dia nanana hery sy fahefana hanakana ireo zavatra ireo aza Izy.

Sary
Ny Filoha John Taylor

“Nofariparitan’ny Filoha John Taylor tamin’izao teny mahafinaritra izao ny fiambanian’i Kristy : ‘Mbola nilaina ihany koa ny tsy maintsy nidinany ho ambanin’ny zavatra rehetra, mba hahafahany hanandratra ny hafa ho ambonin’ny zavatra rehetra …’ [The Mediation and Atonement (1882), 144].

“Ny fijalian’i Kristy tao amin’ny Sahan’i Getsemane no tena maneho tsara ilay tena lehibe indrindra amin’ireo toetra tsaran’i Kristy rehetra, dia ny Fitiavany tonga lafatra. Teo no ahitantsika fa tena tia antsika rehetra tokoa Izy. …

“Ny Sorompanavotana dia trangan-javatra iray izay ahafahantsika mihavana amin’Andriamanitra. … Raha ny mikasika ny fianakaviana, dia midika izany fa tafatambatra miaraka ny tsirairay ary miaraka amin’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy Zananilahy. Izany dia midika hoe: ny alahelo noho ny fisarahana dia ho tonga fahasambarana noho ny fihaonana indray” (“The Great Plan of Happiness,” Ensign or Liahona, mey 2006, 73–74).

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy no ampahany iray tena nilaina tamin’ny Fiambaniany ary fanehoana lehibe indrindra ny Fitiavany antsika.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina hoe amin’ny fomba ahoana no hampisy fiantraikany ny fahafantaranao ny fiambanian‘i Jesoa Kristy eo amin‘ny fahatsapanao sy ny fitiavanao Azy?

Farano amin’ny fihirana, na fihainoana na famakiana ny tonon’ilay Fihirana hoe “Merveilleux l’Amour” (Cantiques, no. 117) ny fandalinana nataonao androany. Mariho ireo andian-teny izay mijoro ho vavolombelona ny amin’ny zavatra izay nianaranao androany. Diniho ny antony mahatonga ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho “mahatsiriritra indrindra” sy “maharavoravo indrindra” ho anao (jereo 1 Nefia 11:22–23). Tahaka an’i Nefia, rehefa mazoto mikatsaka fahalalana amin’ny alalan’ny fanambarana ianao dia hanakaiky kokoa ny Tompo ary hahatsapa ny herin’ny Sorona nataony eo amin’ny fiainanao sy ny fifaliana izay entin’izany.

  1. Soraty ery amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nianatra ny 1 Nefia 10–11 aho androany ary nahavita ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: