Seminera
Fizarana 10: Andro 3, Enôsa


Fizarana 10: Andro 3

Enôsa

Fampidirana

Rehefa avy nandinika ny tenin’ny rainy i Enôsa dia nivavaka mba hangataka ny famelana ny fahotany, ary dia azony izany. Dia nangataka izay mba hahasoa ara-panahy ny Nefita sy ny Lamanita izy avy eo ary nandany ny fiainana tamin’ny fiasana ho an’ny famonjena azy ireo.

Enôsa 1:1–8

Rehefa avy nandinika ny tenin’ny rainy i Enôsa dia nivavaka mba hangataka ny famelana ny fahotany, ary dia azony izany

Vakio ny Enôsa 1:1, 3, ary jereo ny hery mitaona nananan’i Jakôba tamin’i Enôsa. Na dia zanaka sy zafikelin’ny mpaminany aza i Enôsa dia mbola nila nahatsapa ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ho an’ny tenany izy.

Eritrereto ny fotoana iray izay nahatsapanao ho noana mafy. Ataovy anaty faribolana ny sasany amin’ireo teny eto ambany izay mamaritra ny zavatra tsapanao rehefa noana ianao:

  • foana

  • osa

  • tsy afa-po

  • matin’ny hanoanana

  • fanaintainana

  • mitebiteby

  • hetaheta iray

Asongadino ilay andian-teny hoe “mosarena ny fanahiko” ao amin’ny Enôsa 1:4. Inona araka ny eritreritrao no tian’izany andian-teny izany holazaina?

Mety milaza fahatsapana toy ny hoe fahabangana ara-panahy na fanaintainana na faniriana mba hovokisana ara-panahy ny andian-teny hoe “mosarena ny fanahiko”. Nanoratra momba ny fotoana iray izay nahatsapany hanoanana ara-panahy i Enôsa. Nanoratra izy fa “tafalatsaka lalina tao am-po[ny]” ny tenin-drainy (Enôsa 1:3). Rehefa nandinika ireo teny ireo izy dia nahatsapa faniriana izay nitarika azy hanao asa am-pinoana. Nitondra fiovana teo amin’ny fiainany sy fitahiana avy amin’ny Tompo ireo asa mahatoky nataony.

Sary
Mivavaka i Enôsa
  1. Manomboha andiana fampiharana maromaro mba hanampiana anao hahatakatra ny zavatra niainan’i Enôsa ary ampifandraiso amin’ny fiainanao izany amin’ny alalan’ny fizarazarana ny pejy iray ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ho fizarana enina ary ny fanomezana lohateny ny fizarana tsirairay araka izao manaraka izao:

Ny zavatra nirian’i Enôsa:

Ny zavatra iriako:

Ny zavatra nataon’i Enôsa:

Ny zavatra tokony hataoko:

Ny zavatra niainan’i Enôsa:

Ny zavatra niainako:

  1. Vakio ny Enôsa 1:2–3, ary tadiavo ireo andian-teny ao amin’ny andininy tsirairay izay manambara ny zavatra nirian’i Enôsa mba hananana teo amin’ny fiainany. Soraty ao anatin’ny fizarana mitondra ny lohateny hoe “Ny zavatra nirian’i Enôsa” ao amin’ny tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireo andian-teny ireo.

Ny fanirian’i Enôsa mba hamelana ny fahotany dia manampy antsika hahatakatra ny tiany holazaina ao amin’ny Enôsa 1:4 rehefa nanoratra izy hoe “Mosarena ny fanahiko.” Ho fanampin’ny faniriany mafy hahazo famelan-keloka dia naniry “fiainana mandrakizay, sy ny fifalian’ny olomasina” (Enôsa 1:3) ihany koa izy. Te hahatsapa ny fifaliana izay azo avy amin’ny fahamendrehana ny hiaraka amin’ny Tompo sy ireo olo-marina hafa izy.

  1. Saintsaino raha toa ianao ka manana ny sasany amin’ireo fahatsapana hanoanana ara-panahy izay nofaritan’i Enôsa. Soraty ao amin’ilay tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ao amin’ilay fizarana voasoratra hoe “Ny zavatra iriako” ny sasany amin’ireo faniriana ara-panahy izay irianao eo amin’ny fiainanao.

Nitarika an’i Enôsa hampiasa finoana sy hanao asa ny faniriany. Tadiavo ao amin’ny Enôsa 1:2 ary asio marika ny teny nampiasan’i Enôsa hamaritana ny ezaka nataony. Jereo fa tsy nitolona tamin’ Andriamanitra i Enôsa, fa nilotona tamim-bavaka teo anoloan’ Andriamanitra. Ny tolona toy izany dia ahitana tolona ara-tsaina sy ara-panahy mba hanehoana amin’ny Ray any An-danitra ny maha tena avy amin’ny fo ny faniriantsika sy ny fahavononantsika hibebaka ary hitondra ireo fanovana ilaina eo amin’ny fiainantsika. Noraketin’i Enôsa ao amin’ny Enôsa 1:4 ny sasany amin’ireo antsipiriany mamaritra ny tolona nataony.

  1. Vakio ny Enôsa 1:4, ary asio marika ireo zavatra nataon’i Enôsa mba hampisehoana fa tamin-kitsimpo no nikatsahany ny famelana ny fahotany. Tanisao eo ambanin’ny hoe “Ny zavatra nataon’i Enôsa” ao amin’ny tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay hitanao.

Ny teny hoe fitalahoana ao amin’ny Enôsa 1:4 dia midika hoe mangataka am-panetrentena sy miaraka amin’ny faniriana lehibe. Mety tsy ho lava be tahaka ny an’i Enôsa ny vavaka ataontsika fa mila atao amin-kitsimpo izy ireny.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, eo ambanin’ny hoe “Ny zavatra tokony hataoko” ireo eritreritrao mikasika ny fomba ahafahanao mampiseho amin’ny Tompo ny fahitsim-ponao rehefa mivavaka sy mikatsaka ny fitahiany ara-panahy ianao.

  2. Nitarika tamin’ny fitahiana lehibe teo amin’ny fiainany ny ezaka mahatoky sy avy amin’ny fo nataon’i Enôsa. Vakio ny Enôsa 1:5–8, ary asio marika ny zavatra niainan’i Enôsa. Tanisao ao amin’ny fizarana hoe “Ny zavatra niainan’i Enôsa” ao amin’ny tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany. Rehefa mamaky ny andininy 5 sy 6 ianao dia jereo ny fomba nahafantaran’i Enôsa fa ny helony dia voavela. Ilay feo voalaza ao amin’ny andininy 5 dia feo tonga tao an-tsain’i Enôsa (jereo ny Enôsa 1:10).

Ny Enôsa 1:7–8 dia mampianatra fa rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia azo avela ny fahotantsika ary azo sitranina isika. Ny faniriantsika hivoatra, ireo vavaka ataontsika amin-kitsimpo ary ireo ezaka ataontsika mba hibebaka dia fomba azontsika hanehoana ny finoana an’i Jesoa Kristy.

Nanazava ny fomba hamafana ny fahotantsika ny Filoha Dieter F. Uchtdorf rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mibebaka amin’ny fahotantsika isika:

Sary
Filoha Dieter F. Uchtdorf

“Rehefa nibebaka marina tokoa isika dia hoesorin’i Kristy ny vesatry ny fahamelohana noho ny fahotantsika. Afaka hahafantatra ho an’ny tenantsika manokana isika fa voavela ary nodiovina. Hanamarina izany amintsika ny Fanahy Masina; Izy ilay Mpanamasina. Tsy misy fijoroana ho vavolombelona lehibe noho izany mikasika ny famelan-keloka. …

“Nanambara ny [Tompo] hoe: ‘Indro, izay efa nibebaka tamin’ny fahotany, dia izy no voavela ary Izaho Tompo dia tsy mahatsiaro izany intsony’ (F&F 58:42).

“Hiezaka i Satana mba hanao izay inoantsika fa tsy voavela ny fahotantsika satria afaka mahatsiaro azy ireny isika. Mpandainga i Satana; miezaka ny mampanjavozavo ny saintsika izy ary mitarika antsika hanalavitra ny lalan’ny fibebahana sy famelan-keloka. Tsy nampanantena Andriamanitra fa tsy hahatsiaro ny fahotantsika isika. Ny fahatsiarovana dia hanampy antsika hisoroka ny fanaovana indray izany fahadisoana izany. Kanefa raha mijanona ho marina sy mahatoky isika dia halefahana ny fahatsiarovantsika ny fahotantsika rehefa mandeha ny fotoana. Izany dia ho ampahany amin’ilay dingan’ny fanasitranana sy fanamasinana izay ilaina” Ensign na Liahona, mey 2007, 101).

Mba hanampiana anao hampihatra ny tenin’ny Filoha Uchtdorf dia jereo ireto fanontaniana manaraka ireto: Oviana ianao no nahatsapa fa navelan’ny Tompo ny fahotanao? Ahoana no nahafantaranao fa voavela ianao? Nahatsapa ny famelan’ny Tompo ve ianao tato ho ato?

  1. Rehefa avy misaintsaina ireo fanontaniana etsy ambony ianao dia raketo ao amin’ny fizarana hoe “Ny zavatra niainako” ao amin’ny tabilao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny traikefanao miaraka amin’ireo fahatsapana famelan-keloka. Na azonao atao ny manoratra momba izay traikefa irianao hiainana rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy ianao.

Enôsa 1:9–27

Nivavaka ho an’ny Nefita sy ny Lamanitra i Enôsa ary niasa niaraka tamin’ny hafa ho an’ny famonjena azy ireo

Sary
faribolana maromaro manana ivo mitovy

Mampiseho ny vavak’i Enôsa ity fanehoana an-tsary manaraka ity. Nivavaka ho an’ny tenany izy aloha ary avy eo dia nanitatra ny vavaka nataony mba hampidirana ny hafa. Vakio ny Enôsa 1:9–10, ary asio marika ao amin’ny soratra masinao hoe iza no faharoa izay nentin’i Enôsa am-bavaka. Vakio ny Enôsa 1:11–14, ary asio marika hoe iza no fahatelo izay nentin’i Enôsa am-bavaka.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Araka ny famaritan’i Enôsa ny fikasan’ny Lamanita ao amin’ny Enôsa 1:14 dia inona no manaitra anao amin’ny vavaka nataony ho azy ireo?

Mianatra isika avy amin’ny ohatr’i Enôsa fa rehefa miaina ireo fitahian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy isika dia hikatsaka ny hanampy ny hafa mba hahazo famonjena. Mba hanampiana anao hahatsiaro ity fahamarinana ity dia azonao atao ny manoratra manontolo na ny ampahany amin’ity teny nataon’ny Filoha Howard W. Hunter ity eo amin’ny sisin’ny pejy ao amin’ny soratra masinao:

Sary
Filoha Howard{nb}W. Hunter

“Isaky ny miaina ireo fitahian’ny Sorompanavotana eo amin’ny fiainantsika isika dia tsy afa-manoatra fa dia mieritreritra ny amin’izay mahasoa ny rahalahintsika. …

“Famantarana lehibe iray ny amin’ny fiovampo manokan’ny olona iray ny faniriana hizara ny filazantsara amin’ny hafa” (Enseignements de Howard W. Hunter, ed. Clyde J. Williams [1997], 248–49).

Vakio ny Enôsa 1:19–20, 26 ary asio marika ireo teny na andian-teny izay mampiseho ny maha avy amin’ny fo ny fanirian’i Enôsa ho an’ny Nefita sy ny Lamanita taorian’ny nivavahany ho azy ireo.

Vakio ny Enôsa 1:27, ary tadiavo ny porofon’ny hafaliana tsapan’i Enôsa tamin’ny ezaka nataony sy ny antoka azony ny amin’ny fiainana mandrakizay.

  1. Mba hanampiana anao hampihatra ny zavatra niainaranao tao anatin’ity lesona ity dia safidio ombam-bavaka ny fomba iray na maromaro ahafahanao manaraka ny ohatr’i Enôsa. Misafidiana iray amin’ireto teny voalaza eto ambany ireto ary fenoy ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izany:

    1. Izaho dia maniry tahaka an’i Enôsa ny handray ny famelana ny fahotako. Hampiseho amin’ny Tompo aho fa mahitsy fo amin’izany faniriana izany amin’ny alalan’ny …

    2. Izaho dia maniry tahaka an’i Enôsa ny hanampy ireo olona ao amin’ny fianakaviako sy ireo namako mba hanatona an’i Kristy. I (anaran’ny olona) no olona iray katsahiko mba ho ampiana. Hikatsaka ny hanampy ity olona ity aho amin’ny alalan’ny …

    3. Nivavaka ho an’ny Lamanita i Enôsa, izay azo lazaina ho fahavalony. Toa an’i Enôsa dia te hampiseho ny fitiavan’ny Tompo amin’ireo izay ratsy fanahy amiko aho. Fomba iray hanaovako izany ny …

Katsaho ny hanatontosa ny zavatra nosoratanao ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina. Rehefa mampihatra finoana amin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao ka mibebaka dia afaka mahatsapa famelan-keloka sy fifaliana ary faniriana tsy mitsaha-mitombo mba hanampy ny hafa.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Enôsa 1 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: