Seminera
Fizarana 22: Andro 1, Helamàna 1–2


Fizarana 22: Andro 1

Helamàna 1–2

Fampidirana

Taorian’ny nahafatesan’i Pahôràna lohan’ny mpitsara dia nisy fifandirana lehibe teo anivon’ny Nefita mikasika ny hoe iza amin’ireo zanany lahy—Pahôràna sy i Pahankia ary i Pakomenia—no tokony ho lasa lohan’ny mpitsara vaovao. Nofidian’ny vahoaka ho lohan’ny mpitsara vaovao i Pahôràna. Novonoin’ny iray tamin’ireo mpanara-dia an’i Pahankia nantsoina hoe Kiskomena, izay niasa ho an’ny tarika miafina iray, i Pahôràna ka i Pakomenia no voatendry ho lohan’ny mpitsara taorian’izay. Nanararaotra io fifandirana sy fizarazarana io ny Lamanita ka dia afaka nandray ny fizakana an’i Zarahemlà izay tanàn-dehiben’ny Nefita, ary namono an’i Pakomenia. Azon’i Môrônihà indray, izay jeneraly Nefita, ny tanànan’i Zarahemlà ary notendrena ho lohan’ny mpitsara i Hélamàna. Voavono i Kiskomena raha iny izy nikasa ny hamono an’i Helamàna iny, ary lasa mpitarika an’ilay tarika miafina i Gadiantôna.

Helamàna 1

Namela ny Lamanita haka an’i Zarahemlà, izay renivohitr’ireo Nefita, ny fifandirana mikasika izay tokony ho lohan’ny mpitsara

Eritrereto ny fotoana farany niadianao hevitra tamin’ny olona iray na nahitanao ny hafa niady hevitra. Inona no olana ateraky ny fifandirana toy izany? Rehefa mandalina ny Helamàna 1 ianao dia tadiavo ireo olana izay nentin’ny fifandirana teo amin’ireo Nefita ary saintsaino ny zavatra azonao ianarana avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary soraty eo amin’ny faritra malalaka natokana ho amin’izany ny valinteninao amin’ireo fanontaniana ireo:

  • Helamàna 1:1–4. Inona no niteraka fifandirana sy fisaraham-bazana teo anivon’ny vahoaka Nefita?

  • Helamàna 1:5–8. Iza no voatendry ho lohan’ny mpitsara? Nanao ahoana ny fihetsik’ireo roalahy rahalahin’ny lohan’ny mpitsara vaovao?

  • Helamàna 1:9–12. Inona no nataon’i Kiskomena ary inona no fifanekena nifanaovan’i Kiskomena sy ny tarika miafiny?

Nandritra io fotoan’ny fifandirana teo anivon’ny Nefita io dia nitarika ny Lamanita hiady tamin’ny tanànan’i Zarahemlà ny lehilahy iray nantsoina hoe Kôriantomira. Vakio ny Helamàna 1:18–22 ary tadiavo ny zavatra azon’ny Lamanita natao noho ny fifandirana teo amin’ireo Nefita.

Anisan’ireo fahamarinana azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe: Mampisara-bazana ny fifandirana ary mahatonga antsika ho mora handairan’ny fitaoman’ny fahavalo. Azonao atao ny manoratra io fitsipika io ao amin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Helamàna 1:18.

  1. Mba hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa io fitsipika io dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Niady hevitra tamin’ny ray aman-dreniny mikasika ireo namany ny zatovovavy iray. Ahoana no mety ho fiantraikan’io fifandirana io eo amin’ny fihetsiny mikasika ny fihainoany ny torohevitr’ireo ray aman-dreniny momba ny lafin-javatra hafa eo amin’ny fiainany?

    2. Tezitra amin’ny olona iray ao amin’ny kôlejin’ny fisoronana misy azy ny zatovolahy iray. Inona no mety ho fiantraikan’io fifandirana io eo amin’ny fihetsiny ao am-piangonana?

    3. Mieritrereta lafin-javatra iray eo amin’ny fiainanao izay hahatsapanao fifandirana eo aminao sy ny olona hafa. Inona ny zavatra iray voafaritra mazava tsara izay azonao atao mba hanafoanana io fifandirana io eo amin’ny fiainanao? Ahoana no fomba anatanterahanao izany?

Ny Helamàna 1:22–30 dia milaza fa taorian’ny nandraisan’ny Lamanita ny fizakana an’i Zarahemlà dia nanomboka nizotra avy hatrany ho any amin’ny tanànan’i Soafeno izy ireo mba haka izany an-keriny ihany koa. Afaka nanemitra manodidina an’ireo Lamanita ireo tafika Nefita ary nandresy azy ireo. Lamanita maro no voavono ary navela hiverina tany amin’ny taniny ireo izay nitolo-batana.

Helamàna 2

Lasa lohan’ny mpitsara i Helamàna ary voasakan’ny mpanompony ny tarika miafina iray tsy hamono azy

Alohan’ny handalinanao ny Helamàna 2 dia eritrereto ny fomba iezahan’ny zatovovavy na zatovolahy mendrika iray hanitsy fahadisoana na fahotana iray. Hiezaka hanafina izany ve izy sa hikatsaka famelan-keloka avy amin’ny Tompo sy avy amin’ireo izay voaratra tamin’izany?

Rehefa avy namono an’i Pahôràna i Kiskomena dia nifanao voady izy sy ireo mpikambana tao amin’ny tarika miafiny fa tsy hilaza na amin’iza na iza hoe iza no nahavanona io vonoan’olona io. Vakio ny Helamàna 2:3–4 ary mifantoha amin’ilay fehezanteny hoe “nifanao dina fa tsy hisy hahafantatra ny faharatsiany.” Vakio avy eo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43, ary tadiavo ny zavatra tian’ny Tompo ataontsika rehefa nanao zavatra tsy mety isika.

  1. Miainga avy amin’ny fandalinanao ny Helamàna 2:3–4 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:43, dia soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ny tsy fitoviana misy eo amin’ny zavatra tian’ny Tompo ataontsika rehefa manao fahotana sy ny zavatra nataon’i Kiskomena sy ireo mpanara-dia azy.

Lasa lohan’ny mpitsara vaovao i Helamàna taorian’ny nahafatesan’i Pahôràna ary taorian’izay dia nanapa-kevitra ny hamono an’i Helamàna ihany koa i Kiskomena sy ny tarika miafiny. Lasa mpitarika ilay tarika miafina tamin’io fotoana io ny lehilahy iray nantsoina hoe Gadiantôna. Vakio ny Helamàna 2:2–9 ary soraty eo amin’ny faritra malalaka etsy ambany ny fomba namonoana an’i Kiskomena:

Vakio ny Helamàna 2:10–14 ary tadiavo ny zavatra nitranga tamin’ilay tarika mpangalatr’i Gadiantôna. Nampitandrina i Môrmôna fa ireo tarika miafina tahaka ny jirik’i Gadiantôna, izay nantsoina hoe “tsikombakomba miafina” (jereo, ohatra, ny Helamàna 3:23), dia hiteraka ny fahafonganan’ny vahoaka Nefita. Nampitandrina ny amin’ny fanaovana tsikombakomba miafina ihany koa ireo mpaminany teo aloha ao amin’ny Bokin’i Môrmôna (jereo ny 2 Nefia 26:22; Almà 1:12). Mampianatra ity fitsipika ity ny Bokin’i Môrmôna: Afaka mitondra mankamin’ny faharavan’ny fiaraha-monina ireo tsikombakomba miafina.

Nampitandrina ny amin’ny loza ateraky ny tsikombakomba miafina amin’izao fotoana izao ny Loholona M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Rehefa mamaky ny fampitandremany ianao dia asio marika ny zavatra azontsika atao mba hiarovan-tena amin’ny tsikombakomba miafina.

Sary
Loholona M. Russell Ballard

“Ny Bokin’i Môrmôna dia mampianatra fa ireo tsikombakomba miafina izay nirotsaka tamin’ny fanaovana heloka be vava dia fanamby lehibe tokoa, tsy ho an’ny tsirairay sy ny fianakaviana ihany fa ho an’ny fiaraha-monina iray manontolo. Anisan’ireo tsikombakomba miafina ankehitriny ireo andian-jiolahy, ireo tambazotran’ny zava-mahadomelina, ary ireo fianakaviamben’ny mpikotrika heloka bebe vava. Ireo tsikombakomba miafina amin’izao androntsika izao dia mitovy fomba fiasa amin’ireo jirik’i Gadiantôna tamin’ny fotoan’ny Bokin’i Môrmôna. … Anisan’ny tanjon’izy ireo ny ‘mamono sy mandroba ary mangalatra ary manao fijangajangana sy ny fomban’ny faharatsiana rehetra mifanohitra amin’ny lalàn’ny firenen’izy ireo ary koa ny lalàn’ny Andriamanitr’izy ireo’ [Helamàna 6:23].

“Raha tsy mitandrina isika dia afaka mahazo fahefana sy fitaomana haingana sy tanteraka tsy misy hafa amin’ny tao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireo tsikombakomba miafina amin’izao andro izao. …

“Mampianatra ny Bokin’i Môrmôna fa ny devoly no “fototry ny fahotana rehetra” sy mpanorina ireo tsikombakomba miafina ireo [Helamàna 6:30]. … Ny tanjony dia ny hanimba ny olona tsirairay, ny fianakaviana, ny fiaraha-monina ary ny firenena [jereo ny 2 Nefia 9:9]. Nahita fahombiazana lehibe izy nandritra ny fotoan’ny Bokin’i Môrmôna. Ary mahita fahombiazana lavitra mihoatra noho izany izy amin’izao fotoana izao. Izay no antony maha zava-dehibe tokoa amintsika … ny mijoro mafy amin’ny fahamarinana sy ny tsara amin’ny fanaovana izay azontsika atao mba hiarovana ny fiaraha-monintsika.

“… [Isika dia afaka] ‘hijoro ho vavolombelon’Andriamanitra’ amin’ny fijoroana mba ho fitaratra, ny fitandremana ireo fitsipiky ny Fiangonana ary ny fizarana ny fijoroantsika ho vavolombelona amin’ny manodidina antsika [jereo ny Môsià 18:9]” (”Standing for Truth and Right,” Ensign, nôv. 1997, 38).

Mieritrereta fomba iray na maromaro azonao ampiharana ny fampianaran’ny Loholona Ballard mba hijoro amin’ny fahamarinana sy ny tsara eo amin’ny fiaraha-monina misy anao sy eo amin’ny firenenao.

  1. Soraty eo amin’ny faran’ny asa nampanaovina androany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Izaho dia nandalina ny Helamàna 1–2 sy nahavita io lesona io tamin’ny (daty).

    Fanontaniana sy eritreritra ary hevi-baovao fanampiny tiako hozaraina amin’ny mpampianatra ahy: