Seminera
Fizarana 11: Andro 4, Môsià 5–6


Fizarana 11: Andro 4

Môsià 5–6

Fampidirana

Ny Môsià 5 no mamarana ny lahatenin’ny Mpanjaka Benjamina ho an’ny vahoakany izay nanomboka tao amin’nyMôsià 2. Nahatsapa fiovampo mahery vaika ny vahoaka vokatry ny finoan’izy ireo ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina. Nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra izy ireo ary nitondra teo aminy ny anaran’i Jesoa Kristy. Araka ny voarakitra ao amin’ny Môsià 6 dia namindra ny fahefany tamin’ny naha mpitondra fanjakana azy tamin’i Môsià zanany ny Mpanjaka Benjamina, ary nitondra tamim-pahamarinana, nanaraka ny ohatry ny rainy i Môsià.

Môsià 5:1–4

Nahatsapa fiovampo mahery vaika ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina

Eritrereto ireto fanontaniana manaraka ireto: Efa naniry hanana fahafahana hanova zavatra iray momba ny tenanao ve ianao? Inona no nataonao momba izany?

Nilazalaza momba ny ilan’ny tsirairay amintsika mahatsapa fiovana mahery vaika eo amin’ny fiainantsika ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo manao hoe: “Ny tena filazantsaran’i Jesoa Kristy dia miteraka fiovana mahery vaika sy maharitra amin’ny toetra fototra ananantsika avy amin’ny fianteherantsika amin’ny ‘fahamendrehana sy ny famindram-po ary ny fahasoavan’ ny Mesia Masina’ (2 Nefia 2:8). Rehefa misafidy ny hanaraka ny Tompo isika dia misafidy ny hovaina—ho teraka ara-panahy” (“Ye Must Be Born Again,” Ensign na Liahona, mey 2007, 20).

Azonao atao ny manoratra izao andian-teny manaraka izao ao anatin’ny soratra masinao eo akaikin’ny Môsià 5:2: “Rehefa misafidy ny hanaraka ny Mpampianatra isika dia misafidy ny hovaina.”

Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no hisafidianantsika ny hovaina rehefa misafidy hanaraka an’i Jesoa Kristy isika?

Avereo jerena ny famintinana ny toko ho an’ny Môsià 3 sy ny Môsià 4 mba hitadidiana ny zavatra fototra niompanan’ny lahatenin’ny Mpanjaka Benjamina. Nanontany ny vahoaka ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny fiafaran’ny lahateniny raha toa izy ireo ka nino ny teny izay nampianariny azy ireo momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Môsià 5:1). Vakio ny Môsià 5:2–4, ary tadiavo ny zavatra niova tao am-pon’ny vahoaka taorian’ny nihainoan’izy ireo ny tenin’ny mpanjakany. Rehefa mamaky izany ianao dia hanampy ny mahafantatra fa ny hoe “fironana” (Môsià 5:2) dia entina ilazana ny fihetsika, ny faniriana na ny toetra voa-janaharin’ny olona iray.

Sary
Loholona David A. Bednar

Vakio ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Loholona David A. Bednar: “Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manatanteraka zavatra mihoatra lavitra ny fialana, fandresena ary fandraisana ny fahadiovana tamin’ireo ota sy fisarihana tamin’ny ratsy eo amin‘ny fiainantsika. Mitondra amin’ny fanaovana ny tsara, amin’ny fahatongavana ho olona sy ho tsaratsara kokoa hatrany koa izany. … Manova ny fontsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ka mba tsy ‘[h]anana fironana hanao ratsy intsony [izany] fa ny hanao soa lalandava kosa’ (Môsià 5:2), tahaka ny nataon’ireo vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina, izay fanekempihavanana nekentsika ho atao. Izany fiovampo mahery vaika izany dia tsy vokatry ny fiezahana mafy fotsiny, na avy amin’ny fanarahana fifehezantena henjana kokoa. Izany dia tokony ho vokatry ny fiovana fototra eo amin’ny faniriantsika, ny antony iezahantsika ary ny toetratsika izay tanteraka avy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo. Ny tanjontsika ara-panahy dia sady hanohitra ny ota no hanohitra ny faniriana hanota” (“Clean Hands and a Pure Heart,” Ensign, nôv. 2007, 81–82).

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe mahatsapa “fiovampo mahery vaika” ao am-ponao? (Môsià 5:2)

    2. Rehefa misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy isika dia nahoana no mila manova ny fironantsika fa tsy ny fitondrantenantsika fotsiny ihany?

    3. Nahoana araka ny eritreritrao no ilaina amin’ny fitrangan’ny fiovana ao anatintsika ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy?

Halalino ny Môsià 5:2, 4 ary tadiavo ny zavatra nataon’ny vahoaka izay namela ny fiovampo mahery vaika hitranga tao anatin’izy ireo. Azonao asiana marika ao anatin’ny soratra masinao ireo zavatra ireo. Tadidio fa momba ny herin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny tenin’ny Mpanjaka Benjamina ary nanana finoana lehibe tamin’ireo teniny ny vahoaka.

Iray amin’ireo fitsipika ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo ny hoe: Rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy sy mandray ny Fanahy Masina isika dia afaka mahatsapa fiovampo mahery vaika.

  1. Avy amin’ny fandalinanao ny Môsià 5:1–4 sy ny fitsipika etsy ambony dia soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay azonao atao mba hampiharana finoana bebe kokoa amin’ny Mpamonjy. Inona ireo zavatra miavaka azonao atao manomboka androany mba hampiharana finoana bebe kokoa ka hahafahanao mampisy fiovampo mahery vaika ao am-ponao eo amin’ny fiainanao ary mihazona izany?

Môsià 5:5–15

Nanao fanekempihavanana tamin’Andriamanitra ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina ary nomena anarana vaovao izy ireo

Rehefa avy nahatsapa fiovampo mahery vaika ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina dia naniry ny hanao fanekempihavanana tamin’ny Tompo izy ireo. Tadiavo ireo teny na andian-teny ao amin’ny Môsià 5:5 izay mampiseho ny halehiben’ny fanoloran-tena tsapan’ny vahoakan’ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny fanaovana sy fitandremana ity fanekempihavanana ity.

Rehefa manao fanekempihavanana amin’Andriamanitra isika dia Izy no manapaka ny amin’ireo fepetra amin’ilay fanekempihavanana ary isika dia manaiky ireo fepetra ireo. Dia mampanantena fitahiana maromaro voafaritra tsara amintsika noho ny fankatoavantsika Andriamanitra ao aorian’izay ( jereo ny F&F 82:10). Fomba iray hanehoantsika amin’ny Tompo fa matotra amin’ny faniriantsika hanompo Azy isika ny fanaovana fanekempihavanana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ireto fanontaniana manaraka ireto:

    1. Inona ireo andian-teny ao amin’ny Môsià 5:5 izay mampahatsiahy anao ireo fampanantenana havaozintsika isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika?

    2. Ahoana araka ny eritreritrao no hanampian’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana antsika hihazona “fiovampo” mahery vaika?

Avereno jerena indray ny Môsià 1:11–12. Iray tamin’ireo tanjon’ny Mpanjaka Benjamina tamin’ny famoriany ny vahoakany ny hanomezana anarana azy ireo. Vakio ny Môsià 5:6–7 ary asio marika ny anarana nomen’ny Mpanjaka Benjamina ny vahoakany taorian’ny nanaovan’izy ireo ny fanekempihavanany tamin’ny Tompo.

Mampianatra ity fitsipika ity ireo andininy ireo: Mitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fanekempihavanana masina isika. Vakio ny Môsià 5:8–14 ary tadiavo ny antony itondrantsika eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy.

Inona avy ireo fitahiana azo noho ny fananana ny anaran’i Jesoa Kristy voasoratra ao am-pontsika?

Inona no mety mahatonga ilay anarana ho “voavono” ao am-pontsika na ao am-pon’ny olona iray?

Vakio ny Môsià 5:15 ary tadiavo ireo fampanantenana ataon’ny Tompo amin’ireo izay mitandrina ny fanekempihavanany.

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny zavatra tsapanao rehefa mieritreritra momba ny fananana ny anaran’i Jesoa Kristy voasoratra ao am-ponao ianao. Manoratra antony iray na maromaro hitiavanao hihazona izany anarana izany ka tsy hanary izany na rahoviana na rahoviana.

Môsià 6:1–7

Nanomboka nitondra tamin’ny naha mpanjaka azy i Môsià

Vakio ny Môsià 6:3 ary fantaro ny zavatra nataon’ny Mpanjaka Benjamina talohan’ny nandefasany ny valalabemandry hody.

Inona no nataon’ny Mpanjaka Benjamina hanampiana ny vahoakany hahatsiaro ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ny fomba hanampian’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana sy ireo mpampianatra anao mba hitandrina ireo fanekempihavananao.

Maty telo taona taorian’ny nanaovany ny lahateniny ny Mpanjaka Benjamina. Vakio ny Môsià 6:6–7 ary tadiavo ny fomba nanarahan’ny Mpanjaka Môsià ny ohatry ny rainy tamin’ny naha mpitarika marina azy.

  1. Soraty izao manaraka izao eny amin‘ny farany ambanin‘ny asa nampanaovina androany ao anatin‘ny diary fandalinanao soratra masina: TO Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina androany ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao:

    Nandalina ny Môsià 5–6 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny (daty).

    Fanontaniana, eritreritra sy hevi-baovao fanampiny izay tiako hozaraina amin‘ny mpampianatro: