Seminera
Fizarana 19: Andro 2, Almà 36


Fizarana 19: Andro 2

Almà 36

Fampidirana

Namory niaraka ireo zanany lahy telo sy nanome torohevitra ho azy ireo tsirairay i Almà taorian’ny niverenany tamin’ny asa fitoriany tany amin’ny Zôramita (jereo ny Almà 35:16). Voarakitra ao amin’ny Almà 36–37 ny toroheviny ho an’i Helamàna, voarakitra ao amin’ny Almà 38 ny toroheviny ho an’i Siblôna, ary voarakitra ao amin’ny Almà 39–42 ny toroheviny ho an’i Kôriantôna. Nijoro ho vavolombelona tamin’i Helamàna i Almà fa hanafaka ireo izay mametraka ny fahatokiana aminy Andriamanitra. Mba hanazavana io fahamarinana io dia namariparitra ny fomba nanafahana azy tamin’ny fanaintainan’ny fahotany taona maro talohan’izany i Almà. Naterak’Andriamanitra sy heniky ny hafaliana izy taorian’ny niantsoany ny anaran’i Jesoa Kristy. Niasa mba hitondra ny hafa ho ao amin’i Jesoa Kristy izy avy eo.

Almà 36:1–5

Mampianatra an’i Helamàna zanany lahy momba ny herin’Andriamanitra hanampiana antsika ao anatin’ny fizahan-toetra antsika i Almà

Saintsaino ny fomba nitahian’ny fijoroana ho vavolombelona na fampianarana manokana nataon’ny olona iray ao amin’ny fianakavianao, ny namanao, na ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fiainanao.

Vakio ny Almà 36:1–5, ary alaivo sary an-tsaina hoe eo amin’ny toeran’i Helamàna ianao rehefa nihaino ny fijoroan’ny rainy ho vavolombelona izy. Inona no tian’i Almà hotadidian’i Helamàna? (Jereo ny andininy 2.) Inona no tian’i Almà ianaran’i Helamàna avy aminy? (Jereo ny andininy 3.)

Soraty ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 36:3 izao fitsipika manaraka izao: Manampy antsika amin’ireo fisedrana sy fahoriantsika rehetra Andriamanitra rehefa mametraka ny fitokiantsika Aminy isika. Mieritrereta fotoana iray izay niainanao fisedrana teo amin’ny fiainanao. Manorata, eo amin’ny toerana natokana anaovana izany, fomba vitsy izay nanampian’Andriamanitra sy nanohanany anao nandritra izany fotoana izany.

Almà 36:6–22

Miresaka ny fikomiany sy nanazava ny fomba nahazoana famelan-keloka i Almà

Sary
Ny Fiovam-pon’i Almà

Namariparitra tamin’i Helamàna zanany ny fomba nanafahan’Andriamanitra azy tamin’ny fanaintainan’ny fahotana i Almà. Vakio ny Almà 36:6–10, ary avereno jerena ny zava-nitranga fony fahatanoran’i Almà rehefa niaraka nandeha nikatsaka ny handringana ny Fiangonana izy sy ireo zanakalahin’i Môsià.

Misy tantara telo momba ny fitsidihan’ny anjely an’i Almà sy ireo zanakalahin’i Môsià ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Mirakitra ny tantara voalaza amin’ny antsipiriany indrindra momba ny zavatra niainan’i Almà nandritra ny telo andro sy telo alina ny Almà 36 rehefa tsy afa-niteny sy nihetsika izy. (Jereo ny Môsià 27 sy ny Almà 38 hamakianao ireo tantara hafa.) Vakio ny Almà 36:11–16, ary asio marika ireo teny na fehezanteny izay nampiasain’i Almà hamariparitana ny tahotra sy ny fanaintainana niainany taorian’ny nisehoan’ilay anjely.

Nanampy antsika hahatakatra ny dikan’ny hoe nampijaliana sy norotidrotehana ny Filoha Boyd K. Packer ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Filoha Boyd K. Packer

“Midika hoe ‘nampahoriana’ ny hoe nampijaliana. Fitaovana fampijaliana iray ny chevalet tamin’ny andro fahiny, izay nampatoriana ilay voaheloka ka nafatotra tamin’ny kofehy mifandray amin’ny hazo boribory ny kihon-tanana sy kihon-tongony, izay azo nahodina avy eo mba hiteraka fanaintainana tsy hay zakaina.

“Fitaovana misy vy maranitra ny fihogon-tany. Rehefa atosika amin’ny tany izany dia mandrovitra sy mamaky ny tany. Matetika ny soratra masina no miresaka momba ny fanahy sy ny saina ‘nampijaliana’ tamin’ny fahamelohana” (“The Touch of the Master’s Hand,” Ensign, mey 2001, 23).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony nampiasain’i Almà teny henjana hamariparitana izay tsapany. Soraty ihany koa ny namaritan’ireo teny ireo ny fahamelohana sy fanaintainan’ny olona iray izay nanota ka tsy nibebaka.

Azonao atao ny manoratra ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Almà 36:11–16 ny hoe: Afaka mitondra amin’ny fanaintainana sy fanenenana ny fahotana.

Vakio ny Almà 36:17–18, ary tadiavo ny zavatra tadidin’i Almà fa hitan’ny rainy tamin’ny faminaniana. Jereo ny nataon’i Almà rehefa nahatsiaro ny zavatra nampianarin’ny rainy azy izy.

Nilaza izao hevi-baovao manaraka izao mikasika ny zavatra niainan’i Almà ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo: “Nentanim-po tamin’ny fampianaran’ny rainy i Almà, kanefa tena manan-danja tokoa fa mikasika ny ‘fahatongavan’i Jesoa Kristy, Zanakalahin’Andriamanitra, mba hanefa ny fahotan’izao tontolo izao’ ny faminaniana tadidiny. (Almà 36:17.) Izany no anarana ary izany no hafatra tokony ho henon’ny olona rehetra. Naheno izany i Almà, ary nikikiaka avy tao amin’ny fangirifirian’ny helo izay tsy nitsaha-nandoro sy ny fieritreretana tsy nety sitrana izy. ‘Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’Andriamanitra, mamindra fo amiko.’ (Almà 36:18.) … Na inona na inona vavaka hafa ataontsika, na inona na inona filàna hafa ananantsika, dia toa miankina amin’izany talaho izany avokoa izy rehetra : ‘Ry Jesoa ô, Ianao Ilay Zanak’Andriamanitra, mamindra fo amiko.’ Voaomana hanolotra izany famindrampo izany Izy. Ny fiainany mihitsy no nataony onitra mba hanomezana izany famindrampo izany” (However Long and Hard the Road [1985], 85).

  1. Ataovy jery todika ny fotoana iray izay nivavahanao mba hahazoana ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, anisan’izany ny fitahian’ny famelan-keloka. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny antony maha zava-dehibe ny mangataka ireo fitahian’ny Sorompanavotana amin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

  2. Vakio ny Almà 36:19–22, ary asio marika ireto teny sy fehezanteny izay mamaritra ny fiovan’i Almà taorian’ny nangatahany famindrampo. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny sasany amin’ireto teny sy fehezanteny ireto, ary hazavao ny zavatra ampianarin’izany anao momba ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Sary
I Jesoa ilay Kristy

Mianatra ity fitsipika ity isika avy amin’ireto soratra masina ireto: Hanafaka antsika amin’ny fanaintainan’ny fahotantsika sy hanenika antsika amin’ny hafaliana i Jesoa Kristy rehefa mino ny Sorompanavotany isika. Saintsaino izay azonao atao hanehoana finoana bebe kokoa an’i Jesoa Kristy mba hahafahanao, toa an’i Almà, miala amin’ny fahatsapana fanaintainana sy fanenenana tamin’ny fahotanao.

Vakio izao toe-java-mitranga manaraka izao, ary diniho izay mety ho fihetsikao: Nangataka fampiana avy aminao hahatakarany ny tenin’i Almà ao amin’ny Almà 36:19 ny namanao iray izay namaky ny Bokin’i Môrmôna. Manontany anao ny namanao hoe: “Raha toa ka tsaroako ny fahotako ary mbola mahatsiaro nenina amin’izy ireny aho, midika ve izany fa tsy voavela ny heloko?”

Vakio izao fanazavana manaraka avy amin’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf avy ao amin’ny Fiadidiana Voalohany izao, ary tsipiho izay fehezanteny inoanao fa hanampy ny namanao:

“ Miezaka mampino antsika i Satana fa tsy voavela ny helotsika satria afaka mahatsiaro azy ireny isika. Mpandainga i Satana; miezaka ny mampanjavozavo ny fahitantsika sy mitondra antsika lavitra ny lalan’ny fibebahana sy ny famelan-keloka izy. Tsy nampanantena Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ny fahotantsika intsony isika. Hanampy antsika hiala amin’ny famerenana indray ilay fahadisoana ny fahatsiarovana. Kanefa halefahana eny an-dalana eny ny fahatsiarovana ny fahotantsika raha toa ka mijanona ho marina sy mahatoky isika. Ho ampahan’ny fanasitranana ilaina sy ny dingan’ny fanadiovana izany. Nijoro ho vavolombelona i Almà fa taorian’ny nihikàny tamin’i Jesoa mba hahazoany famindrampo, dia mbola afaka nahatsiaro ny fahotany izy, kanefa ny fahatsiarovana ny fahotany dia tsy nankarary na nampijaly azy intsony, satria fantany fa voavela ny helony (jereo ny Almà 36:17–19).

“Andraikitsika ny misoroka ny zavatra rehetra izay mety hamerina ireo fahatsiarovana feno fahotana taloha. Rehefa manana ‘fo torotoro sy fanahy manenina’ hatrany isika (3 Nefia 12:19), dia afaka mahatoky fa ‘tsy hahatsiaro [ny fahotantsika] intsony Andriamanitra [F&F 58:42]” (“Point of Safe Return,” Ensign na Liahona, mey 2007, 101).

Zava-dehibe ihany koa ny manamarika fa tsy nilaza i Almà hoe tsy tsaroany intsony ny fahotany, fa hoe tsy tsaroany intsony ny fanaintainana avy amin’ny fahotana, ary tsy “norotidrotehan’ny” fahatsiarovana intsony izy (Almà 36:19). Hahatonga ny famafana tanteraka ny fanaintainana sy ny fahatsapana fahamelohana avy amin’ny fahotana ny fibebahana marina (jereo ny Enôsa 1:6–8).

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny valinteninao amin’ilay namana voalaza etsy ambony, ary ampiasao ireo hevi-baovao azonao avy tamin’ny fanazavan’ny Filoha Uchtdorf. Ampidiro ao amin’ny valinteninao ny antony hieritreretanao fa fitahiana ny mbola ahatsiarovantsika ireo fahotantsika, na dia tsy “rotidrotehan’ny fahatsiarovana ny fahotan[tsika]” aza isika (Almà 36:19) aorian’ny fibebahantsika.

Almà 36:23–30

Manazava ny antony niasany tsy ankiato tamin’ny fitondrana ny hafa ho amin’ny fibebahana i Almà

Inona no tsapanao rehefa mizara sakafo matsiro amin’ny namana ianao? Rehefa mahazo vaovao manaitra ianao, inona no zavatra tianao hatao voalohany? Nahoana araka ny eritreritrao no manana faniriana hizara avy hatrany ny zavatra henony amin’ny olon-kafa ny ankamaroan’ny olona? Vakio ny Almà 36:23–24, ary tadiavo ireo fahatsapana voalaza ao amin’ireto fanontaniana ireto izay mifandray amin’ny zavatra niainan’i Almà taorian’ny fiovam-pony. Inona no tian’i Almà iainan’ny olona hafa?

Vakio ny Almà 36:25–26, ary fantaro ny fiantraikan’ireo ezak’i Almà hampianatra ny filazantsara tamin’ny tenany sy tamin’ny hafa. Fenoy ity fitsipika manaraka ity, miainga amin’ny zavatra nianaranao momba ny fizarana ny filazantsara avy amin’ireto andininy ireto: Rehefa mizara ny filazantsara amin’ny hafa isika dia mandray.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ilay fitsipika efa feno, ary hazavao ny antony inoanao fa marina ity fitsipika ity. Azonao ampidirina ho anisan’ny fanazavanao ireo traikefa nanananao tamin’ny fahatsapana hafaliana avy tamin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa.

Mieritrereta olona iray fantatrao—namana iray, na olona ao amin’ny fianakavianao, na mpikambana ao amin’ny paroasy na sampana izay mety hahazo tombontsoa avy amin’ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny. Saintsaino ny fomba hizaranao amin’izany olona izany ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manafaka antsika amin’ny fanaintainana sy manenika antsika amin’ny fifaliana. Azonao atao ny manoratra taratasy na mailaka amin’izany olona izany, na azonao atao ny manoratra fanamarihana vitsivitsy hiomanana amin’ny fotoana manokana izay hiresahanao amin’ilay olona.

Sary
zatovovavy manoratra
  1. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 36 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, eritreritra, sy hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatro: