Ny soratra masina
1 Nefia 10


Toko 10

Naminany i Lehia fa ny Jiosy dia hoentin’ny Babyloniana ho babo—Nolazainy ny amin’ny hiavian’ny Mesia iray, ny Mpamonjy, ny Mpanavotra eo anivon’ny Jiosy—Nolazain’i Lehia koa ny fiavin’ilay hanao batisa ny Zanakondrin’ Andriamanitra—Nolazain’i Lehia ny amin’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny Mesia amin’ny maty—Nampitahainy tamin’ny hazo oliva iray ny fielezan’i Isiraely sy ny fanangonana azy indray—Niteny ny momba ny Zanak’ Andriamanitra, ny fanomezana ny Fanahy Masina ary ny ilana ny fahamarinana i Nefia. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny, izaho Nefia dia miroso amin’ny fitantarana eo aamin’ireto takelaka ireto ny amin’ny zava-bitako sy ny fitondrako ary ny asa fanompoako; noho izany, ho firosoana amin’ny tantarako ihany, dia tsy maintsy somary miteny ihany aho ny momba ny zavatry ny raiko, ary koa ny momba ny rahalahiko.

2 Fa indro ny zava-nitranga, rehefa avy namarana ny filazan’ny teny momba ny anofiny ny raiko, ary koa momba ny famporisihana azy ireo ho amin’ny fahazotoana rehetra, dia niresaka ny momba ny Jiosy taminy izy—

3 Fa aorian’ny handravana azy ireo, dia ny tanàna lehiben’i aJerosalema izany, ary maro no bhoentina ho babo any dBabylona, amin’ny fotoana voatendrin’ny Tompo, dia ehiverina indray izy ireo, eny, hoentina miverina hiala ny fahababoana; ary rehefa hoentina miverina hiala ny fahababoana izy ireo dia hizaka ny tany lovany indray.

4 Eny, aeninjato taona taorian’ny nandaozan-draiko an’i Jerosalema, dia hanangana bmpaminany iray eo anivon’ny Jiosy ny Tompo Andriamanitra—dia ny dMesia izany, na raha lazaina amin’ny teny hafa, ny Mpamonjy izao tontolo izao.

5 Ary niresaka koa izy momba ny mpaminany, fa maro tokoa no efa ananambara ireo zavatra ireo, ny momba ity Mesia ity izay noresahiny, na ity Mpanavotra izao tontolo izao ity.

6 Noho izany, dia tao amin’ny toetry ny fahaverezana sy ny afahalavoana ny olombelona rehetra, ary ho tafatoetra tao mandrakariva izy raha tsy niantehitra tamin’ilay Mpanavotra.

7 Ary niteny koa izy ny momba ny ampaminany izay tokony ho avy mialoha ny Mesia mba hamboatra ny lalan’ny Tompo—

8 Eny, dia handeha izy ka hiantso any an-tany foana hoe: aamboary ny lalan’ny Tompo ary ataovy mahitsy ny lalan-kalehany; fa eto aminareo misy anankiray izay tsy fantatrareo; ary mahery noho izaho Izy ka tsy mendrika hamaha ny fehin-kapany akory aho. Ary betsaka no nolazain-draiko momba izany zavatra izany.

9 Ary nolazain’ny raiko fa hanao batisa ao aBetabarà, ampitan’i Jordana izy; ary nolazainy koa fa hanao bbatisa amin’ny rano izy; eny, hataony batisa amin’ny rano na dia ny Mesia aza.

10 Ary rehefa avy nanao batisa ny Mesia tamin’ny rano izy, dia hahita ary ho vavolombelona hanambara fa efa nataony batisa ny aZanakondrin’ Andriamanitra, izay hanaisotra ny fahotan’izao tontolo izao.

11 Ary ny zava-nitranga, rehefa avy nilaza ireo teny ireo ny raiko, dia niresaka tamin’ny rahalahiko izy ny momba ny filazantsara izay hotoriana any anivon’ny Jiosy, ary koa ny momba ny afihemoran’ny Jiosy ao amin’ny btsy finoany. Ary rehefa dnovonoiny ny Mesia, izay tokony ho avy, ary taorian’ny namonoana Azy, dia ehitsangana amin’ny maty Izy ary haneho ny tenany amin’ny Jentilisa, amin’ny alalan’ny fFanahy Masina.

12 Eny, niresaka betsaka tokoa ny raiko ny momba ny Jentilisa sy ny momba ny mpianakavin’i Isiraely koa, fa ireo dia tokony hampitahaina amin’ny hazo aoliva anankiray izay hotapahina ny rantsany ka bhaely patrana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany.

13 Noho izany, hoy izy, dia tsy maintsy ilaina ny hitondrana antsika miaraka hankany amin’ny atany nampanantenaina, hahatanteraka ny tenin’ny Tompo, fa isika dia haely patrana eran’ny lafiny rehetra amin’ny tany.

14 Ary rehefa avy naely patrana ny mpianakavin’i Isiraely dia ahangonina miaraka indray; na, raha fintinina, rehefa avy nandray ny fahafenoan’ny filazantsara ny bJentilisa, ny sampana voajanaharin’ny hazo doliva, na ny sisa tavela amin’ny mpianakavin’i Isiraely, dia hatao grefy, na ho tonga amin’ny fahalalana ny tena Mesia, Tompony sy Mpanavotra azy.

15 Ary araka izany fomba fiteny izany no nentin-draiko naminany sy niresaka tamin’ny rahalahiko, ary zavatra maro hafa koa izay tsy soratako eto amin’ity boky ity; satria efa nanoratra izay rehetra nilaiko taminy aho, tao amin’ny abokiko hafa.

16 Ary ireo zavatra rehetra izay efa nolazaiko ireo dia nitranga raha mbola nonina tanaty lay ny raiko, tao an-dohasahan’i Lemoela.

17 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia, rehefa nandre ny atenin-draiko rehetra momba ny zavatra izay hitany tamin’ny bfahitana, ary koa ny zavatra izay nolazainy tamin’ny herin’ny Fanahy Masina, izay hery noraisiny noho ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra—ary ny Zanak’ Andriamanitra dia ny dMesia izay ho avy—izaho Nefia dia naniry koa mba hahita sy handre ary hahalala ny amin’ireo zavatra ireo, amin’ny alalan’ny herin’ny eFanahy Masina izay fanomezan’ Andriamanitra ho an’ireo rehetra izay mitady Azy famim-pahazotoana tokoa na tamin’ny andro gfahiny izany na amin’ny fotoana izay hanehoany ny tenany amin’ny zanak’olombelona.

18 Fa Izy ilay atsy miova omaly sy anio ary mandrakizay; ary efa voaomana ny lalana ho an’ny olona rehetra, hatry ny fanorenana izao tontolo izao, raha toa ka mibebaka izy ary manatona Azy.

19 Fa izay mitady amim-pahazotoana tokoa no hahita; ary hovelabelarina aminy amin’ny alalan’ny herin’ny aFanahy Masina ny bmistery momba an’ Andriamanitra, na amin’izao fotoana ankehitriny izao izany tahaka ny tamin’ny fahagolan-tany, ary na tamin’ny fahagolan-tany izany tahaka ny amin’ny fotoana ho avy; koa ny dlalan’ny Tompo dia hodina mandrakizay.

20 Koa tsarovy, ray olona, fa hoentina ahotsaraina ianareo noho ny ataonareo rehetra.

21 Noho izany, raha nikatsaka ny hanao ratsy ianareo tamin’ny andro afizahan-toetra anareo, dia hita ho btsy madio ianareo amin’izany eo anoloan’ny toeram-pitsaran’ Andriamanitra; ary ny zavatra tsy madio dia tsy afaka hiara-mitoetra amin’ Andriamanitra; koa tsy maintsy roahina hiala mandrakizay ianareo.

22 Ary nanome ahy fahefana ny Fanahy Masina mba hilazako ireo zavatra ireo sy ny tsy hitanako ireo ho ahy samirery.