Seminera
Fizarana 19: Andro 3, Almà 37


Fizarana 19: Andro 3

Almà 37

Fampidirana

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 37, dia nanohy ny fananarany ny zanany lahy Helamàna i Almà ary nanome azy ny andraikitra amin’ireo rakitsoratra masina. Nampahatsiahy an’i Helamàna izy fa efa fitaovana nitondrana Lamanita an’arivony ho amin’ny Tompo ny soratra masina, ary naminany izy fa nanana tanjona lehibe hafa ho an’ireo rakitsoratra ny Tompo amin’ny hoavy. Nanoro lalana ny zanany i Almà ny amin’izay tokony ampianariny ny vahoaka, ary nampianatra an’i Helamàna ny maha zava-dehibe ny mijery ny tenin’i Jesoa Kristy ho fitarihana amin’ny alalan’ny fampitahana ny tenin’ny Mpamonjy amin’ny Liahôna.

Almà 37

Natolotr’i Almà an’i Helamàna ireo rakitsoratra, nanoro hevitra azy ny hitandrina ny didy izy, ary nampahatsiahy azy ny fomba fiasan’ny Liahôna arakaraka ny finoana

Diniho ity fanehoana an-tsary manaraka ity:

Sary
tsipika manondro

Mieritrereta zavatra kely sy tsotra roa na telo izay nanova tanteraka izao tontolo izao, toy ny takamoa. Mieritrereta zavatra kely izay nampisy fiovana lehibe teo amin’ny fiainanao. Soraty eo amin’ny ilany havia amin’ilay fanehoana an-tsary etsy ambony ny anankiroa amin’ireo zavatra kely ireo. Eo amin’ny ilany havanana, manorata teny vitsivitsy mamaritra ny fiantraikany lehibe nananan’ireo zavatra kely ireo teo amin’ny fiainanao.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 37, dia nanomana ny zanany lahy Helamàna i Almà mba ho tonga ilay mpihazona manaraka ireo rakitsoratra masina. Nampianatra an’i Helamàna fitsipika iray momba ny anjara asan’ny zavatra kely sy tsotra ao amin’ny drafitry ny Tompo i Almà. Vakio ny Almà 37:6–7, ary aorian’izay dia fenoy ity fitsipika manaraka ity: Mba hanatanterahana ireo tanjony mandrakizay, ny Tompo dia miasa amin’ny alalan’ny .

Vakio ny Almà 37:1–7, ary tadiavo izay nofaritan’i Almà ho zavatra kely sy tsotra. Halalino ihany koa ny Almà 37:8–10, itadiavana ireo fomba nitarihan’ireo takela-barahina (izay nisy ny soratra masina) tamin’ny zavatra lehibe ho an’ireo vahoaka ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Eo am-pamakianao izany dia mariho ao amin’ny soratra masinao hoe iza amin’ireo fitahiana ireo no azonao koa tamin’ny alalan’ny soratra masinao manokana.

  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina ity fanontaniana manaraka ity: Inona avy ireo fomba roa na telo nanaovan’ny soratra masina zavatra lehibe teo amin’ny fiainanao?

Mirakitra ny fananarana nomen’i Almà an’i Helamàna ny Almà 37:13–16 raha nanome ny zanany lahy ny andraikitra hitana ireo rakitsoratra izy. Halalino ireto andininy ireto, ary tadiavo ireo fitsipika izay nampianarin’i Almà. Iray amin’ireo fitsipika ireo ny hoe: Hiroborobo isika raha mankatò ny didin’ny Tompo. Saintsaino ny hifandraisan’ity fitsipika ity amin’ilay fanehoana an-tsary tany am-piandohan’ity lesona ity.

Araka ny voarakitra ao amin’ny Almà 37:35–47 dia nanoro lalana an’i Helamàna hampianatra ny vahoaka mba haharesy ny faharatsiana sy ny fakam-panahy amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo i Almà. Ireto ambany ireto misy topimaso ankapobeny mikasika ny lesona roa izay mahafaoka ireto fampianarana ireto. Halalino ny lesona tsirairay sy ny soratra masina miaraka amin’izany. Avy eo dia miomanà hampianatra ny iray amin’ireo lesona ireo amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana, ny fianakavianao iray manontolo (angamba ho ampahany amin’ny takarivan’ny mpianakavy), na amin’ny namana iray. Azonao atao ny manamboatra kely ny lesona arakaraka ny olona sy ny toerana ampianaranao. Mandaminà fotoana, ary ampianaro amin’ilay andro voatondro ny lesona. Ento ihany koa ny mitondra ny topimaso ankapobeny momba ny lesonao ao amin’ny kilasin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra any an-trano manaraka ary miomanà ny hampianatra ny lesonao amin’ny iray kilasy raha toa ka voatonona ianao.

Lesona 1—Almà 37:35–37

Hazavao amin’ireo izay ampianarinao fa fanaon’ireo izay mamboly hazo no mamatotra na manohana hazo tanora iray amin’ny rotsan-kazo iray ary manala ilay tohana any aoriana any rehefa lehibe ilay hazo. Anontanio hoe: Nahoana araka ny eritreritrao no mila manana rotsan-kazo ho tohana ilay hazo raha mbola tanora sy vao mitombo?

Vakio ity zavatra niainana manaraka avy amin’ny fiainan’ny Filoha Gordon B. Hinckley ity:

Sary
hazo mivilana

Namboly zana-kazo teo akaikin’ny tranony ny Filoha Gordon B. Hinckley fotoana fohy taorian’ny nanambadiany. Tsy dia niraharaha firy ilay hazo izy raha nandeha ny fotoana. Indray andro dia tsikariny fa nivilana sy nitongilana nankany andrefana ilay hazo satria natongilan’ny rivotra avy any atsinanana izany fony mbola tanora sy malemilemy. Nivoaka tany ivelany izy ary niezaka nanosika ilay hazo mba hahitsy, kanefa efa natevina loatra ny vatan’izany. Niezaka nampiasa tady sy bolaky (poulie) izy hanitsiana izany, kanefa tsy nety niolaka izany. Farany dia naka ny tsofany izy ary nanapaka ireo sampana mavesatra tany amin’ny ilany andrefana, izay namela holatra ratsy tarehy iray. Hoy izy taty aoriana momba ilay hazo hoe:

Sary
hazo norantsanana

“Mihoatra ny dimampolo taona izay no lasa hatramin’ny namboleko izany hazo izany. Mipetraka ao izao ny zanako vavy sy ny fianakaviany. Nijery ilay hazo indray aho indray andro izay. Lehibe ilay izy. Tsara kokoa ny endriny. Tombony lehibe tokoa ho an’ilay trano izany. Kanefa tena lehibe tokoa ny ratra nahazo azy tamin’ny fahatanorany ary henjana ny fikarakarana nampiasaiko nanitsiana izany.

Sary
hazo misy holatra eo amin’ny vatany

“Fony vao novolena ilay izy dia tokony ho nihazona izany tamin’ny toerany tsy voahozongozon’ny herin’ny rivotra ny kofehy kely iray. Afaka nanisy aho, ary tokony nanisy izany kofehy izany, tsy nila ezaka firy akory. Kanefa tsy nataoko izany, ary dia nitongilana nanaraka ny hery izay nanohitra azy ilay hazo” (“Bring up a Child in the Way He Should Go,” Ensign, nôv. 1993, 59).

Sary
hazo tanora iray nisy tohana

Asao ny olona iray hamaky ny torohevitr’i Almà ao amin’ny Almà 37:35, ary hifanakalozy hevitra ny fomba hifandraisan’ity andininy ity amin’ny zavatra niainan’ny Filoha Hinckley momba ilay hazo. (Soratra masina fehezina ny Almà 37:35. Azonao atao ny manisy marika izany amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita ny misy izany amin’ny manaraka.)

Asao ireo izay ampianarinao hilaza fitsipika iray izay mamintina ny Almà 37:35. (Mety ho toy izao manaraka izao izany: Tokony hianatra hitandrina ny didin’Andriamanitra amin’ny fahatanorantsika isika. Azonao atao ny manontany ny iray amin’ireto fanontaniana ireto na mihoatra izany:

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho fiovana nentin’izany teo amin’ny fiainan’ny olona raha nianatra nitandrina ny didin’Andriamanitra izy ireo raha mbola tanora?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nitondran’ny fitandremana ny didy tamin’ny fahatanoranao fiovana teo aminao?

  • Afaka mieritreritra olona iray izay voatahy nandritra ny androm-piainany sisa noho ny fitandremany ny didy fony izy mbola tanora ve ianao? Tamin’ny fomba ahoana no nitahiana izany olona izany?

Asao ny olona iray hamaky mafy ny Almà 37:36–37 ary hitady torohevitra manokana izay afaka manampy olona iray hitandrina ny didy. Mametraha fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny fanarahana izany torohevitra izany isan’andro anao mba hitandrina ny didy?

  • Amin’ny fomba ahoana no hiezahanao mametraka ny Tompo ho lohalaharana ao amin’ny eritreritrao sy ny fihetsikao? Amin’ny fomba ahoana no mety hivoaranao?

