Ny soratra masina
1 Nefia 9


Toko 9

Nanao rakitsoratra roa karazana i Nefia—Samy antsoina hoe ny takelak’i Nefia ny tsirairay avy aminy—Nirakitra ny tantaram-piainana andavanandro ny takelaka lehibe; namaofivaofy indrindra kosa ny momba ny zava-masina ny takelaka madinika. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ireo zavatra rehetra ireo dia hitan-draiko ary reny sy nolazainy, raha nonina tao anaty lay izy, tao an-adohasahan’i Lemoela, ary miampy zava-maro hafa koa, izay tsy azo soratana eto amin’ireto takelaka ireto.

2 Ary ankehitriny, toy izay efa nolazaiko momba ireto takelaka ireto, dia indro tsy ireto no atakelaka izay anaovako fitantarana feno momba ny tantaran’ny oloko; fa ny takelaka izay eo aminy no anaovako ny fitantarana feno ny amin’ny oloko, dia efa nomeko ny anarana hoe Nefia; noho izany, dia nantsoiko hoe ny takelak’i Nefia ireo, araka ny anarako ihany; ary ireto takelaka ireto koa dia antsoina hoe ny takelak’i Nefia.

3 Na dia eo aza izany, dia efa nahazo didy tamin’ny Tompo aho hanao ireto takelaka ireto noho izao aantony manokana izao: dia ny mba hisian’ny fitantarana amin’ny alalan’ny sokitra ny basa fanompoan’ny oloko.

4 Eo amin’ny takelaka hafa no tokony hosokirina ny tantaran’ny fitondran’ny mpanjaka sy ny ady ary ny fifandirana teo amin’ny oloko; noho izany dia miompana amin’ny asa fanompoana ny ankamaroany amin’ireto takelaka ireto; ary ireo atakelaka hafa kosa dia miompana amin’ny fitondran’ny mpanjaka sy ny ady ary fifandirana teo amin’ny oloko ny ankamaroany.

5 Noho izany, dia efa nandidy ahy ny Tompo hanao ireto takelaka ireto noho ny afikasana hendry ao Aminy, dia fikasana izay tsy fantatro.

6 Nefa ny Tompo amahafantatra ny zavatra rehetra hatrany am-piandohana; noho izany, manomana lalana Izy mba hanantanterahana ny asany rehetra eo anivon’ny zanak’olombelona; fa indro, manana ny bhery rehetra Izy hanatontosana ny teniny rehetra. Ary dia toy izany no izy. Amena.