  • Inona avy ireo fampanantenana omena ireo izay tia mivavaka?

Zarao ny fijoroanao ho vavolombelona mikasika ny fomba nanampian’ny firesahanao tamin’ny Tompo anao mba hitandrina ny didy. Asao ireo izay ampianarinao mba hanaraka ny tenin’i Almà amin’ny filàna hevitra amin’ny Tompo.

Lesona 2—Almà 37:38–45

Sary
Ny Liahona

Anontanio ireo izay ampianarinao raha toa ka fantatr’izy ireo ny anaran’ilay kompà nomen’Andriamanitra ny fianakavian’i Lehia, izay nanampy azy ireo nandeha tany amin’ny tany nampanantenaina. Dia asao hamaky ny Almà 37:38 ny olona iray avy eo. Hazavao fa niresaka ny Liahona i Almà mba hampianarana fitsipika lehibe iray tamin’i Helamàna mikasika ny fomba hitarihan’ny Tompo ny zanany.

Asao ireo izay ampianarinao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto amin’ny alalan’ny famakiana ireo andininy voalaza sy amin’ny fitadiavana ny valiny:

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 37:38–40, ahoana no fomba fiasan’ny Liahona?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 37:41–42, nahoana no nijanona tsy niasa tamin’ny fotoana iray ilay Liahona?

  • Araka ny voalaza ao amin’ny Almà 37:43–45, inona no mampitovy ny Liahona amin’ny tenin’i Kristy?

Hazavao fa ny teny hoe tandindona sy ohatra miavaka (Almà 37:43, 45) dia midika hoe ampiasaina ho tandindon’ny hevitra lehibe kokoa ny zavatra iray. Tandindon’ny safidintsika hankatò na tsy hankatò ny tenin’i Kristy ohatra ny fankatoavana sy tsy fankatoavan’ny fianakavian’i Lehia ny torolalan’ny Liahona. Tahaka ny nahatongavan’ny fianakavian’i Lehia tany amin’ny tany nampanantenaina tamin’ny alalan’ny fanarahana ny Liahona, dia hahazo fiainana mandrakizay ihany koa isika rehefa manaraka ny tenin’i Kristy.

Angataho ny olona iray hanazava ny toerana afaka ahitantsika ny tenin’i Kristy eo amin’ny fiainantsika. (Valinteny mety ho azo ny hoe ny soratra masina, tenin’ireo mpaminany maoderina, tsodranon’ny patriarika, ary ireo bitsiky ny Fanahy.)

Manontania hoe: Inona avy ireo fitsipika nampianarin’i Almà an’i Helamàna tamin’ny alalan’ny fampiasana ny ohatry ny Liahona? (Mety ho toy izao fitsipika manaraka izao ireo valinteny: Hitarika antsika amin’ny fiainana mandrakizay ny tenin’i Jesoa Kristy rehefa mihaino izany isika. Azonao atao ny mizara ny fijoroanao ho vavolombelona fa ny fihainoana sy fankatoavana ny tenin’ny Tompo dia hitondra fitahiana amin’ny fiainantsika.

  1. Manorata, ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, fehezanteny vitsivitsy izay mamaritra ny zavatra nianaranao avy amin’ny fandalinana ilay lesona nosafidianao hampianarina.

  2. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izao manaraka izao: Nanapa-kevitra ny hampianatra ny lesona nofidiako mikasika ny Almà 37 aho: (soraty izay andininy hampianarinao). Hampianatra ny (soraty izay nosafidianao hampianarina) amin’ny (soraty ny daty nomaninao hampianarana ity lesona ity).

Sary
Sary famantarana ny andinin-tsoratra masina fehezina
Soratra Masina Fehezina—Almà 37:35

Asio marika ny Almà 37:35. Ezaho atao tsianjery ity andininy ity. Avy eo dia ataovy tsianjery na vakio amin’ny ray aman-dreny na olon-dehibe atokisana hafa izany. Apetraho amin’izany olona izany ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra anao teo amin’ny fiainanao?

  • Inona no torohevitra omenao ahy izay afaka hanampy ahy ho hendry kokoa mandritra ny fahatanorako?

  1. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina izay nianaranao avy amin’ilay olona niresahanao mikasika ny Almà 37:35.

  2. Soraty eo ambanin’ny asa nampanaovina anio ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina ity manaraka ity:

    Nandalina ny Almà 37 aho ary nahatontosa ity lesona ity tamin’ny(daty).

    Fanontaniana, sy eritreritra, ary hevi-baovao fanampiny izay tiako phozaraina amin’ny mpampianatro: